Karoka ho fampandrosoana

Karoka ho fampandrosoana Association des Chercheurs-Enseignants

🇲🇬🇲🇬🇲🇬TSIOKA VAOVAO HO AN’NY A.C.E.🇲🇬🇲🇬🇲🇬Manohana ny mpikaroka sy ny rafitra misy azy. Manandratra ny fahaiza-manao sy n...
10/07/2026

🇲🇬🇲🇬🇲🇬TSIOKA VAOVAO HO AN’NY A.C.E.🇲🇬🇲🇬🇲🇬
Manohana ny mpikaroka sy ny rafitra misy azy. Manandratra ny fahaiza-manao sy ny traikefa. Manazava ny fanapahan-kevitra.

Ny Association des Chercheurs Enseignants (A.C.E.) dia nanatanteraka ny Fivoriambe ara-potoana ny zoma 10 jolay 2026, tao amin’ny Foiben’ny FOFIFA, Ampandrianomby.

Fotoana lehibe nanaovana jery todika, fifanakalozan-kevitra ary fanombohana dingana vaovao izany.

Taorian’ny fanolorana ny tatitra momba ny fotoam-piasana 2023–2026, izay nankatoavin’ny mpikambana rehetra nanatrika, dia natsangana ny Birao vaovao hitantana ny A.C.E. mandritra ny fotoam-piasana 2026–2029.

✨Nohavaozin’ny mpikambana tamin’ny alalan’ny safidy maro an’isa ny fitokisana ny Filohan’ny A.C.E. teo aloha Dr BAOHANTA Rondro Harinisainana, ary nampidirina tao anatin’ny Birao ihany koa ny fahaiza-manao vaovao.✨

👉 Ity ekipa vaovao ity dia mikendry ny hanohy ny ezaka efa natomboka, sady hitondra rivotra vaovao ho an’ny A.C.E. : ho fikambanana ara-tsiantifika hita maso kokoa, mavitrika kokoa, ary mandray andraikitra bebe kokoa amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
👉Amin’ity fe-potoam-piasana vaovao ity, ny A.C.E. dia mikasa ny hanamafy ny anjara birikiny amin’ny fanomezana tari-dalana ara-tsiantifika ho an’ny politikan’ny fampandrosoana ny firenena, amin’ny alalan’ny fanetsiketsehana ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ireo mpikambana ao aminy, ho an’ny fikarohana, ny andrim-panjakana, ny ministera ary ireo hetsika nasionaly.
👉Nodinihina ihany koa ny fanavaozana ny tahiry momba ny mpikambana, mba hahafahana manandratra kokoa ny sehatra iasan’ny mpikaroka, manamora ny fiaraha-miasa, ary mampitombo ny fahitana ny fahaiza-manao avy amin’ireo Ivo-toeram-pikarohana na Centres Nationaux de Recherche.
👉Notsahivin’ny A.C.E. ihany koa ny fiarahany nitolona tamin’ny rahalahiny, ny SECES, ho fiarovana ny mpikaroka, ny mpampianatra-mpikaroka ary ny Foibem-pikarohana Nasionaly.
👉Amin’ny alalan’ny Birao sy ny mpikambana ao aminy, ny A.C.E. dia namaly hatrany, ary mbola hamaly hatrany, ireo antso ho amin’ny fifanakalozan-kevitra, ny fandinihana stratejika ary ny hetsika fampandrosoana ho an’ny fikarohana sy ho an’i Madagasikara.

Ho an’ny fe-potoam-piasana 2026–2029, ny A.C.E. dia miantso ny mpikambana ao aminy handray anjara mavitrika kokoa, hitondra miaraka ny feon’ny mpikaroka, ary hanao ny siansa ho tena fitaovana iankinan’ny fahaleovantena, ny fanapahan-kevitra ary ny fampandrosoana.

Fisaorana feno no atolotra ny ekipan’ny FOFIFA tamin’ny fandraisana tsara, ary koa ireo mpikambana rehetra ao amin’ny A.C.E. izay nanatrika na nanohana avy lavitra ity ezaka iombonana ity.

