Blue Ventures Madagasikara

Directions Website Contact the organization

Blue Ventures Madagasikara Née à Madagascar en 2003, Blue Ventures restaure la vie océanique en donnant la priorité aux pêcheurs

Engagée pour une préservation de l’environnement au service des personnes, BV met en évidence des solutions gagnant-gagnant pour la biodiversité marine et les moyens de subsistance des populations côtières. A Madagascar, Blue Ventures a des bureaux de coordination à Ambanja (DIANA), Besakoa (Boeny), Maintirano (Menabe), Morondava et Belo sur Mer (Menabe), Toliara et Andavadoaka (Atsimo Andrefana), et un bureau national à Antananarivo.

🎉 Arahabaina ny LMMA Mozambiky izay tafajoro tsara ao Maintirano!Fikambanan’ny mpanjono miisa 10 no mandrafitra ity LMMA...
16/10/2026

🎉 Arahabaina ny LMMA Mozambiky izay tafajoro tsara ao Maintirano!

Fikambanan’ny mpanjono miisa 10 no mandrafitra ity LMMA ity (Lamina enti-Mitantanana Morotsiraka sy An-dranomasina), izay mikendry ny hanamafy ny fandraisan’anjaran’ny mpanjono amin’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina sy ny fiarovana ny zony.

Ny 16 Septambra ka hatramin’ny 7 Oktobra 2026, dia tontosa ny iraka fanavaozana ny rafitra sy fampahavitrihana indray ireo fikambanana teny amin’ireo toerana enina voakasika.

Nandritra izany, dia nahazo fiofanana momba ny fitantanana ny jono sy ny fiarovana ny zon’ny mpanjono ireo mpikambana. Olona 10 ihany koa no niofana momba ny fanangonana antontan’isa eny ifotony (community profiling), izay hanampy amin’ny famolavolana ny drafi-pitantanana voalohany ho an’ny LMMA.

Dingana lehibe izao amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo fikambanana sy ny fitantanana tarihin’ny vondrom-piarahamonina, mba hahafahan’ny mpanjono mandray anjara mavitrika amin’ny fanapahan-kevitra sy ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina.

Akon’ny Andro Rejionalin’ny Vondron’Olona Ifotony (JRVOI) tany Ambanja  🌿Ny 08 sy 09 oktobra lasa teo dia nanatanterahan...
13/10/2026

Akon’ny Andro Rejionalin’ny Vondron’Olona Ifotony (JRVOI) tany Ambanja 🌿

Ny 08 sy 09 oktobra lasa teo dia nanatanterahana ny hetsika tany Ambanja, izay andiany faha-5 sahady ho an’ny JRVOI. Natao indrindra hampivondronana ireo mpisehatra amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ao amin’ny faritra DIANA izy ity ary nifantoka tamin’ny fanamafisana ny tambajotran’ny VOI, ny fifampizarana traikefa ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny vondron’olona ifotony, ny manampahefana ary ny mpiara-miombon’antoka ny hetsika.

Nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo VOI miara-miasa amin’ny Blue Ventures any amin’ny faritra. Anisan’ny nisitraka mari-pankasitrahana avy amin’ny Faritra noho ny ezaka vitany ny 𝗩𝗢𝗜 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗘𝗦𝗬 avy ao Andranobe, Kaominina Ambohimena, sy ny 𝗩𝗢𝗜 𝗙𝗜𝗭𝗔𝗠𝗜𝗧𝗜 avy ao Antsahampano, Kaominina Ambanja.

Nampiseho sy nivarotra ny vokatra vokariny ihany koa ireo vondron’olona ifotony, toy ny tantely avy amin’ny ala honko sy ny savony vokarin’ireo tanora mpanentana avy ao Antsahampano. Ankoatra izany, nandray anjara tamin’ny fifanakalozana traikefa momba ny fanohanana ny VOI ny tale rejionalin’ny Blue Ventures, any amin’ny faritra Avaratra, Ramatoa Bienvenue Zafindrasilivonona.

Nofaranana tamin’ny fivoriamben’ny tambajotran’ny VOI ao DIANA ny hetsika, izay nahitana ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny birao vaovao.

