30/05/2026
⚠️ ZAVA-DOZA HO AN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA NY FIKASANA HAMOAKA LALÀNA MAMPITOVY TANTANA NY DÉPÔT DES MÉDICAMENTS SY NY PHARMACIE ⚠️
━━━━━━━━━━━━━━━
🚨 Miteraka fanalefahana ny fenitra ara-pahasalamana ny fampitoviana tantana ireo sehatra roa ireo...
🚨 Miteraka fikorontanana eo amin'ny fanaraha-maso ny fanafody vokarina sy ampiasaina...
🚨 Manokatra varavarana ho amin’ny fampiasana fanafody tsy voafehy ka hitera-doza tsy azo heritreretina...
━━━━━━━━━━━━━━━
🟢 NY FARMASIA DIA SEHATRA ARA-TSIANTIFIKA 💚
⭐ Tantanan’ny pharmacien diplômé,
⭐ 7 taona tsy ankiato no mianatra vao tonga farmasiana (6 ans cours théoriques et 1 an stage interné)
⭐ Miantoka ny fiarovana sy ny fampiasana fanafody araka ny tokony ho izy...
⭐ Manara-maso ny ordonnance, ho fiarovana ny marary,
👉 Andry lehibe amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka izany, fa tsy mijanona amin'ny fivarotam-panafody fotsiny.
━━━━━━━━━━━━━━━
💊 NY DÉPÔT DE MÉDICAMENTS DIA SEHATRA VOAFETRA
⭐ Mitsinjara fanafody fototra any amin’ireo toerana lavitra tsy misy farmasia,
⭐ Fanafody voafetra no azony varotana, satria tsy nandalo fiofanana ara-akademika izy,
⭐ Na Iza na Iza dia afaka manao ny asan'ny Dépositaire des Médicaments daholo fa tsy mifidy diplôme,
⚠️ Noho izany dia tsy manana andraikitra feno ara-tsiantifika toy ny farmasia izy, ka voafetra tanteraka ny andraikiny eo amin'ny resaka fikirakirana fanafody.
━━━━━━━━━━━━━━━
🔴 Ny fampitoviana azy roa ireo dia azo antoka fa hiteraka fihenan’ny kalitaon’ny fitsaboana, fahadisoana amin’ny fampiasana fanafody
❗ loza mivantana amin’ny fahasalaman’ny marary.
━━━━━━━━━━━━━━━
⚠️HO AN’NY MPANAPA-KEVITRA ⚠️
🚫 Fadio ny mamokatra lalàna mampitovy sehatra roa tsy mitovy
🛡️ Arovy ny fenitra ara-tsiantifika sy ny fahasalamam-bahoaka
━━━━━━━━━━━━━━━