*******************************************************

🇲🇬ASSEMBLÉE GÉNÉRALE DE L’Association des Chercheurs Enseignant (A.C.E.) 2026🇲🇬
🔬 UN NOUVEAU SOUFFLE POUR L’A.C.E. : APPUYER LES CHERCHEURS ET LEURS INSTITUTIONS. VALORISER LES EXPERTISES. ÉCLAIRER LES DECISIONS.

L’Association des Chercheurs Enseignants (A.C.E.) a tenu ce 10 juillet 2026 son Assemblée Générale dans les locaux de la Direction Générale du FOFIFA, à Ampandrianomby.

Ça a été un moment fort de bilan, de réflexion et de relance.
Après la présentation du rapport de mandat 2023–2026, adopté à l’unanimité par les membres présents, un nouveau Bureau a été constitué pour conduire le mandat 2026–2029.

✨La Présidente sortante a été reconduite à une très large majorité, avec l’intégration de nouvelles forces au sein du Bureau. ✨
👉Cette nouvelle équipe entend poursuivre les efforts engagés, tout en apportant un souffle nouveau : faire de l’ACE une société savante plus visible, plus active et pleinement engagée au service du développement de Madagascar.

👉Ainsi, pour ce nouveau mandat, l’ACE entend renforcer son implication dans l’orientation des politiques de développement du pays, en mobilisant les expertises scientifiques de ses membres au service de la recherche, des institutions publiques, des ministères et des initiatives nationales.

👉La mise à jour de la base de données des membres a également été discutée afin de mieux valoriser les domaines d’expertise des chercheurs, faciliter les collaborations et accroître la visibilité des compétences issues des Centres Nationaux de Recherche.

👉L’A.C.E. rappelle également son engagement historique aux côtés de son frère, le SECES, dans la défense des chercheurs, des enseignants-chercheurs et des Centres Nationaux de Recherche.

À travers son Bureau et ses membres, l’association a toujours répondu présente, et continuera de répondre présente, aux appels au dialogue, aux réflexions stratégiques et aux initiatives de développement portées pour la recherche et pour Madagascar.

😊Pour le mandat 2026–2029, l’ACE appelle ses membres à s’impliquer davantage, à porter ensemble la voix des chercheurs et à faire de la science un véritable levier de souveraineté, de décision et de développement.😊

Nos sincères remerciements à l’équipe du FOFIFA pour son accueil très favorable, ainsi qu’à tous les membres de l’ACE présents ou ayant soutenu de loin cette dynamique collective.🙏🙏🙏

🇲🇬🇲🇬🇲🇬
26/06/2026

🇲🇬🇲🇬🇲🇬

🇲🇬A.C.E. 🇲🇬Assemblée Génerale Election Reflexion stratégique  ✨👉 RV le 10 juillet 2026 à partir de 08h Grande Salle de r...
18/06/2026

🇲🇬A.C.E. 🇲🇬
Assemblée Génerale
Election
Reflexion stratégique
✨👉 RV le 10 juillet 2026 à partir de 08h Grande Salle de réunion FoFiFA Ampandrianomby 🙏

Mila mpikaroka Vonona 🇲🇬🙏
10/06/2026

Mila mpikaroka Vonona 🇲🇬🙏

Faly miarahaba ny FOFIFA nahazo Tale Siantifika vaovaoArabaina sady rariana soa hahavita be ihany koa i Dr Santatra Rave...
23/05/2026

Faly miarahaba ny FOFIFA nahazo Tale Siantifika vaovao
Arabaina sady rariana soa hahavita be ihany koa i Dr Santatra Ravelomanantsoa Rakotoarisoa voatendry hisahana izao andraikitra goavana sady manandanja izao

