Institut National de la Décentralisation et du Développement Local

Institut National de la Décentralisation et du Développement Local L'INDDL est un établissement public national de formation et de recherche sur la décentralisation et le développement local.

INDDL&OIF _ Améliorer l’offre de service public local et garantir la citoyenneté🟡 Après la session tenue dans la Région ...
08/08/2026

INDDL&OIF _ Améliorer l’offre de service public local et garantir la citoyenneté

🟡 Après la session tenue dans la Région d’Alaotra Mangoro, le Chef-lieu de la Région Fitovinany a accueilli à son tour un atelier consacré au renforcement des capacités en matière de gestion de l’état civil. Soutenue par l’Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) dans le cadre de son programme d’appui à la gouvernance, le Ministère de l’Intérieur et de la Décentralisation a mené, via l’INDDL, la formation des officiers et secrétaires d’état civil de 69 communes, ainsi que des responsables d’appui-conseil issus des Districts de Manakara et de Vohipeno.

🔵 L'enjeu dépasse la simple mise à niveau technique. L’initiative avec l’OIF répond à des enjeux essentiels pour la gouvernance territoriale et le développement local. Dans de nombreuses Communes, l'offre de service public autour de l’état civil reste encore fragile. Par la parfaite compréhension des dispositions en vigueur, l’harmonisation des procédures et la consolidation d’une culture administrative centrée sur la fiabilité des données d’état civil, ladite formation qui s’est déroulée le 27 au 29 juillet 2026, vise à réduire les freins à l'inclusion sociale et à renforcer la confiance des usagers envers les Communes.




de Manakara
de Vohipeno

INDDL_ Fanamafisana fahaiza-manaon’ireo Kaominina tao amin’ny Faritra Vakinankaratra ( 28 hatramin’ny 31 Jolay )👉 Mitohy...
06/08/2026

INDDL_ Fanamafisana fahaiza-manaon’ireo Kaominina tao amin’ny Faritra Vakinankaratra ( 28 hatramin’ny 31 Jolay )

👉 Mitohy hatrany ny ezaka itondrana ny tan-tsoroka ho an’ireo Tomponandraikitra eny anivon’ny Kaominina manoloana ny fanatsarana ny tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka, izay anisan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Atitany sy Fitsanjaram-pahefana. Ireo Kaominina andiany voalohany avy amin’ny Distrikan’ny Betafo, Mandoto ary Ambatolampy ao amin’ny Faritra Vakinankaratra no niatrika izany tao Antsirabe.

✅ Anisan’ireo tanjon’ny Fitondram-panjakana ny mampifanindran-dalana ny fanamafisana o***a ny fahafaha-manao ara-bola ato anatiny sy ny fiaraha-misalahy amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-papandrosoana maro-lafy. Izany dia miainga amin’ny fifehezan’ireo Kaominina ny famolavolana sy ny fanatanterahana ny tetik’asa mamaly ireo sivana mampiombona sy miahy ny ara-tontolo iainana izay imasoan’ireo Mpiantsehatra isanam-baratongany, ary ny fametrahana ny paik’ady mikendry fampaharetana arahin’ny fanetsehana ireo loharanom-bola ifotony ao anatin’ny fampivoarana hatrany ny fahatsampan-tena ara-ketra na Civisme fiscal.

🟤 Izany dia tao anatin’ny Fiaraha-misalahy tanteraka eo amin’ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Manamahefa Mpandrindra ny Tsenambarom-panjakana (ARMP), Foibem-pitondrana ankapoben'ny Hetra ( SCOFIL/DITEC/DGI) sy Lehiben'ny Fileovana Antsirabe miaraka amin’ireo Sampan-draharaha anapariham-pahefana ara-paritra misahana ny Fanarahamaso ny fitantanam-bola sy ny Sampandraharaham-paritra misahana ny Teti-bola.


Antsirabe
Vakinankaratra

/DITEC/SCOFIL
Régionale du Contrôle
Financier Vakinankaratra
Vakinankaratra
Betafo
Mandoto
Ambatolampy

MID&OIF _ Ambatondrazaka – Andilamena / 14–16 Jolay 2026✅ Nanatanteraka fiofanana ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo...
18/07/2026

MID&OIF _ Ambatondrazaka – Andilamena / 14–16 Jolay 2026

✅ Nanatanteraka fiofanana ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Mpiandraikitra sy Mpitantsoratry ny sora-piankohonana avy amin’ny Kaominina 31 ao amin'ny Vakim-pileovana Ambatondrazaka sy Andilamena tao amin'ny Faritra Alaotra Mangoro ny Ivotoeram-pirenena misahana ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fampandroana Ifotony (INDDL), ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) ny 14, 15 ary 16 jolay 2016.

👉 Tanjona ny hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra momba ny sora-piankohonana ho an’ny vahoaka sy fampivoarana ny fisitrahana ny zo fototra ho any olom-pirenena. Tao anatin’ny fifamenoan’ny ezaka eo amin’ny Fileovana Ambatondrazaka sy ny Faritra Alaotra Mangoro ary INDDL no nitondrana izany tan-tsoroka sy fifampizarana traikefa izany.



