Antilin’i Madagasikara ofisialy

Antilin’i Madagasikara ofisialy Fikambanana manabe zazalahy amin'ny fampiasana ny skotisma miorina eo anivon'ny EKAR

Miarahaba ny Neny, ny Mama, ny Bebe rehetra.🎉🎉🎉🎉⚜️⚜️⚜️🎉🎉🎉🕊️Indrindra koa ireo Sefotenina rehetra izay tsy mikely soroka ...
31/05/2026

Miarahaba ny Neny, ny Mama, ny Bebe rehetra.
🎉🎉🎉🎉⚜️⚜️⚜️🎉🎉🎉🕊️
Indrindra koa ireo Sefotenina rehetra izay tsy mikely soroka manabe ny zazalahy kely mba ho tonga antily vanona sy vonona.

Tolorana voninkazo lisany androany. 💐💐💐

✌️⚜️FIVORIAMBE NY TOMPONANDRAIKITRA SAMPANA LOVITAO⚜️✌️🟡Mpandray anjara:🟡Eny anivon’ny Diosezy :🟣 Filohan-tsampana sampa...
24/05/2026

✌️⚜️FIVORIAMBE NY TOMPONANDRAIKITRA SAMPANA LOVITAO⚜️✌️

🟡Mpandray anjara:🟡

Eny anivon’ny Diosezy :
🟣 Filohan-tsampana sampana Lovitao Diosezy sy ny mpanampy azy rehetra
🟣 FISA eo amin’ny faritra
🟣 Mpiandraikitra
🟣 Ireo Filoha vehivavy rehetra nandalo tato amin’ny sampana
Lovitao izany hoe avy niandraikitra na nanabe lovitao

Eo anivon’ny Foibe:
🇲🇬 Filohan-tsampana Lovitao rehetra .
🇲🇬 Ireo Filoha vehivavy rehetra.
🇲🇬 Komity mpikarakara ny hetsika.

TOY IZAO NY FANDAMINANA:
• Eny anivon’ny diosezy no mandamina ny saran-dasy isaky ny diosezy 👛💶
• Samy mitondra ny fitaovana an-dasy isaky ny diosezy. 🧰🍲🍲
• Mitondra Toile de tente ⛺⛺⛺🧳🧳
• Miomàna amin’ny lamba mafana fa anatin’ny fotoana ny ririnina. 👔🩳🩲👚🥿🧤🧦🥾
• Sarampisoratana anarana : 10 000 Ar

ℹℹℹ💁‍♂Hisy fitsiriana savaranonando izay alefa miaraka amin’ity antontataratasy ity ahafahana mba ananana antotan-kevitra mialoha mahakasika ireo traikefa efa nanabeazana ireo zaza 6 ka hatramin’ny 8 taona.

Afaka alaina amin'ity rohy ity ilay atontataratasy sy andinindininy rehetra: 👇👇👇
https://drive.google.com/file/d/14p_jJKBx-UrcH2XAXXOPxkUDccseoNW_/view?usp=sharing

🔥 ANDRO 7 – AFON-DASY SAFE FROM HARM (SFH)“Fizarana traikefa momba ny fiarovana ny tanora sy ny ankizy”Ho an’ny afon-das...
17/05/2026

🔥 ANDRO 7 – AFON-DASY SAFE FROM HARM (SFH)
“Fizarana traikefa momba ny fiarovana ny tanora sy ny ankizy”
Ho an’ny afon-dasy mandritra ny Herinandron’ny Safe from Harm, dia tsara raha asongadina sy tsindriana manokana ireo fepetra sy hafatra manamafy ny fiarovana, ny fifanajana ary ny firalahiana.

🛡️ FEPETRA TSARA TSINDRIANA
🔹 1. Fanajana ny tsirairay
✅ Samy hajaina ny ankizy, tanora ary olon-dehibe
✅ Tsy misy fanalam-baraka na fanilikilihana
✅ Mampiasa teny mendrika sy manaja
💬 Hafatra :
“Ny fifanajana no fototry ny tontolo azo antoka.”
🔹 2. Fiarovana mandritra ny hetsika
✅ Arahi-maso ny ankizy sy tanora
✅ Tsy avela hisy toerana mampidi-doza
✅ Hajaina ny fitsipika momba ny afon-dasy sy ny filaminana
💬 Hafatra :
“Mifaly miaraka, miaro miaraka.”
🔹 3. Fihainoana sy fifampitokisana
✅ Omena sehatra hitenenan’ny rehetra
✅ Mihaino tsy mitsara
✅ Manampy ireo mahatsiaro sahirana na tsy voaaro
💬 Hafatra :
“Ny fihainoana dia endrika fiarovana.”
🔹 4. Fitondran-tena mendrika
✅ Tsy manao herisetra na fanorisorenana
✅ Tsy manao vazivazy manaratsy na manambany
✅ Maneho ohatra tsara ny mpitarika sy ny olon-dehibe
💬 Hafatra :
“Ny fitondran-tena tsara dia miaro ny hafa.”
🔹 5. Firalahiana sy fiaraha-miaro
✅ Mifampitsinjo
✅ Mifampiahy
✅ Tsy mamela olona ho irery na voahilika
💬 Hafatra :
“Rehefa mifampiaro isika dia mihamatanjaka ny Skotisma.”

