Fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro

Fiadidiana  ny Faritra Alaotra Mangoro Tiavo ny Faritra misy Antsika

Tamin'ny ny fandraisam-pitenenana nataon'ny lehiben'ny faritra Alaotra Mangoro Andrimatoa RABEMANANJARA Élire Joseph nan...
14/08/2026

Tamin'ny ny fandraisam-pitenenana nataon'ny lehiben'ny faritra Alaotra Mangoro Andrimatoa RABEMANANJARA Élire Joseph nandritra ny lanonana fitokanana Fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio, paompy miisa 13 tao amin'ny fokontany Ampitambe, Kaominina Ambohibary, distrikan'i Moramanga, izay famatsiam-bola avy amin'ny o***a ambatovy no nitondra fanazavana mahakasika ny fampiasana ny vola tamberim-bidy azo avy amin'ny Orinasa Ambatovy.

Hisitraka tombontsoa amin'izany avokoa ny Distrika 5 ato anatin'ny Faritra Alaotra-Mangoro, hoy izy ary ny laharam-pahamehana dia ny fampiakarana ny vokatra any an-tsaha mba ahafahan'ireo tsantsaha mihary. Hisy fotodrafitr'asa tohadrano miisa 20 hotanterahina amin'ity taona ity, misandrahaka amin'ny Distrika 5.

Ho an'ny Distrikan'i Moramanga, hisy ny tohadrano fampielezan-drano (barrage de dérivation) ao Sabotsy Anjiro, ary ny fanajariana ny lemak'Antanifotsy sy Antorofito Mandialaza. Ho an'ireo toerana tsy voakasik'izany kosa dia efa misy anjara asa ataon'ireo tetikasa hafa. Ho an'ny Distrikan'Anosibe An'ala manokana dia ny Tohadrano Tolongiana sy ny fanajariana ny lemaka Ankorabe no hatao.

Notanterahina tao amin'ny kianja Ampitambe moa ny lanonana fanolorana ireo fotodrafitrasa ireo, androany Zoma 14 Aogositra 2026, ary tonga nanotronia izany irao solontenan'ny Orinasa.

Nanome voninahitra ny hetsika ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Atoa Fidèle Razara Pierre sy ireo Solombavam-bahoaka; ny Tale kabinetran'ny Ministeran'ny Rano, Fanadiovana sy Fidiova; ny Ben'ny tanànan'ny Kaominina Ambohibary sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ary olo-manakaja maro sivily sy miarimila.

©️ Serasera Fiadidiana ny Faritra_14/08/2026

"Percepteur" miisa 43 ato amin'ny Faritra Alaotra Mangoro no nisitraka fampiofanana momba ny "digitalisation". Fomba fia...
13/08/2026

"Percepteur" miisa 43 ato amin'ny Faritra Alaotra Mangoro no nisitraka fampiofanana momba ny "digitalisation". Fomba fiasa vaovao amin'ny alalan'ny fampiasana "smartphone" sy "application" ity natao ity, mba hanamora ny fanangonana ny "ristourne" sy ny atontan-kevitra eny an-kianja.

Tanjona amin'izao fampiasana teknolojia vaovao izao ny:
Hampiakarana ny tahan'ny vola miditra avy amin'ny ristourne,
Hiantohana ny mangarahara amin'ny fitantanana, ary
Hanafaingana ny fomba fiasa amin'ireo "points de perception" miisa 22 manerana ny Faritra.

Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny lehiben'ny Faritra Alaotra Mangoro, Andrimatoa RABEMANANJARA Elire Joseph. Natsindriny fa tsy azo iodivirana intsony ny "digitalisation" amin'izao fotoana izao, indrindra eo amin'ny fitantanana ara-bola. Izany dia ahafahana manara-maso ny vola miditra ara-potoana (en temps réel), misoroka ny fahaverezam-bola ary miaro amin'ny hosoka.
Ankoatra izany, nambarany fa lehibe ny anjara toeran'ny ristourne amin'ny fampandrosoana ny faritra, satria io no loharanom-bola fototra mampiodina ny faritra sy ahafahana manatanteraka fotodrafitr'asa ary hoentina manatsara ny fampitaovana ho an' ireo mpiasa eo anivon'ny fiadidiana ny faritra.

Nandritra izao fotoana izao ihany koa no nanaovana ny fifanaovan-tsoniam-pifanarahana teo amin'ny Faritra sy ireo percepteur ho fanatrarana ny tanjona amin'ny fampiakarana ny fidiram-bola. Rehefa tapitra ny fampiofanana naharitra roa andro dia notolorana "certificat" ireto percepteur ireto.

