22/05/2024
Manerinerina (RN6)
Rariva amin'ny 06ora15' hariva ny fotoana.
🔴 Ny olan'ny Fanabeazana dia ny fanabeazana ...🔴
Lasa afangaron' olona indraindray ny hoe: Miompy - mamboly - manabe
Ny tena fanabeazana dia fampitomboana ny maha olona manontolo ( Fanahy, Aina, vatana ) amin'ny tsara sy MIABO indrindra hatrany. 🥰
Ny olana ankehitriny anefa: Misy mihevitra fa manabe = mampianatra
Manabe = manome sakafo sy trano atoriana fotsiny. ( Tsisy hafa amin'ny miompy izany )
Singa kely ao anatin'ny fanabeazana fotsiny ireny...fa :
Rehefa tsy miaraka voabehy ny maha olona manontolo dia tsy ho tsara kalitao mihitsy ny fanabeazana. Mety ho be vatana fa kely saina, mety ho kinga saina fa mora voadona ( fihetsempo), sns...
Izany no isany mampandringa ny fiarahamonina ankehitriny...
Marary ny fiarahamonina, ary ny fanabeazana ihany no fanafody hanasitrana azy.
Manerinerina (RN6)
Rariva amin'ny 06ora15' hariva ny fotoana 🥰
Tongava daholo...
NDAO BEAZINA ✊