AFAFI -FET District Ampanihy -Ouest

Directions

AFAFI -FET District Ampanihy -Ouest Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from AFAFI -FET District Ampanihy -Ouest, Nonprofit Organization, Ampanihy.

~~TAOMPIKATROHANA VAOVAO~~ 📖ANIO ALAHADY FAHA-04 OKTOBRA 2026. ✓Alahady faha-27 tsotra mandavantaona:— Taona A. •Ny loha...
04/10/2026

~~TAOMPIKATROHANA VAOVAO~~

📖ANIO ALAHADY FAHA-04 OKTOBRA 2026.

✓Alahady faha-27 tsotra mandavantaona:
— Taona A.
•Ny lohahevitra aroson'ny Eglizy ho antsika amin'ity herinandro vaovao ity, dia: «TANIMBOALOBOK’ANDRIAMANITRA ISIKA».

✓ANIO IHANY KOA NO FANOKAFANA NY TAOMPIKATROHANA VAOVAO 2026_2027,
hoan'ny Paroasy Saint Charles Borromée eto amin'ny Distric Ampanihy Andrefana 🎉🎊.
""SATRIA EFA NANAO ZAVATRA LEHIBE TAMIKO ILAY MAHEFA ""Lk 1,49.
Izany no andalana soratra Masina nosafidiny fiangonana hiainana mandritra ny taona, Ary ho fankalazana ny faha 100 taona ny fiangonana Md CHARLES Borromée eto Ampanihy Andrefana 🙏🏿🥰🎊.
Nanamarika an'izany ny fitsaohana ny SAKRAMENTA MASINA,narahana dia-be na procession mamakivaky ny tampi-tanana ny Ampanihy Andrefana 🎉 🥳.
Tontosaina anio koa ny fitsofandrano ireo Komitim-Piangonana vaovao ary nandraisana ireo Masera vaovao ,izay hiasa eto amin'ny District Ampanihy Andrefana 🙏🏿🥰🎊.
Ka notronin'ny ireo RAP eto antoerana sy nandraisan'ireo herivelona rehetra anjara amin'ny fotoam-bavaka.

Isaorana manokana ny AFAFI -FET District Ampanihy -Ouest ,izay anisan'ny nanentana sy nanazava ny fiainam-pikambanana,ny toe-piainany Ary ny Tanjona ijoroany.
Isaorana ny herivelona rehetra eto amin'ny fiangonana,izay samy nanao ny Fanentanana ho an'izay olona Mbola Tsy ao anatin'ny fikambanana Masina 🙏🏿.

AFAFI-FET hatrany hatrany 🎉🥳❤️‍🔥
AFAFI FET Madagasikara - AP MEJ Madagascar
Afafi-fet Diosezy Toliara
Afafi-Fet Antseva
Afafi-fet Distrika Amboasary Atsimo
Afafi-Fet Fenomanana
Mpanabe Afafi-Fet Odilon
Germain Rakotozafindramoha
Ely's Rémi
Tianamana Amitatum Cocortatus
Jean Fidele
Haja Jean Clav'Er
Anitah JohRayann
Frans Ans Ral
Johan Nicomede
Miha Jesoa isan'andro

❤️‍🔥TSATILAKRI 🌹‎🙏🏿 "Ho laniako amin' ny fanaovantsoa eto an_ tany ny lanitro❤️‍🔥". "‎ 🙏Tsy mana panirina lehibe afa  ts...
01/10/2026

❤️‍🔥TSATILAKRI 🌹

‎🙏🏿 "Ho laniako amin' ny fanaovantsoa eto an_ tany ny lanitro❤️‍🔥".

"‎ 🙏Tsy mana panirina lehibe afa tsy ny hitia aho♥️♥️".
‎
Miarahaba antsika AFAFI-FET rehetra nahatratra ny fetin'ny Olomasina Mpiaro ny fikambanana dia i Mb Terezin'I Jesoa zazaky🙏

Mb Terezin'i Jesoa zazakely Mivavaha ho anay !

Miarahaba antsika AFAFI- FET rehetra🙏🏿
01/10/2026

Miarahaba antsika AFAFI- FET rehetra🙏🏿

🟩 27 septambra: fetin'i Md Vincent de Paul (1581-1660): mpiaro faharoa an'i Madagasikara, mpanorina ny fikambanana Lazar...
27/09/2026

🟩 27 septambra: fetin'i Md Vincent de Paul (1581-1660): mpiaro faharoa an'i Madagasikara, mpanorina ny fikambanana Lazarista et Soeur Fille de la Charité.

