05/06/2024
đź’ Mandosira ny filan'ny tanora fanahyđź’
âś…Haintsika ve fa ilay ratsy dia tsy mipetra-potsiny mandrakariva fa te hanimba sy hanapotika antsika? Maro ny tetikadiny entina manao izany, fa anisan'ny mahalavo ny kristiana maro dia ny filan'ny nofo.
âś… Maro ny karazam-pahotana, izay ampianarina ho resehena sy toherina, fa ny filan'ny nofo dia asaina andosirana.
Tsy ahavita ny haresy ny filan'ny nofo isika raha milalao eo amin'ny tokontany, fa ny mandositra ihany no fanefiny.
âś… Koa raha tiana ary ny tsy ho lavon'ny filan'ny nofo, dia ajanony dieny vao mitsiry ao anaty izany.
Fantaro fa ny fijanonanao miresaka maharitra amin'ny lehilahy na vehivavy iray izay mampitsiry ny filana ao anatinao, dia aharaikitra anao eo. Koa ny fanafoanana ny fitakosinana aminy no vahaolana iray handresenao azy.
âś… Tsy midika ho hiavona aminy anefa ianao, fa ajanony ny fitakosinana aminy.