22/05/2026
🇲🇬
Anisan’ireo fomba mahomby indrindra amin’ny fanentanana sy fampiroboroboana ny agroekolojia eny ambanivohitra ny fibeazana olo-sahaza sy ireo fitsidihana fifanakalozana ataon’ny tantsaha.
Ankoatra ny fiofanana mahazatra, ny fahitana mivantana, ny fifampizarana traikefa ary ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo tantsaha hafa dia manamafy ny fahatokisan-tenan’ny tantsaha sy mampiroborobo ny fampiharana ireo teknika maharitra mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony.
Ao anatin’izany indrindra, ireo tantsaha avy amin’ny tandavam-boly (bloky agroekolojika-BAE) Ankilitelo, Ambalakazaha, Tanambahiny, Bemarivo Ankirondro ary Antevamena dia nanao fitsidihana fifanakalozana tany amin’ireo BAE ao Antevamena sy Ankilizato Ambonara. 🌾
Nahitana fianarana sy fifampizarana maro ireo fitsidihana ireo. Samy nahazo fahalalana vaovao, teknika vaovao ary hevitra azo ampiharina any amin’ny faritra misy azy avy ireo mpandray anjara rehetra.
✨ Satria ny agroekolojia dia mivelatra amin’ny alalan’ny fifampizarana sy ny fiaraha-mianatra, ny CTAS dia manohy mampiroborobo ireo fomba fiasa mifototra amin’ny fiaraha-mientan’ny tantsaha hatrany.
—-------
🇫🇷
L’approche d’éducation par les pairs ainsi que les visites d’échanges entre producteurs figurent parmi les méthodes les plus efficaces pour promouvoir et diffuser les pratiques agroécologiques en milieu rural.
Au-delà des formations classiques, voir, toucher, expérimenter et échanger directement avec d’autres producteurs permet de renforcer la confiance, de partager des solutions concrètes et d’encourager l’adoption de pratiques durables adaptées aux réalités locales.
Dans cette dynamique, les paysans des Blocs Agroécologique (BAE) d’Ankilitelo, Ambalakazaha, Tanambahiny, Bemarivo Ankirondro et Antevamena ont effectué des visites d’échanges auprès des producteurs des BAE d’Antevamena et d’Ankilizato Ambonara.
Ces rencontres ont été riches en apprentissages, en partages d’expériences et en découvertes techniques. Chaque participant est reparti avec de nouvelles connaissances, de nouvelles idées et des pratiques inspirantes à reproduire dans sa propre localité.
Parce que l’agroécologie se construit aussi par le partage, le CTAS continue de promouvoir des approches participatives et humaines pour renforcer la résilience des communautés rurales.