Mpanazava & Tily Rahon'ny Lanitra faha89 - FJKM Malaza Gileada

Mpanazava & Tily Rahon'ny Lanitra faha89 - FJKM Malaza Gileada Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mpanazava & Tily Rahon'ny Lanitra faha89 - FJKM Malaza Gileada, Nonprofit Organization, CIE 001 Ambalanirana, Ankadivoribe.

đŸŽ¶Noho izany rehetra rehetra izanyNo mbola hisaorako an'ise indray andro anyMisaotra indrindra re, fa tena tsara beKa na ...
09/06/2026

đŸŽ¶Noho izany rehetra rehetra izany
No mbola hisaorako an'ise indray andro any
Misaotra indrindra re, fa tena tsara be
Ka na aiza na aiza aleha, hotsaroiko ise đŸŽ¶

🎊 Tontosa ny Sabotsy 06 Jona 2026 teo ny fanompoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy fitondrana am-bavaka ny fankalazana ny faha-20 taona naha Filohan’ny Komitim-pivondronana eto anivon’ny Fivondronana Rahon’ny Lanitra an’i RAZAFINOTRONA Rovan'ny Soa Hajalalaina. Miarahaba azy manokana isika noho izany dingana lehibe vita izany, ary mirary fitahiana sy fahombiazana hatrany amin’ny andraikitra mbola ho avy.

Mankasitraka antsika rehetra tonga niara-nifaly sy nifanohana tamin’ny fanatanterahana izao fotoana manan-danja izao. đŸ©”đŸ©¶

Voninahitra ho an'Andriamanitra ✹

đŸŒ·Ny Reny : «Manokatra ny vavany @ fahendrena izy; ary ny lalĂ n’ny famindrampo no eo amin’ny lelany. Mitandrina tsara ny ...
31/05/2026

đŸŒ·Ny Reny : «Manokatra ny vavany @ fahendrena izy; ary ny lalĂ n’ny famindrampo no eo amin’ny lelany. Mitandrina tsara ny ataon’ny ankohonany izy, ary tsy homana ny mofon’ny fahalainana. Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; ny lahy koa mitsangana ka midera azy» Ohab 31:26-28✹

✹Neny ĂŽ! mirary izahay raha mirary, ianao ho feno fifaliana sy fitahiana tsy manam-petra ary ho tahin’ Andriamanitra mandrakarivađŸ©”đŸ©¶

Tratry ny fetin’ny RenyđŸŒ·

Misaotra an’Andriamanitra lehibe nanome hery sy fahasalamana ka nahafahantsika nandray anjara tamin’ireo hetsika maro sa...
19/05/2026

Misaotra an’Andriamanitra lehibe nanome hery sy fahasalamana ka nahafahantsika nandray anjara tamin’ireo hetsika maro samy hafa nokarakarain’ny Tily Faritany Analamanga Atsimo nandritra ny famaranana ny herinandron’ny Tily Eto Madagasikara Faritany Analamanga Atsimo:

- đŸș Haza lehibe Faritany ho an’ny Tily Sampana Mavo
- âšœ Lalao fifaninanana ho tompondakan’ny Faritany taranja baolina kitra izay nandraisan’ny Tily Sampana Maitso, Mena, Menafify ary Mpiandraikitra Tily anjara
- đŸšŽâ€â™€ïž Miraidia Faritany ho an’ny Tily Menafify

đŸ†đŸ„‡ Miarahaba ny Fileovana Ambatobe voahosotra ho tompondakan’ny Faritany teo amin’ny taranja baolina kitra Sampana Mena 🔮.

Mankasitraka ireo rehetra nanohana, ny Ray aman-dReny ary indrindra ireo mpandray anjara rehetra. đŸ«¶
Voninahitra ho an'Andriamanitra! ✹

đŸ©”đŸ©¶

🌿 Fiombonana, Fifaliana, fifampizàrana , teny hinoanay fa mahafehy ny fivoahana an-tsaha tamin’ny alahady 10 may lasa te...
12/05/2026

🌿 Fiombonana, Fifaliana, fifampizĂ rana , teny hinoanay fa mahafehy ny fivoahana an-tsaha tamin’ny alahady 10 may lasa teo, fotoana izay natokanay hiaraha-mivavaka,misakafo, milalao ary niaraham-palyđŸ„ł

Tontosa soa aman-tsara noho izany ny Agape taona 2026 ✹Koa mankasitraka an’ise tamin’ny fahatongavana. Enga anie ireo fahatsiarovana tsara hanamafy hatrany ilay fihetseham-po sarobidy maha iray antsika.

