Association des Jeunes Ambararatabe A.J.A

Association des Jeunes Ambararatabe A.J.A Association des jeunes

🌿 VITA NY PASKA… FA NY ANTSIKA VAO MANOMBOKA! 🌿Ity ary ilay hetsika nampanantenaina ho antsika tanora avy any Ambararata...
06/04/2026

🌿 VITA NY PASKA… FA NY ANTSIKA VAO MANOMBOKA! 🌿

Ity ary ilay hetsika nampanantenaina ho antsika tanora avy any Ambararatabe 💫

🎉 FIHAONAM-BE HO AN’NY TANORA REHETRA
(na miasa, na mianatra, na monina eto Antananarivo)

✨ Inona no hatao?

- Hitsangatsangana 🏞️
- Hilalao 🎲
- Hifampizara sy hifanolo-kevitra 🤝
- Hikaroka vahaolana hifanasoa sy hanampiana ny ankizy sy tanora avy any amintsika
- Hamerina aina ny fikambanana 🔥

📍 Toerana : Sam Run, Anosizato Andrefana
📅 Daty : 17 Mey 2026
⏰ Ora : 09 ora maraina – 03 ora hariva
💰 Vidim-pidirana : 3.000 Ar

🍱 Fanamarihana :
Samy mitondra sakafo sahaza ho azy, fa ny jus dia efa iombonana 🥤

📢 Ny antsipiriany fanampiny dia hapetraka ao amin’ny commentaires.

👉 Aza misalasala, tongava maro!
👉 Andao hifanakaiky, hifandray, ary hifampandroso! 💙

22/03/2026

Mbola misy tsy matory ve?
🔥Andao ary🔥
Araho hatramin'ny farany ny vidéo raha te hanara-baovao.
Tagueo ilay namanao efa sasa-niandry iny.

19/03/2026

sombiny Kely tamin'ilay compétition ity zaraina aminareo ity.
Tena nanome ny tsara indrindra avy aminy ny solotenantsika 🔥

Miarahaba azy dahy ireto tamin'ny fitondrana avo ny Tànana antsika 👏Tena niady izy ireo. Tsy nahazo ny amboara izy ireo ...
15/03/2026

Miarahaba azy dahy ireto tamin'ny fitondrana avo ny Tànana antsika 👏
Tena niady izy ireo.
Tsy nahazo ny amboara izy ireo fa saingy tena tsara ary mendri-piderana ny ezaka nataony.
Misaotra ireo rehetra tonga nanohana, tsy nampihena mitaha azy ireo tamin'ny mpifaninana hafa.
Mirehareha isika manana ireto zandry ireto✊

⚽ part II ⚽
15/02/2026

⚽ part II ⚽

Elaela tsy nifampitafa. Asiana retour en force amin'izay ve? Andao aloha hankafy ireto sary vitsivitsy nanamarika ny lal...
15/02/2026

Elaela tsy nifampitafa.
Asiana retour en force amin'izay ve?
Andao aloha hankafy ireto sary vitsivitsy nanamarika ny lalao nataon'ny ekipatsika ireto 😍

23/06/2024

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! Nomena Harilanto

Alahady 02 jona 2024. Lalao arapirahalahiana AJA vs AJESIsaorana ireto ekipa ireto fa tena niady ny lalao. Resy isika fa...
02/06/2024

Alahady 02 jona 2024.

Lalao arapirahalahiana AJA vs AJES

Isaorana ireto ekipa ireto fa tena niady ny lalao. Resy isika fa mbola afaka manarina ✊. Tsy manary toky izany.

Betsaka ianareo naniry ny ho Tonga fa nohon'ny Antony maro samihafa dia tsy afaka. Tsy ifanomezan-tsiny fa ny manetsabe mbola ho avy ka dia alamino ny fandaharam-potoana.

Ankasitrahina ianareo rehetra nahafoy fotoana ho an'ny fikambanantsika.



31/05/2024

Hamaly ireo fanontaniana manitikitika anareo rehetra manodidina ilay fivoriantsika amin'ny alahady izao.

🎯Amin'ny 10 Ora no manomboka ny lalao basket AJA vs AJES.
❌ Tsy misy vidimpidirana ny miditra ao amin'ilay toerana fa tongava daholo.
Eny an'ny kianjan'ny mopera Analamahitsy (Coliseum dia midina ohatrany ho an'ny Alarobia, 500m eo dia vavahady mena ankavanandalana)

🎯 Mitohy mandrapahariva ny fiarahan-tsika, ka aza adino ny mitondra sakafo atoandro na mividy any antoerana ihany koa izay tsy mahavimbina,mety daholo.