FETIN'NY PERES LAZARISTE, SŒUR FILLE DE LA CHARITÉ, NY TMV ihany koa ny anio
I Md Vincent de Paul no mpanorina.

Saint Vincent de Paul (1581–1660) dia nanorina na niara-nanorina fikambanana sy vondrona maro natokana ho an’ny fitoriana ny Evanjely sy ny fanompoana ny mahantra, ny marary ary ny olona sahirana.
Ireto no tena lehibe:
Les Confréries de la Charité – 1617
Io no iray amin’ireo asa voalohany naorin’i Saint Vincent. Natsangany tao Châtillon-les-Dombes, France, izy io mba handaminana ireo laika hanampy mahantra sy marary, ara-batana sy ara-panahy.
Nivoatra tatỳ aoriana ho Dames de la Charité / Ladies of Charity, izay mifandray amin’ny AIC – Association Internationale des Charités.
Filles de la Charité
Congrégation de la Mission (Prêtres de la Mission / Lazaristes) – 1625.
Ity no fikambanan’ny pretra sy rahalahy natsangan’i Saint Vincent de Paul. Ny tanjona voalohany dia ny fitoriana ny Evanjely amin’ny mahantra, indrindra any ambanivohitra, ary ny fanofanana ny klerjy.
Compagnie des Filles de la Charité – 1633
Naoriny niaraka tamin’i Sainte Louise de Marillac. Ireo Filles de la Charité dia nanokana ny tenany indrindra ho amin’ny fanompoana ny mahantra, marary, kamboty ary olona marefo.

Zava-dehibe ny fanavahana azy
Ny Société de Saint-Vincent-de-Paul (SSVP) izay malaza ankehitriny dia tsy naorin’i Saint Vincent de Paul mivantana. Naorin’i Bienheureux Frédéric Ozanam sy ireo namany tany Paris tamin’ny 1833, efa 173 taona taorian’ny nahafatesan’i Saint Vincent.
Izy ireo kosa dia naka an’i Saint Vincent ho patron ary nentanin’ny ohatra sy ny toe-panahiny.

🟦 Md Vincent de Paul, mivavaha ho anay sy ny tanindrazanay.

🙏MIOMBONA HATRANY🙏🙏
27/09/2026

🙏MIOMBONA HATRANY🙏🙏

❤️‍🔥❤️‍🔥Ry fo masin'i Jesoa!!!Matoky anao aho!!!🙏🙏🙏
21/09/2026

❤️‍🔥❤️‍🔥Ry fo masin'i Jesoa!!!
Matoky anao aho!!!🙏🙏🙏

🙏🙏🙏 Mankasitraka !!!🙏🙏
12/09/2026

🙏🙏🙏 Mankasitraka !!!🙏🙏

Afafi,
Isaorana Andriamanitra fa tafaverina indray ny gazetim-panabeazana mamintsika "Ny Hafatro" sy ny "Firaisankina", rehefa tsy niseho tao anatin'ny taona vitsivitsy.
Koa entanina isika mpikambana rehetra mba samy hanao ezaka hanana izany, ka hampiasa gazety rehefa mivory, fa ao no hanampy antsika handalina ny fiainan'ny fikambanana.
Ny IK sy VK dia tokony handalina Ny Hafatro
Ny EKA sy ny AFAFI kosa dia mandalina azy roa satria sady mampivory ireo sampana zandriny.
Efa azontsika jifaina aty amin'ny Foibe Nasionaly, na any amin'ireo tompon'andraikitra isaky ny diosezy izany.
Ny Hafatro:1000 ariary
Firaisankina: 1500 ariary

NB: Marihina fa tsy misy lany daty ny gazetintsika fa azo ampiasaina mandritra ny vanim-potoana mifandimby.