🔥 Hevitra azo atao mandritra ny afon-dasy
🎤 Fizarana traikefa
🎶 Hira momba ny firaisankina sy fiarovana
🗣️ Hafatra fanentanana SFH
🤝 Lalao na animation mampiroborobo ny fifanajana
🕯️ Fotoana fisaintsainana momba ny fiarovana sy ny andraikitsika rehetra

🔥 AFON-DASY SAFE FROM HARM
Andao hiara-hizara traikefa sy hafatra manamafy ny :
🛡️ fiarovana
🤝 fifanajana
👂 fihainoana
🫶 firalahiana
✨ “Ny Skotisma azo antoka dia andraikitry ny rehetra.”



🛡️ ANDRO 6 – SAFE FROM HARM (SFH)“Ny olon-dehibe ao amin’ny Skotisma : ny anjara andraikitry ny fitarihana amin’ny fampa...
16/05/2026

🛡️ ANDRO 6 – SAFE FROM HARM (SFH)
“Ny olon-dehibe ao amin’ny Skotisma : ny anjara andraikitry ny fitarihana amin’ny fampandrosoana ny fiarovana eo anivon’ny Skotisma.”
✨ Ny olon-dehibe sy ny mpitarika dia manana andraikitra lehibe amin’ny fananganana tontolo azo antoka, manaja ary miaro ny mpikambana rehetra.
Ny fitarihana tsara dia tsy mifototra amin’ny fahefana ihany, fa amin’ny :
✅ fanajana
✅ fihainoana
✅ fiarovana
✅ fahamendrehana
✅ fandraisana andraikitra
🔹 Andraikitry ny olon-dehibe ao amin’ny Skotisma
🛡️ Miaro ny ankizy sy ny tanora
👂 Mihaino sy mandray am-pahamatorana ny ahiahy sy ny fitarainana
🤝 Mampiseho fitondran-tena mendrika sy modely tsara
🚫 Tsy manaiky herisetra na fanararaotana
📚 Mampianatra ny kolontsain’ny fiarovana
💬 Mampahatsiaro ny rehetra ho voaray sy hajaina
🔹 Ny fitarihana mendrika dia :
✨ Mitondra amin’ny ohatra tsara
✨ Manaja ny zon’ny tsirairay
✨ Mampiroborobo tontolo milamina sy azo antoka
✨ Mampiray fa tsy manilikilika
✨ Manampy ny tsirairay hivoatra am-pilaminana
🛡️ “Ny mpitarika tsara dia miaro alohan’ny hibaiko.”
Ny fiarovana eo anivon’ny Skotisma dia manomboka amin’ny fitondran-tena sy ny andraikitra raisin’ny olon-dehibe.

🎮 QUIZ SAFE FROM HARM (SFH)“Fantaro ny Kolontsain’ny Fiarovana”📅 Andro 5 – Herinandron’ny Safe from Harm🎯 Tanjona : Hana...
15/05/2026

🎮 QUIZ SAFE FROM HARM (SFH)
“Fantaro ny Kolontsain’ny Fiarovana”
📅 Andro 5 – Herinandron’ny Safe from Harm
🎯 Tanjona : Hanamafisana ny fahalalana momba ny fiarovana sy ny fitondran-tena mendrika eo anivon’ny Skotisma.
🔹 Fitsipiky ny lalao
✅ Vakiana ny fanontaniana
✅ Misafidy ny valiny marina
✅ Afaka atao tsirairay na isan-tarika
✅ Mahazo isa izay mamaly marina indrindra
🏆 FANAMARIHANA
🥇 8–10 marina : “Mpiaro Mendrika”
🥈 5–7 marina : “Mpanampy amin’ny Fiarovana”
🥉 1–4 marina : “Mbola mila mitrandraka bebe kokoa”
👉👉👉 ATAOVY ANATY COMMENTAIRE NY VALINY 👈👈👈
“Ny fiarovana dia andraikitry ny rehetra.
Miara-manangana Skotisma azo antoka sy manaja ny zon’ny tsirairay isika.”


Voir moins

Address

Foibe Antily, Ambony Tonelina Ralaimongo
Antananarivo
101

Telephone

+261347870592

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Antilin’i Madagasikara ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Antilin’i Madagasikara ofisialy:

Share