🎯 Hisy ny fivoriam-be AG ao aorian'izay, andinihana ireo tetik'asan'ny fikambanantsika, anomanana ny fifidianana birao, sy ny maro hafa.

🎯 Mba ho fandaminana dia mba mandefa hafatra miafina isika rehetra izay ho tonga, na mety mbola misalasala aza tsy maninona 😀.

Mandra-pihaona indray ary oh .

(⚠️Cliqueo kely ny sary fa misy infos sarona ilay ao ambany.) 🏀🔥.A.J.A🆚 A.J.E.S🔥🏀 Isika zanak'Ambararatabe sy Ankadinond...
27/05/2024

(⚠️Cliqueo kely ny sary fa misy infos sarona ilay ao ambany.)
🏀🔥.A.J.A🆚 A.J.E.S🔥🏀

Isika zanak'Ambararatabe sy Ankadinondry Sakay rehetra aby iny.
Salama daholo nama a!
🔴Manome fotoana ho antsika indray fotoana masaka be manaraka ity.

Mangatsiaka ny andro e? Ka ahoana moa raha ho hafanaintsika lalao ara-panatanjahantena mangotraka be ity indray e🔥.
Hiarahantsika , izay tsy iza izany fa ry zareo fikambanana rahavavy avy ao Ankadinondry Sakay ao.
—Ny Alahady 02 Jona 2024 ho avy izao, izay hitantsika eo 🥰.

Ndao ho tonga maro indray e.
🔴Hisy ihany koa fiaraha-misakafo, ary fivoriana aorian'ny lalao ho antsika Zanak'Ambararatabe manokana .

Ka manantena, ary faly hahita anao indray ny ekipa eh😍, aparitaho ary, hilazao ny namana ho avy💪.

J+3🎊.Indro ary ny rakin-tsary fahatsiarovana nandritra iny fotoana iray miavaka iny. (ialana tsiny tamin'ny fahatarana f...
07/05/2024

J+3🎊.
Indro ary ny rakin-tsary fahatsiarovana nandritra iny fotoana iray miavaka iny.

(ialana tsiny tamin'ny fahatarana fa nisy olana kely ny pejintsika).

JJET Avenir de Bongolava OfficielAAssociation des Jeunes Ambararatabe A.J.A .

J+2🎊.Etoana dia tsy hay ny tsy hisaotra an'Andriamanitra voalohan-teny, ny nahatontosana iny fotoan-dehibe nankalazàna n...
06/05/2024

J+2🎊.
Etoana dia tsy hay ny tsy hisaotra an'Andriamanitra voalohan-teny, ny nahatontosana iny fotoan-dehibe nankalazàna ny faha-25 taona nijoroan'ny fikambanan'ny tanora mpianatra avy any Bongolava iny.
🔴Misaotra manokana ny fikambanana reniny avenir de Bongolava nikarakara, naneho ny maha izy azy ny faritra misy antsika.
🔴Misaotra, mankasitraka feno ny A. J. A, ireo izay tonga maro nanatrika iny fotoana iny. Eny, ho an'ireo izay tsy afaka. Misaotra t@firaisam-po hatrany.
🔴Misaotra ny mpandray anjara rehetra nandritra ny fankalazana. Singanina manokana ireo “Miss and Mister” antsika, “i FANAJA sy i RIANALA” izay nisolo tena, nanadratra avo ny tananantsika.
Ireo ekipa nandray anjara t@lalao fanatanjahantena football koa tsy adino💪. Misaotra zalahy a.
Mitohy hatrany ny ezaka💪.

Farany izay tena hoe tsy kely indrindra.
🔴Misaotra manokana anao Ramatoakely Filoh'ny fikambanana A. J. A, Tynah Rotsiniaina, tena nahafoy ny tsara indrindra taminao nikatsahana ny mendrika indrindra ho an'ity fikambanana ity.
Mankasitraka be dia be ho anareo birao amperin'asa miaraka aminy, izay mitantana ny fikambanana.
Mirary soa hatrany adidy sy fikasana miandry rehetra.
🔴Misaotra anareo zoky nifanohana tao ambadik'ireny ezaka ireny teo rehetra. Singanina manokana amin'izany i Andrianina Randrianomenjanahary, manksitraka be dia be tamin'ny fikarakarana sy ny ezaka nataonao tamin'ireo zandry nandray anjara t@lalao fifaninana “Miss and Mister”. Mirary soa be dia be ho anao hatrany.

Mamy loatra iny fiombonantsika iny, ary hery lehibe entintsika miroso miaraka mankany amin'ny tsara kokoa hatrany.
Ndeha hanamafy hatrany fa isika iray✊.
Mankasitraka indrindra tompoko❤.
.

Address

Ambararatabe
Antananarivo
119

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Association des Jeunes Ambararatabe A.J.A posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share