Foibe Nasionaly TPPM/AFAFI-FET
Lot IVG 199, 2è étage p.38
CNPC Antanimena
034 06 262 59 - 033 02 892 13 ( Talata hatramin'ny zoma 8h30- 11h30; 14h-16h)

ALAHADY FAHA-23              Mandavantaona- A            🙏NY KRISTIANINA TSY MIFAMPIJERY ARINA AN-TAVA❤️‍🔥SORONA MASINA ...
07/09/2026

ALAHADY FAHA-23
Mandavantaona- A

🙏NY KRISTIANINA TSY MIFAMPIJERY ARINA AN-TAVA❤️‍🔥

SORONA MASINA FISAORANA AN’ANDRIAMANITRA SY JOBILY faha-20 taona naha PRETRA an'i P. TSANGANANY Maximin sy P. CHRISANTE izay samy zanakin'ny District Ampanihy Andrefana no AFAFI -FET District Ampanihy -Ouest tamin'izany fotoana.

Miarahaba anareo roa miralahy Izahay AFAFI-FET District Ampanihy Andrefana 🙏🎉
Afafi-fet Diosezy Toliara
Afafi-Fet Antseva
Afafi-Fet Fenomanana
Afafi-fet Diosezy Morondava
Ely's Rémi
Cocortatus Amitatum Tianamana
Jean Fidele
Anitah JohRayann

MIARAHABA ANTSIKA AFAFI-FET REHETRA TRATRY NY FETIN ' NY SAKRAMENTA MASINA 🙏 NY VATANA AMAN - DRA AN ' I JESOA KRISTY AN...
07/06/2026

MIARAHABA ANTSIKA AFAFI-FET REHETRA TRATRY NY FETIN ' NY SAKRAMENTA MASINA 🙏 NY VATANA AMAN - DRA AN ' I JESOA KRISTY ANIE HITAHY ANTSIKA HO VELONA MANDRAKIZAY 🙏🙏🙏
💐Mankasitraka antsika tamin'ny fanentanana sy ny fiombonam-bavaka ho antsika rehetra🙏

Afafi-Fet Antseva
Afafi-fet Diosezy Toliara
AFAFI -FET District Ampanihy -Ouest
Afafi-Fet Fenomanana
Anitah JohRayann
Johan Nicomede
Prisca Sandrine
Germain Rakotozafindramoha
Miha Jesoa isan'andro

✅ Avelao ny Zaza hanantona ahy...🙏✔️Zaro amin'ny lalana tokony halehany ny Ankizy...🙏 Soa zalahy FET zaoooo !!☺️😍😍🙏AFAFI...
30/04/2026

✅ Avelao ny Zaza hanantona ahy...🙏

✔️Zaro amin'ny lalana tokony halehany ny Ankizy...🙏
Soa zalahy FET zaoooo !!☺️😍😍🙏

AFAFI-FET mandrakizay 🙏
Afafi-Fet Fenomanana
Afafi-fet Diosezy Toliara
Lehibe Miaraka amin' i Kristy
Tianamana Amitatum Cocortatus
Miha Jesoa isan'andro
Prisca Sandrine

𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗥𝗢 𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗞𝗜𝗭𝗬 𝗛𝗔𝗡𝗔𝗝𝗔 𝗦𝗬 𝗛𝗜𝗧𝗜𝗔 𝗘𝗢𝗞𝗔𝗥𝗜𝗦𝗧𝗜𝗔 𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔

✅Mety manontany tena isika, ray aman-dreny, mpanabe hie ahoana ny fampianarana ny ankizy hanaja ny Eokaristia? Misy manko amin'ny ankizy no tsy mihevitra ny tena dikan'iny "m**okely" raisina iny fa zary heveriny toa kilalao , sy fombafomba tsy misy dikany, tranga mampalahelo indrindra anefa izany raha tsy volena ao amin'ny ankizy dieny mbola kely ny fanajana sy fitiavana ny Eokaristia.

✅Na efa nanao ny komonio voalohany izy ireo na tsia, ireto misy hevitra hanampy ny ankizy hanamafy ny finoany an'I Jesoa ao amin’ny Eokaristia sy hiainany akaiky kokoa izany mistery izany.

🔰𝗡𝗮𝗵𝗼𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗼𝗸𝗼𝗮 𝗺𝗼𝗮 𝗻𝗼 𝘁𝗼𝗸𝗼𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗻𝗮𝗷𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗳𝗼 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗱𝗶𝘃𝗮𝘆 𝘃𝗼𝗮𝗵𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮?
✅Araka ny fampianaran’ny Fiangonana Katolika, amin’ny fotoana anaovana ny fanamasinana dia miova tanteraka ny m**o ho Vatan'I Jesoa ary ny divay ho Ràny. Ny m**o sy ny divay arak'izany rehefa dia tsy m**o sy divay intsony fa Vatana sy Ràn’i Jesoa Kristy. Midika izany fa Jesoa tena eo ao amin’ny Eokaristia. Ny fihetsika feno fanajana sy fivavahana dia manampy antsika hino sy hahatsapa fa I Jesoa no manoloana antsika eo ambony Otely.

