Antily Diosezin' Antananarivo

Antily Diosezin' Antananarivo Sehatra hifampitana vaovao sy hifandraisana ✨

‎✨Andry iankinana vonona tsara ‎Mpiandalana mifampizara✨‎‎FIANTSOANA IREO FISA MPIANDALANA REHETRA eto amin'ny Antily Di...
07/06/2026

‎✨Andry iankinana vonona tsara
‎Mpiandalana mifampizara✨

‎FIANTSOANA IREO FISA MPIANDALANA REHETRA eto amin'ny Antily Diosezin' Antananarivo
‎andiany faharoa ✌️

‎Antsoina isika 👉 FISA MPIANDALANA FARITRA REHETRA👈 ho tonga hamonjy ny DINIKA izay hoatao ao amin'ny Sekoly Md Champagnat Anatihazo ny 05 Jolay 2026 izao amin'ny 02ora sy sasany tolak'andro.

‎Iangaviana isika FISA izay tsy tonga tamin'ny fivoriana voalohany mba hitondra ireto zavatra ireto:
‎☝️Lisitry ny Mpiandraikitra miaraka amin'ireo dingam-piofanana vita
‎☝️ Isan'ireo Zatovo Mpiandalana nahaloha vatompanorenana isaky ny fivondronana tsirairay avy.

‎Apitampitao ary manantena ny fahatongavan'ialahy maro izahay 🙏

‎☎️ FISA MPIANDALANA DIOSEZY
‎Fabrice Hilaire Raharijaona 034.38.857.02

‎🎯 Hoan'ny Fanabeazana hatrany


👋 Izay mahavangivangy tian-kavana 👋👋 Izay mahavangivangy tian'olo 👋FITSIDIHANA VIKARIA MANODIDINA ANDREFANAIlazana isika...
03/06/2026

👋 Izay mahavangivangy tian-kavana 👋
👋 Izay mahavangivangy tian'olo 👋

FITSIDIHANA VIKARIA MANODIDINA ANDREFANA

Ilazana isika fa ho avy hitsidika antsika ety amin'ny Vikaria manodidina Andrefana ny Filoha Diosezy miaraka amin'ireo Ekipa sy ny Ray am-panahy eto amin'ny Antily Diosezin' Antananarivo

🕢 Fotoana: Alahady 14 jona 2026
Fahatongavana : 08ora 30 minitra
⛪ Toerana : EKAR St Michel Ambohidranomanga

Ny antsoina amin'izany:
👉 Mpiandraikitra Tafika rehetra
👉 Tonia rehetra
👉 Filoha rehetra
👉 Zoky am-panahy
👉 Antily zokiny

Zavatra entina:
🧾Tatitra ara-panabeazana
📝Tatitra ara-pitantanana
📊Ny olana sy ireo zava-misy rehetra any amintsika tsirairay avy any.

NB: Samia mitondra sakafo sy zavatra hifampizarana fa sady fihaonana voalohany ho antsika amin'ity taona ity io.
Mifampilazà.


‎Arahaba Antily!!!!🙏Antsoina isika Antily Diosezin' Antananarivo izay eo anivon'ny VIKARIA EPISKOPALY AFOVOANY hanatante...
01/06/2026

‎Arahaba Antily!!!!🙏

Antsoina isika Antily Diosezin' Antananarivo izay eo anivon'ny VIKARIA EPISKOPALY AFOVOANY hanatanteraka Service d'Ordre etsy amin'ny Saint Michel Amparibe amin'ny fankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina ny Alahady 07 Jona 2026 hoavy izao:

‎👉Beazina Mpamakilay
‎👉Zatovo Mpiandalana
‎👉Mpiandraikitra
👉 A.I.M.O
‎👉Toniam-pivondronana
‎👉FIFA sy Ekipan'ny Faritra
‎👉 VEA

‎Fahatongavana: 06ora sy sasany Maraina

‎Mifampilazà fa ilaina ialahy🙏


Dinan'ny Mpamakilay ✨✨Vonona mandrakizayHoantsika:👉Mpiandraikitra 👉FISA Mpamakilay eto amin'ny Antily Diosezin' Antanana...
21/05/2026

Dinan'ny Mpamakilay ✨
✨Vonona mandrakizay

Hoantsika:
👉Mpiandraikitra
👉FISA Mpamakilay eto amin'ny Antily Diosezin' Antananarivo

