07/01/2026
🐒🚨Manaitra ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena momba ny mety hiparitahan’ny aretina Monkeypox (variole du singe) any an-tsekoly. Areti-mifindra haingana izy io, amin’ny alalan’ny fifandraisana mivantana amin’ny olona marary na amin’ny zavatra voan’ny mikraoba.
🔸Mangataka ny fanavaozana ny komity mpanaramaso any an-tsekoly ny MEN. Fepetra fototra: fanasana tanana matetika amin’ny rano madio sy savony, fanaovana arotava (cache-bouche), fanajana elanelana 1 metatra, fandraràna fizarana zavatra manokana, fanadiovana sy fanasana ireo toerana iasana.
🔸Ny mpianatra na mpiasa miseho soritr’aretina (tazo, kohaka, havizanana, fivalanana, tasy amin’ny hoditra) dia tsy maintsy entina avy hatrany any amin’ny tobim-pahasalamana. Tokony hampandre ny tompon’andraikitry ny fahasalamana ny talen-tsekoly raha misy tranga ahiahiana.
🔸Mampahatsiahy ny minisitera fa tsy maintsy hajaina tanteraka ireo fepetra ireo mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina any an-tsekoly.
______________________
🐒🚨 Le ministère de l’Éducation nationale alerte sur le risque de propagation de la variole du singe dans les écoles. Très contagieuse, elle se transmet par contact direct ou objets contaminés.
🔸Le MEN demande la réactivation des comités de vigilance dans les écoles.
Les mesures essentiels à respecter incluent : lavage fréquent des mains avec du savon, port du masque, distanciation d’au moins 1 mètre, interdiction formelle du partage d’objets personnels ainsi que nettoyage et désinfection réguliers des locaux.
🔸Tout élève ou personnel avec fièvre, éruptions, maux de tête ou fatigue doit être isolé et envoyé au centre de santé. Les chefs d’établissement doivent signaler tout cas suspect.
🔸Le ministère rappelle que ces mesures doivent être strictement respectées pour éviter la contagion en milieu scolaire.