24/06/2026
https://www.facebook.com/share/1Crqdyu1wB/
FAMERENAN-KASINA SY FITOVIAN-JO
๐ Mankasitraka ny ezaka ataon'ny fitondram-panjakana amin'ny fitsinjovana ny mpiasam-panjakana izahay eto amin'ny MCR, ka tafiditra ao anatin'izany ny Dokotera.
โ ๏ธ Kanefa, ny tombon-tsoa tokony sitrahan'ny Dokotera dia mbola ao anatin'ilay "sobika be iray" hitambarana amin'ny mpiasam-panjakana rehetra ihany, nefa ny halavan'ny fiofanana, ny hambana arak'asa iainana ary ny fanapahan-kevitra raisina isan'andro mihatra aman'aina dia miavaka tsara.
โ Tsiahivina ihany koa fa tsy ny fanjakana irery no miantoka ny fahasalaman'ny vahoaka. Manana anjara toerana lehibe amin'izany ny Dokotera miasa tena sy ireo miasa amin'ny sehatra tsy miankina. Koa lavinay ny fanasokajiana ataon'ny sasany, izay manamaivana na manambany ny anjara biriky raisin'ireo miasa any @ tsy miankina.
๐ Raha Dokotera no resahina dia:
โ๏ธ Fiofanana iray;
โ๏ธ Asa iray;
โ๏ธ Hambana iray;
โ๏ธ Andraikitra iray.
โก๏ธ Koa nahoana no tsy hitovy ny hasina sy ny fiheverana azy rehetra?
๐ Tsy safidin'ny maro ny hiasa any amin'ny sehatra tsy miankina, hiasa tena, hifindra any ivelany na hanao asa hafa toy ny Dรฉlรฉguรฉ Mรฉdical. Izany dia vokatry ny tsy fisian'ny fandraisana ho mpiasam-panjakana.
โ Na ny mpiasam-panjakana aza mbola misy miasa tena sy miasa any @ tsy miankina ihany na voararan'ny lalร na aza izany. Tsy omena tsiny anefa satria ny fepetra arak'asa ato anatiny tsy mamaly ny filana.
๐ข Izany no antony itakianay eto @ OSC-MCR
๐๏ธ STATUT PARTICULIER HO AN'NY DOKOTERA
โ
Hasina mitovy
โ
Fiheverana mitovy
โ
Fiarovana mitovy
๐จโโ๏ธTsy tombontsoa manokana no takiana amin'izany, fa rariny sy hitsiny ary famerenana ny hasina maha-Dokotera. โ๏ธ