08/10/2026

Mpitarika, mpanentana, mpaka antotan-kevitra, mpanao fisafoana, mpanangom-bokatra... Aindraikitra maro eny ifotony no efa tarihin'ny vehivavy, izay tena mpandray anjara fototra amin'ny fampandrosoana ny fari-piainan'ireo vondron'olona amorontsiraka - na eny amin'ny fiaraha-monina izany na ao an-tokatrano.

'Ndao anie arahintsika ato amin'ity horonantsary ity ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo mpikambana ao amin'ny Vezo Miray Nosy Barren e!

𝗕𝗹𝘂𝗲 𝗔𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗙𝘂𝗻𝗱

Vaovao mahavelom-bolo nandritra ny fankalazàna ny andro nasionaly ho an’ny VOI: Voafidy ho anisan'ny mendrika ireo fikam...
02/10/2026

Vaovao mahavelom-bolo nandritra ny fankalazàna ny andro nasionaly ho an’ny VOI: Voafidy ho anisan'ny mendrika ireo fikambanana VOI telo miara miasa akaiky amin'ny Blue Ventures 🥳

“𝗡𝘆 𝗩𝗢𝗜, 𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗷𝗮𝗻𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 𝗮𝘇𝗼 𝗵𝗮𝘃𝗮𝗼𝘇𝗶𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗳𝗼𝘁𝗼𝗻𝘆” - izay no lohahevitra nentin’ny Andro nasionaly ho an’ny VOI, tamin’ity taona ity, izay natao tao Fenoarivo Atsinanana.

Nandritra ity hetsika ity dia nomena sehatra ireo Vondron’Olona Ifotony (VOI) haneho ny fahaiza-mitantana, ny fahaleovantenany ary ny anjara toerany amin’ny fiarovana sy fitantanana maharitra ny harena voajanahary.

🥳 Nahatratra 57 ireo fikambanana VOI voafidy ho mendrika indrindra ao anatin'ny VOI 1581 misy eto Madagasikara. Izy ireo dia voaasa sy nahazo mari-pankasitrahana nandritra izany fankalazana nasionaly izany. Ary mahafaly anay no milaza fa anisan'ireo voafidy ho mendrika ny fikambanana VOI telo izay miara miasa akaiky amin’ny Blue Ventures, dia ny:
🔹 𝗩𝗢𝗜 𝗠𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗠𝗶𝗮𝘀𝗮, avy any Andimakafito, Ambanja, (mpisolo-tena tonga: A/toa Joseph Ralaivao - Filoha, sy A/toa Franclin Tomboravo - Filoha Lefitra.
🔹 𝗩𝗢𝗜 𝗠𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮, avy any Manombo Sud, Atsimo Andrefana mpisolo-tena: A/toa Fidele Mahasolo Victor - Filoha)
🔹 𝗩𝗢𝗜 𝗦𝗼𝗮𝗻𝗮𝗷𝗼𝗿𝗼, avy any Andanoboka, Mahajamba.

Ny fifantenana azy ireo dia nifototra indrindra tamin’ny fepetra telo:
🌱 Fiarovana mirindra
🤝 Haitondra mahomby
🏡 Fiarahamonina mandroso

Nody ventiny ny rano nantsakaina ary ny fankasitrahana toa izao dia mandrisika no sady mampiseho fa rehefa omena sehatra, zo ary andraikitra ny vondrom-piarahamonina, dia afaka mitana anjara toerana lehibe amin’ny fitantanana sy fiarovana ny harena voajanahary, sady mampiroborobo ny fampandrosoana ifotony.

👏 Arahabaina ireo VOI rehetra manohy mitondra ny feon’ny vondrom-piarahamonina sy miasa ho an’ny fitantanana ny harena voajanahary eto Madagasikara!

30/09/2026

Ça y est!!! Notre nouveau bulletin d’information est là 🥳

Découvrez les initiatives des communautés côtières à Madagascar, les actions menées avec nos partenaires, ainsi que les histoires et témoignages qui font vivre la conservation marine au quotidien.

