Taranak'Ambohidrabiby

Taranak'Ambohidrabiby Pejy hifandraisana sy hifampizaram-baovao eo amin'ny Taranak'Ambohidrabiby sy ny havana aman-tsakaiza.

Ambohidrabiby, vohitra sy loharano nipoiran'ny Alahamady tamin'Imerina.Araka ny lovvantsofina dia i Habib nogasiana ho R...
24/03/2026

Ambohidrabiby, vohitra sy loharano nipoiran'ny Alahamady tamin'Imerina.

Araka ny lovvantsofina dia i Habib nogasiana ho Rabiby izay Andriana avy any Arabia niditra tao amin'ny morontsraka avaratra andrefan'i Madagasikara ka niakatra avy hatrany taty anivon'ny riaka tao Anjozorobe ary tonga mpanjaka voalohany teto Ambohidrabiby ny taonjato faha16 no voalohany nampiditra sy nampiasa ny anarambolana sy anarambitana arabo semitika hoe "Alahamady , Adaoro, Adizaoza, Asorotany, Asombola, Alahasaty, Adimizana, ..., Adijady, Adalo, Alohotsy" taty anivon'ny riaka. Talohan'i Rabiby dia anarambolana vazimba toy ny hoe " Valasira, faosa, Asaramanitra, hiahia, vatravatra" no fampiasan'ny mponina taty anivon'ny riaka.

Ny volana vazimba " Valasira" izay eo amin'ny fiatombohan'ny fararano no nantsoin'i mpanjaka Rabiby ho " Alahamady" . Ny Alahamady dia avy amin'ny teny Arabia semitika hoe " El-hamal" izay " ondrilahikely " no heviny. Marihina fa tany amorontsiraka sy tany Betsileo dia nisy koa ireo andriana avy any Arabia nampiditra anarambolana arabo nampifandrifiana tamin'ny anarambolan'ny tompontany. Ohatra, tany Betsileo Amoron'i Mania dia ny volana fahagola Valasira izay eo amin'ny martsa aprily isataona no nantsoin'ny alimanaka arabo tonga tato aoriana hoe volana Alahamady. Tany amorontsiraka atsinanana sy atsimo atsinanana koa , ny fanombohan'ny volana sy vintana Alahamady dia mifanandrify amin'ny tsinambolan'ny martsa anaty fararano araka ny pejy faha 177 sy faha 173 ny boky Histoire de la grande isle Madagascar nosoratan'i Etienne de Flacourt ny taona 1648-1655.

Ny mpanjaka Rabiby arak'izany no tompon'ny Alahamady sy Rain'ny Alahamady taty Imerina . Ireo mpanandro rehetra taty Imerina nampiasa ny anarambolana arabo toy ny hoe Alahamady dia efa taty aorian'ny mpanjaka Rabiby avokoa ary nandova na nianatra ny fanandroana mifototra amin'ny anarambolana arabo semitika nampidirin'i mpanjaka Rabiby. Hatreto, ny mpanjaka Rabiby irery no nanaovan'ny Merina ohabolana momba ny fanandroana , dia n'y hoe " Aza milaza mahita volana alohan'io Rabiby". Mitafy lamba imason'ny tompony ihany ny filazana etsy sy eroa fa i Ranona no tompon'ny fanandroana.

Ato anaty rovan'Ambohidrabiby no misy ny fasana nanitrihana ny mpanjaka Rabiby sy Ramaintsoakanjo vazimba vadiny sy ireo zafikeliny Andriandambotanimanjaka sy Ralambo. Tsy mbola navadika tsy mbola natao famadihana i Rabiby sy ny vadiny ary ireo zafikeliny fa fady avadika. Ao Andohamandry Ankasina, lohasaha amin'ny zoro alahamadin'Ambohidrabiby no misy ny loharanon'i mpanjaka Rabiby sy Ralambo ary Andriandambotanimanjaka, ao no loharanon'ny Alahamady amin'Imerina, io no loharano ipoiran'ny renirano voalohany amin'ny Avaradrano.

24/03/2026
22/03/2026
ALAKAMISY 19 MARTSA 2026 : TRATRY NY TAONA EMiarahaba ny Malagasy tsy vaky volo tratry ny TAOMBAOVAO MALAGASY ny Alakami...
20/03/2026

ALAKAMISY 19 MARTSA 2026 : TRATRY NY TAONA E

Miarahaba ny Malagasy tsy vaky volo tratry ny TAOMBAOVAO MALAGASY ny Alakamisy 19 Martsa 2026. Ho tahian'Andriamanitra e!

