08/07/2024
⛪𝔽𝕒𝕟𝕥𝕒𝕣𝕠 𝕗𝕒 𝕞𝕒𝕟𝕒𝕟-𝕕𝕒𝕟𝕛𝕒: 𝔽𝕖𝕗𝕪 𝕞𝕒𝕟𝕠𝕕𝕚𝕕𝕚𝕟𝕒 𝕟𝕪 𝕆𝕥𝕖𝕝𝕪⛪
🔸Mety maro amintsika no nahatadidy fa nisy fiarovana na koa fefy ny manodidina ny faritra ny Otely Masina taloha. Matetika tamin'ireo Paroasy lehibe no nahitana izany. Vitsy dia vitsy amin’izao fotoana izao ny Paroasy mbola mitazona azy ireny (indrindra fa ireo efa tranainy), satria noho ny fanavaozana ara-litorjika tamin’ny 𝐊𝐨𝐧𝐬𝐢𝐥𝐲 𝐕𝐚𝐭𝐢𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐈𝐈 dia nesorina ary tsy ampiasaina izany.
🔸Tsara anefa mizara amintsika fa mbola misy ireo Paroasy lehibe any ivelany tena mbola mitahiry sy nanohy ny fiarovana ny faritra ny Otely Masina io. Ary talohan'ny Konsily Vatikana 2, manodidina an'io fefy miaro ny faritry ny Otely io no andohalihana, andraisana ny Komonio Masina.
👉𝐍𝐲 𝐦𝐚𝐡𝐚 𝐳𝐚𝐯𝐚-𝐝𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐚𝐳𝐲: Fantantsika amin'ny faritra ny Otely no matetika misy ny Tabernakla, misy ny Latabatra ny Otely Masina izay anolorana ny Eokaristia Masina. Noho izany masina io faritra io ka mila hajaina sy arovana. Izany hoe tsy ny olona rehetra no afaka miditra amin'ny faritry ny Otely fa ny: Mpisorona, ny mpandraharaha masina, ny mpamaky ny Tenin'Andriamanitra.
🔸Io fiarovana io no mampisaraka ny faritra ny Otely Masina sy ny toerana ipetrahan'ny Kristianina. Noho izany, nomena lanja ary tena natahorana mihitsy ny miditra amin'ny faritry ny Otely masina fahiny .
🔸Tsy azo afenina amin’izao andro izao, ny ankamaroan’ny olona sy ny kristianina dia tsy mino intsony fa manana ny fitoerana masin’Andriamanitra satria manao izay araka izay tiany atao amin'ny faritry ny Otely Masina toy ny mivezivezy tsy misy fanajana na miondrika amin'ny Otely, mitabataba ihany koa.
👉Manampy ny mpiangona handohalika handray ny Kômonio ihany koa io toerana io. Ary raisina avy hatrany amin'ny vava ny komonio ary eo am-pandohalihana. Araka ny voalaza teo aloha, ho an'izay mbola tsy nanala izany (fefy miaro ny faritra ny Otely) dia mbola afaka mampiasa izany. Fa ho an'ny eglizy sy Paroasy izay efa tsy manana an'izany dia tokony hiezaka hametraka hatrany ny hasin'ny toerana masina.
©️ Katolika Info.