05/10/2026
Radavidson Andriamparany
Tsiahy: RADAVIDSON Andriamparany Benjamin
Teraka ny 5 oktobra 1961 tao Antananarivo, i Radavidson Andriamparany Benjamin dia mpanao politika malagasy sady olona nanana andraikitra lehibe teo amin’ny sehatra ara-panjakana sy ara-pinoana.
Nianatra sy nanatsara fahaiza-manao tany ivelany izy, ka teo anelanelan’ny 1998 sy 2000 dia nianatra tao amin’ny Université de Columbia (Washington DC), nahazoany ny mari-pahaizana Master of International Affairs.
Teo amin’ny sehatra politika dia nitana andraikitra ambony maro izy, indrindra nandritra ny fitondrana Marc Ravalomanana:
• Talen’ny kabinetran’ny Vice Premier Ministre chargé des Finances et du Budget (Martsa–Jona 2002)
• Minisitry ny Toekarena sy ny Fandrindrana (Jona–Oktobra 2002)
• Minisitry ny Toekarena, Fitantanam-bola ary Tetibola (Oktobra 2002 – Novambra 2007)
• Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fikarohana Siantifika (Desambra 2007 – Aprily 2008)
Voafidy ho Solombavambahoaka tao Antananarivo ihany koa izy tamin’ny taona 2007.
Tamin’ny sehatra politika taty aoriana, nanangana ny antoko FFF izy tamin’ny 2013 ary nilatsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena (nahazo 2,23%), ary indray tamin’ny 2018 (nahazo 0,51%).
Ankoatra ny politika dia nanana andraikitra lehibe tao amin’ny Fiangonana FJKM izy, naha Président de l’Association des Laïcs sy mpikambana ao amin’ny birao foibe nasionaly.
Nodimandry ny 17 mey 2021.
Source: Claude Razafimahandry