16/11/2022
***LE PLUS DUR A ÉTÉ DE COMMENCER***
***NY SAROTRA INDRINDRA DIA NY NANOMBOHANA***
***THE MOST DIFFICULT PART WAS TO START***
Matetika isika manana hevitra maro.
Mety eo amin'ny fiainana andavan'andro izany na any am-piasana na amin'ny lafim-piainana maro.
Maro tokoa ny hevitra fa ny saintsika dia voataiza handinika ny mety ho olana hiseho. Tsy ratsy akory izany, ary tena ilaina saingy kosa lasa sakana raha diso be fanahiana loatra.
Rehefa mahita hevitra tsara iray ka tena maty paika ny tanjona. Ny hany sisa tsy hahatanteraka azy dia ny fanombohana.
Rehefa mandeha ny fotoana, ka natomboka ihany ilay izy, dia eo ilay tafateny hoe "soa ihany aho fa..."
Toy izany koa ny nanombohana ity pejy ity, inona no ho atao ? Inona no tantaraina ? Inona no tanjona ? Izany ve tsy efa ataon'ny anona ?
Dia izao no vokatra.
Mety koa anefa hoe tsy tsara hatomboka ilay hevitrao satria be loatra ny mety ho Voka-dratsy. Ny fahaizana mandajalanja no zava-dehibe fa ny hevitra misy foana.
Fehiny, amin'ny zavatra atao tsy maintsy misy foana ny olana, sakana. Raha mipetraka tsara anefa ny tanjona ary voadinika avokoa ny mety zavatra hitranga, dia ny mamindra voalohany sisa no mafy indrindra aminao.
*** In English/French please :***
- mamindra voalohany na dingana voalohany => first step => premier pas ou première étape
- Dingana => step => étape
- Mamindra => to step => marcher
- Manomboka => to start => commencer
- Hevitra => idea => idée
***Expression française*** : faire le premier pas
*** Sary mihetsika tsara jerena *** : INCEPTION de Christopher Nolan - 2010 " Quel est le parasite le plus résistant : une bactérie, un virus, un ver intestinal ?... Une idée. Une simple idée sortie de l'esprit humain est capable d'ériger des villes. Une idée peut transformer le monde et changer entièrement la donne. "
Aza adino ny mizara raha hitanao fa mahasoa.