Centre Ikala Bozy

Centre Ikala Bozy MIFANASOA MIFAMPIANATRA
Dans un cadre chrétien, le Centre offre des connaissances et des formations courtes professionnalisantes 😇🙏

26/04/2026
26/04/2026
25/04/2026

Tena marina tokoa : raha tsy asiana lanjany ny vidin’ny voly malagasy, raha tsy asiana lanjany ny mpamboly malagasy, raha tsisy te-ho mpamboly ny tanora malagasy, mety ho ahoana ny ho avin’ny momban’ny sakafo sy ny fahasalamana eto amin’ny firenena?

Amin’izao fotoana izao maromaro ny  mitety an’i Madagasikara amina 4X4 (ary tena tsara izany !) fa misy kosa ny mitety a...
24/04/2026

Amin’izao fotoana izao maromaro ny mitety an’i Madagasikara amina 4X4 (ary tena tsara izany !) fa misy kosa ny mitety an’izao tontolo izao amina jets privés (sady mitondra volamena ny sasany) anefa ny fitateram-bahoaka (transports en commun) rehetra kosa dia mbola ohatr’izao ihany…

24/04/2026

🚨JEREO NY MARARY NY VAHOAKA NELSON MANDELA‼️

🔔Tsy misy tsy mampaneno LAKOLOSY ankehitriny na ny Fiangonana na ny fiarahamonim-pirenena na olon-tsotra ny amin'ny zava-mitranga eto amin'ny firenena, tsy araky ny nantenaina e‼️

Tsy hita taratra ilay FANOVANA dradradradraina isanandro vaky. Manjaka ny kolikoly, ny Fitsarana toa zary fitaovana ampiasan'ny fitondrana hanenjehana izay mitsikera sy tsy mitovy fomba fijery ara-politika amin'ny mpitondra, manjaka ny fampihorohorona...

▶️Toa zary adinon'ny mpitondra araka izany ilay tena marary ny vahoaka .

🔥olan'ny JIRO sy RANO izay nitolomana teny an-kianja ity toa mbola tsy hahitan'ny fitondrana vahaolana mandrak'ankehitriny.

🔥Toamasina ity firy volana aty aorina nandalovan'ilay rivodoza Gezani, mbola tsy tafarina hatramin'izao, ny Fitondrana FANAVAOZANA anefa varina manao TSAPIKY....

23/04/2026

ZATRA NANAO MALOTO TEO AMIN’NY LOHAKO INY LEHILAHY INY...

Hoy Nelson Mandela nitantara :

Rehefa tonga président aho; indray andro dia nangataka tamin’ny " garde du corps-ko" hiaraka amiko hisakafo antoandro teny amin’ny restaurant. Nipetraka izahay ary samy nanao commande sakafo.

Rehefa afaka kelikely, dia nentin’ny "serveur" ny zavatra nangatahanay rehetra.
Tsikaritro nefa fa misy olona nipetraka teo ampitan'ny latabatro, miandry ny sakafony.

Dia hoy aho tamin’ny iray tamin’ireo miaramilako : antsoy io olona io hiaraka isakafo amin-tsika.

Dia nandeha ilay "soldat" niantso azy. Tonga ilay lehilahy nitondra ny sakafony, nipetraka teo akaikiko, ary nanomboka nihinana.

Nihorohoro tsy an-kijanona ny tanany mandra-pahavitan’ny sakafo, dia lasa izy avy eo.
Hoy ilay miaramilako tamiko : “Narary ngamba iny lehilahy iny". Mihorohoro ny tanany rehefa mihinana!

“Tsia, tsy izany mihitsy,” hoy Nelson Mandela.

“Iny lehilahy iny no gardien tao amin’ilay "prison" izay nigadrako.”

“Matetika, rehefa avy nampijaliana aho, dia niantsoantso nangataka rano kely ho sotroina.”

“Dia io lehilahy io foana no tonga mi-pipi eo amin'ny lohako.”

Izy zao niheritreritra hoe hamalifaty azy aho, tsia!
Tsy izany no toetrako ary tsy anisan’ny éthique-ko izany.”

Ny toe-tsaina feno valifaty dia manimba ny firenena, fa ny toe-tsaina feno fiaraha-manorina kosa no manangana ny firenena.

Mino aho fa handray lesona amin'ity ny mpitondra.

Tsara ity alakamisy ity

💕♥️💕♥️Ho andramako !
23/04/2026

💕♥️💕♥️

Ho andramako !

FANAFODY NATORALY FISOROHANA NY MASO MBA TSY HANAO SOLOMASO MIHITSY MANDRITRA NY ANDRO IAINANAO ETO AN-TANY TENA MANDAITRA

Anisany sakafo betsaka tsy mankafy eto amintsika ny VOATAVO, fa indrindra ireo lehilahy izany.

VOKA-TSOA ENTINY VOATAVO

1-Mitazona hatrany ny fahasalamany maso ny VOATAVO.

2-Betsaka anti-oxydant miaro amin'ny vatana mba tsy voan'ny diabeta sy ny homamiadana ny VOATAVO.

