MEVA Fikambanan'ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly Miasa eo Anivon'ny Vehivavy Analamanga (FMMB-MEVA)

ANDAO DAHOLO E ❣️
18/08/2026

ANDAO DAHOLO E ❣️

Ny fikambanan'ny mpiara-mamaky baiboly izay mankalaza ny faha 55 taonany dia faly manasa antsika hanatrika ny Sekolibe 2026!
Inona tsara? Sekolibe 2026!
Aiza dia rahoviana? Ny 26 Aogositra h@ 30 Aogositra ao @ flambeau Mandriambero, faranana @ sakafompiraisana ao @ CCI Ivato ny 30 Aogositra
Fa inona no atao amin'izany?
🙏 Mivavaka: mifandray amin'Andriamanitra
📖 Manovo sy mianatra ny Soratra Masina
🤝 Mifampizara sy mifandray amin'ny génération hafa
⚽ Milalao, manao sport ihany koa,
→ Tadidio fa miverina miaraka amin'ny fanoloran-tena vaovao ianao.
SEKOLIBE FMMB 2026 tsy ho lasy na conférence fotsiny, fa ho fotoana fanarenana, fanovana, famoronana ary fanirahana ho an'ny FMMB manontolo.
' Andriamanitra mihitsy no manomana antsika ho amin'izany fanovana izany, ka nanome antsika ny Fanahiny ho antoky ny soa natokany ho antsika". 2 Kor 5:5
Izay tsy afaka manatrika SEKOLIBE dia afaka mankany @ CCI fa mila misoratra anarana fa misy fandraisan’anjara.
Fifandraisana 0340321533
0331217341

 Q1- 🤔 RAHA ASAINA MANOME FAMARITANA NY  FAHAMARINANA IANAO DIA INONA LAZAINAO? 👉 Tsotra no sady mazava ny ambaran'ny Ba...
16/08/2026


Q1- 🤔 RAHA ASAINA MANOME FAMARITANA NY FAHAMARINANA IANAO DIA INONA LAZAINAO?
👉 Tsotra no sady mazava ny ambaran'ny Baiboly hoe:
✅“Ny teninao no fahamarinana.” 📖 JAONA 17:17

🕯️MIDIKA izany fa ny Tenin’Andriamanitra no famaritana ny fahamarinana, fa tsy ny fihetseham-pontsika na izay mety ho hevitr' olona. Ary tsy misy marimaritra iraisana io fa izay dia izay.
Hoy ny fitenenana Malagasy hoe: Tokana ny marina ka saro-tadiavina.
❣️ Fa araka ny maha be ny fitiavana sy famindram-po an'Andriamanitsika dia tsy vitan'ny hoe nasehoNy fa sady nomeNy atsika koa izany.
🤔 Fa moa efa noraisinao ary koa iainanao ve izany?

Q2: 🤔 AIZA NO METY AHITANA ZAVATRA TENA "AUTHENTIQUE SY RÉEL FA TSY FAKE"?
👉 Tsy misy afatsy ao amin' ny tenin'Andriamintra ihany!
✅ "Ny toetra mahatoky no mivohitra amin’ny teninao" 📖 SALAMO 119:160a DIEM

🕯️ Ny mampiavaka sy manasongadina ny tenin'Andriamintra dia ny " AUTHENTICITÉ" ny. Amin' izao sahirana isika manavaka ny zavatra MARINA ( vraie & authentique) sy tena izy (réel) amin' ny zavatra amboarimboarina nohon' ny fandrosoana sy fihazakazahan'ny teknolojia hany ka lasa sasatra ny manontany hoe: tena izy ve io sa IA? Mangataka fanazavana sy porofo ( jp photo réel 😀 azafady!)
❣️ Ny Azo antoka amin' ny tenin'Andriamintra dia izy TSY noforonin'ny sain'olombelona fa avy amin' ny tsindrimandrin'Andriamanitra ( 📖 2 TIMOTY 3:16)
KA na Baiboly electronique (vaky Anisa) na Boky taratasy dia Azo antoka avokoa (fiable).
🤔 Inona indray no mety mbola hampisalasala sy manakana anao hikirakira azy sy handray izay lazaiNy ?

