Association Vahatra Analalava

Association Vahatra Analalava Association de développement sociale et environnementale basée à Analalava, région SOFIA, Nord Ouest de Madagascar

💦Tetikasa VOARY – Miara-miasa ho amin'ny fitantanana maharitra ny rano eto Analalava 💦💙 "Ny fiaraha-monina matanjaka dia...
29/07/2026

💦Tetikasa VOARY – Miara-miasa ho amin'ny fitantanana maharitra ny rano eto Analalava 💦

💙 "Ny fiaraha-monina matanjaka dia miorina amin'ny fandraisan'anjaran'ny tsirairay amin'ny fiarovana ireo harena fototra iankinan'ny hoaviny."

🗓️Ny Alarobia 22 Jolay 2026, dia notanterahina tao amin'ny EPP Analalava ny fivoriana voalohany niarahan'ireo mpikambana voalohany ao amin'ny Komitin'ny Rano eto Analalava, ao anatin'ny fanatanterahana ny Tetikasa VOARY.

📘Ity fihaonana ity dia notarihin'i SALIMO Mananjary sy RATOVOSON Elia, mpanentana eny ifotony sy mpampiofana, izay nifantoka tamin'ny lohahevitra manan-danja dia ny fandraisana mpikambana ho an'ny Komitin'ny Rano.

🗒️Ny tanjon'ity atrikasa ity dia ny hanamafisana ny fahaiza-manaon'ny vehivavy sy ireo mpikambana ao amin'ny Komitin'ny Rano, sady hanentanana ireo olona liana handray anjara amin'ny fitantanana maharitra ny loharanon-drano eo anivon'ny fiarahamonina.

✍️Ireo olona namaly ny antso dia nandray anjara tamin'ity fivoriana voalohany ity, izay natokana handaminana ny fomba fiasan'ny Komitin'ny Rano sy ny fandrindrana ny fandaharam-potoanan'ny fivoriana isan-kerinandro.

🔔Taorian'ny dinika dia nifanarahana fa ny fivorian'ny Komitin'ny Rano eto Analalava dia hotanterahina isaky ny Alakamisy amin'ny 3 ora tolakandro ao amin'ny EPP Analalava.

💙 Manohy ny ezaka ataony ny Tetikasa VOARY amin'ny fanohanana ny fiarahamonina, fanamafisana ny fahaiza-manao ary fampiroboroboana ny fitantanana iombonana sy maharitra ny loharanon-drano.

Manasa am-pitiavana ireo rehetra liana izahay mba hanatevin-daharana ny Komitin'ny Rano eto Analalava amin'ny alalan'ny fandraisana anjara amin'ireo fivoriana manaraka.

🤝Andao hiara-hiasa hanangana fiarahamonina miray hina sy tompon'andraikitra amin'ny fiarovana ny rano, izay harena sarobidy ho antsika rehetra.



——————————————————————-

💧 Projet VOARY – Ensemble pour une gestion durable de l'eau à Analalava** 💧

💙 « Une communauté forte se construit lorsque chacun s'engage pour préserver les ressources essentielles à son avenir. »

Le mercredi 22 juillet 2026, une première réunion des membres du Comité de l'eau d'Analalava s'est tenue à l'EPP Analalava, dans le cadre du Projet VOARY.

Cette rencontre a été animée par SALIMO Mananjary et RATOVOSON Elia, animateurs communautaires et formateurs, autour d'un thème essentiel : le recrutement des membres du Comité de l'eau.

Cette activité avait pour objectif de renforcer les compétences des femmes et des futurs membres du Comité de l'eau, tout en mobilisant les personnes souhaitant s'engager pour une meilleure gestion des ressources en eau au sein de la communauté.

Les participantes et participants ayant répondu à l'appel ont pris part à cette première réunion d'organisation, consacrée à la mise en place du fonctionnement du Comité et à l'élaboration du planning des réunions hebdomadaires.

À l'issue des échanges, il a été décidé d'un commun accord que les réunions du Comité de l'eau d'Analalava se tiendront tous les jeudis à 15 h à l'EPP Analalava.

💙 Le Projet VOARY poursuit son engagement pour accompagner les communautés dans le renforcement de leurs capacités et encourager une gestion participative et durable des ressources en eau.

Nous invitons chaleureusement toutes les personnes intéressées à rejoindre le Comité de l'eau d'Analalava en participant aux prochaines réunions. Ensemble, contribuons à construire une communauté plus solidaire et engagée pour la préservation de cette ressource essentielle qu'est l'eau.

