Blue Ventures Madagasikara

Blue Ventures Madagasikara Née à Madagascar en 2003, Blue Ventures restaure la vie océanique en donnant la priorité aux pêcheurs

Engagée pour une préservation de l’environnement au service des personnes, BV met en évidence des solutions gagnant-gagnant pour la biodiversité marine et les moyens de subsistance des populations côtières. A Madagascar, Blue Ventures a des bureaux de coordination à Ambanja (DIANA), Besakoa (Boeny), Maintirano (Menabe), Morondava et Belo sur Mer (Menabe), Toliara et Andavadoaka (Atsimo Andrefana), et un bureau national à Antananarivo.

🐙 𝗙𝗶𝘀𝗼𝗸𝗮𝗳𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗵𝗶𝗿𝘆 𝗵𝗼𝗿𝗶𝘁𝗮 𝗮𝗻𝘆 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮 - mihamaro ireo mpanjono manaiky ny fahombiazan’ny fitantanana harena ...
13/08/2026

🐙 𝗙𝗶𝘀𝗼𝗸𝗮𝗳𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗵𝗶𝗿𝘆 𝗵𝗼𝗿𝗶𝘁𝗮 𝗮𝗻𝘆 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮 - mihamaro ireo mpanjono manaiky ny fahombiazan’ny fitantanana harena an-dranomasina avy eny ifotony

Ny 𝟭𝟮–𝟭𝟲 𝗔𝗼𝗴𝗼𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟲 izao no anatanterahina ny fisokafan’ireo tahiry tsy maharitra ho an'ny horita any amin’iny faitra iny. Tamin'ity taona ity dia nahatratra 𝟯𝟬 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝗮̀𝗻𝗮 (isa ambony indrindra hatramin'izay) nanaovana izany fanokafana izany manerana ireo LMMA enina: Teariake, Velondriake, Manjaboake, Soariake, Sambele ary Fivemamira, mandrakotra velaran-tany 𝟯.𝟳𝟲𝟬 𝗵𝗲𝗸𝘁𝗮𝗿𝗮
(Cf: sarintany fanehoana ao amin’ny sary).

👥 Ny tena vaovao mahafaly dia nisy tanàna maromaro vaovao nanapa-kevitra hanangana tahiry tsy maharitra, taorian'ny nahitany ny vokatra tsara azon'ireo fokonolona mpifanolo-bodirindrina tamin'ny taona lasa. Porofo izany fa mitombo ny fahatokisan'ny vondrom-piarahamonina amin'ny fitantanana ifotony ny jono sy ny harena an-dranomasina.

💰 Nijanona ho 12.000–13.000 Ariary/kg ihany koa ny vidin'ny horita, noho ny ezaka sy ny fiarovana ny tombontsoan'ny mpanjono nataon'ny sehatra MIKOMBA, ka nahafahan'ny vondrom-piarahamonina nisitraka bebe kokoa ny vokatry ny fitantanana maharitra.
Mbola eo am-panangonana ny totalin'ny lanjan'ny vokatra azo kosa ny ekipanay eny an-toerana, ka ho zaraina eto ihany.

👏👏 Miarahaba ireo fokonolona sy mpiara-miombon'antoka rehetra nanohy nampandroso ny jono maharitra any atsimo andrefan'i Madagasikara.

12/08/2026

𝟭𝟮 𝗔𝗼𝗴𝗼𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 - 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗜𝗿𝗮𝘀𝗮𝗶𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮

"𝗦𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗦𝗮𝗺𝗶𝗵𝗮𝗳𝗮, 𝗧𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗜𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮", izay no lohahevitra nosafidiana ho an'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tanora, ho an'ity taona ity.

Betsaka ireo tanora izay tena mandray andraikitra amin'ny sehatra samihafa eto amintsika, na amin'ny asa fiarovana ny tontolo iainana izany, na amin'ny sehatra hafa ihany koa.

🌊 Isan'izany ohatra ny YOUTH GROUP Baie de Tsimipaika izay tena manetsiketsika izany asa fitantanana izany, any amin'ny faritra avaratra any, ao amin'ny distrikan'ny Ambanja.

01/08/2026

𝟬𝟭 𝗔𝗼𝗴𝗼𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 - 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻-𝗱𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 🌊

Andao hadihadiantsika anatin’ity horonantsary ity ny fomba iatrehan'ireo vondrom-piarahamonina ao amin'ny Nosy Barren (faritra Melaky) ny voka-dratsin'ny fiovan'ny toetrandro, mba hiarovana ny harena an-dranomasina sy hiantohana ny hoavin'izy ireo.

