26/03/2026
🇲🇬 Malagasy PEOPLE
Dr Alphonse RAJAOFERA (1883-1934)
Fantatrao ve fa i Dr Alphonse RAJAOFERA izay hitantsika eto amin'ny sary no Dokotera mpitsabo maso (na Ophtalmologue) malagasy voalohany indrindra. Nivoaka tao amin'ny Faculté de Paris tamin'ny taona 1919 Ingahy Rajaofera, saingy talohan'izay dia nianatra tao amin'ny Ecole de médecine teto Antananarivo izy (Andiany nivoaka tamin'ny taona 1904).
Fa ny tena anisan'ny nahasarika sy nahatalanjona ahy manokana tamin'ny tantaran'ity Ranamana ity dia izay nosoratany tao anatin'ny Bokiny (thèse) mikasika ny ampahany tamin'ny tantaram-pianakaviany, ka nambarany fa anisan'ny antony nahatonga azy ho lasa Mpitsabo. Nolazainy tamin'izany fa nolovainy tamin'ireo Razambeny ny fahaizana momba ny fitsaboana. Mahavariana ny fomba fitantarany ny fahazian'ny Raibeny (Ingahy Rainimorasata) izay sady "Rain-jaza" amin'ny famorana no mpitsabo ara-drazana ihany koa. Nataon'ity Raibeny ity hatramin'ny asan'ny Dokotera Mpadidy (Médecin-chirurgien)tamin'ny fotoan'androny (1868), kanefa tsy nianatra momba izany akory, ary na ny tany Eoropa aza, hoy ihany izy manohy, dia mbola tsy tena ampy loatra ny fahalàlana rehetra momba ny fandidiana tamin'izany fotoana izany. Io Raiben'i Dr Alphonse Rajaofera io no nampiditra ny iray tamin'ireo zanany hianatra ho Mpitsabo tamin'ny Dr Rajaonah ny taona 1874.
Tsy iza akory io "zanany"resahana eto io fa Ingahy Dr Rabieferana, izay rahalahin-drain'i Dr A.Rjaofera ihany. Ity Dr Rabefierana ity dia ilay lasa anakiray tamin'ireo Dokoteran'ny Mpanjakavavy Ranavalona III tao Anatirova tato aoriana (efa noresahiko tamin'ny Kaontiko manokana: Tsiaro An'i Neny ). Nanomboka teo địa nanjary toa lasa asa nifandovana teo amin'ny fianakaviana ny asan'ny Mpitsabo ka maro ireo izay niditra tao anatin'io sehatra io.
Rehefa nahavita ny fianarany tany Paris Ingahy Dr Alphonse Rajaofera dia nody teto an-tanindrazana niasa tamin'ny maha "Mpitsabo momba ny maso" azy. Teo Ambatovinaky, dia nifindra teo Ankadifotsy taty ao