Réseau des Jeunes pour le Développement Durable - Madagascar

Réseau des Jeunes pour le Développement Durable - Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Réseau des Jeunes pour le Développement Durable - Madagascar, Nonprofit Organization, LOT VF 60 Mahamasina NORD, Antananarivo.

Le Réseau des Jeunes pour le Développement Durable est un groupement de jeunes au sein du CRAAD-OI (Centre de Recherche et d'Appui pour les Alternatives de Développement - Océan Indien).

📢 🍎🍊🥕 FIANDRIANANA ARA-TSAKAFO 🇲🇬🥦🥬🌽Mitohy hatrany ny fizarana fahalalana momba ireo lohahevitra lehibe mifandraika amin...
25/05/2026

📢 🍎🍊🥕 FIANDRIANANA ARA-TSAKAFO 🇲🇬🥦🥬🌽

Mitohy hatrany ny fizarana fahalalana momba ireo lohahevitra lehibe mifandraika amin’ny Fiandrianana ara-tsakafo eto amin’ny pejy! 📖✨

Amin’ity indray mitoraka ity dia hifantoka amin’ireo **“7 andrin’ny Fiandrianana ara-tsakafo”** isika, izay manampy antsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny rafitra ara-tsakafo maharitra sy manaja ny zon’ny vahoaka 🌾🌍

🌱 **Inona avy ireo 7 andrin’ny Fiandrianana ara-tsakafo ?**

1️⃣ Laharam-pahamehana ny fisitrahan’ny vahoaka sakafo
2️⃣ Fanomezan-danja ireo tantsaha mpamokatra sakafo

3️⃣ Fampiroboroboana ny rafim-pamokarana sakafo eny ifotony

4️⃣ Fametrahana ny fahafaha-mifehy sy mandrindra avy eny ifotony

5️⃣ Fanamafisana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao

6️⃣ Miara-miasa amin'ny zavaboary

7️⃣ Fankatoavana ny fananan’ny sakafo hasina

👉 Manasa antsika hanaraka hatrany ny fizarana manaraka ary hizara izany amin’ny hafa!
Andao hiara-hampitombo fahalalana ho fanamafisana ny fiandrianana ara-tsakafo 🌱✨


24/05/2026

✨ ’s TEAM : Portrait de la semaine ✨

Amin’ity herinandro ity dia asongadintsika i **Ninah**, mpikambana mavitrika sy feno fahavononana ao amin’ny RJDD 🌟🇲🇬

Mino izy fa :
💬 “Andraikitsika no manarina ny tontolo, ary rehefa tsy mandoto dia efa anisan'ny manadio.”*🌍🌱

'Ndao hiray dia, hiaro ny Zon’Olombelona sy ny Tontolo iainana🌿✨

🎵 Feon-kira : Mamina


22/05/2026

🌱MINUTES AgroECO🌱

✅Agroforesterie na Ala vadim-boly! 🌳💚🌱💚🌳💚🌱💚🌳💚🌱



🎬✨ Proj’Action – Mitohy any BOENY!Mitohy hatrany ny hetsika PROJ’ACTION, seho horonan-tsary fanadihadiana “Chez les Zébu...
19/05/2026

🎬✨ Proj’Action – Mitohy any BOENY!

Mitohy hatrany ny hetsika PROJ’ACTION, seho horonan-tsary fanadihadiana “Chez les Zébus Francophones”, novokarin'ny , entina manakaiky kokoa ny fiarahamonina sy hizara ireo zava-misy iainana eny ifotony, ahafahan'izy ireo miaro tena sy mandray fepetra amin'ny karazana tsindry mety hiseho amin'ny endriny maro mahakasika ny fananan-tany🎥

📍 Faritra BOENY

📅 29 Mai – amin’ny 09 ora maraina
📌 Belobaka (tokontanin’ny Kaominina)

📅 30 Mai – amin’ny 04 ora sy sasany hariva
📌 Antsanitia (EPP Antsanitia)

🎟️ Bôjo – Miavia maro!

👉 Aza adino ny manaraka ny pejy hahafantarana ireo toerana sy daty manaraka amin’ny Proj’Action.

