Directions

OA ⚔Kristiana mifototra amin'ny baiboly, ⚔Mpandinika fiainana
⚔Mizara fahamarinana
⚔Tenim-pahefana mihatra eo noho eo
⚔Manao defi tahaka ny Elia

Efa niresaka ny voa sy ny fo (rein et coeur) tsika teto izay efa voasoratra fa fantan'Andriamanitra tsara ny tontolon'ny...
09/06/2026

Efa niresaka ny voa sy ny fo (rein et coeur) tsika teto izay efa voasoratra fa fantan'Andriamanitra tsara ny tontolon'ny toe-batantsika. indray no resaka eto
(II tant 21)
Maro no miresaka hoe ny didy 10 ve mbola ilaina amizao andro izao, raha mamaky tsara io toko nomeko io de mitantara ny Mpanjaka Jehorama izay ny vahoakany sy . Haintsika tsara fa didy zany.
Vokany:
❎Andriamanitra mintsy no nandefa aretina mafy ho azy, ho tratran'ny aretin'ny tsinay ary hangirifiry mandrapahafatiny
❎Ny vady aman-janany hatramin'ny biby fiompiny maty avokoa, faralahiny sisa velona
❎Hatramin'ny vahoaka rehetra izay nijangajanga dia tsy nisy niala maina fa nahazo ny anjarany avokoa.

⚠️Ka fanontaniana no hapetrako ho an'ireo rehetra milaza fa ny didy 10 tsy ilaina raha hiakatra ny lanitra. Fa inona ireo olona be dia be tratry ny aretina amizao reo ? Vokatry ny inona? Sa mba te handefa aretina fotsiny Andriamanitra? Tsy eto an-tany aza enao dia efa mijaly? De inona no antenainao any an-danitra? Raha tsy hainao ny valiny, vitanao ny mampitsahatra ny 'ny vehivavy? Izay ozona vokatry ny fijangajangana. Ary nisy nilaza fa maloto izay mikasika vehivavy maloto, sa efa lasa madio indray izy amizao de afaka hiarahana matory?

🆘Mila misokatra saina de tsy manota, ( ) ny atao hoe manota dia manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Rehefa tsy hainao ny manajanona ny fahazaran-dratsy de io fahazarandratsy io no tsy maintsy hamono anao. Tempoliny isika, raha misy manimba ny tempoliny dia hosimban'Andriamanitra koa izy, zay no voasoratra. Tsisy miafina izay ataontsika amin'io vatantsika io. Ary ny fijangajangana sy ny famonoan'olona dia fahotana mihatra amin'ny nofo ka izay no mahatonga azy ao anaty kibo ao no tratran'zay satria ao le aina, ao le faniriana. Mitandrina fotsiny de tanterakao ho azy le e, samy tenin'Andriamanitra daholo ka mila fandinihana tsara fa tsy hoe histoire taloha, . Tsy ilaina nefa enao manota foana. De taraiky eo ny farany.

☑️Mampahery izay marary dia ataovy an-tsaina voalohany ny fibebahana. Ny hafatra ho an'izay mbola mirihariha tsara, rehefa salama dia miazakazaha manao ny tsara fa iny tsara vitanao iny no hampatsiahivanao eo anatrehan'Andriamanitra rehefa tojo tsy fahasalamana enao, tahaka ny vavak'i Ezekia. Raha mbola velona ny olona iray, misy vaha olana foana ao amin'Andriamanitra.

Miresaka amin'ny olona rehetra aho fa tsy hoe efa mivavaka nefa manota foana, tsy mahavoavonjy anao ny mivavaka foana nefa ny ratsy tsy hialanao. Ny tanjona eto dia salama tsara ny fiainanao eto an-tany ary assurer koa ny fanahinao fa ho voavonjy.