Ny Fikambanana Taranaka Ambohidrabiby sy ny Ben'ny Tanàna Kaomina Ambohidrabiby dia maneho fisaorana antsika Malagasy niara-nankalaza ny TAOMBAOVAO MALAGASY ny 18 sy 19 Martsa 2026 tety Ambohidrabiby.

Mankasitraka manokana ireo Mpitondra Fanjakana sy Raiamandreny nanotrona isany:
- Atoa RALAMBOZAFIMBOLOLONA Razafitsimialona Andriatsivoafetra, Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin'ny Boriborintany faha V, Filoha Lefitra ny Antenimierampirenena amin'ny Faritanin'Antananarivo , nisolotena an'Atoa Filohan'ny Antenimierampirenena ;
- Atoa Solombavambahoakan'i Madagasikara;
- Rtoa RATOVONIRINA Vonjiniaina, Talé Jeneralin'ny Académie Nationale des Arts et de la Culture nisolotena ny Minisiteran'ny Serasera sy Kolontsaina' ;
- Rtoa Sefo Distrika Antananarivo Avaradrano;
- Atoa Filoha Lefitra ny Filankevimpitantanan'ny ORTANA ( Office Régional du Tourisme Analamanga)
- Atoa Tony Ismaël, Ben'ny Tanàna ny Kaomina, Toliara II, Mpitondra tenin'ny Ben'ny Tanàna rehetra eraky Madagasikara
- Ny Andriambe Hamon RANDRIAMAHERY , Antenimieran'ny Andriana Merina ;
- Ny Mpanjaka Julien, Sakalavan'ny Marambitsy;
- Ny Randriambe Ampanjaka TSIFOLANKASY Masindia , Antemoro Anteony;
- Ny Mpanjaka ANDRIAMBEMANARIVO , Zafisoro
- Ny Printsy ANDRIANIRINA Fabien, Mahafaly; Mpitazona ny tombo-kasé ny Mpanjaka afrikana;
- Ny Printsy RAKOTOMALALA Louis de Gonzague, Bezanozano, Trano Kolotoraly Malagasy;
- Ny Printsy FRANCO, Sakalava Boeny ;
- Atoa RAKOTONIRINA Pascal sy Rtoa RASOARIMALALA Valentine ary Atoa RAKOTONIRINA Valery , Taranakin'ny Masina Ramonjamanana mpanjaka farany tao Manandriana Amoron'i Mania;
- Ny Princesse FENOHANITRA, Antemoro Anteony lapa Fenovola
- Ny Printsy Jean Nico HASINIRINA, Taranaka Andriamandisoarivo
- Ny Printsy Pascal, Antemoro Anakara;
- Atoa RANDRIAMAHARISON Nicolas, Faritra SOFIA
- Ny Printsy Diary RASAMITIANA, Vakinankaratra;
- Ny Printsy RATSIRIMANANA Julien
- Colonel Parfait ANDEIANJAFY, Plateforme des Grands Sakalava de Madagascar (PGSM);
- Atoa ANDRIAMANALINTSOA Jeheres, Taranak'Andrianampoinimerina, Taranak'i Ranavalona II;
- Ny Zanakandriana RASOLOFONIRINA Misaina
- Atoa RATREMA William, Vondrona ACEEM
- Rtoa RATSIRAKA Annick;
- Rtoa RAKOTOMAVO Lanto;
- Atoa Laza RAKOTONOELY , Taranak'Andriatomponimerina;
- Atoa RANDRIAMIARANA Eddy , Taranak'Andriampalimanana ao Tsirangaina;
- Ny Hovavavy Olobe Zanankantitra
- Pasitera Radonirina RANDRIANALIDERA

Misaotra ireo Mpiaramiasa maro:
- Ny ORTANA ( Office Régional du Tourisme Analamanga)
- Hotel O'SAFARI
- Hotel RELAIS DU ROVA eo Soavinimerina
- Sekoly PETER PAN Ambohijanaka
- Sekoly EXCELLENCE
- Atoa Ravo ANDRIANASOLO, mpitantana ny orinasa PROSALES Sarlu
- Fikambanana Terak'Antehiroka
- Fikambanana TELONOHOREFY MIKABARY
- Ireo mpanao gazety rehetra

