ComitΓ© Miss Majestics Alaotra Mangoro

ComitΓ© Miss Majestics Alaotra Mangoro πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‘‘ miss Majestics alaotra mangoro
πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‘‘ miss Madagascar
πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‘‘ miss world
✍️ ThΓ¨me Beauty with a purpose πŸ‡²πŸ‡¬

βœ¨πŸ‘‘ FANAMBARANA OFISIALY πŸ‘‘βœ¨πŸ“ Hanomboka amin'ity volana Aogositra ity ny fanomanana ny fifaninanana Miss Madagascar 2027.🌍...
01/08/2026

βœ¨πŸ‘‘ FANAMBARANA OFISIALY πŸ‘‘βœ¨

πŸ“ Hanomboka amin'ity volana Aogositra ity ny fanomanana ny fifaninanana Miss Madagascar 2027.

🌍 Ny tovovavy ho voahosotra ho Miss Madagascar 2027 no hitondra ny voninahitr'i Madagasikara amin'ny sehatra iraisam-pirenena, amin'ny fifaninanana Miss World 2027.

πŸ—“οΈ Araka ny vaovao voaray, dia manomboka ny 03 Aogositra ka hatramin'ny 22 Aogositra 2026 ny fandraisana ny antontan-taratasy sy ny fisoratana anaran'ireo kandida.

πŸ“‚ Etsy ankilany, ny Komity Miss Majestics Alaotra Mangoro dia efa manomana ireo antontan-taratasy sy ireo dingana rehetra ilaina hahafahan'i Edena, Miss Majestics Alaotra Mangoro 2026, misolo tena amim-boninahitra ny Faritra Alaotra Mangoro amin'ny fifaninanana Miss Madagascar 2027.

πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‡²πŸ‡¬. Tsy handray anjara amin'ny fifaninanana Miss Monde 2026 i Madagasikara. Nambaran'ny Komity Miss Madagascar (CMM) izany fanapahan-kevitra izany, izay noraisina mba hahafahana manomana tsara kokoa ny fandraisana anjara amin'ny taona manaraka sy hanamafisana ny fampiroboroboana ny maha-izy an'i Madagasikara sy ny kolontsaina malagasy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

πŸ“’ Araho hatrany ny pejinay mba hahazoanao ny vaovao ofisialy rehetra momba ny fifaninanana Miss Madagascar 2027, ny fanomanana, ary ny dian'ny solontenan'ny Faritra Alaotra Mangoro.

πŸ‡²πŸ‡¬βœ¨ Alaotra Mangoro, miara-manohana an'i Edena ho amin'ny dingana nasionaly! πŸ‘‘πŸ’™

πŸ™πŸ˜ͺ Tsara Raha mandray anjara ianareo Rehefa manomboka ny Γ©lection rΓ©gionale satria fantatra fa mendrika bΓ© ianareo Ary a...
31/07/2026

πŸ™πŸ˜ͺ Tsara Raha mandray anjara ianareo Rehefa manomboka ny Γ©lection rΓ©gionale satria fantatra fa mendrika bΓ© ianareo Ary azo antoka fa ho lany miss Madagascar sy miss World Ary ho reharehany faritra Alaotra mangoro indrindra i Mlle Lar Saa

πŸ˜ͺπŸ™ Tsy maninona fa afaka soloinay mpikarakara anao ry Mlle Lar Ssa i Edena ra vonona ianao hisolo azy.

Tsy de fombanay lotra fa mampalahelo Ilay toe-tsaina 😭

βœ¨πŸ‘‘ π‘πŽπ€πƒ π“πŽ πŒπˆπ’π’ πŒπ€πƒπ€π†π€π’π‚π€π‘ πŸπŸŽπŸπŸ” πŸ‡²πŸ‡¬βœ¨πŸ“’ Araka ny fampahafantarana navoakan'ny pejy Miss Madagascar Ofisialy milaza hoe : πŸ‘‘ ...
30/07/2026

βœ¨πŸ‘‘ π‘πŽπ€πƒ π“πŽ πŒπˆπ’π’ πŒπ€πƒπ€π†π€π’π‚π€π‘ πŸπŸŽπŸπŸ” πŸ‡²πŸ‡¬βœ¨

πŸ“’ Araka ny fampahafantarana navoakan'ny pejy Miss Madagascar Ofisialy milaza hoe :

πŸ‘‘ " . "

🌟 Midika izany fa efa akaiky ny fotoana hiatrehana ny fifaninanana Miss Madagascar Ofisialy 2026, izay hisafidianana ny solontenan'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. πŸ‘‘πŸŒ

πŸ’– Noho izany dia efa miditra tanteraka ao anatin'ny fiomanana i Edena, Miss Majestics Alaotra Mangoro 2026, izay hisolo tena amim-boninahitra ny Faritra Alaotra Mangoro amin'ity sehatra nasionaly lehibe ity. 🌾✨

πŸ’ͺπŸ‘‘ Mirary fahendrena, hery, fahasahiana ary fahombiazana ho azy izahay mandritra izao fiomanana izao. Matoky isika fa hitondra avo ny anaran'ny Alaotra Mangoro sy hampiseho ny hakanton'ny faritra ary ny soatoavina maha-Malagasy i Edena. πŸ‡²πŸ‡¬β€οΈ

🀍 Aoka isika rehetra hanohana sy hivondrona ao ambadik'i Edena amin'izao dia lehibe izao. Ny firaisankina sy ny fanohanantsika no heriny. βœ¨πŸ‘

πŸ“² Araho hatrany ny pejinay sy ny pejy Miss Madagascar Ofisialy, satria tsy ho ela dia havoaka ny antsipiriany rehetra.