Amin'ny maha Faritra Arovana An-dranomasina (MPA) lehibe indrindra ao amin'ny Ranomasimbe Indianina Andrefana azy, dia manankarena zavamananaina an-dranomasina ny Nosy Barren. Kanefa, ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina, ny rivodoza mahery ary ny fikaohan'ny ranomasina ny morontsiraka dia mampidi-doza ny haran-dranomasina, ny ahi-maitso an-dranomasina ary ny ala honko, ka manohintohina mivantana ny fiveloman'ireo mpanjono.

Ity horonantsary fohy ity dia mampiseho ny fahafaha-miatrika sy ny fahavononan'ireo vondron’olona ifotony manoloana ny fiovan’ny toetrandro, ary hiaro ny ranomasina izay iankinan'ny fiainany. Miaraka amin'ny fanohanan'ny tetikasa Blue Action Fund (BAF) sy Blue Ventures, dia mandray andraikitra mivantana amin'ny fiarovana ny ranomasina ireo mpanjono sy ny mponina eny ifotony, tarihin’ny fikambanana Vezo Miray Nosy Barren.

📢 Avis d'appel d'offresDans le cadre de la gestion durable des pêcheries ainsi que des écosystèmes marins et côtiers, la...
31/07/2026

📢 Avis d'appel d'offres

Dans le cadre de la gestion durable des pêcheries ainsi que des écosystèmes marins et côtiers, la 𝗗𝗶𝗿𝗲𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗥é𝗴𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹𝗲 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝗣ê𝗰𝗵𝗲 𝗲𝘁 𝗱𝗲 𝗹'É𝗰𝗼𝗻𝗼𝗺𝗶𝗲 𝗕𝗹𝗲𝘂𝗲 (𝗗𝗥𝗣𝗘𝗕) de la région 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼-𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮 lance un appel à candidatures pour le recrutement d'un consultant chargé de l'élaboration du Plan d'Aménagement de la Pêcherie (PAP) de la région.

Cette mission a pour objectif d'élaborer, selon l'Approche Écosystémique des Pêches (AEP), un document-cadre du Plan d'Aménagement de la Pêcherie et d'appuyer son processus d'adoption. Elle vise également à élaborer une feuille de route pour sa mise en œuvre, ainsi qu'à réaliser un diagnostic de la pêcherie régionale à travers un processus concerté, participatif et inclusif impliquant les principales parties prenantes.

La fiche technique est consultable via ce lien: https://bit.ly/4xdAJWe

Les candidats intéressés sont invités à soumettre un dossier de candidature comprenant une proposition technique et une proposition financière.

‼️ Les dossiers devront être déposés au 𝗯𝘂𝗿𝗲𝗮𝘂 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝗗𝗥𝗣𝗘𝗕 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼-𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮, Route du Port-Mahavatse, Toliara I, au plus t**d le 𝟮𝟴 𝗮𝗼û𝘁 𝟮𝟬𝟮𝟲 à 𝟭𝟳𝗵𝟬𝟬.

𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗺𝗯𝗲𝗺-𝗽𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗠𝗠𝗔 𝗔𝘃𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮-𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮, karakarain'ny Réseau Mihari - Mihari Network - 27-30 Jolay, 📍...
29/07/2026

𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗺𝗯𝗲𝗺-𝗽𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗠𝗠𝗔 𝗔𝘃𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮-𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮, karakarain'ny Réseau Mihari - Mihari Network - 27-30 Jolay, 📍Nosy Be

« 𝗠𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗳𝗼𝘁𝗼𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 𝗹𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆: 𝗟𝗠𝗠𝗔 𝗔𝘃𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮-𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮 », izay no lohahevitra nosafidiana tamin’ity fihaonana ity, izay sehatra iray hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana traikefa eo amin'ireo vondrom-piarahamonina mpitantana ifotony, mba hampiroboroboana ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina sy amorontsiraka.

Mifantoka amin'ny fanasongadinana ny anjara toerana lehibe sahanin'ireo 𝗟𝗠𝗠𝗔 (na 𝗟𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮 𝗲𝗻𝘁𝗶-𝗠𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗠𝗼𝗿𝗼𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝗸𝗮 𝘀𝘆 𝗔𝗻-𝗱𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮) amin'ny fiarovana ny harena an-dranomasina sy ny fanamafisana ny haitondra ifotony ny hetsika, sady manome sehatra hizarana traikefa sy fomba fanao mahomby eo amin'ireo mpisehatra samihafa.