Q3- 🤔 ARY IANAO KOA VE MBA ISAN'NY MIADY FATRATRA NY HISAINANA SY HAMPANJAKANA NY RARINY SY NY HITSINY?
👉 Izao indray no tohin'ilay tenin'Andriamintra teo aloha io hoe:
✅ "ny fitsipikao dia ara-drariny avokoa sy mandrakizay" 📖 SALAMO 119:160b DIEM

🕯️ Tsy vitan'ny hoe marina sy Azo antoka ihany kay izany ny tenin'Andriamintra fa sady mbola ara-drariny no mbola maharitra koa. Ary tena azo antoka satria tsy misy ifandraisany amin''ilay fitenenana hoe: "Miova andriana miova sata."
❣️ Ny olona sy ny tontolo misy atsika mety hiova sy hivoatra manaraka ny vanindro, ny fotoana, ary ny toe-java-misy, indrindra ny fandrosoana FA Andriamanitra sy ny teniNy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
📖 “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.” MATIO 24:35

Q4 🤔 INONA ANEFA NY TOMBONY AMIN' NY FIKIRAKIRANA SY FANKATOAVANA AZY E?
👉 Maro tsy tambo isaina ny ambaran'ny Baiboly fa raha fitinina dia izao
✅ "Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra."
📖 SALAMO 119:160

🕯️Izany hoe: Ny tenin'Andriamintra dia MARINA, MAHATOKY, ARA:DRARINY, MAHARITRA MANDRAKIZAY.
Tsy misy hoe "Satisfait ou remboursé"
❣️ AZO ANTOKA 💯% no sady tsy vitan'izay ihany fa mbola misy BONUS CADEAUX GOAVANA BE
🎁 FIAINANA SY FAHASALAMANA.
Guarantie à vie🔒 fa tsy zavatra temporaire (mandalo)🧊.
📖 "Fa aina ho an’izay mandray azy tokoa ireo ary fahasalamana ho an’ny tenany manontolo."
OHABOLANA 4:22 DIEM
⚠️Fa ity indray kosa dia mitombina " À prendre ou à laisser »
👉 Ka anjaranao ny safidy! Koa mahaiza mifidy izay Tena mitondra FIAINANA ❣️

🪞 FANDINIHAN-TENA
🤔 Miankina amin' ny inona ny fitokisako?
🤔 Misy zavatra fantatro fa lazain’ny Baiboly hoe tsy mety, nefa mbola ataoko ihany ve?
Rehefa tsy mifanaraka amin’ny sitrapoko ny
🤔Tenin’Andriamanitra, inona no ovako: ny Teniny sa ny fiainako?
🤔 Manao ahoana ny fahazarako mamaky sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra?




 ? Misy mihaino? 🤔 Inona no asetrinao ireny tenin'Andriamintra rehetra renao sy nandalo ny sofinao ireny? Mety misy amin...
09/08/2026

?

Misy mihaino?
🤔 Inona no asetrinao ireny tenin'Andriamintra rehetra renao sy nandalo ny sofinao ireny?

Mety misy amin' izy ireny inianao manokana ny hihaino sy hendré satria efa fotoana niomanana tahaka ny fandehanana makany ampiangonana na famonjena fivoriana sy fotoam-bavaka fa misy kosa anefa mety tsy inina fa sendra mandalo ny sofinao fotsiny ohatra amin' ny onjan-peo, eny an-dàlana, olona sedra tafaresaka sns ...

🤔 FANDINIHAN-TENA
1- Mihaino, mandray, ary avy hatrany dia mankatoa ny teny ve ianao ?
2- Sa manivana izay metimety sy mahafinaritra ny fo sy ny saina ary izay filanao manokana ?
3- Sa koa mandà akitsirano sy manilika amin' ny hoe tsy natao ho ahy izany fa ianona mihitsy zao no mila izany sy lazain'izany?

🔔 ANTSO ANIO
«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana!»
📖APOKALIPSY 2:7a DIEM

🕯️FAHAMARINANA
1- Tsarovy fa tsy misy kisedrasedra izany ny zavatra rehetra mitranga eny fa na dia izay heverina ho kely sy bitika indrindra aza amin' Andriamanitra fa misy antony avokoa.
📖 ROMANA 8: 28-29

2- Matoa nampandrenesiNy ny sofinao iny teniNy iny dia misy tanjona sy antony manokana tiaNy hahatongavana aminao. Na io ho fampaherezana, na ho fanitsiana, na ho fananarana, na ho famporisihana, na ho fampitaovana, na ho fananganana, na ho fampibebahana, na ho fampiorenana, na koa antso manokana ny hitodihana sy hiverenana Aminy, sns ...
📖 II TIMOTY 3 : 16 DIEM

3- Ny tena lehibe ao ambadik'izany rehetra izany dia fanehoam-pitiavana sy famindrapo. Fitiavana ny tsy hanan-dratsy sy ny tsy hahavery fa ho famonjena ny Fanahy satria tiaNy loatra isika.
📖 JEREMIA 31: 3

🎁 FAHAMARINANA
👉 Misy voka-tsoa sy valim-pitia lehibe sy maharitra mandrakizay ny fihainoana sy fankatoavana ny tenin'Andriamintra.