16/03/2026

Raha samy hampijaly tena ihany, aleo mitady zavatra azahoana tombony, raha anaty olana sarotra enao, tsy eken'ny sainao diniho aloha nahatonga azy hoe noho enao sa nohon'ny olona? Fa zava-mahadomelina, tsisy vokany. Rehefa misava iny ny olanao olanao teo ihany nefa ny nofo miasimba. Fa raha mifady hanina enao ny nofo mijaly koa fa ny vokany ara-panahy ary valim-bavaka .

Isika matoa velona ety manana tombony fa misy aza maty tsy fidiny. Mahasarotiny an'Andriamanitra isika satria zava-boariny. Fa matoa nisy ny classe, izay no nihavianao, otrizany ny Tompo rehefa teraka tety tsy mba tany amin'ny hôpital be na nipetraka tamin'ny tranon'ny mpanankarena satrie ve hoe Mpanjaka? Fa niezaka Izy. Jereo daholo ny asa nataony. De anjaran'ny tsirairay no manenjika izay tanjona tiany tratrarina.

Fa raha mamono tena isika mitovy amin'ny mamono olona, tadidintsika tsara ny tantaran'i Kaina sy Abela. Fa na enao mankany amin'ny fiainana mandrakizay na mankany amin'ny fahaverezana. Na enao hankasitrahana na tsia. Fa na mpanota be koa aza enao ka miverina miantso an'Andriamanitra, raisiny foana. Izay no mission an'i Kristy. Hiantso ny mpanota hibebaka. Ao an!

Koa raha samy hamono tena, hampahory tena, tsy aleo ao amin'Andriamanitra? Davida zao maty zanaka nohon'ny fahotana nataony. De moa tezitra tamin'Andriamanitra ve izy? Nampahory tena tompoko izy de mba vakio le tantara. Nefa mafy tena mafy izany maty anaka zany. Fa rehefa tsapan'Andriamanitra ny fikelezanao aina, hainy ny mamonjy anao.

Misy ny olona vokatry ny nataon'ny razany de mibaby heloka aty aoriana, misy vokatry ny nataon'ny sasany. Fa vavaka ihany no hery fiarovana amin'ireny, misy refim-bavaka, refim-panahy tratrarina no handresentsika n ratsy.

Jereo i Jodasy, tsy zakany ny Tompo novonoina satria tsy izay no tanjony fa ny ahazo vola, aveo namono-tena kanefa afaka nandinika kely ihany hoe afaka tsy mamadika fa nohon'ny tsy fisiana de nataony. De misy iteny indray hoe efa voasoratra, tadidio fa Andriamanitra mahalala ny ao an-tsain'ny tsirairay, tsy maniry ny olona ho very izany Izy fa matoa enao no tratran'izany dia misy zavatra mampiavaka anao ao. Izay enao ihany no mahalala azy, azo ovaina io raha tonha saina idika anio.

Fa mahavoa anao kosa raha efa hitanao fa ratsy mbola ataonao de miasa ao anatin'ny le zavatra tinao enao kanefa rehefa hioty ny valiny enao de tsy mahazaka. . Aleo samy . Fa matoa isika mivelona eto, tokony ho zakan-tsika izay miseho eto. Ampahafiriny ny nahazo an'i Joba io mahazo anao io? Nefa nanometsiny an'Andriamanitra ve izy? Olo-marina nefa izy fa natao ny test hoe ho zakany sa tsia satria izy dia olona mba nanan-karena ihany, ny ankohonany miisa firy, ny bibiny, ny tranony. Fa mbola nisaotra izy tompoko, lalina izany a?

Saintsaino.

16/03/2026

RAHA TE HAMPAHORI-TENA. AZA MAMONO TENA, AZA MISOTRO TAOKA...SNS FA MIDIRA FIFADIAN-KANINA. MISY VOKANY.

05/03/2026

HO AN'IREO MPIRESAKA VOAY LAVA TY ANATY HIRA SNS... NAHITA VOAY TSARA IANAREO ZAY.

