Ordre des Journalistes de Madagascar

Ordre des Journalistes de Madagascar L’OJM est un organisme regroupant les journalistes professionnels de Madagascar

Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany sy ny havany ary ny mpiara-miasa aminy izahay eto amin’ny CTOJM
08/08/2026

Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany sy ny havany ary ny mpiara-miasa aminy izahay eto amin’ny CTOJM

🕊𝗙𝗢𝗗𝗜𝗔𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗬Amin'alahelo lehibe no ampandrenesana antsika ny fodiamandrin'i Razaka Oliva, mpanao gazety zokiolona sy mat...
04/08/2026

🕊𝗙𝗢𝗗𝗜𝗔𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗬

Amin'alahelo lehibe no ampandrenesana antsika ny fodiamandrin'i Razaka Oliva, mpanao gazety zokiolona sy matihanina.

Izy izay niasa am-polony taona maro teo amin’ny sehatry ny fampahalalam-baovao sy ny serasera.

➖ Izahay eto amin'ny CT OJM dia Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany rehetra, ny tapaka sy namany, sy ireo mpiara-miasa taminy.

Namoy ny vadiny ny  filohan'ny Holafitry ny mpanao gazety teo aloha, Ruphin Rakotomaharo. Maneho fiarah-miory sy mankahe...
29/07/2026

Namoy ny vadiny ny filohan'ny Holafitry ny mpanao gazety teo aloha, Ruphin Rakotomaharo. Maneho fiarah-miory sy mankahery azy ny fianakaviamben'ny mpanao gazety izay tarihin'ny CTOJM.

Hiaraka hirodorodo hankahery azy sy ny fianakaviana manontolo isika anio alarobia 29 jolay.

Amin'ny 4 ora tolakandro eo anoloan'ny Bwana Moussa 67ha Avaratra ny fotoanantsika.

23/07/2026
🕊𝗙𝗢𝗗𝗜𝗔𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗬Amin'alahelo lehibe no ampandrenesana antsika ny fodiamandrin'i Alphe Léon mpanao gazety miasa eto amin’ny f...
21/07/2026

🕊𝗙𝗢𝗗𝗜𝗔𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗬

Amin'alahelo lehibe no ampandrenesana antsika ny fodiamandrin'i Alphe Léon mpanao gazety miasa eto amin’ny faritra Analamanga, sady tonian-dahatsoratry ny Record TV FM .

Niasa nandritra ny 20 taona mahery ho an’ny asa fanaovan-gazety.

➖ Izahay eto amin'ny CT OJM dia Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany rehetra, ny tapaka sy namany, sy ireo mpiara-miasa taminy.

FANOKAFANA NY TAOM-PANKALAZANA NY FAHA-160 TAONAN’NY GAZETY MALAGASY (GAMA 160)Tontosa omaly ny lanonana fanokafana tami...
18/07/2026

FANOKAFANA NY TAOM-PANKALAZANA NY FAHA-160 TAONAN’NY GAZETY MALAGASY (GAMA 160)

Tontosa omaly ny lanonana fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny taom-pankalazana ny faha-160 taonan'ny nivoahan'ny Gazety Malagasy voalohany teto Madagasikara.
"FAMERENAN-KASINA NY ASA FANAOVAN-GAZETY SY FAMELOMA-MASO NY HASIM-PIANDRIANAM-PIRENENA" no lohahevitra entina manamarika ity tsingerintaona manan-tantara ity.

Tsiahivina fa tamin'ny volana Janoary 1866 no nivoaka voalohany ny gazety "Teny Soa Analan'andro", izay nifantoka tamin'ny fampielezana ny fampianarana kristianina sy ny fanabeazana. Izany no nanamarika ny fiandohan'ny tantaran'ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara.

Ho tsangambato hahatsiarovana izao fankalazana izao dia kasaina hatsangana ny Maison de la Presse, izay ho ivon'ny asa fanaovan-gazety sy mariky ny fanandratana hatrany ny hasin'ny asa sy ny maha-matihanina ny mpanao gazety.

Santatra ihany ny lanonana fanokafana notanterahina omaly. Hitohy mandritra ity taona ity ny hetsika isan-karazany izay kasaina hiarahana mankalaza amin’ ireo faritra maro manerana an'i Madagasikara izay efa nampitaina ihany koa tamin’ireo CR CT OJM isam-paritra. Hetsika iarahan'ny Association des Journalistes Doyens de Madagascar (AJDM) sy ny Comité Transitoire de l'Ordre des Journalistes de Madagascar (CT-OJM) mikarakara.

FANASANAHo fanokafana ny taom-pankalazana ny faha-160 taonan’ny Gazety Malagasy (1866 - 2026) “Teny Soa Hanalan’Andro”Ma...
15/07/2026

FANASANA

Ho fanokafana ny taom-pankalazana ny faha-160 taonan’ny Gazety Malagasy (1866 - 2026) “Teny Soa Hanalan’Andro”

Manasa amim-panajana ny mpanao gazety rehetra sy ireo amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao, hanatrika ny fotoana.

Andro : Zoma 17 Jolay 2026

Ora : 10 ora maraina

Toerana : Salle Petit Palais , Mahamasina

Fanamarihana :
Raisina mivantana ety amin’ny Siège OJM ny fanasana ho an’ireo fikambanana tsy mbola nahazo izany, na miantso.

FANAMBARANA OFISIALY
12/07/2026

FANAMBARANA OFISIALY

COMMUNIQUÉ
10/07/2026

COMMUNIQUÉ

FIANTSOANA🔔
05/07/2026

FIANTSOANA🔔

Address

Enceinte Trano Sary Ambohidahy
Antananarivo
101

Telephone

+261343784906

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ordre des Journalistes de Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Ordre des Journalistes de Madagascar:

Shortcuts

Share