23/08/2026
📣 TANORA VE IANAO? TIA MANAMPY NY HAFA? VONONA NY HIASA AN-TSITRAPO? ❤️
Mii’zara dia mandray BÉNÉVOLES 16 KA HATRAMIN’NY 30 TAONA! 🤝
📣Raha tanora ianao ary mahatsapa fa misy zavatra azonao atao ho an’ny hafa, aza avela ho eritreritra fotsiny izany. Fotoana izao hirosoana sy handraisana andraikitra!
👉Tsy voatery hanana vola ianao vao afaka manampy.
Tsy voatery ho mahay zavatra rehetra ianao vao afaka mandray anjara.
Indraindray, ny fotoana kely anananao, ny talentanao ary ny fahavononanao dia efa afaka mitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainan’ny hafa.
📚 Raha tia fanabeazana sy famakiana ianao,
👧 raha tia miara-miasa amin’ny ankizy,
🎨 raha manana talenta na fahaiza-mamorona,
📱 raha mahay communication,
🤝 na raha te hanampy fotsiny satria mino ianao fa afaka manao zavatra tsara…
Mii’zara miantso anao! ❤️
⚠️ Marihina tsara: bénévolat izy ity, izany hoe asa an-tsitrapo ary tsy misy tambikarama. Ny tanjona dia ny hiara-hanome izay ananantsika mba hahasoa ny hafa.
🔥 Aza miandry olona hafa hanova zavatra. Manomboka aminao izany!
Aoka isika tanora tsy ho mpijery fotsiny, fa ho tanora mandray andraikitra.
👉 16–30 taona? Vonona hanampy? Midira ho BÉNÉVOLE Mii’zara!
🌹 Ny fanampianao anio, hampamiratra ny ampitsony.🌹