Mirehareha ny A. C. E. mananaa anareo. Mahavità tsara ! Mahavità be 🙏🙏🙏🙏🙏

Hifandimbiasana ny fandraisana andraikitra. Mpikambana avy ao amin'ny A. C. E. avokoa no nanao famindram-pitantanana ny ...
28/04/2026

Hifandimbiasana ny fandraisana andraikitra.
Mpikambana avy ao amin'ny A. C. E. avokoa no nanao famindram-pitantanana ny valan-javaboary Tsimbazaza.
Mirary soa ho an'n'izy mianadahy
Manohana hatrany ny ekipa amin'izay afaka hiaraha-miasa 👌
🇲🇬🇲🇬🇲🇬

Raikitra ity an Lalao ara-piralahiana hamaranana ny fankalazàna ny faha telopolo taonan'ny ACE 👌💪🇲🇬MPIKAROKA MIRAY HINA ...
23/04/2026

Raikitra ity an
Lalao ara-piralahiana hamaranana ny fankalazàna ny faha telopolo taonan'ny ACE 👌💪🇲🇬

MPIKAROKA MIRAY HINA - MANDROSO
CNRO - CIDST- MESUPRES - CNARP- CNRE- FOFIFA - IMVAVET - INSTN - CNRIT - PBZT 💪🇲🇬

Félicitations à Monsieur le Ministre pour sa reconduction à la tête du Ministère de l’Enseignement Supérieur et de la Re...
26/03/2026

Félicitations à Monsieur le Ministre pour sa reconduction à la tête du Ministère de l’Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique.

Son engagement a permis des avancées notables, notamment à travers la mise en place de textes et une meilleure reconnaissance des enseignants et chercheurs, l'amélioration des infrastructures universitaires ainsi que la valorisation de nos Centres Nationaux de Recherche 🔬

Une dynamique à saluer et à consolider.

À l’ACE, nous restons disponibles pour accompagner cette trajectoire.

✅ Amin-kafaliana lehibe no hiarahaban'ny Fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy noho izao nahavoatendry azy indray ho Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa izao.

✅ Mirary fitohizan'ny asa sy fahombiazana feno ho azy ho fanatontosana sy fanohizana ireo vina sy tetikasa fampandrosoana efa natomboka, ho tombontsoan'ny tontolon'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.

www.mesupres.gov.mg

Félicitations à Monsieur le Professeur Maharavo Jean,  un éminent Chercheur et membre de l'A.C.E., pour sa nomination en...
25/03/2026

Félicitations à Monsieur le Professeur Maharavo Jean, un éminent Chercheur et membre de l'A.C.E., pour sa nomination en tant que Ministre de la Pêche et de l’Économie Bleue.✨
Cette nomination est porteuse d’espoir pour un renforcement du lien entre science 🔬 et décision publique.
À l’ACE, nous restons engagés pour une meilleure mobilisation des connaissances scientifiques au service des politiques publiques.🇲🇬🇲🇬🇲🇬

Plein succès dans vos fonctions Mr le Ministre 🇲🇬🔬✨🙏

Ravoravo mahita ny Mpikaroka mamiratra any amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary mahazo marimpakasitrahana ! Irinay ary a...
17/02/2026

Ravoravo mahita ny Mpikaroka mamiratra any amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary mahazo marimpakasitrahana !
Irinay ary araky ny sosokevitra efa natolotra ny Ministera foibe, mba hisy bebe kokoa ny paikady maharitra hahafahan'ny fanjakana malagasy maneho fankasitrahana sy manome lanja ny ezaka sy vokatra avy amin'ny Mpikaroka Malagasy 🇲🇬🇲🇬🇲🇬
Mirahaba manokana an'i Dr Santatra RAVELOMANANTSOA avy amin'ny Fofifa - Officiel noho ny ezaka vitany sy ny vokatra azo ✨💫🔥💪

Address

Lot III E 130 Isoraka
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:30 - 05:00
Tuesday 09:30 - 05:00
Wednesday 09:30 - 05:00
Thursday 09:30 - 05:00
Friday 09:30 - 05:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Karoka ho fampandrosoana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share