📢 🍎🍊🥕 **FIANDRIANANA ARA-TSAKAFO 🇲🇬🥦🥬🌽**Mitohy hatrany ny fizarana fahalalana momba ireo lohahevitra lehibe izay hisehar...
18/05/2026

📢 🍎🍊🥕 **FIANDRIANANA ARA-TSAKAFO 🇲🇬🥦🥬🌽**

Mitohy hatrany ny fizarana fahalalana momba ireo lohahevitra lehibe izay hiseharan'ny RJDD eto amin’ny pejy! 📖

Amin’ity indray mitoraka ity kosa dia hifantoka amin’ny fanazavana ireo teny matetika mifangaro hevitra isika : Fanjarin-tsakafo (sécurité alimentaire), Fahavitan-tena ara-tsakafo (auto-suffisance alimentaire), ary Fiandrianana ara-tsakafo (souveraineté alimentaire).

🥗 Inona ny atao hoe Fanjarin-tsakafo (sécurité alimentaire) ?

Misy ny fanjarin-tsakafo rehefa afaka mahazo sakafo ampy, ara-pahasalamana ary mahavelona ny olona rehetra, amin’ny fotoana rehetra.
Tsy voatery hoe vokarina eto an-toerana avokoa ny sakafo, fa ny tena zava-dehibe dia misy sy azon’ny olona vidiana ary hanina ara-dalàna.

🌾 Inona ny atao hoe Fahavitan-tena ara-tsakafo (auto-suffisance alimentaire) ?

Ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia fahafahan’ny firenena mamokatra ny ankamaroan’ny sakafo ilainy eto an-toerana, ka mampihena ny fiankinana amin’ny fanafarana avy any ivelany.
Ohatra amin’izany ny fanamafisana ny famokarana vary, legioma, voankazo ary vokatra avy amin’ny fiompiana eto Madagasikara.

✊ Ary inona kosa ny fiandrianana ara-tsakafo ?

Ny fiandrianana ara-tsakafo dia zon’ny vahoaka sy ny firenena hanapa-kevitra momba ny rafitra famokarana sy fanjifana sakafo mifanaraka amin’ny kolontsaina, ny tontolo iainana ary ny filàn’ny mponina.
Manome lanja ny :

* tantsaha (mpamboly, mpiompy sns),
* masomboly nentim-paharazana,
* famokarana maharitra,
* tsena eo an-toerana,
* ary ny fiarovana ny tany sy ny harena voajanahary.

🔎 Inona àry no maha samy hafa azy ireo ?

* Ny **sécurité alimentaire** dia mifantoka amin’ny fahazoan’ny olona sakafo ampy.
* Ny **auto-suffisance alimentaire** kosa dia mifantoka amin’ny famokarana sakafo eto an-toerana.
* Ny **fiandrianana ara-tsakafo** indray dia manampy ny zon’ny vahoaka sy ny tantsaha hifehy ny rafitra ara-tsakafo sy ny fomba famokarana.

👉 Manasa antsika hanaraka hatrany ny fizarana manaraka ary hizara izany amin’ny hafa!
Andao hiara-hampitombo fahalalana ho fanamafisana ny fiandrianana ara-tsakafo. 🌱

17/05/2026

✨ ’s TEAM : Portrait de la semaine ✨

Amin’ity herinandro ity dia asongadintsika i Heritiana, Point Focal ny RJDD Vakinankaratra 🌟🇲🇬

Heritiana dia isan’ireo tanora mavitrika sy manolo-tena amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fampandrosoana maharitra 🌱. Tao anatin’ny fandraisany anjara ao amin’ny RJDD dia nahazo fiofanana momba ny agroforesterie izy, izay manampy azy hampiroborobo fomba fambolena maharitra sy manaja ny tontolo iainana 🌿.

Ankoatra izany dia isan’ireo tompon'andraikitra amin’ny fitantanana ny vitrine écologique sy ny éco-musée ao Antsirabe ihany koa izy, sehatra manampy amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny fampahafantarana ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny harena voajanahary 🌍♻️.

Mandray anjara mavitrika amin’ny fanentanana ireo tanora sy ny fiarahamonina i Heritiana, mba hanana fomba fijery maharitra sy tompon'andraikitra amin’ny tontolo iainana ⚠️🤝.


FIRAISAN-KINA SY FANOHANANA NY FOKONOLONA WHITE MESA SY NY FOKO UTE MOUNTAIN UTE ✊🪶Manohitra tanteraka 🚫 ny fitrandrahan...
15/05/2026

FIRAISAN-KINA SY FANOHANANA NY FOKONOLONA WHITE MESA SY NY FOKO UTE MOUNTAIN UTE ✊🪶

Manohitra tanteraka 🚫 ny fitrandrahana “uranium” ☢️ ataon'ny orinasa Energy Fuels ao La Sal sy manakaiky ny Grand Canyon ny vahoaka ao.