📩 Envie de suivre nos actualités ? Abonnez-vous à notre bulletin (lien en commentaire)

Au plaisir de vous retrouver dans nos prochaines éditions! 🌊

Toy ny hita any amin’ny faritra hafa dia azo tsapain-tanana ihany koa ny vokatry ny fampiasana antotan’isa eo amin’ny as...
28/09/2026

Toy ny hita any amin’ny faritra hafa dia azo tsapain-tanana ihany koa ny vokatry ny fampiasana antotan’isa eo amin’ny asa fitantanana harena an-dranomasina, ho an’ny Vezo Miray Fo, fikamban’ireo vondron’olona amorontsika any Belo sur Mer.

Taorian’ny fitsidihana nataon’izy ireo tamin’ny fikambanana hafa tany Atsimo Andrefana tamin’ny 2024, dia resy lahatra izy ireo ny amin’ny fahombiazan’ny fametrahana tahiry maharitra, ho fampiroboroboana ny vokatra an-dranomasina, sy fiarovana ny rohivoary miantoka izany.

Noho izany dia napetrak’izy ireo ny 23 sy 25 septambra lasa teo ny tahiry maharitra miisa 2:
🪸 Ao Ankevo sur mer, antsoina hoe « 𝗠𝗢𝗥𝗜𝗠𝗔 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗘𝗙𝗔𝗡𝗔 » manana velarana 5.13 Ha (tahiry vatohara na récif corallien) sy
🌿 Ao Ankao telo (Menaky) antsoina hoe « 𝗔𝗚𝗡𝗔𝗞𝗔𝗢 » manana velarana 04 Ha (tahiry oriagna na herbier marin) no voakasika.

Nialohavan’ny fanarahamaso ara-ekolojika (toy ny hitantsika tamin’ny horonantsary farany teo) izao fanapaha-kevitra izao, izay nataon’ireo “science team” avy ao an-toerana ihany, ka nanamafisana ny mety ho tombotsoan’ny fametrahana izao tahiry maharitra izao, ho an’ny vondrom-piarahamonina monina ao.

Raha tsiahivintsika dia vao nahazo famindram-pitantanana (TGRH) amin’ny velarana 227 000 Ha ny Vezo Miray Fo ny volana Mey lasa teo.

Ankasitrahana hatrany ny mpiara-miombon’antoka rehetra manao tantsoroka sy manohana ny fandrosoana toa izao:
UNEP, Frontline Community Fund, Ministère de la Pêche et de l'Economie Bleue

25/09/2026

‘Ndao indray ho any Maintirano isika ato anatin’ity horonan-tsary ity, ary hiara hijery ny fomba nahafahan’ireo mpisolon-tenan’ny vondrom-piarahamonina avy any amin'ny faritra hafa (Belo sur Mer), nianatra ny fomba fanaraha-maso ny tontolo iainana an-dranomasina, mba hahafahan’izy ireo mandray anjara bebe kokoa amin’ny fiarovana ireo rohivoary iankinany.

Tsy mijanona amin’ny fianarana ihany anefa izany. Rehefa resy lahatra tamin’ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana ireto farany, dia lasa mpizara fahalalana sy mpampiofana ho an’ny hafa ihany koa.

Avy any Andavadoaka ka hatrany Maintirano, ary ankehitriny hatrany Belo-sur-Mer, mampiseho ny herin’ny fifampianarana sy ny fahaiza-manao eo an-toerana izany.

Misaotra ny United Nations Environment Programme (UNEP) sy ny Blue Action Fund (BAF) noho ny fanohanana izao asa izao.

Vezo Miray Fo Vezo Miray Nosy Barren

Fanokafana ireo tahiry tsy maharitra horita sy drakaka ao amin’ny Faritra Arovana Nosy Barren 🐙🦀Nanomboka ny 11 Septambr...
23/09/2026

Fanokafana ireo tahiry tsy maharitra horita sy drakaka ao amin’ny Faritra Arovana Nosy Barren 🐙🦀

Nanomboka ny 11 Septambra teo no notanterahina tao amin’ny Faritra Arovana Nosy Barren ny fanokafana ireo tahiry tsy maharitra ho an’ny horita sy drakaka, niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, ahitana ny solontenan’ny ao amin’ny Faritra Melaky, DREDD, DRPED, ny Kaominina, ny Chef Fokontany ary ny Fikambanana Vezo Miray Nosy Barren (VMNB)

Nosokafana tamin’izany ireo tahiry horita tao amin’ny nosy 8, dia Nosilava, Nosy Mangily, Nosindrano, Nosy Dondosy, Nosy Abohazo, Nosy Maroantaly, Nosy Manandra ary Nosy Marify, ary koa ny tahiry iray tao Antsahakely.