©️: Serasera Fiadidiana ny Faritra_13/08/2026

12/08/2026

Tantsaha miisa 118 no nisitraka marin-pankasitrahana "Ordre de Mérite Agricole" avy amin'ny Fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fambolena sy fahaleovan-tena ara-tsakafo sy ny tetik'asa Riz Plus ato amin'ny Faritra Alaotra Mangoro.

Tontosa tao amin'ny tranoben'ny Masinjara Ambatondrazaka ny lanonana fanolorana izany, notarihan'ny talen'ny Kabinetran'ny Ministeran'ny Fambolena sy fahaleovan-tena ara-tsakafo Andriamatoa MAVINTA Marcelin Gabriel sy ireo mpiara miasa aminy nisolo tena ny Minisitra, nontronon'ireo tompon'andraikitra isa-tsokajiny avy ato anivon'ny Faritra notarihan'ny lehiben'ny faritra Alaotra Mangoro Andrimatoa RABEMANANJARA Élire Joseph sy ny Préfet an'Ambatondrazaka Andriamatoa RANJAKAMANANA Stèphen Weld.

©️: Serasera Fiadidiana ny Faritra _12/08/2026

Indro zaraina amintsika indray ny Fandaharam-potoanan'ny fanamboarana ireo lalana kaominaly any amin'ny tapany atsimon'n...
12/08/2026

Indro zaraina amintsika indray ny Fandaharam-potoanan'ny fanamboarana ireo lalana kaominaly any amin'ny tapany atsimon'ny Faritra Alaotra Mangoro, izay fiaraha miasa eo amin'ny Fiadidiana ny Faritra sy ireo Kaominina ao ao***an'ny fanaovana fikojakojana ireo fitaovana.

Tsara ny mampahafantatra fa efa voatsirika mialoha avokoa ireo lalana amboarina ka rehefa vita ny tombambidin'ny fandaniana amin'ny asa, dia nampahafantarina ireo ben'ny tanana mba ahafahan'izy ireo manomana mialoha.

Misokatra ho an'ny ben'ny tanana rehetra hatrany ny fiaraha miasa ary raha vao maharay ny fangatahana avy aminareo fotsiny ny avy eo anivon'ny Fiadidiana ny Faritra dia midina manao fitsirihana avy hatrany ireo teknisianina.

©️: Serasera Fiadidiana ny Faritra _12/08/2026

Mandeha ny asa fanamboarana ireo lalana kaominaly ao amin'ny Kaominina Tanambe. Efa vita ny mitsofika eo Ambohimanarivo ...
08/08/2026

Mandeha ny asa fanamboarana ireo lalana kaominaly ao amin'ny Kaominina Tanambe. Efa vita ny mitsofika eo Ambohimanarivo mihazo an'Amboropotsy, ary mitohy mipaka hatrany Ambodiamontana izay tena ratsy ka mampijaly ny vahoaka, sy ny lalana mitsofoka any Ambohitrimivaratra ny asa fanamborana.

Rehefa vita ireo dia hitohy amin'ny fanamboarana ireo lalana hafa mihazo ny fokontany sy tanana voasoratra amin'ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny Fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro sy ny Kaominina ny asa ary tsy maintsy atao manaraka ny fenitra mba ho mafy sy mateza.

©️ : Serasera Fiadidiana ny Faritra _08/08/2026.

Tolotr'asa eo anivon'ny Fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro.©️: Serasera Fiadidiana ny Faritra _07/08/2026.
07/08/2026

Tolotr'asa eo anivon'ny Fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro.

©️: Serasera Fiadidiana ny Faritra _07/08/2026.

Niainga ny alin'ny Alakamisy 06 Aogositra 2026 ireo delegasiona hiaro ny voninahitry ny Faritra Alaotra Mangoro  amin'ny...
07/08/2026

Niainga ny alin'ny Alakamisy 06 Aogositra 2026 ireo delegasiona hiaro ny voninahitry ny Faritra Alaotra Mangoro amin'ny fifaninana nasionaly fanatanjahan-tena an-tsekoly na "Sport Scolaire" izay ho tontosaina any Mahajanga manomboka ny Alatsinainy 10 Aogositra ka hatramin'ny 16 Aogositra 2026 ho avy izao.

Nanome tso-drano sy fanamiana ara-panatanjahantena mitovy azy ireo ny fiadidiana ny Faritra Alaotra ka ny talen'ny Kabinitra Ramotoa ANDRIAMALALA Deraniaina Hobisoa no nitarika ireo delegasiona nonolotra izany nisolo tena ny lehiben'ny faritra.

