Ladies

Ladies

30/03/2026
30/03/2026
📖📖Fahalalàna hoan"ny rehetra📖📖👉Efa elaela izay no nandokonay mpikambana ny trano famakiam-boky eto @ site EPP Manarintso...
30/03/2026

đź“–đź“–FahalalĂ na hoan"ny rehetrađź“–đź“–

👉Efa elaela izay no nandokonay mpikambana ny trano famakiam-boky eto @ site EPP Manarintsoa ho fanatsarana ny tontolo iainan’ny mpamaky sy ny mpianatra ary ny mpanabe ao.

👍Ary tamin’ity Asabotsy lasa teo ity kosa vao tontosa ny fanolorana boky isan-karazany sy "étagère" ho fanohanana ny fianarana sy ny fampiroboroboana ny fitiavana mamaky boky📚, izay antoka lehibe ho@ fahalalàna sy fampandrosoana

💫Tsy mijanona amin’ny fanomezana boky anefa izahay fa toy ny site rehetra hanaovanay izao asa soa izao dia mbola hiverina hanao "suivi sy séance de lecture" izahay mba hanampy sy hanentana hatrany ireo ankizy sy tanora

🙏Eto ihany koa dia manolotra Fisaorana feno hoan"ireo rht nanampy anay nafahana nanatanteraka an"izao:
_Africa Global Logistique
_Ny tapaka sy namana eto an tanindrazana sy any adilambato any
_Ny mpikambana sy ny ankohonany rehetra

👉 Miantso fanohanana izahay:
Raha manana boky mbola azo ampiasaina ianareo (boky fianarana, tantara, na boky ho an’ny ankizy),indrindra hoan" ny garabola ka hatraminy kilasy faha 5 dia afaka manolotra izany ho fanampiana ny trano famakiam-boky 📖❤️

💪Ny kely atao, raha atambatra, dia mitondra fiovana lehibe ❤️

Mankasitraka indrindra tompoko🙏



Address

Lot 3AIVBis Mahamasina
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ladies posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share