Miomàna dieny izao fa misy zava-baovao miainga any hoany🙏

Ny Daty dia ny: 3-4-5 Jolay 2026
Toerana: Miarina Maharidaza Anjepy

Hoampitaina amintsika eto ihany ny fanampin'ny fanazavana🤙

☎️ Filan-kevitra:
Filoha Mario: 034.16.696.53
Filoha Zo: 034.17.449.43

Hoan'ny Fanabeazana hatrany 🙏


‎Arahaba Antily!!!!🙏Antsoina isika hanatanteraka service d'ordre eny amin'ny seminera propedetika Amboara Ambohidratrimo...
15/05/2026

‎Arahaba Antily!!!!🙏

Antsoina isika hanatanteraka service d'ordre eny amin'ny seminera propedetika Amboara Ambohidratrimo ao anatin'ny fetin'izy iteo:

‎👉Beazina Mpamakilay
‎👉Zatovo Mpiandalana
‎👉Mpiandraikitra
👉 A.I.M.O
‎👉Toniam-pivondronana
‎👉FIFA sy Ekipan'ny Faritra
‎👉FILEOVAN'NY DIOSEZY

‎Fahatongavana: 06ora sy sasany Maraina

‎Mifampilazà fa ilaina ialahy🙏


12/05/2026

HERINANDRO SAFE FROM HARM (SFH)
“Kolontsain’ny Fiarovana eo anivon’ny Skotisma”
Mandritra ity herinandro manokana natokana ho an’ny Safe from Harm (SFH) ity dia hisy hetsika sy fampahafantarana maro hatao, ho fanamafisana fa ny mpikambana rehetra eto anivon'ny skotisma, dia tokony hiaina ao anaty tontolo azo antoka sy ho lavitry ny herisetra.
✨ Ireto avy ny fandaharana mandritra ny herinandro :
🔸 ANDRO 1 sy ANDRO FAHA 2
Fampahafantarana ny lohahevitra :
“Kolontsain’ny Fiarovana eo anivon’ny Skotisma”
🔹 Inona no atao hoe kolontsain’ny fiarovana?
🔹 Nahoana no ilaina ny Safe from Harm?
🔹 Ahoana no hananganantsika tontolo azo antoka ho an’ny rehetra?
🔸 ANDRO FAHA 3
Toe-tsaina sy fitondran-tena tokony hananana mba hahatonga ny tontolo ho azo antoka sy voaaro
💥 Varavarana Misokatra (Portes ouvertes)
🔹 Fampahafantarana ny :
Safe from Harm (SFH)
Listening Ears
Rafitra fiarovana misy eo anivon’ny Skotisma
🔹 Atrikasa sy fifanakalozana (Atelier)
🔹 Consultation sy fihainoana
🔹 Fampahafantarana ny fomba fandraisana fitarainana :
Iza no antsoina?
Aiza no manatona?
Inona ireo dispositif efa misy?
🔸 ANDRO FAHA 4
Fomba samihafa hiarovantsika sy hifanampiana hiaro ny tsirairay
🔹 Fampahatsiahivana ireo fihetsika tsara tokony hananana
🔹 Fiarovana ny ankizy, tanora ary olon-dehibe
🔹 Fanajana ny zon’ny tsirairay
🔸 ANDRO FAHA 5
🎮 Lalao sy “Quiz” momba ny Safe from Harm (SFH)
🔹 Fanontaniana sy valiny
🔹 Lalao fanabeazana
🔹 Fanamafisana fahalalana momba ny fiarovana
🔸 ANDRO FAHA 6
“Ny olon-dehibe ao amin’ny Skotisma : ny anjara andraikitry ny fitarihana amin’ny fampandrosoana ny fiarovana eo anivon’ny Skotisma.”
🔹 Andraikitry ny mpitarika
🔹 Fitondran-tena mendrika sy tompon’andraikitra
🔹 Fananganana tontolo azo antoka sy manaja ny rehetra
🔸 ANDRO FAHA 7
🔥 Afondasy eny anivon’ny Fivondronana sy Faritra
Lohahevitra :
“Fizarana traikefa momba ny fiarovana ny tanora sy ny ankizy.”
🔹 Fizarana traikefa
🔹 Fifanakalozana sy fijoroana vavolombelona
🔹 Fanamafisana ny fiaraha-miaro
━━━━━━━━━━━━━━━
✨ Miara-manangana Skotisma azo antoka, manaja ny zon’ny tsirairay ary miaro ny mpikambana rehetra.






