15/10/2026
Hetsika ny Fikambanana Taranaka Ambohidrabiby ny 17 sy 18 Oktobra 2026
Toy ny isa-taona, ny Alahady fahatelon'ny Oktobra , ny 18 Oktobra 2026 manomboka @ 9ora maraina ny FETIN'NY TARANAKA ao amin'ny Fjkm Ambohidrabiby, fihaonamben'ny Taranaka aty antanindrazana; fandraisana vokatra isa-taranaka ; fijoroana isa-taranaka eny amin'ny alitara; fanolorana certificat ireo Taranaka afampanadinana; fiarahabana ireo Taranaka 70 taona miakatra. Ny Mpitandrina ao amin'ny Fjkm Ambohidrabiby no hitarika ny fotoana. Misy sakafo amin'ny vidiny mirary. Aoka hifampilaza. Aza manadino ny tanindrazanao.
Ny Asabotsy 17 Oktobra amin'ny 10ora maraina aty antanindrazana: ASA SOSIALY fizarana amin'ireo mpiray tanindrazana ireo vokatry ny opération vide grenier avy amintsika Taranaka. Izay mitambatra vato. Hisy koa fanolorana fitaovana hoan'ireo Mpianatra 180 afa-panadinampanjakana CEPE- BEPC, BAC amin'ny Epp/Ceg/Lycée Ambohidrabiby sy Epp Ambatondralambo ary sekoly Finaritra. Mba hamporisihina ireo ankizy ety antanindrazana hilofo amin'ny fianarana. Mankasitraka antsika Taranaka nandray anjara nanolotra ny opération vide grenier sy fitaovana , tsy hadinonareo ny tanindrazana, tsy navelanareo hiady irery.