Anisan'ireo mandray anjara mavitrika amin'ity fihaonambe ity ireo solontenan'ny vondrom-piarahamonina mpitantana ny harena an-dranomasina avy ao Baie de Tsimipaika (Ambanja) miisa 24 sy Baie de Mahajamba miisa 06, ary koa ireo solotenan’ny mpanjono tohanan'ny Association Tsimoka avy any Ramena.
Ireo rehetra ireo dia samy mpiara miombonantoka tohanan'ny Blue Ventures amin'ny ezaka fampiroboroboana ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina.

Mandritra ny efatra andro dia handray anjara amin'ireo hetsika isan-karazany izy ireo, toy ny loabary an-dasy, fifanakalozana traikefa, atrikasa, fampirantiana ary fanamafisana ny tambajotra, izay samy mikendry ny hanatsara hatrany ny fitantanana ifotony ny harena an-dranomasina.

© photos: Réseau Mihari

26/07/2026

🌿 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗔𝗹𝗮 𝗛𝗼𝗻𝗸𝗼: Hafa mihitsy ny asa fiarovana rehefa aingam-panahy avy amin’ny vondron’olona ifotony, monina eny amin’ny toerana misy azy ireny

Tsy hazo manamorona ny morontsiraka fotsiny ny ala honko. Loharanon'aina sy lova iombonana izy ireny, ka ny fiarovana azy dia miainga amin'ireo olona miaina sy mivelona eo anivony.

Anisan'ireo tetikasa mpisava lalana eto Madagasikara ny Tahiry Honko, tetikasa karbonina manga tarihin'ny Fikambanana Velondriake. Maneho izy io fa rehefa omena fahafahana sy andraikitra ny vondrom-piarahamonina dia afaka mitantana sy miaro maharitra ny harena voajanahary misy eo aminy.

Tao anatin’ny fotoana nisian’ny tetikasa dia efa azo tsapain-tanana ny fiovàna:
🌱 Nitombo 124,6 hektara ny velaran'ny ala honko teo anelanelan'ny 2017 sy 2023.
🌱 40 % amin'izany fitomboana izany dia vokatry ny asa fanarenana nataon'ny vondrom-piarahamonina, ary ny ambiny dia noho ny fahafahan'ny ala honko miverina amin'ny laoniny, vokatry ny fitantanana sy fiarovana maharitra.

Ho an'i Blue Ventures, ny tena fahombiazan'ny fiarovana ny ala honko dia tsy refesina amin'ny isan'ny hazo voavonjy ihany, fa amin'ny fahafahan'ny vondrom-piarahamonina mitarika, mandray fanapahan-kevitra ary miantoka ny hoavin'ireo harena voajanahary iankinan'ny fiainany.

📢 Appel à consultance👉 𝗦𝗽𝗲́𝗰𝗶𝗮𝗹𝗶𝘀𝘁𝗲 𝗽𝗼𝘂𝗿 𝗹𝗮 𝗖𝗼𝗻𝗰𝗲𝗽𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱’𝘂𝗻 𝗚𝘂𝗶𝗱𝗲 𝗦𝘁𝗿𝗮𝘁𝗲́𝗴𝗶𝗾𝘂𝗲 𝗲𝘁 𝗱’𝘂𝗻𝗲 𝗕𝗼𝗶̂𝘁𝗲 𝗮̀ 𝗢𝘂𝘁𝗶𝗹𝘀 𝗱’𝗔𝗽𝗽𝗿𝗲𝗻𝘁𝗶𝘀𝘀𝗮𝗴𝗲...
23/07/2026

📢 Appel à consultance

👉 𝗦𝗽𝗲́𝗰𝗶𝗮𝗹𝗶𝘀𝘁𝗲 𝗽𝗼𝘂𝗿 𝗹𝗮 𝗖𝗼𝗻𝗰𝗲𝗽𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱’𝘂𝗻 𝗚𝘂𝗶𝗱𝗲 𝗦𝘁𝗿𝗮𝘁𝗲́𝗴𝗶𝗾𝘂𝗲 𝗲𝘁 𝗱’𝘂𝗻𝗲 𝗕𝗼𝗶̂𝘁𝗲 𝗮̀ 𝗢𝘂𝘁𝗶𝗹𝘀 𝗱’𝗔𝗽𝗽𝗿𝗲𝗻𝘁𝗶𝘀𝘀𝗮𝗴𝗲 𝗥𝗲́𝗴𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹 (𝗪𝗜𝗢)

🔴 Date limite de candidature : 𝟮𝟯 𝗮𝗼𝘂̂𝘁 𝟮𝟬𝟮𝟲

Pour voir la fiche technique complète (TdR) et pour envoyer votre candidature, veuillez cliquer ce lien: https://bit.ly/4yBsMLO

⚠ Veuillez noter que les soumissions de candidatures se font uniquement en ligne sur le lien mentionné pour chaque offre.
Nous ne recevons pas de candidatures par email, sur Facebook ou en MP.