🍀Tetikasa VOARY – Miara-mientana hahafantatra sy hiaro ny zon'ny vehivavy 🍀🌸« Rehefa mahalala ny zony ny vehivavy, dia v...
25/07/2026

🍀Tetikasa VOARY – Miara-mientana hahafantatra sy hiaro ny zon'ny vehivavy 🍀

🌸« Rehefa mahalala ny zony ny vehivavy, dia vao mainka matanjaka izy hiaro ny tenany sy handray anjara amin'ny fampandrosoana ny fiarahamonina. »

🗓️Ny sabotsy 18 jolay 2026, dia nihaona indray tao amin'ny EPP Analalava ireo vehivavy ao anatin'ny Tetikasa VOARY, nandritra ny atrikasa faharoa tao amin'ny vondrona fifampiresahana.

👩‍⚖️Notarihin'i Ramatoa ZAFIMALALA Asitera Sitraka, Mpampanoa lalàna eo anivon'ny Fitsarana ao Analalava, sy RATOVOSON Elia ity atrikasa ity, izay nifantoka tamin'ny lohahevitra manan-danja dia ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy (Violence Basée sur le Genre – VBG).

✅Ny tanjon'ity atrikasa ity dia ny hanentana sy hampahafantatra ny vehivavy momban' ny ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy.

✅Nohazavain'ireo mpitarika ny karazana herisetra rehetra, toy ny herisetra ara-batana, ara-tsaina, ara-nofo ary ara-toekarena, niaraka tamin'ny ohatra azo tsapain-tanana. Nampahafantarina ihany koa ireo dingana tokony arahina sy ireo toerana afaka itodihana rehefa sendra na mahita tranga toy izany.

✅Nifarana tamin'ny fahazoan'ireo mpandray anjara fahalalana bebe kokoa momban' ny zony sy ny andraikiny amin'ny fisorohana sy ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy ity atrikasa ity.

💜 Mitohy ny ezaky ny Tetikasa VOARY amin'ny fanohanana, fanabeazana ary fanamafisana ny fahaiza-manaon'ny vehivavy eto Analalava.

🔔Misokatra ho an'ny vehivavy rehetra ny fandraisana anjara!

❣️Tongava maro amin'ireo fihaonana manaraka mba hianatra, hifanakalo hevitra, hizara traikefa ary hiara-hanorina fiarahamonina mirindra, mifampitsinjo ary manaja ny zon'ny vehivavy.



——————————————————————-

✨ Projet VOARY – Ensemble pour mieux connaître et défendre les droits des femmes ✨

💜 « Lorsque les femmes connaissent leurs droits, elles deviennent plus fortes pour protéger leur avenir et celui de leur communauté. »

🗓️Le samedi 18 juillet 2026, les femmes d'Analalava se sont de nouveau réunies à l'EPP Analalava dans le cadre du Projet VOARY, pour participer au deuxième atelier du groupe de parole.

👩‍⚖️Cette rencontre a été animée par Madame la Procureure du Tribunal d'Analalava, ZAFIMALALA Asitera Sitraka, et RATOVOSON Elia, animatrice communautaire et formatrice, autour d'un thème essentiel : LES VIOLENCES BASEES SUR LE GENRE.

🌸L'objectif de cet atelier était de sensibiliser les participantes à la lutte contre les violences basées sur le genre.

✅Les intervenantes ont présenté les différentes formes de violences — physiques, psychologiques, sexuelles, économiques et autres ,en les illustrant par des exemples concrets.

✅Elles ont également expliqué les démarches à entreprendre et les recours possibles pour les victimes ou les témoins de ces situations.

✅Au terme de cette séance, les participantes sont reparties avec une meilleure connaissance de leurs droits et une compréhension renforcée de leur rôle dans la prévention et la lutte contre les violences basées sur le genre.

💜 Le Projet VOARY poursuit son engagement pour accompagner, informer et renforcer les capacités des femmes d'Analalava.

❣️Nous invitons toutes les femmes à rejoindre les prochaines rencontres afin d'apprendre, de partager leurs expériences et de construire ensemble une communauté plus forte, plus solidaire et plus respectueuse des droits de chacune.

✨Projet VOARY – GROUPE DE PAROLE POUR LES FEMMES D’ANALAVAVA ✨« Lorsque les femmes s'écoutent, elles font naître une nou...
19/07/2026

✨Projet VOARY – GROUPE DE PAROLE POUR LES FEMMES D’ANALAVAVA ✨

« Lorsque les femmes s'écoutent, elles font naître une nouvelle force pour la communauté. »

🌸Le *samedi 11 juillet 2026, le projet **VOARY* a officiellement lancé son premier *groupe de parole pour les femmes d'Analalava* à l'*EPP Analalava*.

🌺Cette première rencontre a réuni plusieurs intervenantes engagées : *Madame la Procureure du Tribunal d'Analalava, ZAFIMALALA Asitera Sitraka, Docteur VANYLDRICK Amad Tombovelo et Rasazy Miora, qui ont échangé avec les participantes sur l'importance de créer un espace d'écoute, de partage et de soutien entre femmes.

