23/06/2026
🇲🇬🇲🇬🇲🇬 𝗧𝗦𝗬 𝗛𝗜𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗦𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗥𝗔𝗛𝗔 𝗧𝗦𝗬 𝗠𝗜𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗗𝗢𝗔𝗩𝗔𝗡-𝗞𝗘𝗧𝗥𝗔
👉 Nampiteraka resabe sy fitarainana ilay hetra vaovao TVM (Taxe sur les véhicules à Moteur) voalaza tao anaty teti-bola nasiam-panitsiana 2026. Hetra izay mihatra mivantana amin’ireo tompon’ny fiara sy moto.
Koa satria vao avy nandalo krizy ny firenena Malagasy ary mbola eo andala-piarenena ny olom-pirenena tsirairy dia rariny loatra raha toa ka mbola tsy ampiharina aloha ny hetra misy fihatraikany ratsy mivantana amin’ny fahefa-mividy sy ny fiainan’ny mponina.
👉 Ho an’ny CREM dia zava-dehibe ny fitadiavana hevitra ho an’ny fanatsarana ny kitapom-bolam-panjakana mba hisian’ny famatsiambola sy fampandrosoana maharitra. Ny tena tsara indrindra dia ny avy amin’ny hetra. Ny fanatanterahana ireo tetikasam-panjakana, ireo servisy maro (fampianarana, fahasalamana, fandriampahalemana,…) ho an’ny vahoaka dia avy amin’ny fandoavan-ketra no ahafahana manatanteraka izany. Antony ilazana fa tsy hisy fampandrosoana raha tsy misy ny fandoavan-ketra.
👉Raha ny kajikajy, dia mitentina eo amin’ny 𝟯 𝟬𝟬𝟬 𝗺𝗶𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮 𝗱’𝗔𝗿𝗶𝗮𝗿𝘆 farafahakeliny eo ny angon-ketra mbola afaka alaina amin’ny sehatry ny hetra izay tsy azo noho ny kolikoly, tsy fahampian’ny fitsirihana ara-ketra, ny tsy fandoavan-ketra,... Izany dia maneho ny 70 % ny fampiasam-bola hindramintsika amin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany .
📢 Araka izany, ny CREM dia manao antso avo ny :
👉 𝗛𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗹𝗶𝗸𝗼𝗹𝘆 ny hosoka ara-ketra, ny fandosirana hetra, ny famotsiambola ary ny hanatsarana ny fampidirana hetra amin’ny alalan’ireo sehatra tsy manara-dalana ,
👉 𝗛𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 Ny Mpahay Toe-karena Malagasy Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola 𝗻𝘆 t𝗮𝗺𝗯𝗲𝗿𝗶𝗻’𝗔𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗶𝘁𝗿𝗮, fangaraharana, ny fahombiazan’ny fandaniana ka tena hamaly ny fisotrotana sy ny tena fampandrosoana.
👉 Ny fanesorana ir𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗺𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗮𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗮 kanefa tsy dia misy fihatraikany loatra eo amin’ny fiainan’ny vahoaka.