Fanilon'i Madagasikara - Diosezy Antananarivo

Fanilon'i Madagasikara - Diosezy Antananarivo Association catholique des guides du diocèse Antananarivo Madagascar

🌍 Local Conference of Youth (LCOY) • Région Analamanga 2026Ny  LCOY 2026 - Faritra Analamanga, 25 Jolay sy 26 Jolay 2026...
29/07/2026

🌍 Local Conference of Youth (LCOY) • Région Analamanga 2026

Ny LCOY 2026 - Faritra Analamanga, 25 Jolay sy 26 Jolay 2026, dia sehatra iray mampivondrona ireo tanora mba hifanakalo hevitra, hianatra, ary handray andraikitra manoloana ny fiovan'ny toetr'andro sy ny fiarovana ny tontolo iainana 🌳🌻. Fotoana iray ihany koa hanamafisana ny feon'ny tanora 📣 sy ny anjara birikiny amin'ny fananganana hoavy maharitra .

Nandray anjara tamin'ity hetsika lehibe ity isika Fanilon'i Madagasikara teto amin'ny Diosezy Antananarivo ✨, tamin'ny alalan'ny fanentanana sy ireo lalao fampianarana izay nampahafantatra
• Ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana 🌿
• Ny ady amin'ny fandotoana plastika ♻️
• Ny fiovan'ny toetr'andro 🌡️🌨️
• Ireo fihetsika tsotra azo atao isan'andro hiarovana ny zava-boary 💚

Mankasitraka indrindra ireo mpikarakara sy ireo mpiara-miombon'antoka rehetra ✨. Ny fahavononan'ny tsirairay no mampisy lanjany ny ezaka iombonana.

🌱 Satria ny fiovana lehibe dia miainga amin'ny dingana kely ataontsika anio.
Notre voix compte !

25/06/2026

Arahabaina isika rehetra 🇲🇬🇲🇬🇲🇬

📆 21 Jona 2026: Fetin'ny Ray🎉Miarahaba ny ray am-panahy sy ireo ray rehetra amin'izao Fetin'ny Ray izao 🎉Andriamanitra a...
21/06/2026

📆 21 Jona 2026: Fetin'ny Ray🎉

Miarahaba ny ray am-panahy sy ireo ray rehetra amin'izao Fetin'ny Ray izao 🎉

Andriamanitra anie hanome hery sy tanjaka ary fahasalamana ho anareo mba hahatanteraha ny adidinareo rehetra 🙏

☘️Vikaria AVARATRA☘️Mitohy hatrany ny lahasaSombin-tsary mandritran´ireo fitsidihana FIVMa mandrafitran´ny Vikaria; Anjo...
16/06/2026

☘️Vikaria AVARATRA☘️
Mitohy hatrany ny lahasa
Sombin-tsary mandritran´ireo fitsidihana FIVMa mandrafitran´ny Vikaria; Anjozorobe, Talata, Analaroa, Antanetibe Anativolo, Ambatomanoina, Andrepamaky

03/06/2026
🙏Alahady 31 mai 2026🙏😇Fetin´i Trinite Masina😇🌺Fetin´ny Reny🌺Arahabaina isika Mpiandraikitra, Filoha, Zoky am-panahy, Von...
31/05/2026

🙏Alahady 31 mai 2026🙏
😇Fetin´i Trinite Masina😇
🌺Fetin´ny Reny🌺

Arahabaina isika Mpiandraikitra, Filoha, Zoky am-panahy, Vona Iray eto anivon´ny Diosezy Anatananarivo amin´izao fetin'ny reny izao. Izy Masina Maria reny anie hivavaka ho antsika amin'ny fitazaina ireto beazina mamintsika ireto

☘️Arabaina manokana ianao ramatoa Filoha Nadine Raissa Ratovoson

Tapitra ny tsongodianao Zoky Claire, nahavita ny adidinao ianao, isaorana Andriamanitra nanome anay anao satria sady Ren...
28/05/2026

Tapitra ny tsongodianao Zoky Claire,
nahavita ny adidinao ianao, isaorana Andriamanitra nanome anay anao satria sady Reny no Zoky no rahavavy ianao, ilay tsikitsikinao, ilay fampianaranao. Tsaroanay ireny.
Mandriam-piadanana Cheftaine Claire.
Ho tsenain'i Mb Claire anie ianao.

24/05/2026

🔥 ALAHADY PANTEKOTY 🔥🕊

"TAHAKA NY NANIRAHAN'NY RAIKO AHY NO ANIRAHAKO ANAREO KOA : RAISO NY FANAHY MASINA."
📖 (Jo.20,19-23)

Ry Fanahy Masina ô, omeo anay ny FAHENDRENA sy FAHEREZANA, HAZAVAO NY SAINAY ary tariho hahay HIFIDY ny tsara izahay. Fenoy FAHALALANA sy FITIAVAM-BAVAKA ny fonay, ary ampianaro hanana FAHATAHORANA AN’ANDRIAMANITRA mandrakariva. Amen. 🙏🏻

Mirary Alahady Pantekoty feno hafaliana sy fiadanan’ny Fanahy Masina ho antsika rehetra. Enga anie ny afo sy ny fahasoavan’Andriamanitra hanavao ny fontsika, hanamafy ny finoantsika ary hitari-dalana antsika isan’andro. 🔥🕊

Amin'ny alahelo lehibe no ampandrenesana antsika ny fahalasan'ny zandrintsika iray eto amin'ny diosezyHo Sambatra mandra...
28/04/2026

Amin'ny alahelo lehibe no ampandrenesana antsika ny fahalasan'ny zandrintsika iray eto amin'ny diosezy

Ho Sambatra mandrakizay eo ankavanan'i Jesoa Kristy Zoky ianao. Mirary fankaherezana ho an'ny Fianakaviany sy ny rahavavy Fanilon'i Madagasikara rehetra.

✨ ALAHADY PAKA – 05 APRILY 2026 ✨“NITSANGAN-KO VELONA TOKOA I JESOA”Andro lehibe ho antsika kristianina izao, satria nan...
04/04/2026

✨ ALAHADY PAKA – 05 APRILY 2026 ✨

“NITSANGAN-KO VELONA TOKOA I JESOA”

Andro lehibe ho antsika kristianina izao, satria nandresy ny fahafatesana i Kristy ka nanome antsika fiainam-baovao sy fanantenana.

👉 “Ity ilay andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika!”

Enga anie ny fahazavan’ny Paka hanilo ny fontsika, hanavao ny finoantsika, ary hanampy antsika hitondra fitiavana sy fihavanana amin’ny hafa.

🙏 Aleloia! Velona ny Tompo!

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fanilon'i Madagasikara - Diosezy Antananarivo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share