Rantsana voahary Kanton'Ambohitsaina

Call Directions Contact the organization

Rantsana voahary Kanton'Ambohitsaina FIMPIMA Sampana FIANTSO

Tompokolahy sy Tompokovavy ! Variana mioloholo irery eo ambony Seva ry lahy irony Ambolo ampitan-kady , tamana irery eo ...
07/05/2026

Tompokolahy sy Tompokovavy !
Variana mioloholo irery eo ambony Seva ry lahy irony Ambolo ampitan-kady , tamana irery eo ambony vatolampy re roy irony Sopanga andrefan-tanàna ,fa isika VOAHARY KANTON'AMBOHITSAINA ( MPIOFANA SY TAKALO) kosa tsy mba Varijo an'ivon-drano ka rebika irery tsy mitafa !
🔴TAKALOBE NENTIN-DRAZANA + VELAKEVITRA MAMPANDROSO !

Mpisorona : MBOLA NAMANA , Mpikabary,Mpanoratra , Mpampianatra, Andrerezin'ny Kabary !

Loha -hevitra 👉 KABARY SY KANTO MANANDRATRA NY SOATOAVINA MALAGASY 💯

✔️Andro : ALAROBIA 13 MAI 2026
✔️Toerana : SALLE D'ÉTUDE FMSA ANKATSO
✔️Ora : @02 ora hatramin'ny 04 ora hariva

Afaka Tonga daholo n'iza n'iza ,na avy aiza na avy aiza !!

SARA-KASINA : 5000 Ar Olona ivelany
SARA-KASINA : 2000 Ar ekipa Voahary kanton'Ambohitsaina

Tongava maro,entano ny ekipa !

NB : Hisy Hainteny ho zaraina amin'io,hisy ihany koa fampiratina boky

01/04/2026

Foana ny fianarana KABARY androany. Antony: ISIKA no miandraikitra ny famaliana kabary famangiana mana-manjo eo anivon'ny fianakavian'ny Filohan'ny Oniversite.

[MIDITRA RAHAMPITSO NY MPIANATRA   - TOROLALANA/TOERANA O.213]Miarahaba antsika rehetra MPIANATRA KABARY nahafeno ireo f...
27/01/2026

[MIDITRA RAHAMPITSO NY MPIANATRA - TOROLALANA/TOERANA O.213]
Miarahaba antsika rehetra MPIANATRA KABARY nahafeno ireo fepetra tompoko!

miditra rahampitso ianareo mpianatra kabary eto anivon'ny Rantsana voahary Kanton'Ambohitsaina ankatso. Amin'ny 12 ora tsy diso no Manomboka ny fampianarana ao @ efitrano O.213 Faculte des sciences. Indro ny torolalalana: Manoloana ny tranobe misy soratra hoe: Faculte des sciences ianareo no mifampiandry, hisy tompom'andraikitra haka anareo eo am 11h45 tsy diso. Aza hadinoina ny mitondra fitaovam-panoratana.
Antso: 034 76 526 18

Miarahaba ny tompon'andraikitry ny Rantsana sy ireo mpikabary nisitraka ny MARIBONINAHITRY ny kanto omaly 15 janoary 202...
16/01/2026

Miarahaba ny tompon'andraikitry ny Rantsana sy ireo mpikabary nisitraka ny MARIBONINAHITRY ny kanto omaly 15 janoary 2026. Mahefa be amin'ny adidy sy andraikitra amin'ny alalan'ny kabary tompoko!

👉 Tonga ity ilay fotoana ry ekipan'ANKATSOMila mandeha isika mpikambana rehetra✅ TAOM-BAOVAM-PARITANY 2026🙏 Manasa antsi...
10/01/2026

👉 Tonga ity ilay fotoana ry ekipan'ANKATSO
Mila mandeha isika mpikambana rehetra
✅ TAOM-BAOVAM-PARITANY 2026

🙏 Manasa antsika rehetra tompoko
✅ Alahady 18 Janoary 2026
✅ Toerana : Cercle MESS Soanierana.

🙏 Any amin'ny Filohan-tSampana no misoratra anarana
🙏 Izy ireo ihany koa no mandray ny fandraisana anjara 5.000Ar isan'olona

👌 Ka ny alarobia 14 Janoary no andraisana ireo lisitra sy ny fitambaran'ny fandraisana anjara avy amintsika, ka alefan'ireo Filohan-tSampana amin'ity laharana ity (miaraka amin'ny sarany maka ilay vola)
0340377909 Rtoa Violette Rabakomalala (filoha sampana fiantso)

# Iray hatrany ... #

04/01/2026

Feno 15 taona ny Rantsana FIMPIMA voahary Kanto - dinika hankalazana izany ny 28 janoary 3ora. Iza avy ianareo nivoaka tato?????

03/01/2026

Te hianatra hikabary ve ianao?
Araho hatramin'ny farany ity rakintsary ity
034 76 526 18

[FAMPIANARANA   ANKATSO  #2026]Fidirana     2026.Ireto avy ny fnadaminana Tompoko:● Ferana ho olona roapolo (20 isa) iza...
01/01/2026

[FAMPIANARANA ANKATSO #2026]
Fidirana 2026.

Ireto avy ny fnadaminana Tompoko:
● Ferana ho olona roapolo (20 isa) izay tena VONONA ihany no ho raisina. Alefa avy hatrany amin'ity laharana ity ny fisoratana anarana 0339761783 (Andriamandimby SOULEMAN). rehefa vita izay dia alefa sms ny laharan'ny faktiora nandefasana vola, miaraka amin'ny anarana feno, adiresy, asa atao na fianarana atao (0339761783)

● MPIOFANA no sokajy misy anao, haharitra 7 volana ny fampianarana izay hahazoanao diplaoma ao amin'ny FI.MPI.MA. ;
● Ny fampiofanana anaty trano (Birao O213 Fakiolte Siansa) hiarahana amin'ny Mpampianatra maro efa ampy traik'efa avy ao amin'ny Fimpima Fikambanan'ny Mpikabary Malagasy; Hisy ihany koa ny fitsidihina toerana manan-tantara (indray isan-taona);
● isaky ny ihany no mianatra;
● Mandray ireo mpianatra Ankatso sy Olona avy any ivelany;
● Misy karinem-pifandraisana, karatra amin'ny maha mpianatra, Rehefa hiatrika fanadinana dia misy ihany koa saram-panadinana.

Mampianatra tompon'andraikitra: Souleman Mpikabary - Pejy Ofisialy / 0339761783

Address

Itaosy

Telephone

+261347652618

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rantsana voahary Kanton'Ambohitsaina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Rantsana voahary Kanton'Ambohitsaina:

Shortcuts

Share