25/03/2026
📊 " 𝟰 𝟬𝟬𝟬 𝗠𝗜𝗟𝗜𝗔𝗥𝗔 𝗩𝗢𝗔𝗛𝗢𝗗𝗜𝗞𝗢𝗗𝗜𝗡𝗔 : 𝗧𝗔𝗛𝗔𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗜𝗡𝗢𝗡𝗔 𝗠𝗢𝗔 𝗜𝗭𝗔𝗡𝗬❓️❓️❓️
Asa raha mba azontsika an-tsaina hoe tahaka ny inona na ahoana izany 4 000 miliara ariary very noho ny kolikoly sy ny tsy fisian’ny mangarahara izany? Mba hanampy antsika, ireto misy fampitahana vitsivitsy :
🔎 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐢-𝐛𝐨𝐥𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔 :
☀️ Mitovy amin’ny 𝟲𝟰 %-𝗻’𝗻𝘆 𝘃𝗶𝗻𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗹𝗮 𝗺𝗶𝗱𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 (𝗶𝗺𝗽𝗼̂𝘁𝘀) 𝟮𝟬𝟮𝟲
☀️ Mahatratra 80 %-n’ny vinavina vola miditra amin’ny hetra fadin-tseranana (droits de douane)
☀️ Mitovy amin’ny 13 %-n’ny trosa (dettes publiques fin décembre 2025)
☀️ Mahatratra 82 %-n’ny karama mpiasam-panjakana (salaires des fonctionnaires)
☀️ Mihoatra ny indroa (199%) ny fandaniana fampandehanan-draharaha (fonctionnement)
☀️ Mitovy amin’ny 58 %-n’ny fampiasam-bola avy any ivelany (investissements externes)
☀️ Mahatratra indroa (x2) ny fampiasam-bola anatiny (investissements internes)
☀️ Ary mitovy amin’ny 25 %-n’ny tetibola omen’ny fanjakana ny andrim-panjakana sy ny ministera (budget des institutions et ministères)
📊 Raha oharina amin’ny tetibolan’ireo ministera sy andrimpanjakana ny taona 2026 :
➡️ Afaka mamatsy ministera sy andrim-panjakana 30 (miainga amin’ny tetibola kely indrindra ao amin’ny LF 2026, manomboka amin’ny Ministère de la Réfondation (6 miliara ariary) ka hatramin’ny Ministère de la Gendarmerie (511 miliara ariary)).
➡️ Ministera 08 monja sisa no manana tetibola mihoatra io izay mitentina 11 859 miliara ariary ny fitambarany dia ny : MFA (Forces) ( 615 miliara Ar), Primature (633 miliara Ar), MINSANP (856 miliara Ar), MAE ( 957 miliara Ar), MTP ( 1754 miliara Ar), MEH ( 2049 miliara Ar), MEN ( 2315 miliara Ar) , MEF ( 2678 miliara Ar) Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola .
💡 Ary mbola mahavita zavatra lehibe kokoa :
Afaka mamatsy ny ministera sosialy rehetra toy ny :
Fahasalamana (Santé – 856 miliara ariary) Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
Fampianarana ambony (MESUPRES – 373 miliara ariary)
Fanabeazam-pirenena (MEN – 2 013 miliara ariary)
Fampiofanana arak’asa (MEFTP – 145 Milliard Ariary)
Rano sy fanadiovana (MEAH – 474 miliara ariary) Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana
Fiahiana ara-tsosialy (MPS – 62 miliara ariary)
➡️ Mitentina 3 923 miliara ariary ireo ministera sosialy ireo izay mbola latsaky ny 4 000 miliara ariary izay very!
🏘️ Zava-misy mampieritreritra :
Ny vola omen’ny fanjakana ny kaominina isan-taona (allocations / subventions) anefa dia 72 miliara ariary monja.
❓ Fanontaniana mipetraka :
Raha tsy very tamin’ny kolikoly sy ny tsy mangarahara io vola io… inona no mety ho fiovana ho hitantsika amin’ny fiainan’ny vahoaka?
⚖️ 𝗙𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘃𝗮𝗼𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗵𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮 (𝘁𝗿𝗮𝗻𝘀𝗽𝗮𝗿𝗲𝗻𝗰𝗲), 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗼𝗺𝗽𝗼𝗻’𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗶𝘁𝗿𝗮 (𝗿𝗲𝗱𝗲𝘃𝗮𝗯𝗶𝗹𝗶𝘁𝗲́), 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗹𝗶𝗸𝗼𝗹𝘆.
💬 Ahoana ny hevitrao ?
Patrick Randriamisata
Ny Mpahay Toe-karena Malagasy
Réseaux des Intellectuels - RI