VOKA-TSOA ENTINY VOASARY MAKIRANA

-Betsaka vitamine C ny VOASARY MAKIRANA.

2-Manadio ny rà maloto ao anaty vatana ihany koa ny VOASARY MAKIRANA.

ZAVATRA ILAINA :

Voatavo Manta ( fa matoy tsara ) antsany.

Voasary Makirana 1.

Rano 250 Mililitatra.

FOMBA FIKARAKARANA AZY :

Alaina ny silany VOATAVO manta matoy teo, dia voasana ary tetehina madinika. Alaina ihany koa ny VOASARY MAKIRANA 1 teo, dia silahana roa ary potserina mba azahoana ireo ranony. Rehefa vita izay dia araraka anaty robot fanaovana Jus Naturel ireny, ka tapoina RANO 250 MILILITATRA teo izay vao mixena miaraka avokoa. Mazava ho azy fa izay vao azo ampiasaina tompoko.

FOMBA FAMPIASANA AZY:

Tsy mila tatavanina akory fa araraka anaty vera lehibe, dia sotroina 2 na 3 fois par semaine no tena tsara indrindra tompoko. Dia azo atao isam-bolana ihany koa mandritra ny 3 volana avy eo atao isakin'ny 3 volana

FANAMARIHANA

Marihina moa fa tsy afangaro siramamy mihitsy ity fanafody natoraly mahatsara ny fahitany maso ity tompoko. Mazava ho azy fa isaky ny mampiasa azy dia manao vaovao hatrany. Veloma ny areti-maso. Veloma ny maso tsy mahita tsara. Veloma ny solomaso sns...

Zarainay maimaimpoana eto amin'ny pejy ny mahasoa rehetra. Mbola tsy tara ianao raha zao vao hanaraka ny ny pejy,

Mirary soa hatrany dia mba zarazazarao maximum fa mahasoa anao sy ny hafa merci 🙏🤗🇲🇬

Aza hadino hatrany manaraka ny page-tsika raha tehahazo zavatra mahasoa sy mahaliana isanadro ianao 🇲🇬❤️ Na kitiho fotsiny ilay soratra mangakely hoe suivre ery ambony indrindra dia tafiditra ianao merci 👍

MIRARY FAHASALAMANA DAHOLO

22/04/2026

Sao dia mila ovaina tokoa ny rafitra …

Sy koa:

Ny harem-pirenena ho an’ny vahoaka sy ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy rehetra!

Ny vokatra ahodina eto Madagasikara mba hanome asa tsara marobe be dia be (misy formations courtes mahomby eto ihany, raha ilaina mpampianatra voafantina no mankatÿ)
izay vao ahondrana any ivelany

Ny volamena mijanona eto Madagasikara atao références bancaires mondiales ana Banky Malagasy izay azo hamoronana lela-bola Malagasy direct

Tokony tsy misy na Malagasy (tena malagasy) iray aza ory sy mahantra eo amin’itÿ tany feno harena nomen’Andriamanitra antsika itÿ

💕♥️💕♥️
22/04/2026

💕♥️💕♥️

📢🔥 COMMUNIQUÉ OFFICIEL – ÉVÉNEMENT INSPIRANT À NE PAS MANQUER ! 🇲🇬✨

Association LCM - Madagascar a l’honneur d’inviter le public, et tout particulièrement la jeunesse malagasy 🇲🇬, à une conférence-débat exceptionnelle autour du thème :

🇲🇬 « Ny tanora sy ny fitiavan-tanindrazana »
(La jeunesse et le patriotisme)

🎤 Cette rencontre sera animée par :
👮‍♂️ Le Général Philippe Désiré
🎓 Zafidahy Annicet - Pejy Ofisialy

📅 Date : Vendredi 01 Mai 2026
🕑 Heure : 14h00 – 16h00
📍 Lieu : Université GSI Internationale Analakely Soarano (Face Station Shell)

💡 Cette conférence a pour objectif de renforcer la conscience citoyenne, de promouvoir le patriotisme 🇲🇬, et d’encourager le leadership chez les jeunes.

🙏 Le public est chaleureusement invité à y participer massivement.

📞 Contact : +261 34 34 09 166
📧 Email : [email protected]
🌐 Réseaux sociaux : Association LCM Madagascar

✨ Educate • Engage • Transform

🇲🇬🔥

22/04/2026

Ny harem-pirenena ho an’ny vahoaka sy ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy rehetra!

Ny vokatra ahodina eto Madagasikara mba hanome asa tsara marobe be dia be (misy formations courtes mahomby eto ihany, raha ilaina mpampianatra voafantina no mankatÿ)
izay vao ahondrana any ivelany

Ny volamena mijanona eto Madagasikara atao références bancaires ana Banky Malagasy izay azo hamoronana lela-bola Malagasy direct

Tokony tsy misy na Malagasy (tena malagasy) iray aza ory sy mahantra eo amin’itÿ tany feno harena nomen’Andriamanitra antsika itÿ

Address

Ambohimalaza
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre Ikala Bozy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share