Petit Refuge Aure

Petit Refuge Aure Refuge pour chiens eto Antananarivo izahay, miezaka manavotra ireo alika mirenireny, mitsabo, mitaiza, ary mitady fianakaviana ho azy ireo.

Tia alika tsy misy fanavakavahana

13/08/2026
12/08/2026

Nouveau Refuge 💓

⚠️ URGENT CAGNOTTE DÉMÉNAGEMENT➡️ MAVESATRA BE NY CHARGE MITAMBATRA,KOA IZAY AFAKA MANAMPY HISAORANA INDRINDRA TOMPOKO🙏M...
11/08/2026

⚠️ URGENT CAGNOTTE DÉMÉNAGEMENT

➡️ MAVESATRA BE NY CHARGE MITAMBATRA,KOA IZAY AFAKA MANAMPY HISAORANA INDRINDRA TOMPOKO🙏

Mvola 0340475794 Tiana Marie Christiane
Orange Money 0322185780 Tiana Marie

ERIKERIKA MAHATONDRA-DRANO RY NAMAKO🙏🙏🙏

10/08/2026

VONINAHITRA HO AN'ANDRIAMANITRA NY FAHASOAVANA IZAY OMENY ISAN'ANDRO🙏🙏🙏

➡️ Fintiniko kely ny tantara:
Mila mifindra trano ny refuge ary nitady dia nahita, tokony nifindra Herinandro lasa izay ka tampoka ny androny hifindràna no nolazaina izahay fa tsy ahofa indray ny trano.

➡️ Niverina nitady fa tsy nahita mihitsy, dila omaly 09 Août ny contrat de bail anay ka nangataka fotoana kely amin'ny tompontrano misy anay dia nomeny.

➡️ Tao anaty tahotra, tebiteby mafy ho alefa aiza Ireto maminy fointsika.

➡️ Nitohy foana anefa ny fijerena annonce mandra-maraina ka tojo ilay anjara ihany ❤️❤️❤️

➡️ Maro no nanome sosokevitra, maro no hanampy ary mankasitraka indrindra anareo mijoro eo anilanay 🙏🙏

❤️ Nandroso fanampiana ianareo hanokafana cagnotte hifanampiana satria moa tsy mora ny mifindra indrindra miaraka amin'ireto pipile maro be, koa misokatra eto ny cagnotte DÉMÉNAGEMENT 😊

❤️ MISAOTRA BETSAKA HO ANAREO REHETRA IZAY HANOME TANANA TOMPOKO, HONERA BE IZAY HO LANINAREO REHETRA

👉 CAGNOTTE =
MVOLA 0340475794 9TIANA MARIE CHRISTIANE
ORANGE MONEY 0322185780 TIANA MARIE CHRISTIANE

✅ IREO IHANY NY NUMÉRO NY REFUGE FA TSY MISY ANKOATRA.

Miarahaba antsika rehetra tompoko, an-kafiana no hizaraina aminareo ny vaovao 🙏 Nahita fonenana mifefy izahay io maraina...
10/08/2026

Miarahaba antsika rehetra tompoko, an-kafiana no hizaraina aminareo ny vaovao

🙏 Nahita fonenana mifefy izahay io maraina io

Mizara vaovao feno fa somebosembo ery

❤️ TENA FENO NY FO MAHITA ANAREO MANOHANA, MISAOTRA INDRINDRA RE TOMPOKO

ANDRIAMANITRA TSY MANARY,❤️🐶❤️

🙏 Na mafy ny Sedra 💔, matokia ahy ianareo fa tsy hanrary, tsy hamerina ireo malalakely hiverina eny an-dalambe aho.➡️ MI...
09/08/2026

🙏 Na mafy ny Sedra 💔, matokia ahy ianareo fa tsy hanrary, tsy hamerina ireo malalakely hiverina eny an-dalambe aho.

➡️ MITADY : Trano misy tokontany malalaka mifefy tsara ho an'izay mahita ré mba lazao aho azafady

Tsy arako ny mamaly message, commentaire rehetra amin'izao fotoana izao fa tena hialako tsiny indrindra aminareo re.

Reraka ny saina, fo, vatana, fa tsy maintsy mahita vahaolana.

Dila anio ny fe-potoana fa nahazo 4 andro aho ary ato ny kikizy ary tsy hisaraka izahay na inona mitranga.

MISAOTRA INDRINDRA FENO anareo mpanaraka, tia biby, ny mpanohana hatrizay, hatramin'izao mankahery, mitady vahaolana ho anay, manome herim-po, heri-tsaina ny fisianareo rehetra.

Mikasika ny Cagnotte izay tsy noekeko izy ity satria efa mikatona dia tsy rariny amiko ny mandray fanampiana anefa ny activité efa tsy mitohy.
Aleoko mahita toerana vao manokatra tsipaipaika fa raha izao anao cagnotte anefa ny toerana aleha tsy misy, hitako hoe tsy mety

Omeo fotoana aho ry namako hikaroka, rehefa mahita aho milaza eto ary misaotra anareo be amin'ny sosokevitra rehetra.

Ny trano sy tokontany handray anay no tsy mahita amin'izay zakanay no mampihitsoka fa mino sy manemantena fa tsy maintsy ho resy izao Sedra izao.

MANKASITRAKA INDRINDRA ANAREO MPANARAKA.

Mandra-pitafa tompoko

09/08/2026

A VOUS TOUS 😢
Mon histoire, mon parcours en 6ans

AUREVOIR La complicité entre nous, un amour sincère sans contre parti

Une fidélité inégalable, des chiens sans voix, des vies sauvé

Il y a une fin dans une histoire, des fois une belle fin, d'autre triste.
Petit Refuge Aure Madagascar vous dit aurevoir et nous avons le cœur lourd mais malheureusement malgré nos recherches, efforts on a pas trouvé un terrain et faute de moyen également.

Address

Tanà
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Petit Refuge Aure posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share