NOHO IZANY DIA MITAKY:

📢 Ny fanajanonana ny fanorenana orinasa mpitrandraka “uranium” ☢️ manamorona an'i Maob ao La Sal,

🛑 Ny fanatsaharana ny fitrandrahana “uranium” ☢️ Pinyon Plain izay manakaiky ny valanjavaboahary 🌄 Grand Canyon.

⚠️ Ny fanodinana ireo akora “uranium” trandrahan'ny ozinin'ny Energy Fuels, izay mitondra fako sy loto radioktifa ☣️ ka miteraka voka-dratsy goavana 🌍 ho an'ny tontolo iainana sy ny vondrom-piarahamonina Ute White Mesa ao amin'ny faritra San Juan.

Araka izany ✊, hiray hina isika hanohana ny foko Ute Mountain Ute 🪶 sy ireo fokonolona Ute White Mesa ary ireo fokonolona Navajo Dine 🌿!

Ny foko Havasupai 🏞️ dia mivondrona ary manohitra tsy misy fepetra ny asa fitrandrahana “uranium” ☢️ ataon'ny Energy Fuels, ary mitaky ny fanatsaharana ny fitaterana 🚛 sy fanariana akora radioktifa ☣️ manakaiky ny faritra Ute White Mesa.

📢 TARATASY MISOKATRA HO AN’NY SOLOMBAVAMBAHOAKAN’I MADAGASIKARA 🇲🇬✊🚫 TSY AZO EKENA ny fanaovana sorona ny zon’ireo vahoa...
12/05/2026

📢 TARATASY MISOKATRA HO AN’NY SOLOMBAVAMBAHOAKAN’I MADAGASIKARA 🇲🇬✊

🚫 TSY AZO EKENA ny fanaovana sorona ny zon’ireo vahoaka manohitra ny tetikasa mampidi-doza Vara Mada sy ny fiandrianam-pirenena mba hamaliana ny filàn’ny mpitondra Amerikana 🇺🇸⚠️

Hatramin’ny nandraisan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara (PRRM) ny fitondrana dia tsy mitsahatra maneho ny fandavany marin-drano ny fitrandrahana ilmenite, rutile, zircon ary monazite kasain’ny orinasa amerikana Energy Fuels Inc. hatao ao amin’ny tetikasa Vara Mada ireo vahoaka voakasika 👥🌍.

📅 Tamin’ny 15 Desambra 2025, dia tonga nihaona tamin’ny PRRM teny Iavoloha ireo fokonolona voakasika mba hitaky indray ny fanajanonana ny tetikasa ✋🏾⛏️
📅 Tamin’ny 17 Aprily 2026 kosa dia hita nitondra sora-baventy maro tany Toliara izy ireo 🪧🔥
📅 Ary tamin’ny 18 Aprily 2026, ny PRRM dia namangy ny fianakavian’Itompokolahy Benefice 😢, izay maty voatifitry ny zandary nandritra ny hetsi-panoherana tamin’ny 13 Septambra 2025 ⚫

Na eo aza izany rehetra izany, nivoaka tamin’ny 21 Aprily 2026 ny vaovao fa nifampiresaka momba ny tetikasa Vara Mada tany Washington ny Praiminisitra Malagasy sy ny Sekreteram-panjakana lefitra Amerikanina 🤝🏛️. Nohamafisina tamin’izany ihany koa ny fanirian’i Etazonia hiaro ny famatsiana mineraly stratejika sy “terres rares” 🪨⚡.

🏛️🤝 Manoloana izany zava-misy sy fanehoan-kevi-bahoaka izany anefa, araky ny vaovao nivoaka tamin’ny 21 aprily 20261 dia nifanaraka mikasika ny tetikasa Vara Mada ny Praiminisitra Malagasy sy ny Sekreteram-panjakana lefitra Amerikana nandritry ny fihaonany tany Washington. Niresaka ihany koa izy ireo momba ny fiaraha-miasa mivelatra kokoa amin’ny ho avy mba hiarovana ny tarajam-pamatsiana mineraly stratejika toy ny terres rares ho an’ny firenena Amerikana, sady hampidirana an’i Madagasikara ao anatin’ny rojom-pihariana (chaînes de valeur) eran-tany momba ny fiarovana sy ny teknolojia2.