Nampiavaka ny TAOMBAOVAO MALAGASY teto Ambohidrabiby ny 19 Martsa 2026 :
- ny Fidiovana an-doharano tao Andohalo ambany andrefan'Ambohidrabiby ny 18 Martsa;
- ny fanadiovana tamin'ny afo tsy maty ny 18 Martsa
- ny vakodrazana sy seho sehatra nataon'ny Telonohorefy Mikabary ny 18 Martsa;
- ny fifaninana fanorona ny 18 Martsa ka nibata akoholahimena ny voalohany Ary akohovavy fotsy ny laharana faharoa;
- ny harendrina 300 isa niodidina ny Rova
- ny Fandroana t@ 07 ora 30 mn Alina ny 18 Martsa manoloana ny lapa Fenohasina;
- Ny loabary andasy tao anaty Rova nanomboka t@ 08 ora Alina , Atoa BENANDRO izay mpikabary no mpanentana, nandray anjara lehibe ny Printsy ANDRIANIRINA Fabien sy Atoa Ben'ny Tanàna Tony ISMAEL ;
- ny totorebika mandramaraina teo andrefandrova
- Ny fangalàna tamin'ny tsy vaky masoandro ny maraina ny 19 Martsa tao an-doharano Andohamandry Ankasina ny rano fitsifan-drano
- ny fananganana ny sainampirenena malagasy sy fihirana ny hirampirenena malagasy
- FIDIOVAMPIRENENA nangatahana tamin'Andriamanitra Andriananahary ny fanapahana ny ozona 02 mipetraka eto Madagasikara dia ny ozona mampiady ny samy Malagasy ka tsy hahavanona sy ho kizofara ho tsivanombanona izay mivoy adi-poko eto Madagasikara sy ny fanapahana ny ozona mahatonga ny tany lasan'ny vahiny. Niavaka koa ny fandraisan'anjara ny Printsy ANDRIANIRINA Fabien Mpitazona ny tombo-kasé an'ireo mpanjaka afrikana sy ny Ben'ny Tanàna Tony ISMAEL avy amin'ny Distrika II Toliara izay nanome omby avy any Toliara hanamafisana ny fihavanana malagasy. Niavaka koa ny seho nataon'ny Fikambanana TELONOHOREFY MIKABARY sy ireo sekoly Lycée/CEG/EPP Ambohidrabiby izay nampiseho soradihy avy amin'ny lafivalon'ny Madagasikara hanehoana fa iray ny Malagasy. Ny Raiamandreny Aradrazana amin'ny Ambohidrabiby Hasin'Imerina dia nisaotra ny Fanjakana Fanavaozana nanao dingana lehibe ho jour férié ny TAOMBAOVAO MALAGASY araka ny Didim-panjakana 2026-006 ka tsy ho soa tapany fa ho feno tanteraka mba ho Andro tsy fiasana nefa andraisakarama ny TAOMBAOVAO MALAGASY manaraka ny 09 Martsa 2027.

19/03/2026

Tratry ny taona e, samy ho tratry ny arivo taona mitsingeringerina e, tsy hisara-mianakavy e, hitombo hasina e, ho tahian'Andriamanitra e!

18/03/2026

Loabary andasy amin'izao 10 ora alina izao, Atoa Tony Ben'ny Tanàna avy any Toliara mandray fitenenana.

18/03/2026

bal miandry Fandroana manoloana ny lapa Manjakazafy

18/03/2026

Fanorona

18/03/2026
18/03/2026

Harendrina niodidina ny Rova

18/03/2026

Tratry ny farany e, samy ho tratry ny TAOMBAOVAO MALAGASY ny rahampitso 19 Martsa 2026 e!

Fidiovana an-doharano tao Andohalo ambany andrefan'Ambohidrabiby amin'izao faran'ny taona.

16/03/2026

Lanonana samy hafa ary andro samy hafa ny " FANDROANA" sy ny " ALAHAMADY". Nefa samy teto Ambohidrabiby no niandohany. Mifamatotra amin'ireo loharano masina eto Ambohidrabiby n'y tena FANDROANA sy ny ALAHAMADY.

Ny Alarobia 18 Martsa 2026 amin'ny 07 ora hariva manoloana ny lapa Fonohasina ny Fandroana ety Ambohidrabiby tarihin'ny Raiamandreny Aradrazana amin'Ambohidrabiby hasin'Imerina, afaka mandray anjara n'y rehetra. Tsiahivina fa nofoanan'ny Mpanjanatany frantsay ny FANDROANA ny Martsa 1897 nasolony ny Fetin'ny 14 jolay. Ny taona Martsa 2022 kosa no notapahina io ozona nataon'i Lafrantsa momba ny FANDROANA ka naverina nankalazaina tamin'Imerina ny FANDROANA ka teto Ambohidrabiby no nanaovana izany notarihin'ny Filohan'ny Taranaka Ambohidrabiby izay nilaza fa manomboka ny Martsa 2022 dia afaka mankalaza ny FANDROANA ny isambohitra eto Imerina.

Ny Alakamisy 19 Martsa 2026 no tsinana ny volana ankalazana ny TAOMBAOVAO MALAGASY

Address

Ambohidrabiby

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Taranak'Ambohidrabiby posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share