🐙 𝟲 𝟵𝟬𝟬,𝟮𝟭𝟰 𝗸𝗴 ny fitambaran’ny vokatra horita azo nandritra ny roa andro, ka 𝟱 𝟮𝟮𝟴,𝟳𝟯𝟴 𝗸𝗴 tamin’ny andro voalohany ary 𝟭 𝟲𝟳𝟭,𝟰𝟳𝟲 𝗸𝗴 tamin’ny andro faharoa, niaraka tamin’ny fandraisan’anjaran’ny mpanjono 𝟳𝟲𝟰.
🦀 Ho an’ny drakaka kosa, nahatratra 𝟮𝟬𝟳 𝗸𝗴 ny fitambaran’ny vokatra, ka 84 kg tamin’ny andro voalohany ary 𝟭𝟮𝟯 𝗸𝗴 tamin’ny andro faharoa.
sy niova ny vidin’ny vokatra nandritra izany fotoana izany, izay 8 000 ar / kg ho an’ny horita ary 3 500 Ar/kg ho an’ny drakaka.

Toy ny tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana teo dia maneho ny lanjan’ny fitantanana ifotony sy ny fandraisan’anjaran’ireo vondrom-piarahamonina amin’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina ny fisian’ny tahiry toa izao.

Kopa-tananana manokana ho an’ny fikambanana VMNB, izay tsy mikely soroka amin’ny fanetsiketsehana ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana, mba ho sarotiny amin’ny fiarovana ny harena an-dranomasina.

Mankasitraka ihany koa ny 𝗕𝗹𝘂𝗲 𝗔𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗙𝘂𝗻𝗱 amin’ny fanohanana ara-bola izay manampy amin’ny fanamafisana ireo ezaka ireo.

Ministère de la Pêche et de l'Economie Bleue

À travers une visite d’échange de plusieurs jours dans le nord-ouest de Madagascar, notre équie a pu réunir des acteurs ...
15/09/2026

À travers une visite d’échange de plusieurs jours dans le nord-ouest de Madagascar, notre équie a pu réunir des acteurs communautaires de la sécurité alimentaire, des participants aux formations en entrepreneuriat et ses équipes autour d’un objectif commun : renforcer les compétences locales en transformation, conservation et valorisation des produits agricoles et halieutiques.

📍À Andranofasika, dans la région Boeny, les participants ont appris auprès de coopératives de femmes accompagnées par CARE International Madagascar des techniques de transformation de produits locaux, notamment la fabrication de confitures, farines et produits séchés.
📍À Mahajanga, notre partenaire LOVAIN-JAFY, les a formés aux bonnes pratiques d’hygiène, de conservation et de transformation des produits de la pêche, avec une mise en pratique autour de poissons issus de la baie de Mahajamba.

Au-delà des techniques, l’échange a permis aux participants de construire des plans d’action pour transmettre ces connaissances dans leurs communautés, réduire les pertes après récolte et après capture et créer davantage de valeur à partir des ressources disponibles localement. 🐟🐙

Nos postes à pourvoir🔹 Legal Adviser / Legal Consultancy Firm (consultance)🔹 Stagiaire chargé·e de la collecte des donné...
14/09/2026

Nos postes à pourvoir

🔹 Legal Adviser / Legal Consultancy Firm (consultance)
🔹 Stagiaire chargé·e de la collecte des données socio-économiques
🔹 Stagiaire chargé·e de la collecte des données sur la biodiversité

📌 Les détails de chaque offre et les modalités de candidature sont disponibles via les liens en commentaire.

À vos CV !

Address

Villa Huguette, Lot II U 86, Cité Planton, Ampahibe
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Blue Ventures Madagasikara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Blue Ventures Madagasikara:

Shortcuts

Share