⚠️🌍 Izany vaovao izany dia manamarina ny siosion-dresaka milaza fa efa manaiky ny fanatanterahana ny tetikasa Vara Mada ny PRRM, satria tsy sahy manohitra ny ezaky ny fitondrana Amerikana hampihatra fanjanahana ara-ekonomika na eto Madagasikara na any amin’ny firenena hafa izay manana ireo mineraly stratejika izay ilainy toy ny Ukraine sy ny Repoblika Demokratikan’ny Congo.

🗣️📜 Na dia nilaza aza ny Praiminisitra tamin’ny fihaonany tamin’ireo tanora ao amin’ny GEN Z sy ny mpanao gazety fa tsy nanao izany fifanarahana izany velively, dia tsy nisalasala nanamafy io fifanarahana tamin’ny mpitondra Malagasy io indray ny Talen’ny Vara Mada tamin’ny 26 Aprily 2026, ary nilaza fa ny fankatoavana ny fifanaraham-piaraha-miasa avy amin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) sisa no andrasana3. Tsy nanohitra izany filazana avy amin’ny Vara Mada izany ny mpitondra Malagasy, izay midika fa nisafidy tsy misy fihambahambana izy hanao sorona ny tombotsoa sy ny fiandrianan’ny vahoaka Malagasy amin’ny harem-pirenena voajanahary ao amin’ireo toerana fitrandrahana, sady mampiseho ihany koa ny finiavany hanitsakitsaka ny fitakian’ireo vahoaka voakasika ny fanajana ireo zo fototra izay ananany amin’ny tanin-drazany, ny foto-pivelomany, ny fahasalamany, ary ny tontolo sy ny rohivoahary iainany.

☢️🌱 Ataon’ny mpitondra Malagasy toy ny tsy misy ihany koa ireo ireo fampitandremana natao taminy efa nanomboka tamin’ny volana oktobra 2025 mikasika ny radioactivité sy ny voka-dratsy amin’ny tontolo iainana izay hateraky ny tetikasa fitrandrahana fasimainty sy monazite. Izany dia efa voaporofon’ny loza nihatra tamin’ireo vahoaka ao Taolagnaro voakasiky ny tetikasa Rio Tinto-QMM, izay mitrandraka fasimainty sy monazite koa. Tsara ny mampahatsiahy azy fa i Rio Tinto dia miatrika fitoriana manoloana ny Tribonaly any Londres (Angletera) nohon’ny fandotoany ny rano fampiasa sy fisotron’ireo fokonolona manodidina ny fitrandrahan’i RioTinto-QMM amin’ny firaka (plomb) sy Uranium4, izay namono ny trondro sady mitera-doza mahafaty ho an’ny fahasalamam-bahoaka.

🔬☢️ Izany fahasarotan’ny ambana avy amin’ny radioactivité izany mihitsy anefa no antony lehibe amin’ny fanoheran’ireo fokonolona voakasiky ny tetikasa Vara Mada hatramin’ny voalohany. Efa hatramin’ny taona 2014 no efa nisy fikarohana siantifika maromaro5 nanamarina fa rehefa avoaka avy any ambanin’ny tany ny fasimainty ao Ranobe dia miteraka radioactivité avy amin’ny Uranium sy Thorium 232 mahatratra 10600-10700 Bequerel/kg, izay mihoatra lavitra ny fenitra 10000 Bequerel/kg izay zakan’ny vatan’olombelona napetraky ny Agence Internationale de l'Energie.

🚨🤝 Ambonin'izany, dia manahiran-tsaina tokoa ny fahitana ny firaisana tsikombakomban'ny mpitondra politika Malagasy amin’ireo orinasa mpitrandraka avy amin’ny firenena samihafa toy ny Vara Mada sy Rio Tinto, izay tetikasa miteraka voka-dratsy maro izay efa fantatra tsara eo amin'ny ireo fokonolona voakasika6. Ity firaisana tsikombakomba ity dia tena manafintohina tokoa satria manitsakitsaka ny zon'ny mponina amin'ny fandavana na fanekena malalaka ny tetikasa toy itony, ary indrindra loza manambana ny antom-pivelomany sy ny zony amin’ny tany, ny rano ary ny tontolo iainana madio, mahasalama sady maharitra.