📖 «Izay maharesy dia havelako hihinana amin’ny voan’ilay hazo manome fiainana izay ao amin’ny sahan’Andriamanitra.» APOKALIPSY 2:7b DIEM

💌 HAFATRA FARANY
👉 «Anio, raha mandre ny feony ianareo, dia aza manamafy ny fonareo»
📖HEBREO 4:7b
👉 "Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo fa aza mihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. "
📖 JAKOBA 1:22



LASY HO AN' NY VEHIVAVY BEVOKA🗓️ 25 - 26 - 27 September 202📍La Clairière MANDRIAMBERO💸 PAF 100 000☎️ Infoline 038 55 804...
04/08/2026

LASY HO AN' NY VEHIVAVY BEVOKA
🗓️ 25 - 26 - 27 September 202
📍La Clairière MANDRIAMBERO
💸 PAF 100 000
☎️ Infoline 038 55 804 00
✍️ Inscription: Librairie Vatsy Antaninarenina NA
Ligue pour la Lecture de la Bible - Antananarivo
📱038 55 804 00 Seheno Miarisoa

📜" Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena." — JEREMIA 1 : 5

Famindrampo sa Fandringanana🤔 Ianao ve efa notandidomin-doza satria nanao zavatra tsy nety? Na nandray fanapaha-kevitra ...
02/08/2026

Famindrampo sa Fandringanana
🤔 Ianao ve efa notandidomin-doza satria nanao zavatra tsy nety? Na nandray fanapaha-kevitra noeritreretinao hoe mety kanjo tsy izay?!

👉 Ary raha ny tenanao irery no hiaran'ny valiny dia mety hoy ianao hoe zakaiko satria vokatry ny nataoko

👉 Fa ny tena mafy dia ny olona akaiky anao koa dia tandindomin'ny vokatr'izany nataonao izany 😓
🛑 Izany indrindra no nihatra tamin'i Davida teto

⚠️ Inona ary no tokony atao eh??

I - EKEO NY FETRA
👉 Rehefa nampahafantarin'Andriamanitra an'i Davida ny hadisoany dia nomen'Andrimanitra safidy telo izy ny amin'izay ho vokatr'izany
1- Mosary
2- Fandringanan'ny fahavalo
3- Areti-mandringana

👉Hoy i Davida " INDRISY!!! PORITRA LOATRA AHO!!!" 😰 Na hoe "SANGANEHANA LOATRA AHO!!"
Raha tsorina dia hoe " TENA VERY AHO!! INONA NO ATAOKO!!" 😰

😓Tsapan'i Davida fa tsy afaka hanafoana ny ny nataony izy

📖Araka ny voasoratra hoe "izay afafin'ny olona no ho jinjainy"
📖Ary koa hoe " Fahafatesana no tambin'ny ota"

Ary ireo loza telo nomena hisafidinany ireo dia miafara avokoa

〽️ Isika rehetra dia tahaka an'i Davida ihany koa. Tsy maintsy handray ny vokatry ny nataontsika. 😞

♻️ Ary tsy azontsika hialana fa mitondra endri-pahafatesana eo ny fahotana ataontsika

Izany no maneho fa mañam-petra isika 🥺
Ary rehefa Tojo ny fetra dia kivy sy very fanantenana 😔
😍Soa anefa fa eo no miditra kosa i Jesoa ❤️

2- MISAFIDY AN'ANDRIAMANITRA
👉 Na dia misy tokoa aza ny valin'ny natao.
Ary koa tsy azo hiverenana ny lasa dia mbola mijery antsika @ anefa Andriamanitra 🥰

〽️ olona dia samy tsy mahafinaritra na ny mosary na ny Fandringanan'ny fahavalo na ny areti-mandringana

Fa Davida kosa tao anatin'izany dia nahatsapa sy nilaza hoe
📖"aleontsika ho azon'ny tanan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tanan'olona. II Samoela 24 : 14

👉 Fantatr' i Davida fa ao amin'Andriamanitra dia tsy misaraka ny fitantaNy sy ny fitondraNy
Koa nisafidy ny areti-mandringana izy.