⚜️⚜️⚜️⚜️⚜️⚜️⚜️⚜️⚜️⚜️⚜️⚜️
☮️🕊️🕊️🕊️☮️

📢 Q.G - Q.G maheno Maheno 📢‎‎Fihaonam-ben'ny Ankizy VAHATRA eto amin'ny DIOSEZY ANTANANARIVO🙏‎‎Atsoina isika:‎👉 Zatovo M...
09/05/2026

📢 Q.G - Q.G maheno Maheno 📢

‎Fihaonam-ben'ny Ankizy VAHATRA eto amin'ny DIOSEZY ANTANANARIVO🙏

‎Atsoina isika:
‎👉 Zatovo Mpiandalana
‎👉 Mpiandraikitra
‎👉 Toniam-pivondronana
👉 A.I.M.O
‎👉 Ekipan'ny Faritra
‎👉 Ekipan'ny Diosezy

‎Toy ny nataontsika tamin'ny JMJ Diosezy farany teo dia isika Antily Diosezin' Antananarivo ihany koa no miandraikitra ny commission sécurité izay tarihin'ny 😇 Rd Aomonie amin'ity fihaonamben'ny Ankizy VAHATRA Diosezy ity koa entanina isika ho tonga maro handrafitra izany.

‎☝️Hisy ny fiofanana sy ny fampivondronana antsika ny Sabotsy 16 May hoavy izao ao amin'ny ex Sekoly St Vincent de Paul Ambatonilita manomboka amin'ny 🕘 09ora maraina.

‎Afaka miditra mp izay hisoratra anarana na miantso mivantana an'i 👇👇👇

‎☎️ Filan-kevitra: Filoha Zo: 034.25.955.48

‎✨ Herezo hatrany fa maro ireo adidy miandry antsika ✨


👉 Ny Antilin'i Madagasikara Fivondronana Mandroseza dia manasa antsika handray anjara aminy hetsika karakarain'izy ireo ...
07/05/2026

👉 Ny Antilin'i Madagasikara Fivondronana Mandroseza dia manasa antsika handray anjara aminy hetsika karakarain'izy ireo entina hanohanana ny fikambanan.

👉 Ny tapkaila dia azo jifaina amin'ny mpikambana any amin'ny fivondronana Mandroseza rehetra sy any amin'ireto toerana ireto:
➡️ Ekar mandroseza
➡️ St Etienne Ambanidia
➡️ Kay Keny store ambatoroka ambany
Ary ihany koa azo jifaina aminy ➡️
https://www.ticketplace.io/event/n9ygarfeul8qr4v26b7h

Koa manasa sy manentana atsika Ary andray anjara🙏


‎Arahaba Antily!!!!🙏Antsoina isika hanatanteraka service d'ordre eny Ambohipo ao anatin'ny fetim-bokatra seminera zandri...
06/05/2026

‎Arahaba Antily!!!!🙏

Antsoina isika hanatanteraka service d'ordre eny Ambohipo ao anatin'ny fetim-bokatra seminera zandriny:

‎👉Beazina Mpamakilay
‎👉Zatovo Mpiandalana
‎👉Mpiandraikitra
‎👉Toniam-pivondronana
‎👉FIFA sy Ekipan'ny Faritra
‎👉FILEOVAN'NY DIOSEZY

‎Fahatongavana: 06ora sy sasany Maraina

‎Mifampilazà fa ilaina ialahy🙏


FARIMBONA 2026‎Alefa Mpianjoria Dio Tanà 💪‎Efa ao anatin'ny 🏕️ Lasy tanteraka ireo LS sy SLS amin'izao fotoana iza.‎‎Ity...
01/05/2026

FARIMBONA 2026

Alefa Mpianjoria Dio Tanà 💪

‎Efa ao anatin'ny 🏕️ Lasy tanteraka ireo LS sy SLS amin'izao fotoana iza.

‎Ity Lasy ity moa dia fotoana hifampizarana:
‎👉 fahaiza-manao
‎👉traik'efa
‎👉 Torolalana

‎Hoan'ireo LS sy SLS rehetra eto Antily Diosezin' Antananarivo izay haharitra 03 andro dia ny 1-2-3 Mai izany.

‎Mirary soa 🤞hoan'ialahy isany hatrany hahavita an-tsakany sy an-davany izay fandaharam-potoana rehetra🤓

‎Hoan'ny Fanabeazana hatrany ✨



Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Antily Diosezin' Antananarivo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Antily Diosezin' Antananarivo:

Share