🌎⛏️ Araka izany, dia tsy nambaran’ny Masoivoho Amerikana izay miezaka hampandeha ny tetikasa fitrandrahana Vara Mada tamin’ny mpitondra Malagasy fa na dia any Etazonia aza i Energy Fuels Inc. dia miatrika fanoherana mafy avy amin’ny foko Ute Mountain Ute, izay mipetraka eo akaikin’ny orinasa famokarany Uranium ao White Mesa (Utah), nohon’ny vokadratsy ateraky ny orinasa amin’ny tontolo iainana sy ny fahasalaman’izy ireo. Manohitra mafy toy izany koa ny foko Havasupai sy Navajo voakasiky ny fitrandrahan’ny Energy Fuel Inc. ao akaiky ny Grand Canyon sy La Sal ao Utah7. Na izany aza no zava-misy any Utah, dia tsy mihambahamba ary vonona tanteraka ny orinasa Energy Fuels Inc. handrava ny antom-pivelomana sy ny tontolo iainan’ireo fokonolona voakasiky ny tetikasa fitrandrahany ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II.

🏛️📢 Manoloana ny fananganana Vaomiera hanao fanadihadiana ny tetikasa Vara Mada eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, sy ny fikasana hanolotra ny fifanarahana (protocole d’accord) mikasika ny fanatanterahana io tetikasa io mba ho ankatoavin’ny Solombavambahoaka, ny fokonolona voakasika sy ireo fikambanana manao sonia ity taratasy misokatra ity dia manamarika fa ny fankatoavana ny fifanarahana amin’ny tetikasan’i Energy Fuels Inc hitrandraka fasimainty sy monazite eto Madagasikara hamokarany terres rares, dia fankatoavana tsy misy fihambahambana ny fanaovana ho sorona ireo toerana fitrandrahana sy ireo mponina voakasika. Izany no atao dia mba hanamafisana ny famatsiana angovo sy mineraly critiques an’ny fanjakana amerikana, izay nanapa-kevitra fa hiaro ny mponina sy ny tontolo iainana ao aminy mba tsy ho tratry ny vokadratsin’ny famokarana terres rares, ka hanondrana izany loza manambana rehetra izany any amin’ny fokonolona sy ny rohivoahary ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II.

📣✊ Noho izany dia manao antso avo aminareo Solombavambahoaka izahay etoana, mba hihaino ny feon'ny fokonolona izay tsy nitsahatra nitaky an-taona maro izay ny fanajanonana tsy misy hatak'andro ity tetikasa Vara Mada ity, ary handinika ny fanampiana azy amin'ny fomba sahaza ho fampandrosoana ny seha-pihariana ivelomany amin'ny fambolena sy fiompiana ary jono nentim-paharazana.

⚖️🇲🇬 Tianay koa ny mampahatsiahy ny PRRM sy ireo manam-pahefana mahefa rehetra, fa amin'ny olom-pirenena izay nifidy sy nametraka azy eo amin’ny fitondrana no ananany tamberin'andraikitra voalohany indrindra, sady izy ireo ihany koa no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanajana sy fiarovana ary fanatanterahana ny zon'ireo olom-pirenena ireo hisafidy ankalalahana tanteraka izay tetikasa fampandrosoana sahaza azy.

🤝🌱 Farany izahay izay manao sonia ity Taratasy misokatra ity dia manamafy ny firaisanay hina tanteraka amin’ny Fokonolona voakasiky ny tetikasa Vara Mada, izay tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fitrandrahana fasimainty sy monazite ao amin’ny fokontany misy azy, ary vonona hitaky hatrany ny zony handà ny fanaovana an’io tetikasa io izay handrava ny fivelomany sy ny tontolo iainan’ireo taranaka any aoriana.

📅🖊️ Natao androany faha-07 Mey 2026
✍️ CRAAD-OI
✍️ Collectif TANY
✍️ Concret-S / Human Rights
✍️ FARM
✍️ RJDD
✍️ FI.MA
✍️ FI.FI.MA.MA
✍️ KFIM

🇲🇬 🌍✊

📢 🍎🍊🥕 FIANDRIANANA ARA-TSAKAFO 🇲🇬🥦🥬🌽Mitohy hatrany ny fizarana fahalalana momba ireo lohahevitra lehibe mifandraika amin...
11/05/2026

📢 🍎🍊🥕 FIANDRIANANA ARA-TSAKAFO 🇲🇬🥦🥬🌽

Mitohy hatrany ny fizarana fahalalana momba ireo lohahevitra lehibe mifandraika amin’ny sakafo sy ny fambolena eto amin’ny pejy! 📖
Amin’ity indray mitoraka ity dia hifantoka amin’ny "Agroécologie", ny "Transition agroécologique", ireo Mpisehatra ary ny zava-misy iainana eto Madagasikara isika.

