Mazava ALoha

Mazava ALoha Marina, Rariny, Hitsiny.

❤️FANAMBOARANA FROMAGE AO AN-TRANOAtolotra anao am-pitiavana ny fanamboarana Fromge. :- Ronono velona 1 litatra- Présure...
02/04/2026

❤️FANAMBOARANA FROMAGE AO AN-TRANO

Atolotra anao am-pitiavana ny fanamboarana Fromge.

:
- Ronono velona 1 litatra
- Présure 2 sotro kely "vidiana eny amin'ny pharmacie mahazatra anao" (Araho ny torolàlana)
- Sira "Sel fin"

:
- Etape 1: Afanao ny ronono velona ary rehefa mafanafana manodidina ny 30°C dia ajanona; Miandry kely dia arotsaka amin'izay ilay Présure roa sotro kely. Ampifangaroana tsara. Fonosina lamba voaly ary apetraka amin'izay toerana misy hafanana antonony (Tsy mafana loatra nefa ny tsy mangatsiaka ihany koa "25 à 30°C") Ajanona ao mandritra ny 4h hatramin'ny 5h dia efa mety na mandritra ny alina tsy maninona.
- Etape 2: Rehefa vita izany dia tokony ho lasa mivaingambaingana ilay fangaro. Arotsaka ao anaty passoire misy lamba voile ilay mivaingambaingana iny ary rarahana sira kely varaventy dia avela hitsika ny ranony (izany hoe tatavanina). Apetraka amin'ny toerana mangatsiaka na frigo mandritra ny 24h eo ho eo.
- Etape 3: Rehefa vita izany dia potsepotserina ary fiazana tsara ao anatin'ilay lamba voile hialan'ny rano tavela any anatiny any.
- Etape 4: Arotsaka ao anatin'ny boite izay itiavanao ny endrikin'ny paoziny na ho boribory na ho sary fo... dia apetraka amin'ny toerana mangatsiaka hatrany ary avadibadika sy rarahana sira kely varaveny isan'andro.

:
- Tokony ho soloana isan'andro ilay lamba voile natao lafika iny indrindra rehefa mandomando be loatra.
- Araraka faran'izay kely varaventy ny sira sao lasa mangidy sira ilay fromage
- Ronono velona tsy mitapoka rano no ampiasaina amin'izany raha te hahazo vokatra tsara.
- Afaka andro vitsivitsy ianao dia mahazo fromage mafilotra tsara ary afaka mankafy sy mianoka ireo voka-tsoa entin’ny tsirony sy misitraka ny tombotsoa mihoampampana amin'izany ny vatanao.

@ Lydia Tsiafera de Madagascar

27/03/2026

Ny Lanana mankany Midongy.

Address

Antananarivo
102

Telephone

+261339221835

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mazava ALoha posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Mazava ALoha:

Shortcuts

Share