12/10/2026
🌍💚 MISAOTRA ANAO, NISAFIDY NY HIARO NY TONTOLO IAINANA! ♻️🌱
🙏 Misaotra antsika rehetra izay nandray anjara tamin’ny hetsika "World Cleanup Day 2026" tao Ambohidratrimo!
💚 Isaorana manokana ireo tanora, fikambanana, mpiara-miombon’antoka ary ireo rehetra nanome fotoana sy hery ho fanadiovana ny tontolo iainana.
🧹🌿 Noho ny firaisankina sy ny fahavononantsika dia samy nandray anjara tamin’ny fananganana tontolo madio isika.
🤝 Ny fiovana lehibe dia miainga amin’ny fihetsika kely ataontsika miaraka!
🌍 Mbola mitohy ny andraikitsika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Koa andao isika hanohy ny ezaka, tsy amin’ny andro manokana ihany, fa isan’andro ihany koa!