🌱 **Inona moa ny agroécologie ?**
Ny agroécologie dia teknika fambolena sy fiompiana mifanaraka amin’ny natiora, miaro ny tontolo iainana, mampiasa ny harena voajanahary amin’ny fomba maharitra, ary manatsara ny fari-piainan’ny tantsaha sy ny fiarahamonina.

🔄 **Inona ny transition agroécologique ?**
Izany dia famolavolana rafitra ara-tsakafo miroso mankany amin’ny fomba famokarana sakafo maharitra sy manaja ny zavaboary ary ny fahasalaman’ny olona.

🤝 **Iza avy ireo mpandray anjara ?**
Anisan’ireo mpandray anjara ny :

* tantsaha sy mpiompy,
* fikambanana sy kaoperativa,
* fanjakana,
* mpikaroka sy sekoly ambony,
* ONG sy mpiara-miombon’antoka,
* ary ny mpanjifa.

🇲🇬 **Ahoana ny zava-misy eto Madagasikara ?**
Manana harena voajanahary sy fahalalana nentin-drazana i Madagasikara izay afaka manohana ny agroécologie. Na izany aza dia mbola misy fanamby toy ny :

* fiovan’ny toetr’andro,
* fahasimban’ny tany,
* tsy fananan-tany sy fangoronan-tany,
* faharatsian'ny lalana,
* fanomezana vahana ireo akora simika toy ny zezika sy pesticide,
* fampidirana masom-boly manimba avy any ivelany,
* tsy fahaizana mandanjalana ny tsena iraisam-pirenena (fanafarana sy fanondranana) mahafaty antoka ny tantsaha sy tsy mahasalama ny vahoaka,
* tsy fahampian’ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola,
* ary ny fahasarotan’ny tsenan’ny tantsaha.

Na eo aza izany dia efa maro ireo tantsaha sy fikambanana mampihatra fomba agroécologique amin’ny faritra maro eto amin’ny nosy, ho fanamafisana ny fiandrianana ara-tsakafo sy fiarovana ny tontolo iainana. 🌾

👉 Manasa antsika hanaraka hatrany ny fizarana manaraka ary hizara izany amin’ny hafa!
Andao hiara-hampitombo fahalalana ho fanamafisana ny fiandrianana ara-tsakafo. 🌱

10/05/2026

✨ ’s TEAM : Portrait de la semaine ✨

Amin’ity herinandro ity dia asongadintsika i Santatra, mpikambana ao amin’ny RJDD Analamanga 🌟🇲🇬

Anisan’ny fivoarana lehibe ho azy ny fahafahana mifandray sy mifanakalo traikefa amin’ireo namana avy amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara 🤝🇲🇬. Manampy azy amin’ny fanamafisana ny fahalalana ankapobeny izany ary nampitombo bebe kokoa ny fahalalany mikasika ny fahasamihafan’ny kolontsaina malagasy sy ny zava-misy isam-paritra.

Hira: Mamina


📢 🍎🍊🥕**FIANDRIANANA ARA-TSAKAFO** 🇲🇬🥦🥬🌽Mitohy ny fizarana mahakasika lohahevitra iray mandritra ny iray volana eto amin’...
04/05/2026

📢 🍎🍊🥕**FIANDRIANANA ARA-TSAKAFO** 🇲🇬🥦🥬🌽

Mitohy ny fizarana mahakasika lohahevitra iray mandritra ny iray volana eto amin’ny pejy!📖Ny FIANDRIANANA ARA-TSAKAFO no lohahevitra manaraka.

🎯 Tanjona : hampahafantatra bebe kokoa ny atao hoe rafitra ara-tsakafo, ny singa mandrafitra azy, ny "Transition agroécologique" ary ny fomba ahatratrarana izany fiandrianana ara-tsakafo izany.

👉 Ho an’ity fizarana voalohany ity dia horesahintsika ny atao hoe Rafitra ara-tsakafo (système alimentaire) ary inona ny atao hoe "approche systémique"

Manasa antsika hanaraka hatrany ary aza misalasala mampita amin’ny hafa!
Andao hiara-hampitombo fahalalana ho fanamafisana ny fiandrianana ara-tsakafo. 🌱

Address

LOT VF 60 Mahamasina NORD
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Réseau des Jeunes pour le Développement Durable - Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Réseau des Jeunes pour le Développement Durable - Madagascar:

Share