07/01/2026
Learning, improving, or mastering English is a brilliant resolution for this new year! 😉There’s no better time to start than now!
📣 Fiofanana maimaim-poana! Mikasa ny hisantatra ity taona vaovao 2026 ity amin'ny fianarana teny anglisy ve ianao?
👉 Misokatra indray ireto fiofanana maimaim-poana ireto, sady ampitain-davitra, no azonao arahina amin'ny fandaharam-potoana izay mety aminao na ilay antsoina hoe Massive Open Online Course (MOOC).
👉 Manana hatramin'ny 23 Martsa ianao hisoratana anarana sy hanokafana ny kaonty fanarahana ilay fiofanana
👉 Manana hatramin'ny 30 Martsa ianao hamitana izay fiofanana nosafidianao (na iray na izy rehetra) amin'ny fandaraham-potoana izay mety aminao.
Ireto avy ireo fiofanana misokatra:
✅ English for Business and Entrepreneurship - Hianarana ireo voambolan-tsehatra sy teknika eo amin'ny tontolon'ny fandraharahana sy serasera
✅ English for Tourism Professionals - Hianarana ireo voambolan-tsehatra sy teknika eo amin'ny tontolon'ny fizahantany
✅ English for Career Development - Hianarana ireo fomba fanomanana antontan-taratasy fangatahana asa sy fiatrehana ny adina am-bava (interview) manoloana mpampiasa mampiasa ny teny anglisy.
✍️ Raha vonona ianao dia misoràta anarana dieny izao ao amin'ny tranonkala https://www.openenglishprograms.org/MOOC ary atomboy avy hatrany ny fanarahana ny fiofanana.
💡Jereo ity torolalana ity manazava ny fomba fisoratana anarana:
https://www.facebook.com/usembassy.madagascar/videos/891103686429892