30/04/2026
โ
Avelao ny Zaza hanantona ahy...๐
โ๏ธZaro amin'ny lalana tokony halehany ny Ankizy...๐
Soa zalahy FET zaoooo !!โบ๏ธ๐๐๐
AFAFI-FET mandrakizay ๐
Afafi-Fet Fenomanana
Afafi-fet Diosezy Toliara
Lehibe Miaraka amin' i Kristy
Tianamana Amitatum Cocortatus
Miha Jesoa isan'andro
Prisca Sandrine
๐๐ ๐ฃ๐๐๐ก๐๐ฅ๐ข ๐ก๐ฌ ๐๐ก๐๐๐ญ๐ฌ ๐๐๐ก๐๐๐ ๐ฆ๐ฌ ๐๐๐ง๐๐ ๐๐ข๐๐๐ฅ๐๐ฆ๐ง๐๐ ๐ ๐๐ฆ๐๐ก๐
โ
Mety manontany tena isika, ray aman-dreny, mpanabe hie ahoana ny fampianarana ny ankizy hanaja ny Eokaristia? Misy manko amin'ny ankizy no tsy mihevitra ny tena dikan'iny "m**okely" raisina iny fa zary heveriny toa kilalao , sy fombafomba tsy misy dikany, tranga mampalahelo indrindra anefa izany raha tsy volena ao amin'ny ankizy dieny mbola kely ny fanajana sy fitiavana ny Eokaristia.
โ
Na efa nanao ny komonio voalohany izy ireo na tsia, ireto misy hevitra hanampy ny ankizy hanamafy ny finoany an'I Jesoa ao aminโny Eokaristia sy hiainany akaiky kokoa izany mistery izany.
๐ฐ๐ก๐ฎ๐ต๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ผ๐ธ๐ผ๐ฎ ๐บ๐ผ๐ฎ ๐ป๐ผ ๐๐ผ๐ธ๐ผ๐ป๐ ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ๐ท๐ฎ ๐ป๐ ๐บ๐ฝ๐ณ๐ผ ๐๐ ๐ป๐ ๐ฑ๐ถ๐๐ฎ๐ ๐๐ผ๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ถ๐ป๐ฎ?
โ
Araka ny fampianaranโny Fiangonana Katolika, aminโny fotoana anaovana ny fanamasinana dia miova tanteraka ny m**o ho Vatan'I Jesoa ary ny divay ho Rร ny. Ny m**o sy ny divay arak'izany rehefa dia tsy m**o sy divay intsony fa Vatana sy Rร nโi Jesoa Kristy. Midika izany fa Jesoa tena eo ao aminโny Eokaristia. Ny fihetsika feno fanajana sy fivavahana dia manampy antsika hino sy hahatsapa fa I Jesoa no manoloana antsika eo ambony Otely.
๐ฐ๐ ๐ฎ๐ป๐ผ๐บ๐ฏ๐ผ๐ธ๐ฎ ๐ฎ๐๐ถ๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ฎ๐ป๐ธ๐ถ๐๐?
โ
Ny fanabeazana hanaja ny Eokaristia dia manomboka alohanโny komonio voalohany. Tsy any am-pianarana katesizy akory aza, fa ao amin'ny fianakaviana, raha mahita ny ray aman-dreniny , ny zokiny , mivavaka sy miondrika ny ankizy, dia mahatsapa fa tsy m**o tsotra ilay hostia otsy raisina iny , fa zava-masina indrindra. Rehefa mitombo izy ireo dia manaraka ho azy ireo ny fihetsika sy ny fomba fanao.
โ
Tsy ampy anefa ny fihetsika fotsiny: mila fampianarana mazava ny ankizy mba tsy ho lasa fahazarana tsy misy heviny izany. Tsara ampahafantarin'ny ray aman-dreny azy ny hevitry ny fihetsika toy ny fiondrehana ohatra dia midika fanajana lehibe manoloana an'I Jesoa, fa tsy hoe miondrika amin'ny mpizara kรดmonio ny dikany. Ny fihetsika mandohalika mivavaka rehefa avy mandray Kรดmonio dia midika hoe manome fotoana ho an'I Jesoa ato am-poko aho, miresaka Aminy sy mihaino Azy.
โ
Hitombo arak'izany ny fanajany an'I Jesoa fa hiredareda ihany koa ny faniriany te handray an'I Jesoa, ka ho mora ho azy ny hampidirana hianatra katesizy.
Ny fifadian-kanina eokaristika (jeรปne eucharistique)
Ny lalร na kanonika [Droit Canon] dia milaza fa tokony hifady hanina isika faharahakeliny hahay adiny iray mialohan'ny handraisana Kรดmonio afa -tsy rano sy ny fanafody. Ny marary sy ny be antitra ihany no tsy anatin'izany Canon 919 ยง1.
โ
Tsy adidy fotsiny izany fa fomba tsotra sy lalina hanomanana ny fontsika handray anโi Jesoa. Ny ankizy dia afaka mahatakatra tsara izany raha hazavaina aminโny fomba tsotra ho toy ny fanehoana fitiavana sy fanajana.
๐ฐ๐ง๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ ๐๐ฎ๐ฑ๐ถ๐ฑ๐ ๐ฎ๐ป๐ฒ๐ณ๐ฎ ๐ฎ ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐ถ๐ธ๐ถ๐๐ฟ๐ ๐ป๐ ๐ฟ๐ฒ๐ต๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ ๐ถ๐๐ฎ๐ป๐!
โ
Ny fanabeazana ny ankizy hanaja ny Eokaristia dia andraikitry ny rehetra. Miainga avy any amin'ny ray aman-dreny, ny mpampianatra katesizy, ny fikambanana masina sy ny hery velona rehetra, ny zoky am-panahy isan-tsokajiny sy ny rafitra ao am-piangonana.
โ
Azo atao t๐ara ny mampahafantatra ny ankizy mialohan'ny lamesa ny fihetsika tokony atao rehefa fankamasinana, nrehefa mandray kรดmonio ny olon-dehibe ka izy tsy mbola afaka mandray, aha efa afaka mandray kรดmonio izy sns...
โ
Tsy ilaina lesona be fa fitarihana tsikelikely, ho anay ato amin'ny FET dia dieny mbola Zandrin'I Kristy ny ankizy dia tezaina amin'ny fanajana sy ny fitiavana an'I Jesoa Eokaristia, ny fifantohana mandritra ny Sorona MAsina fa fihaonana amin'I Jesoa izany, hahatonga azy ho tsara fiomanana indrindra amin'ny fandraisana ny voalohany ny Kรดmonio Masina.
ยซ Ny Eokaristia no Fon'ny Eglizy. Ao no ihaonanโny ankizy sy ny olon-dehibe aminโi Jesoa velona ary hianarany mitia Azy ยป Md Joany paoly II
โช
๐
โ๏ธafafifetfenomanana