📖 Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-poko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
Isaia 54 : 10

👉 Ary raha mamela ny loza hiatra aza Andriamanitra dia noho ny fitiavaNy no hanaovaNy izany

♻️ Fa ihany koa, Izy ao no mametra izay valiny mihatra amintsika

〽️ Ny tanjon'Andriamanitra, tsy sanatria fitia te handringana na hampahory fa ho sy ❣️

😍Ary rehefa nanome ny Zanany Lahitokana Izy dia tsy ny famindrampo ihany no nomeNy! Fa ny fahasoavana indrindra koa.

📖 Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran'ny fahasoavana be lavitra
Romana 5 : 20

Inona ary ny fahadisoanao ⁉️
hiverina ao 'Andriamanitra fa tsy misy fahotana na fahadisoana tsy haiNy fafana. 🌺



FAMILY QUALITY TIME ity ry zareo a👉 Ny LEHILAHY mandeha eny SEKEMA👉 Ny VEHIVAVY indray makeny amin' ny St. Ignqnce Anala...
30/07/2026

FAMILY QUALITY TIME ity ry zareo a
👉 Ny LEHILAHY mandeha eny SEKEMA
👉 Ny VEHIVAVY indray makeny amin' ny St. Ignqnce Analamahitsy.
Izany tokoa ilay hoe: rasa akohon'ny mianakavy ka Samy mahazo ny anjara manandrify azy avy.
Tonga any an-trano nareo ny hariva mifampizara 😀

   🤔 Ianao ve efa mba nanotany tena hoe: "Moa va misy fiantraikany amin'ny fifandraisako amin'Andriamanitra ny fomba ifa...
26/07/2026



🤔 Ianao ve efa mba nanotany tena hoe: "Moa va misy fiantraikany amin'ny fifandraisako amin'Andriamanitra ny fomba ifandraisako sy itondrako ny hafa?

💌 Mety ho gaga angamba ianao raha ilazako hoe: ENY 💯 ny valiny. Jereo anie ny voalazan'ity an-dàlan-tSoratra Masina ity e:

📖 2 SAMOELA 22:26
Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina; Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina*. [*Hebreo: miolakolaka]
🤔 AHOANA IZANY?

🔍 FANAZAVANA
⚠️Sady tsy mamaly faty akory Andriamanitra no tsy mila voatsiahy na koa hoe "misy toetra atsika ny filazatsika azy."
⚠️ Tsy midika koa anefa ity andininy ity fa mahazo ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny asa tsara ataotsika isika.
💌 FA kosa milaza fa ny olona misokatra amin'ny toetran'Andriamanitra dia miaina sy mahita bebe kokoa ary mahatsapa ny asaNy.

👉 Lalanan'ny famafazana sy fijinja e!
🎁 Izay afafinao ihany no hojinjainao
📖 GALATIANA 6 : 7 "Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. "

👉 Fa sady maheno ilay toetran'Andriamanitra
🎁 Mpitsara marina sy mahitsy ary mahatoky koa.
📖 Hoy JOBA 34: 11 hoe: "Fa ny nataon'ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy."

👉 Andriamanitra koa dia mifandray amin'ny olona araka ny toetry ny fony sy ny fomba fiainany.
🎁 Tsy mizaha tavan'olona Izy fa mamaly ny olona araka ny asany avy.
NY OLONA :
Tsara → miaina sy mahita ny fahatsaraNy
Mamindra → miaina sy mahita famindram-poNy
Mahitsy → miaina sy mahita ny fahitsiNy
Marina → miaina sy mahita ny fahamarinana
Madio → miaina sy mahita ny fahadiovaNy
Mpiolakolaka → no anehoaNy fa lalin-tsaina Izy.

👉 Hoy JESOSY tamin'ilay toriteny an-tendrobohitra momba FAHASAMBARANA hoe:
📖 MATIO 5:7
"Sambatra ny mamindra fo; fa izy no hamindrana fo." / "Sambatra ny mianatra fa izy no hiantrana. "

🔥 LESONA &
🔊 Antsoina hanahaka ny toetran'Andriamanitra isika.
🙏 Ny mpino dia tokony haneho famindram-po sy fahitsiana amin'ny hafa.

🕯️ FAHAMARINANA
💎 Ny fiainana madio sy mahitsy dia manome voninahitra an'Andriamanitra.
💎 Ny fifandraisatsika amin'Andriamanitra dia tokony hiseho amin'ny fiainana andavanandro
💎 Ny famindram-po sy ny fahitsiana dia tokony ho hita: ao an-trano, any am-piasana, ao am-piangonana, eo amin'ny fiaraha-monina.
📖 MIKA 6:8 "Ataovy ny rariny, tiavo ny famindram-po, ary mandehana amim-panetre-tena miaraka amin'Andriamanitrao."
💎 Izay nandray famindram-po dia antsoina hizara izany amin'ny hafa.
📖 LIOKA 6:36 "Aoka ho mpamindra fo ianareo tahaka ny Rainareo."
💎 Manome lanja ny fo sy ny toetra Andriamanitra
Tsy ny fiseho ivelany no jerena, fa ny fo.
📖 1 SAMOELA 16:7 "Jehovah mijery ny fo."

