Tily Analamanga Atsinanana

Tily Analamanga Atsinanana Faritany velona sy matanjaka mamoa V.O.A tsara

11/08/2026

🚀Hirika fanararaotra‼️

🚀 Ny Tily eto Madagasikara (TEM), amin'ny alalan'ny LeadAho, dia manatanteraka fandaharan'asa mikendry hanamafisana ny fitarihana vehivavy, ny fahasalamana sy fahadiovana, ny fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy ary ny fampandrosoana ara-toekarena ho an'ny tanora eto Madagasikara.

✅ Ao anatin'izany dia mikasa ny hisafidy tanora 120 mitondra tetikasa manerana an'i Madagasikara ny LeadAho, mba hahafahan'izy ireo mahazo fiofanana, fanohanana ara-teknika, fanoroana lalana ary fanatsarana ny tetikasany. Aorian’ny fiofanana dia tanora 25 amin’ireo 120 no hisitraka tohana ara-bola entina hanantanterahany ireo tetikasa.

💡 Noho izany dia asaina hirotsaka amin’izany ny tanora mahafeno ireto fepetra manaraka ireto :
✅ Tanora 16 ka hatramin’ny 35 taona vonona hanatrika ireo tohana ara-piofanana rehetra ary manana fotoana hiatrehana izany;
✅ Manana vinavina tetikasa na manana tetikasa eo an-dalam-panombohana misehatra amin’ireo manaraka ireto : Fambolena, fiompiana, Fanodinana vokatra, Asa tanana, Varotra, Tolotra ara-barotra, Teknolojia sy nomerika, Tontolo iainana, Fahasalamana, Fanabeazana, Fahadiovana sy rano fisotro madio, Fampandrosoana eny ifotony, Asa fivelomana;
✅ Amporisihana manokana ny : Vehivavy tanora, Tanora avy any ambanivohitra, Tanora mavitrika amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina

⌛️Fandraisana ny fisoratana anarana : 11 Aogositra2026 hatramin’ny 22 Aogositra 2026 (amin’ny 12 ora alina)
📩 Fanombanana ireo antontan-taratasy : 22 Aogositra hatramin’ny 24 Aogositra 2026
🚀 Famoahana ny lisitry ny tanora 120 voafantina : 25 Aogositra 2026
📍Atrikasa Lead’Aho Zone Nord (Ambilobe) : 27 Aogositra 2026 hatramin’ny 29 Aogositra 2026
📍Atrikasa Lead’Aho Zone Central (Analamanga) : 4 septambre 2026 hatramin’ny 6 septambre 2026
📍Fanombanana ireo tetikasa : 06 septambre 2026 hatramin'ny 08 Septambra 2026
📍Famoahana ny lisitr’ireo tetikasa 20 voafantina :10 Septambra 2026

ℹ️ Azon’ise jerena ato ny andinindininy rehetra: https://drive.google.com/drive/folders/1cgY0Gymqxc2KDXpqnLsUZI4i4fOux0Xf?usp=sharing

11/08/2026

FIFITI

11/08/2026

Fifity

🇲🇬⚜️ TILY ETO MADAGASIKARA – FIFITTI 2026 | TOAMASINAMirary soa ny ekipan'ny faritany Analamanga Atsinanana miatrika iza...
10/08/2026

🇲🇬⚜️ TILY ETO MADAGASIKARA – FIFITTI 2026 | TOAMASINA

Mirary soa ny ekipan'ny faritany Analamanga Atsinanana miatrika izany.
Manohana am-bavaka azy ireo.

09/08/2026

📍Miainga avy aty Toamasina ny fampitana mivantana ny fanokafana ny FIFITI 2026
🎬 Araho ary!!

𝗠𝗢𝗗𝗬 𝗦𝗔𝗜𝗡𝗔Tontosa soa ny Lasy fankalazana ny faha 90 taonan’ny sampana Mavo sy sampana MenaNametraka tantara sy fahatsia...
06/08/2026

𝗠𝗢𝗗𝗬 𝗦𝗔𝗜𝗡𝗔

Tontosa soa ny Lasy fankalazana ny faha 90 taonan’ny sampana Mavo sy sampana Mena

Nametraka tantara sy fahatsiarovana mamy👏🏽

📍MoramangaAndro fahefatra ! Araho kely anie e🤩
04/08/2026

📍Moramanga

Andro fahefatra !

Araho kely anie e🤩

📍MoramangaAndro fahatelo 🤩Tafiditra tanteraka eeee !
03/08/2026

📍Moramanga

Andro fahatelo

🤩Tafiditra tanteraka eeee !

📍MoramangaAndro faharoa isika izao ! Feno fifaliana hatrany🤩
02/08/2026

📍Moramanga

Andro faharoa isika izao !

Feno fifaliana hatrany🤩

Address

RN2
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tily Analamanga Atsinanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Tily Analamanga Atsinanana:

Shortcuts

Share