🤝 Indraindray ny fanovana maharitra dia miainga amin'ny resaka tsotra atao eny anivon'ny fiarahamonina. Rehefa tonga eny...
21/07/2026

🤝 Indraindray ny fanovana maharitra dia miainga amin'ny resaka tsotra atao eny anivon'ny fiarahamonina. Rehefa tonga eny amin'ny tanàna ny fanentanana, dia manomboka eo ihany koa ny fiovana.

Tsy ampy ny mametraka fitsipika hiarovana ny ranomasina sy ny harena voajanahary. Mila takatry ny olona ny antony hiarovana azy, ary indrindra mila mandray anjara amin'izany izy ireo.

Izany indrindra no tanjon'ny Village Outreach Tour (VOT), hetsika fanentanana izay mitety tanàna sy nosy ao amin'ny Îles Barren mba hifanakalozan-kevitra mivantana amin'ireo vondrom-piarahamonina, ary fanombanana ny fahombiazana amin'ny fitantanana ataon'ny Vezo Miray Nosy Barren

Nandritra ny dingana voalohany tamin'ity taona ity, toerana 11 no notsidihina, ka olona 681 no nandray anjara tamin'ny fanentanana, ary 52% tamin'izy ireo dia vehivavy.

Ny VOT dia fotoana iray hifampizarana fahalalana momba ny fiarovana ny ala honko 🌿, ny sokatra an-dranomasina 🐢 ary ny harena an-dranomasina 🪸, saingy koa hiresahana ny fahasalamana, ny fiovan'ny toetrandro ary ny maha zava-dehibe ny fiaraha-mitantana ny harena voajanahary.

Ny fahazon'olona vaovao sy fahalalana dia manampy indrindra amin'ny fanapahan-kevitra tsara kokoa: mihamafy ny fanajana ny Dina, mitombo ny fiaraha-miasa, ary mihamafy ny fiarovana ny harena iankinan'ny fiainan'ny taranaka ankehitriny sy ny taranaka ho avy.

🌊 Faritra iray manankarena haza an-dranomasina tokoa raha i Belo sur Mer. Tokantrano maro noho izany no mivelona amin’ny...
13/07/2026

🌊 Faritra iray manankarena haza an-dranomasina tokoa raha i Belo sur Mer. Tokantrano maro noho izany no mivelona amin’ny jono, ary izay indrindra no mahatonga azy ireo mivonona amin’ny mety ho tandindo-doza samihafa, ateraky ny fiovan’ny toetrandro.

Tokantrano mpanjono miisa 270 no vao nisitraka fiofanana momba ny fanabeazana ara-bola sy filaminana ara-tsakafo ny volana Jona lasa teo, tao amin’ny tanàna miisa 11, izany tantanin’ny Union de pêcheurs Vezo Miray Fo, ao amin’ny kaominina Belo sur Mer sy Bemanonga.

💰🐠 Niompana amin’ny fahaizana an-kapobeny amin’ny fomba fitantanam-bola sy ny fampitomboana harin-karena, ary koa fahalalana mahakasika ny otrikaina izay entin’ireny hazan-dranomasina ireny no tena nifanakalozana tamin’ireo tokatrano ireo.

Ho arahina tamberin’andraikitra ity fiofanana, araky ny mahazatra, mba ahafahana mahita ny fivoaran’ny fahafaha-miatrika sy ny fampivondronana traikefa sy lesona voaray.

Dingana iray manandanja tokoa 🤝Andrandraina ny ahazoan'ny Nosy Barren sata ofisialy, mametraka azy ara-dalàna ho Faritra...
10/07/2026

Dingana iray manandanja tokoa 🤝

Andrandraina ny ahazoan'ny Nosy Barren sata ofisialy, mametraka azy ara-dalàna ho Faritra Arovana an-dranomasina.

Tsy hay ny tsy hankasitraka ny fiaraha-mientan'ireo mpiara-miombon'antoka rehetra: ny Ministeran'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Minisiteran'ny Harena an-kibon'ny Tany, ny Ministeran'ny Jono sy Toekarena Manga, ny Vezo Miray Nosy Barren, ny fanohanana ataon'ny Blue Action Fund.

Address

Villa Huguette, Lot II U 86, Cité Planton, Ampahibe
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Blue Ventures Madagasikara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Blue Ventures Madagasikara:

Shortcuts

Share