Voninahitra ho an’Andriamanitra đŸ©”đŸ©¶
.

Misaotra an'Andriamanitra nanome hery sy fahasalamana ary koa namela antsika handray anjara tamin'ireo hetsika izay noka...
20/04/2026

Misaotra an'Andriamanitra nanome hery sy fahasalamana ary koa namela antsika handray anjara tamin'ireo hetsika izay nokarakarain'ny Mpanazava Analamanga Atsimo Ofisialy ny faran’ny herinandro teo.

- đŸ„đŸ’› Tafiakatra finale ny andiany DOMOINA ary nahazo *Coup de cƓur* tamin'ny dĂ©guisement nandritra ny concours technique sampana mavo.
- 🌳💚 Tafiakatra finale ny antoko AIN’NY ALA amin’ny concours technique sampana Maitso.
- đŸ”„â€ïž Nahazo ny laharana faharoa ny fokonolona Bao ANDRIAMANJATO tamin'ny rodorodo sampana mena.

Isaorana ny ray aman-dreny nanaiky nandefa ny zanany , sy ny beazina rehetra nanatrika ny hetsika ary ireo mpiandraikitra sy ireo mpanohana tamin’ny endriny maro samihafa. Mankasitraka r’ise 🙏

Indro ary alefa tatitra an-tsary amin'ise izany rehetra izany !

đŸ©”đŸ©¶

"Efa nitsangana Izy " Marka 16:6Nanolotra ny ainy ho fanavotana Izy, ho fisoloana ny heloka rehetra. Ary nitsangana indr...
05/04/2026

"Efa nitsangana Izy " Marka 16:6

Nanolotra ny ainy ho fanavotana Izy, ho fisoloana ny heloka rehetra. Ary nitsangana indray nandresy, ny fahafatesana tsy nahatazona Azy .
Koa satria efa naharesy IZY dia haharesy tahaka Azy koa isika .Raiso ho sabatry ny fiainanao Kristy dia homeny fanahy ary fo vaovao ianao .

Tratry ny P***a daholo e đŸ™đŸ»

📣 Akon’ny faran’ny herinandro ✹Ny Asabotsy 21 martsa lasa teo no nanatanterahan’ny teto amin’ny faritra matio ny lalao t...
25/03/2026

📣 Akon’ny faran’ny herinandro ✹
Ny Asabotsy 21 martsa lasa teo no nanatanterahan’ny teto amin’ny faritra matio ny lalao teknika voronkely sy ny Green Sport sampana maitso.
Koa dia faly izahay mizara aminareo fa tafiakatra amin’ny dingana famaranana ny antoko Ain’ny Ala đŸ„ł ary ny andiany Domoina kosa dia nahazo ny laharana faharoa đŸ„ł
Miarahaba azy ireo noho izany ,ary etoana dia misaotra ireo mpanohana rehetra ihany koađŸ©”đŸ©¶
Voninahitra ho an’Andriamanitra! ✹

Tily izahay ka milalao..✌Misaotra an’ Andriamanitra Lehibe fa tontosa soa aman-tsara tamin’ny faran’ny herinandro teo n...
17/03/2026

Tily izahay ka milalao..✌
Misaotra an’ Andriamanitra Lehibe fa tontosa soa aman-tsara tamin’ny faran’ny herinandro teo ny Haza Lehibe, ny LFTT ary ny rodorodo teto anivon’ny Faritra Matio.

Mankasitraka ireo nanohana ,ny Ray aman-dreny fa indrindra koa ireo mpandray anjara ary miarahaba ny andiany Mandla izay nahazo ny laharana voalohany sy fahatelo nandritra ny Haza Lehibe. đŸș

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra đŸ©”đŸ©¶

Address

CIE 001 Ambalanirana
Ankadivoribe

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mpanazava & Tily Rahon'ny Lanitra faha89 - FJKM Malaza Gileada posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share