Vakio   31 fa mbola tsy nahita olona tena marina sy manam-pinoana toy izany aho. sombiny: " Raha tahàny adala tamin'ny  ...
28/02/2026

Vakio 31 fa mbola tsy nahita olona tena marina sy manam-pinoana toy izany aho. sombiny:
" Raha tahàny adala tamin'ny ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho, Dia aoka kosa ny vadiko halain'ny sasany, ary aoka no handry aminy." — Joba 31 : 9 - 10
Adala=Tara hoy isika
Iza no olona ho faly hanome ny vadiny ho hiarahan'ny hafa hatory izany? raha tsy olona tena efa mpijangajanga be angamba raha mahazaka an'izany. Fa Joba dia te hiteny mintsy hoe tsarao aho fa olona marina, tsisy tsiny hita ary lehilahy mahatahotra sy tena tia an'Andriamanitra.

Be dia be zavatra nanaitra ahy ao fa isika aza miandry tolorana foana fa raiso le baiboly de mba vakio. 'Zabmba manaitra fotsiny.

Misy an'izany ao hoe raha nanaraka ny masoko ny foko dia aoka ny olona no hanjaka amin'izay namboleko. Iza koa no ho faly amin'izany hoe enao no miasa sy nisasatra de ny olona no hanjaka amin'ny harenanao? Tongava saina raha misy cas otrizay eo amin'ny fiainanao.

Ary Ahoana moa izany manaraka ny maso ny fo zany? tsy izay jerenao de handoto ny fo daholo. Ny fo le tsy azo lotoina satria tsy mahita an'Andriamanitra izay maloto fo. Ka raha isaky ny mahita forme ana vehivavy enao ohatra dia ho taitra,inona fa tsy lasa tinao le izy de mipetraka anatinao mijery fotsiny aza enao dia efa mijangajanga satria lasa mitsiriritra avy eo. Vakina fotsiny anie le olona manao ireny e. Mazavavny voalaza, mitsiriritra=mijangajanga

Misy lesona be ao amin'ireo olona mijangajanga rehetrarehetra. Ianareo mahalala izay nataonareo avy. Ho an'ity miovaova vady, manitsakitsa bady, mampirafy, miaraka amin'ny olona zato amby arivo...sns.

Raha mbola mba mivavaka sy Kristiana mino an'Andriamanitra ianareo, mandiniha.
Efa voasoratra fa tsy iditra ny lanitra mihintsy ny mpijangajanga izany. Fa raha maty izy dia ho an'ny amin'ny fahaverezana .
Andro farany efa ampotomoto zao, tsy hitsitsy aminao izany ny hafatra'Andriamanitra.

14/02/2026

Betsaka amitsika no diso hevitra hoe lalàna tsy natao ho antsika ny didy 10 a fa ho an'ny Isiraely, dia mbola haveriko ihany, Andriamanitr'Iza no hivavahantsika?tenin'iza no tokony arahintsika, tsarovy fa tamizany anie ka nisy andriamani-kafa, teo ny andriamanin'ny egyptiana, bala...sns e, reo le firenena ivelan'ny Isiraely tsy mivavaka aminy.

Tonga moa ny testamenta vaovao, dia mbola namafisin'i Kristy izany lalàna taloha izany

Matio22 “Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deoteronomia 6:5). 38. Izany no didy lehibe sady voalohany. 39. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Levitikosy 19:18). 40. Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany ”

Ny tiana holazaina dia mizara 2 mazava tsara ny didy 10
1)ny didy voalohany hatramin'ny faha 4 manambara fitiavana an'Andriamanitra, raha tinao Andriamanitra tsy atakalonao andriamanikafa...sns hajainao ny sabatany.

2) ny didy faha 5 hatramin'ny faha10 manambara fitiava-namana, raha tinao ny namanao, tsy angalarinao ny zavany...sns

Fa tsy hoe ireo didy 2 ireo fotsiny no tandremanao.