🔰𝗠𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝗮 𝗮𝘇𝗶𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗶𝘇𝘆?
✅Ny fanabeazana hanaja ny Eokaristia dia manomboka alohan’ny komonio voalohany. Tsy any am-pianarana katesizy akory aza, fa ao amin'ny fianakaviana, raha mahita ny ray aman-dreniny , ny zokiny , mivavaka sy miondrika ny ankizy, dia mahatsapa fa tsy m**o tsotra ilay hostia otsy raisina iny , fa zava-masina indrindra. Rehefa mitombo izy ireo dia manaraka ho azy ireo ny fihetsika sy ny fomba fanao.

✅Tsy ampy anefa ny fihetsika fotsiny: mila fampianarana mazava ny ankizy mba tsy ho lasa fahazarana tsy misy heviny izany. Tsara ampahafantarin'ny ray aman-dreny azy ny hevitry ny fihetsika toy ny fiondrehana ohatra dia midika fanajana lehibe manoloana an'I Jesoa, fa tsy hoe miondrika amin'ny mpizara kômonio ny dikany. Ny fihetsika mandohalika mivavaka rehefa avy mandray Kômonio dia midika hoe manome fotoana ho an'I Jesoa ato am-poko aho, miresaka Aminy sy mihaino Azy.
✅Hitombo arak'izany ny fanajany an'I Jesoa fa hiredareda ihany koa ny faniriany te handray an'I Jesoa, ka ho mora ho azy ny hampidirana hianatra katesizy.

Ny fifadian-kanina eokaristika (jeûne eucharistique)
Ny lalàna kanonika [Droit Canon] dia milaza fa tokony hifady hanina isika faharahakeliny hahay adiny iray mialohan'ny handraisana Kômonio afa -tsy rano sy ny fanafody. Ny marary sy ny be antitra ihany no tsy anatin'izany Canon 919 §1.
✅Tsy adidy fotsiny izany fa fomba tsotra sy lalina hanomanana ny fontsika handray an’i Jesoa. Ny ankizy dia afaka mahatakatra tsara izany raha hazavaina amin’ny fomba tsotra ho toy ny fanehoana fitiavana sy fanajana.

🔰𝗧𝘀𝗮𝗿𝗮 𝘁𝗮𝗱𝗶𝗱𝘆 𝗮𝗻𝗲𝗳𝗮 𝗮 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆!
✅Ny fanabeazana ny ankizy hanaja ny Eokaristia dia andraikitry ny rehetra. Miainga avy any amin'ny ray aman-dreny, ny mpampianatra katesizy, ny fikambanana masina sy ny hery velona rehetra, ny zoky am-panahy isan-tsokajiny sy ny rafitra ao am-piangonana.
✅Azo atao t𝘀ara ny mampahafantatra ny ankizy mialohan'ny lamesa ny fihetsika tokony atao rehefa fankamasinana, nrehefa mandray kômonio ny olon-dehibe ka izy tsy mbola afaka mandray, aha efa afaka mandray kômonio izy sns...
✅Tsy ilaina lesona be fa fitarihana tsikelikely, ho anay ato amin'ny FET dia dieny mbola Zandrin'I Kristy ny ankizy dia tezaina amin'ny fanajana sy ny fitiavana an'I Jesoa Eokaristia, ny fifantohana mandritra ny Sorona MAsina fa fihaonana amin'I Jesoa izany, hahatonga azy ho tsara fiomanana indrindra amin'ny fandraisana ny voalohany ny Kômonio Masina.

« Ny Eokaristia no Fon'ny Eglizy. Ao no ihaonan’ny ankizy sy ny olon-dehibe amin’i Jesoa velona ary hianarany mitia Azy » Md Joany paoly II

⚪
🏆

✍️afafifetfenomanana

Address

Ampanihy

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when AFAFI -FET District Ampanihy -Ouest posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share