AMI Avaradrova Mitambatra Iray

AMI Avaradrova Mitambatra Iray Fikambanana FAMI mikatsaka firaisankina hampandrosoana ny tanànan'Avaradrova Ambatondrazaka sy ny fiaraha-monina ao aminy�

"IZAY MITAMBATRA VATO"

Izy no Tojo dit "Ravorona", manana traikefa manokana mahakasika ny fanamboarana finday sy izay kojakoja manodidina izay....
13/03/2024

Izy no Tojo dit "Ravorona", manana traikefa manokana mahakasika ny fanamboarana finday sy izay kojakoja manodidina izay.

Anisan'ny mpikambana mavitrika ihany koa izy. Eo ambany kely ampitan'ny Sekoly Fanovozantsoa Avaradrova atsimo no misy azy, koa manentana antsika hanjifa sy hampanamboatra izay Simba fa tena mirary ny sarany.

📲034 84 925 98 (io no finday hahazoana azy)

Etsy ankilany ny fivarotana ranomanitra sy kojakojam-behivavy izay mpikambana koa no tompony, efa ataon'iPrezdà Variste tsara ambina. Eo ampitan'io koa ny fanaovana goûté kompozé sy lasopy, mpikambana daholo ry zareo ireo.

Koa Dia manasa antsika hitsidika sy hanjifa e‼️

MIROSO HATRANY ISIKA‼️✊Hanao hetsika fitadiavam-bola ny Fikambanana Avaradrova araka ny tapaka tao amin'ny AG farany ka ...
05/03/2024

MIROSO HATRANY ISIKA‼️✊

Hanao hetsika fitadiavam-bola ny Fikambanana Avaradrova araka ny tapaka tao amin'ny AG farany ka ny Alarobia amin'ny 2ora 30mn tolakandro no fivoriana fanomanana sy fizaran'asa amin'izany.

Eo amin'ny Masera Ste Thérèse no fotoana ary koa manasa ny mpikambana rehetra ho tonga hifanome tànana 🙏

BAL DES JEUNES, IBIZA
8 MARS AM 2.30 ORA TOLAKANDRO
PAF: 3000AR, MPIKAMBANA 2000AR.

KOA TONGAVA DAHOLO TOMPOKO ARY TAOMY NY MANODIDINA ANAO.

NY VOLA HO AZO AMIN'IO DIA ENTINA HIVIDIANANA FITAOVANA SY HAMPANDEHANANA NY FIKAMBANANA⚙️

FIFAMPIARAHABANA 2024
01/03/2024

FIFAMPIARAHABANA 2024

FIANTSOANA FIVORIANA📣Antsoina isika mpikambana sy maniry hiditra ato amin'ny Fikambanana mba ho tonga hiatrika ny fivori...
29/02/2024

FIANTSOANA FIVORIANA📣

Antsoina isika mpikambana sy maniry hiditra ato amin'ny Fikambanana mba ho tonga hiatrika ny fivoriambe izay hatao ny Alahady faha-3 Martsa 2024 amin'ny 2 Ora sy sasany tsy diso, izay hatao ankalamanjana eo anoloan'ny Sekoly Fanovozantsoa ambanin'ny La Place.

Ny lohahevitra ho dinihina amin'izany dia :

1. Ny tatitra ankapobeany : vola, fiainam-pikambanana

2. Fanomanana ny hetsika 8 mars

3. Ny asa fanadiovana

4. Ny fitsangatsanganana Lundi de pâque.

5. Hafa ...

Koa manantena ny fahatongavatsika rehetra ary mifampilazà‼️

Mankasitraka hatrany ny amin'ny firaisankina asehotsika tompoko 😇

FIFAMPIARAHABANA 2024
29/02/2024

FIFAMPIARAHABANA 2024

FIFAMPIARAHABANA TRATRIN'NY TAONA 2024
29/02/2024

FIFAMPIARAHABANA TRATRIN'NY TAONA 2024

Ry namana! mba vakio anie ny hevitrin'ny olona mahakasika atsika e, mbola tsy lefy laza ny FIRAISANKINA naha-Avaradrova ...
18/02/2024

Ry namana! mba vakio anie ny hevitrin'ny olona mahakasika atsika e, mbola tsy lefy laza ny FIRAISANKINA naha-Avaradrova an'Avaradrova ary raisin'ny olona ho Fitaratra, tsaroan'ny namana rehetra hatrany andafin'ny riaka sy ny mponina teto fahiny.

'NDAO HIJORO HATRANY HO AN'NY TANÀNATSIKA SY NY MPONINA AO AMINY🙏

18/02/2024

📌FOMBA FIDIRANA HO MPIKAMBANA AMI📝

Omeko ao amin'ny premier commentaire ny Contact an'ny Secrétaire hanateranareo azy📲

Fikambanana FAMI mikatsaka firaisankina hampandrosoana ny tanànan'Avaradrova Ambatondrazaka sy ny fiaraha-monina ao aminy�

"IZAY MITAMBATRA VATO"

17/02/2024

AMI na "Avaradrova Mitambatra Iray"
FIFAMPIARAHABANA TAONA 2024

Araka ny tapaka nandritran'ny fivoriambe dia hatao ny Asabotsy faha-24 Febroary ho avy izao ny Fety fifampiarahabàna tratrin'ny taona 2024.
Toerana: Sekoly Mialinjaza Avaradrova
Ora hanombohana: 10 Ora
Zavatra hoentina: fitaovam-pihinanana, Vola 5000Ar, vary masaka, boisson.

Hisy ny sakafo iraisana sy fanentanana isankarazany ho fiombonam-pifaliana.

Ny Alakamisy faha 22 Febroary no farany fandoavana ny Cotisation 5000Ar ka Atoa Donné Trésorier no hanaterana azy.

Filan-kevitra: 034 026 26 26

TONGAVA MARO ARY MIFAMPILAZÀ !

Address

Avaradrova
Ambatondrazaka
503

Telephone

+261340262626

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when AMI Avaradrova Mitambatra Iray posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to AMI Avaradrova Mitambatra Iray:

Share