🪞 FANDINIHAN-TENA
🤔 Mamindra fo amin'ny hafa ve aho tahaka ny namindran'Andriamanitra fo tamiko?
🤔 Sa izaho ilay manao andolo-po sy fo letika?
🤔 Inona amin' ireo toetran'Andriamanitra ireo re no mba hitan'ny olona ety amiko? (amin' izay lazaiko, ataoko, asehoko? anamarihan'ny hafa ahy?)

💌 HAFATRA
👥 Tsy misy olona mahita tava an' i Jesosy Kristy fa izaho sy ianao ilay mitono-tena ho KRISTIANA ireto no JESOSY hitan'ny hafa sy ny fiarahamonina misy atsika. Ka vonona ve ianao ny haneho izany?




24/07/2026
💶MANAO RAKITRA 👛🕍 Fiainan'ny kristianina ny manao rakitra mandritry ny fotoam-pivavahana 🤔 Fa moa ve fombafomba izany sa...
19/07/2026

💶MANAO RAKITRA 👛
🕍 Fiainan'ny kristianina ny manao rakitra mandritry ny fotoam-pivavahana
🤔 Fa moa ve fombafomba izany sa tena fiainana⁉️
🤔 Inona tokoa ny ao antsaiko rehefa hoe hanao rakitra⁉️

📖 Diso fantatsika ny tantaran'ity vehivavy tao , nanome farantsa kely roa ho rakitra, t@andron'i Jesoa.
Nambaran'i Jesoa t@mpianatra moa t@izay fa io vehivavy io no nanome mihoatra noho izy rehetra sady ankasitrahana.
🤔Fa ahoana Ary⁉️

1- Ny lanjan'ny fanomezana dia tsy

Ny rakitra tokoa dia fanomezana. 🎁
Rehefa manome fanomezana isika dia misaina sy mihevitra Ilay omena.
Mahafaly azy ve zao ity ? Tiany ve izao ity? 🤔🥰
Izany hoe tsy dia ilay fanomezana loatra fa ilay omena. 🤗 Sy ny fon'ilay mpanome

Noho izany, ity tantara ity dia tsy midika velively hoe izay manome be na hoe izay manome kely no mety! 🙅

Fa kosa hoe
👉 Manao ahoana ny toepoko ilay manome?
👉 Inona ny tanjoko ilay manome?
👉 Midika inona amiko Ilay hanolorako izany?

📖Izay manome dia aoka ho -po. Romana12:8

2- Manome 'ny finoana
Tsy nanana hafa tsy Ilay farantsa roa kely ity ramatoa. Kanefa dia natolony manotolo ho an'Andriamanitra izany. 😍

Tsy nanao izy hoe "dia inona no mba ataoko sakafo avy eo" na hoe "ny hofatrano aza tsy voaloha" na hoe "tsy hay izay hitranga fa aleo hitsonjovana ny ho avy" 😓

Fa naneho finoana izy
👉 Andriamanitra no nanome ka mendrika hanolorana
👉 Andriamanitra no mandray antanana ny ho aviko
👉Hain'Andriamanitra ny manome izay ilaiko
Izany no hambaran'ny fihetsika izay nataony

Ny fiahiahina no fahavalon'ny finoana
" Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy. Matio 6 : 34"

Koa ankehitriny ry havana, andeha hisaina izany isika
👉 Mialohan'ny hanao rakitra
👉 Mialohan'ny hanao fanomezana



@
@

🔊 AHOANA NO HAMATARANA NH FEON'ANDRIAMANITRA? 📖 Io indray no lohahevitra hiarahatsika mandinika amin' ny SEKOLIN'NY BAIB...
16/07/2026

🔊 AHOANA NO HAMATARANA NH FEON'ANDRIAMANITRA?
📖 Io indray no lohahevitra hiarahatsika mandinika amin' ny SEKOLIN'NY BAIBOLY rahampitso ao
Ligue pour la Lecture de la Bible - Antananarivo - FMMB Totoha-bato Antaninarenina.
🕑 12:15 - 2:00 ny fotoana.

💌 Mandrapihaona 🙏

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MEVA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share