01/03/2026
Betsaka loatra ny mametraka fanontaniana sy mandefa mp ka hovalina .
Maninona i Russie 🇷🇺 no tsy miditra mivantana amin’ilay ady manampy an’i Iran 🇮🇷 sy toy ny tany Venezuela 🇻🇪 ?
Tena tsy mahay ny hoe géopolitique mihintsy ny akamaroan’ny Malagasy .
Tsy misy mihintsy eo amin’i Iran 🇮🇷 sy Russie 🇷🇺 momba ny fifanarahana an’ady ara-miaramila mifanampy mivatana toy ny OTAN .
Ny OTAN ( Organisation du Traité de l’Atlantique Nord ) no misy fifanarahana sy articles mifehy azy ( Article 5 ) ao amin’ny OTAN hoe rehefa misy manafika ny firenena membre dia mandray anjara miaro sy miaraka aminy daholo ny firenena membres rehetra . Tsy misy izany fifanarahana izany eo amin’ny Iran 🇮🇷 sy Russie na ny mpikambana samy ao amin’ny BRICS .
Ny fifandraisana sy fifanarahana eo amin’i Russie 🇷🇺 sy Iran 🇮🇷 dia fifandraisana sy fifanampiana ara- strategika : Militaire, défense, scientifique, économique , politika …sns , izany hoe ny fifandraisana sy fiaramiasa dia miankina betsaka aminy tombotsoa tadiavina mety amin’ny tsirairay ( ny firenena toa tonta ) amin’ny fotoana ilaina azy . Tsy mitovy amin’ny OTAN hoe , rehefa manafika an’i Frantsa ohatra ny firenena iray ivelany OTAN dia miditra avy hatrany i Etazonia 🇺🇸 ohatra manampy azy .
Ny diplomasia no mampifandray an’i Iran 🇮🇷 sy Russie raha misy ny ady , izany hoe miankina amin’i Iran 🇮🇷 io raha hangataka fiarovana ara-tafika amin’i Russie 🇷🇺 izy na tsia . Raha mangataka izay i Iran , izay vao mety hiditra i Russie 🇷🇺 na i Chine 🇨🇳.
Firenena roa hiany no nanao fifanarahana an-ady amin’i Russie 🇷🇺 hatreto dia i Corée du Nord 🇰🇵 sy Burkina Faso 🇧🇫 raha tsy diso aho momba an’i Faso . Izany hoe ireo firenena ireo hiany no hoe : Raha manafika azy ireo ny firenena iray dia tahaka manafika an’i Russie 🇷🇺 ianao ka miditra mivantana avy hatrany i Russie miaro ireo firenena ireo sy mandefa miaramila hiarovana ilay firenena.