23/04/2026
ZATRA NANAO MALOTO TEO AMIN’NY LOHAKO INY LEHILAHY INY...
Hoy Nelson Mandela nitantara :
Rehefa tonga président aho; indray andro dia nangataka tamin’ny " garde du corps-ko" hiaraka amiko hisakafo antoandro teny amin’ny restaurant. Nipetraka izahay ary samy nanao commande sakafo.
Rehefa afaka kelikely, dia nentin’ny "serveur" ny zavatra nangatahanay rehetra.
Tsikaritro nefa fa misy olona nipetraka teo ampitan'ny latabatro, miandry ny sakafony.
Dia hoy aho tamin’ny iray tamin’ireo miaramilako : antsoy io olona io hiaraka isakafo amin-tsika.
Dia nandeha ilay "soldat" niantso azy. Tonga ilay lehilahy nitondra ny sakafony, nipetraka teo akaikiko, ary nanomboka nihinana.
Nihorohoro tsy an-kijanona ny tanany mandra-pahavitan’ny sakafo, dia lasa izy avy eo.
Hoy ilay miaramilako tamiko : “Narary ngamba iny lehilahy iny". Mihorohoro ny tanany rehefa mihinana!
“Tsia, tsy izany mihitsy,” hoy Nelson Mandela.
“Iny lehilahy iny no gardien tao amin’ilay "prison" izay nigadrako.”
“Matetika, rehefa avy nampijaliana aho, dia niantsoantso nangataka rano kely ho sotroina.”
“Dia io lehilahy io foana no tonga mi-pipi eo amin'ny lohako.”
Izy zao niheritreritra hoe hamalifaty azy aho, tsia!
Tsy izany no toetrako ary tsy anisan’ny éthique-ko izany.”
Ny toe-tsaina feno valifaty dia manimba ny firenena, fa ny toe-tsaina feno fiaraha-manorina kosa no manangana ny firenena.
Mino aho fa handray lesona amin'ity ny mpitondra.
Tsara ity alakamisy ity