🌷Le projet VOARY a pour objectif de proposer des groupes de parole autour de thèmes qui concernent la vie des femmes : la santé, les droits des femmes, les témoignages, le partage d'expériences, des séries éducatives et bien d'autres sujets qui contribueront à l'épanouissement et au renforcement des capacités de chacune.

🌻Cette première réunion a permis d'élaborer un *calendrier des prochains thèmes* qui seront abordés tout au long du projet.

📢 *Aujourd'hui marque le début de la première formation, animée par une représentante du Tribunal de première instance d’Analalava, sur le thème « DES DROITS DE LA FEMME ».

🌹Toutes les femmes d'Analalava sont les bienvenues !* Rejoignez nous lors des prochaines rencontres pour apprendre, échanger, partager vos expériences et grandir ensemble dans un cadre bienveillant.

🌻 Tetikasa VOARY – Sehatra hifampizarana sy hifampianaran'ny vehivavy eto Analalava 🌻"Rehefa mifampihaino ny vehivavy, d...
19/07/2026

🌻 Tetikasa VOARY – Sehatra hifampizarana sy hifampianaran'ny vehivavy eto Analalava 🌻

"Rehefa mifampihaino ny vehivavy, dia miteraka hery vaovao ho an'ny fiarahamonina."

🗓️Ny sabotsy 11 jolay 2026, dia natomboka tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny EPP Analalava ny vondrona fifampiresahan'ny vehivavy ao anatin'ny Tetikasa VOARY.

🌸Nandritra ity fihaonana voalohany ity dia nanatrika sy nizara traikefa niaraka tamin'ireo vehivavy mpandray anjara i Ramatoa ZAFIMALALA Asitera Sitraka, Mpampanoa lalàna eo anivon'ny Fitsarana ao Analalava, Dr VANYLDRICK Amad Tombovelo, ary Rasazy Miora.

🌷Nohamafisin'izy ireo ny maha-zava-dehibe ny fananana sehatra ahafahan'ny vehivavy mifampihaino, mifampizara traikefa ary mifampahery.

🌻Ny tanjon'ny Tetikasa VOARY dia ny hananganana sehatra ahafahan'ny vehivavy mihaona tsy tapaka sy miresaka ireo lohahevitra mahakasika ny fiainany andavanandro, toy ny fahasalaman'ny vehivavy, ny zon'ny vehivavy, ny fijoroana vavolombelona sy fizarana traikefa, ireo fandaharana fanabeazana ary lohahevitra maro hafa izay hanampy amin'ny fampandrosoana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon'ny vehivavy.

📚Vokatry ny fihaonana voalohany dia efa voafaritra ny tetiandro sy ireo lohahevitra hodinihina mandritra ireo fihaonana manaraka.

📢 Anio kosa no hanombohana ny fiofanana voalohany, miaraka amin'ny Solotenan'ny Tribonalin'Analalava, hiresaka momban'ny zon'ny vehivavy.

🌺Misokatra ho an'ny vehivavy rehetra eto Analalava ny fandraisana anjara!
Tongava maro amin'ireo fihaonana manaraka mba hianatra, hifanakalo hevitra, hizara traikefa ary hifampahery ao anatin'ny tontolo feno fifanajana sy firaisankina.

▶️ Le replay de notre webinaire est enfin disponible ! 🇲🇬 Alors que les reboisements fondés sur des essences exotiques m...
08/04/2026

▶️ Le replay de notre webinaire est enfin disponible !

🇲🇬 Alors que les reboisements fondés sur des essences exotiques montrent leurs limites, le jeune projet pilote Hazo Zanatany, à Analalava, au nord-ouest de Madagascar, mise exclusivement sur les espèces autochtones. L’objectif : collecter, produire et planter des espèces adaptées aux sols, au climat et aux usages des communautés locales, partie prenante de l’initiative. Anthony Bracke (Association Vahatra Analalava) et Arthur Bostvironnois (Bôndy International), porteurs du projet, dévoilent les intérêts et les enjeux de cette initiative novatrice et reproductible à l’échelle de l’île… et de la région.

📖 Plus d’articles et de décryptages sur l’état des forêts du sud-ouest de l’océan Indien dans le nouveau numéro semestriel de la r***e Gecko, « Que reste-t-il de nos forêts tropicales ? » : urlr.me/TMKCS2

🇲🇬 Alors que les reboisements fondés sur des essences exotiques montrent leurs limites, le jeune projet pilote Hazo Zanatany, à Analalava, u nord-ouest de ...

24/03/2026

Tsara loatra Madagasikara ♥️

Rendez vous mercredi 25 Mars 2026 🗓️✍️
24/03/2026

Rendez vous mercredi 25 Mars 2026 🗓️✍️

24/03/2026


Address

Analalava
405

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Association Vahatra Analalava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Association Vahatra Analalava:

Shortcuts

Share