18/08/2026
πHirika fanararaotraβΌοΈ
π Ny Tily eto Madagasikara (TEM), amin'ny alalan'ny LeadAho, dia manatanteraka fandaharan'asa mikendry hanamafisana ny fitarihana vehivavy, ny fahasalamana sy fahadiovana, ny fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy ary ny fampandrosoana ara-toekarena ho an'ny tanora eto Madagasikara.
β
Ao anatin'izany dia mikasa ny hisafidy tanora 120 mitondra tetikasa manerana an'i Madagasikara ny LeadAho, mba hahafahan'izy ireo mahazo fiofanana, fanohanana ara-teknika, fanoroana lalana ary fanatsarana ny tetikasany. Aorianβny fiofanana dia tanora 25 aminβireo 120 no hisitraka tohana ara-bola entina hanantanterahany ireo tetikasa.
π‘ Noho izany dia asaina hirotsaka aminβizany ny tanora mahafeno ireto fepetra manaraka ireto :
β
Tanora 16 ka hatraminβny 35 taona vonona hanatrika ireo tohana ara-piofanana rehetra ary manana fotoana hiatrehana izany;
β
Manana vinavina tetikasa na manana tetikasa eo an-dalam-panombohana misehatra aminβireo manaraka ireto : Fambolena, fiompiana, Fanodinana vokatra, Asa tanana, Varotra, Tolotra ara-barotra, Teknolojia sy nomerika, Tontolo iainana, Fahasalamana, Fanabeazana, Fahadiovana sy rano fisotro madio, Fampandrosoana eny ifotony, Asa fivelomana;
β
Amporisihana manokana ny : Vehivavy tanora, Tanora avy any ambanivohitra, Tanora mavitrika aminβny fampandrosoana ny fiarahamonina
βοΈFandraisana ny fisoratana anarana : 11 Aogositra2026 hatraminβny 22 Aogositra 2026 (aminβny 12 ora alina)
π© Fanombanana ireo antontan-taratasy : 22 Aogositra hatraminβny 24 Aogositra 2026
π Famoahana ny lisitry ny tanora 120 voafantina : 25 Aogositra 2026
πAtrikasa LeadβAho Zone Nord (Ambilobe) : 27 Aogositra 2026 hatraminβny 29 Aogositra 2026
πAtrikasa LeadβAho Zone Central (Analamanga) : 4 septambre 2026 hatraminβny 6 septambre 2026
πFanombanana ireo tetikasa : 06 septambre 2026 hatramin'ny 08 Septambra 2026
πFamoahana ny lisitrβireo tetikasa 20 voafantina :10 Septambra 2026
βΉοΈ ππ³π¨π§βπ’π¬π π£ππ«ππ§π πππ¨ π§π² ππ§ππ’π§π’π§ππ’π§π’π§π² π«ππ‘πππ«π: https://drive.google.com/drive/folders/1cgY0Gymqxc2KDXpqnLsUZI4i4fOux0Xf?usp=sharing
π πππ¨ π€π¨π¬π π§π¨ π‘ππ¦π©π’ππ’π«ππ§'π’π¬π π§π² ππππ’π€'ππ¬ππ§'π’π¬π : https://forms.gle/42Mp8pnNCvFR9NfJ6