Handray anjara amin'ny Lalao iombonana basketball , Football, handball, sy ireo taranja "athlétisme" ireo ankizintsika ary ny avy eo amin'ny Fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena Alaotra Mangoro no nitarika ireo delegasiona izay samy nahazo fanamia mitovy avokoa.

Mirary fahombiazana ho azy ireo isika.

©️: Serasera Fiadidiana ny Faritra _07/08/2026.

Tanterahina eto amin'ny renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro manomboka androany 06 Aogositra 2026 ka tsy hifarana raha...
06/08/2026

Tanterahina eto amin'ny renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro manomboka androany 06 Aogositra 2026 ka tsy hifarana raha tsy ny faha 09 Aogositra ny "Foire Économique" andiany voalohany "Manandratra" izay karakarain'ny CCI ( Chambre de Commerce et de l'industrie) Alaotra Mangoro.

Ny minisitry ny varotra sy fanjifana no Reny mpiahy ity foara ity ka tonga nanokatra izany tamin'ny fomba ofiasialy niaraka tamin'ny Minisitry ny Atitany sy fitsinjaram-pahefana izay sady minisitra mpiahy ny Faritra Alaotra Mangoro sy ireo mpikambana amin'ny Governemanta niaradia tamin'izy ireo.

Olom-boafidy sy Solontenam-panjakana maro sivily sy miarimila aty an-toaerana no tonga nanontrona ny lanonana fanokafana izay notarihan'ny Filoha lefitry ny antenieram-pirenena misahana ny faritan'i Toamasina sy ny lehiben'ny faritra Alaotra Mangoro.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony no nilazan'Andriamatoa lehiben'ny faritra ireo progran'asa ho tanterahina amin'ny alalan'ny tamberim-bidy avy amin'ny o***asa Ambatovy ka tsy misy ho diso anjara ireo Distrika 05 mandrafitra ny faritra.

Amin'ny maha renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro ny Kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka dia misy ny fanamboarana ny "Avenue" izay isika ihany no tsy mba manana izany amin'ireo renivohi-paritra miainga avy eo amin'ny biraon'ny Faritra mipaka any amin'ny biraon'ny Kaomisaria, sy fanamboaran-dalana miainga avy eo amin'ny Total mihazo ny sekoly Saint Joseph ary fanamboarana lalana rarivato avy eo amin'ny Avana movoaka any amin'ny bon coin.

Tsy diso anjara koa anefa ny renivohitry Mangoro fa hisitraka ny fanamboaran-dalana avy eo amin'ny biraon'ny trésor taloha mankany amin'ny hôpital sy ny lalana Betambako mankany Tanambao.

©️ : Serasera Fiadidiana ny Faritra _06/08/2026

FANASANA Manasa antsika vahoaka tsy an-kanavaka hanontrona ny fahatongavan'ny Minisitry ny Atitany sy fitsinjaram-pahefa...
05/08/2026

FANASANA

Manasa antsika vahoaka tsy an-kanavaka hanontrona ny fahatongavan'ny Minisitry ny Atitany sy fitsinjaram-pahefana sady minisitra mpiahy ny Faritra Alaotra Mangoro sy ireo minisitra hiaradia aminy ho fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny " Foire Économique "andiany voalohany, izay ho tontosaina rahapitso Alakamisy 06 Aogositra 2026 ao amin'ny Kianja Rasolonjatovo, manomboka amin'ny 08 Ora maraina.

Hanafana ny Lanona ny Tarika solomiandahy, Odet Rafaralahy, TaH - Navo.

TONGAVA MARO.

04/08/2026

Efa 25 Km izao no vita amin'ny lalana mihazo ny Kaominina Bedidy, Distrikan'Amparafaravola.ary miasa andro aman'alina ireo teknisianina avy amin'ny fiadidiana ny Faritra mitady ny fomba rehetra hanohizana ny fanokafana io lalana io.

Tsy azo avela hitoka-monina intsony ny vahoaka any an-toerana araka ny fanamby nataon'ny lehiben'ny faritra Andriamatoa RABEMANANJARA Élire Joseph ka tsy maintsy atao ny fomba rehetra hanohizana ny asa fanamboaran-dalana, ary tsy mijanona raha tsy tonga any an-tanana.

©️: Serasera Fiadidiana ny Faritra _03/08/2026

Address

Alaotra Mangoro
Ambatondrazaka
504

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro:

Shortcuts

Share