Ambatondrazaka
Alaotra Mangoro
Andilamena

11/07/2026
INDDL&𝐋𝐀𝐋𝐀𝐍𝐊𝐄𝐋𝐘 𝐈𝐈𝐈 | Fanolorana fitaovana ho fanatsarana ny fitondran-draharaha eny ifotony  🟢 Notanterahina ny 03 Jola...
04/07/2026

INDDL&𝐋𝐀𝐋𝐀𝐍𝐊𝐄𝐋𝐘 𝐈𝐈𝐈 | Fanolorana fitaovana ho fanatsarana ny fitondran-draharaha eny ifotony

🟢 Notanterahina ny 03 Jolay 2026 tao amin'ny biraon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny fanolorana tamin'ny fomba ofisialy ireo fitaovana sy kojakoja ho an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo kaominina 28 manodidina azy, ao anatin'ny tetikasa LALANKELY III.

🔴 Ireo fitaovana ireo, izay novatsian'ny Agence Française de Développement (AFD), dia vokatry ny fiaraha-miasan'ny Minisiteran’ny Fanajariana nyTany sy ny Raharahan-tany, ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjam-pahefana amin’ny alalan’ny INDDL ho tohin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana amin'ny fampiharana izany mba hisy fiantraikany ara-kalitao amin’ny tolo-draharaha ho any vahoaka.

⚪ Nahazo solosaina ireo kaominina 28, raha nahazo fanaka birao sy fitaovana teknika maherin'ny 200 kosa ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo boriborintany.

🟤 Ity hetsika ity dia maneho indray ny ezaka iombonana amin'ny fampivoarana ny fitantanan-draharaha ifotony mahomby, maoderina ary ahafahana mamaly kokoa ny filàn'ny vahoaka.




/

⚪ 66 taona niverenan'ny Fahaleovantena sy nijoroan'ny Foloalindahy: Fanavaozana ho an'ny Fandrosoan'i Madagasikara.🔴 Ny ...
26/06/2026

⚪ 66 taona niverenan'ny Fahaleovantena sy nijoroan'ny Foloalindahy: Fanavaozana ho an'ny Fandrosoan'i Madagasikara.

🔴 Ny Tale Jeneralin'ny INDDL sy ny mpiara-miasa aminy rehetra dia miarahaba antsika Malagasy tsirairay nahatratra ny Asaramanitra.

🟢 Mirary fety sambatra

25/06/2026
🔴Ny fianakaviam-ben'ny Ivo-toerana Nasionaly momba ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fampandrosoana Ifotony dia miarahaba ny...
21/06/2026

🔴Ny fianakaviam-ben'ny Ivo-toerana Nasionaly momba ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fampandrosoana Ifotony dia miarahaba ny Ray rehetra.

🟢 Mirary soa amin'ny adidy izay iantsorohanareo eo anatrehan'ny ankohonana sy ny Tanindrazana.

Ampahafantarina isika fa misy kaonty Facebook mampiasa ny anarana sy sarin’´Andriamatoa Tale Jeneraly Renel Edelphin Tol...
08/06/2026

Ampahafantarina isika fa misy kaonty Facebook mampiasa ny anarana sy sarin’´Andriamatoa Tale Jeneraly Renel Edelphin Tolojanahary, izay miparitaka amin'izao fotoana izao.

Marihina mazava fa tsy Kaonty ofisialin' Andriamatoa Tale Jeneraly izany.

Koa manentana ny rehetra izahay mba ho mailo ka (i) hanamarina hatrany ny Kaonty amin’ny fijerena ny « Historique » nanomboka ny taona 2018 fa tsy « verrouillé » ny Kaonty tena izy , sy (ii) tsy hamaly na hifandray amin'izay hafatra na fangatahana mety ho avy amin'io kaonty io, ary (iii) hanao tatitra (signalement) manoloana izay.

✅Ao anatin’ny asa Fanohanana sy fanoroan-kevitra sahanin’ny Solontenam-panjakana dia nisy ny tan-tsoroka  momba ny fanda...
03/06/2026

✅Ao anatin’ny asa Fanohanana sy fanoroan-kevitra sahanin’ny Solontenam-panjakana dia nisy ny tan-tsoroka momba ny fandaminana vaovao mikasika ny hetra eny ifotony izay voafaritra ao anatin'ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bola laharana faha 2025-2021 natao ny 20 Desambra 2025.

✅Natao ny volana mai 2026 tao amin'ny Foiben’ny INDDL, izany tohana izany dia notanterahina tamin’ny alalan’ny fiaraha-mientana teo amin’ny Vakimpileovana Antananarivo Avaradrano sy ny Foibem-pitondrana ara-paritra ny Hetra. Nofaritana nandritra izany tan-tsoroka izany ireo hetra toy ny IFT, IFPB ary IL.

✅Ny Lehiben’ny Distrika Antananarivo Avaradrano Ramatoa RASATA Volahasina sy ny Ben’ny Tanànan’Alasora Andriamatoa Jimmy RANDRIANTSOA dia samy nanatrika sy niara-niasa tamin’ny fanohanana ny fifampizarana, izay maneho ny fiaraha-mientana eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny kaominina amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny hetra eny ifotony.



D’ANTANANARIVO AVARADRANO
RÉGIONALE DES IMPÔTS ANALAMANGA

Address

Ankadievo Alasora
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Institut National de la Décentralisation et du Développement Local posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Institut National de la Décentralisation et du Développement Local:

Shortcuts

Share