Kristy dia nitandrina ny didin'ny Rainy fony vao kely mandra-pialany tety ary nampianatra izany Izy. Hoy Izy
Jaona10:30 “Izaho sy ny Ray dia iray ihany” midika.izany fa tsy mifankaiza Izy sy ny Ray ary sanatria Izy tsy nanohitra ny didin-dRainy fa kosa nitondra fitiavana, nanamafy tao amin'ny fiti💛v💜n💙 Izy fa io no tsy ampy fa variana mitandrina lalàna be fahatany fotsiny ny olona.

Jaona 14:15 “Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny #didiko” hoy ny Tompo dia avadik'ireo olona kely fahalalana

Jaona15:12 “Izao no didiko dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo ”

Efa nambaran'i Kristy zao fa didiny le izy, mazava be fitiavana izany, fa tsy nilaza kosa Izy hoe aza mitandrina ireo didy hafa. Ka hanazava indray ianao hoe ary amin'ny Efesiana sns hoe izao na izao, aza mamitaka.olona.sahala.amin'izany, niainga teo amin'i Kristy ny fampianarana fa tsy zay mission ny Apostoly nandeha nitety izao tontolo izao no hanafoananao didy 10 n'Andriamanitra.

Atoroko antsika foana izay mba tsy ho voafitaka isika, miainga foana amin'ny base. Ka na inona tenin'ny Apostoly ...sns iraka ireo, isika.tsy mahalala izay niainany nandritra ny fitoriany filazantsara fa izay nolazainy tany korinto dia ho an'ny korinto dia sokafy amizay ny fijery. Fa Andriamanitra tsy miova omaly anio ary mandrakizay.

Azavaiko kely ty resaka hoe   ity fa mbola betsaka ny tsy mahalala tsara azy. Ireo nangalako fikarohana nocaptureko ireo...
13/02/2026

Azavaiko kely ty resaka hoe ity fa mbola betsaka ny tsy mahalala tsara azy. Ireo nangalako fikarohana nocaptureko ireo dia tao amin'ny sy malagasy. De vakio tsara fa na en français na en malagasy dia mazava n atao hoe sampy fa taloha izy ono natao fanafody fa taty aoriana natao mihintsy.

ka mazava be raha hiteny ny Kristiana hoe sampy satria zavatra voasoratra ny baiboly le izy, ny Isiraely naka sary omby volamena nivavahana, sampy izay, ny Egyptiana ny Boudhist...sns mivavaka amin'ny sampy daholo. Tsy izaho tompoko no namorona an'io fa tao anaty rakibolana antsika malagasy ka mahagaga fa misy tezitra ankehitriny vao maheno hoe sampy. Izay no marina. De ekeo fa variana miady hevitra eto foana isika.

Aza raisina ho fanaratsiana fa isika ihany aza no nanome io definition io. Ny sasany efa nanome definition hoe bokim-bazaha. De samia mba mifanpazaka de aza hitarina. De mifanajà fotsiny.

Source: Rakibolana Malagasy 1995 (Régis Rajemisa - Raolison

04/02/2026

Most think it was just a sacred box—but the Bible reveals two profound reasons that go far deeper. In this video, we explore the true purpose behind the Ark ...

Iza no tsy mahalala an'izany Undertaker zany?  raha mijery azy dia toy ireny olona mampatahotra ireny. Fa tsy ampoizinao...
04/02/2026

Iza no tsy mahalala an'izany Undertaker zany? raha mijery azy dia toy ireny olona mampatahotra ireny. Fa tsy ampoizinao, izy aloha efa retirety tamin'ny catch, fa homeny an'Andriamanitra ny andro sisa iainany. Efa ezaka lehibe zany a. Raha mbola velona ny olona iray manapakevitta toy izany de mbola misy fanantenana.
Hanatrabkoa ho an'ireo vady izay kivy eo amin'n fiainana, mety mamo lava ny vadinao na maditra na tsy aiko...tsy vaha olana ny misaraka raha mbol azo atao fa tokony tsy kivy mivavaka. Ny vadiny zao mpivavaka dia naharesy lahatra an'i Undertaker ihany ny farany. Deraina ny Tompo.

Aza adino mi'abonné sy mizara

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when OA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share