πŸ‘‘πŸ‡²πŸ‡¬ Alaotra Mangoro iray fo... miaraka amin'i Edena! ❀️✨

πŸ‘‘
✨
πŸ‡²πŸ‡¬
πŸ’™
🌾

πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‘‘ CAP SUR LA FINALE NATIONALE MISS MADAGASCAR (MISS WORLD) 2026 πŸ‘‘πŸ‡²πŸ‡¬Efa ao anatiny fanomanana hiatrika ny   Ofisialy (M...
27/07/2026

πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‘‘ CAP SUR LA FINALE NATIONALE MISS MADAGASCAR (MISS WORLD) 2026 πŸ‘‘πŸ‡²πŸ‡¬

Efa ao anatiny fanomanana hiatrika ny Ofisialy (Miss World) i Edena, Miss Majestics Alaotra Mangoro 2026, izay hisolo tena amim-pireharehana ny Faritra Alaotra Mangoro. 🌍✨

Anisan'ireo dingana lehibe hiadivany ny famelabelarana ny tetikasa , izay maneho ny fanoloran-tenany amin'ny asa sosialy sy ny fanampiana ny fiarahamonina, araka ny soatoavina entin'ny Miss World. πŸ‡²πŸ‡¬πŸ’™

πŸ™ Fisaorana lehibe no atolotra an'i tamin'ny fakΓ na ireo sary ofisialy nahafinaritra sy manandratra an'i Edena.

Mirary fahombiazana feno ho an'i Edena izahay amin'ity dingana lehibe hiatrehany ity. πŸ’–

Alaotra Mangoro miaraka aminao! πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‘‘
Road to Miss Madagascar – Miss World 2026 ✨

ity no page afahanareo manaraka any Edena
02/07/2026

ity no page afahanareo manaraka any Edena

🌸 Miarahaba antsika rehetra, vahoakan'i Alaotra Mangoro! 🌸

Androany dia feno 13 andro izay nahalany ahy ho Miss Majestics Alaotra Mangoro 2026. πŸ‘‘πŸ‡²πŸ‡¬

Amin'izao fotoana izao dia maneho ny fankasitrahako lalina aho.

Voalohany indrindra, misaotra indrindra ny ComitΓ© mpikarakara tamin'ny ezaka sy ny fotoana natokanareo. Betsaka ny fahalalana, ny fampianarana ary ny fitaizana azoko nandritra ity fifaninanana ity. Raha tsy nisy anareo dia tsy ho tonga amin'izao toerana misy ahy izao aho.

Mankasitraka manokana an'i Dada sy Neny ihany koa aho, izay nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanohana sy hanampy ahy hatrany. ❀️

Misaotra betsaka an'ireo namana, fianakaviana ary ireo rehetra nanohana ahy, indrindra ireo tonga maro nanotrona ahy nandritra ny Demi-finale sy ny Finale. Tena nampihetsi-po sy nanome hery ahy ny fanohanana nasehonareo. πŸ™πŸ₯Ή

πŸ“Œ Ity pejy ity no ahafahantsika mifanerasera. Koa izay maniry hiara-hiasa amiko na mila fifandraisana dia afaka mandefa hafatra (message) eto amin'ny pejy. Faly aho hamaly sy hifanerasera aminareo rehetra. πŸ€πŸ’™

πŸ“£ Eto ihany koa no hizarako hatrany ireo vaovao sy ny diako amin'ny maha Miss Majestics Alaotra Mangoro 2026, ary koa ireo vaovao mifandraika amin'ny Miss Madagascar.

πŸ™ Misaotra antsika rehetra tamin'ny fitokisana, ny fitiavana ary ny fanohanana. Mbola lavitra ny dia, ka manantena aho fa mbola hiaraka amiko hatrany ianareo.

πŸ’– Mankasitraka indrindra!
RADRAISAMISOA Edena Ny Fitiavana
πŸ‘‘ Miss Majestics Alaotra Mangoro 2026

✨ Miarahaba antsika rehetra! ✨Manasa antsika rehetra hanaraka ny pejin'i Edena, mitondra ny anarana hoe Edena Miss Majes...
01/07/2026

✨ Miarahaba antsika rehetra! ✨

Manasa antsika rehetra hanaraka ny pejin'i Edena, mitondra ny anarana hoe Edena Miss Majestics Alaotra Mangoro. πŸ‘‘πŸ‡²πŸ‡¬

Ho an'izay maniry hiara-hiasa aminy, na te hanaraka akaiky ireo vaovao sy ny hetsika rehetra ataony, dia io no pejy ofisialy hanarahana azy. πŸ€πŸ“²

πŸ“Œ Halefanay ao amin'ny commentaire ny lien sy ny capture hahafahanareo miditra sy manaraka mora foana.

πŸ™ Mankasitraka indrindra ny fanohanana avy aminareo rehetra, ary mirary soa sy fahombiazana hatrany ho an'i Edena! 🌹✨

βœ¨πŸŽ‰ JIRO BE AO AMIN’NY LA PLACE – AMBATONDRAZAKA! πŸŽ‰βœ¨πŸ“… Rahampitso 25 JonaπŸ“ LA PLACE – AmbatondrazakaπŸ”₯ Ho avy hampafana ny ...
24/06/2026

βœ¨πŸŽ‰ JIRO BE AO AMIN’NY LA PLACE – AMBATONDRAZAKA! πŸŽ‰βœ¨

πŸ“… Rahampitso 25 Jona
πŸ“ LA PLACE – Ambatondrazaka

πŸ”₯ Ho avy hampafana ny sehatra miaraka amintsika ny KYALA VAZO! πŸ”₯

πŸ™ Mankasitraka manokana an’i Mr Le Maire ao Ambatondrazaka noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa nahafahana nanatanteraka izao hetsika izao.

❀️ Tongava maro, ento ny namana sy ny fianakaviana,
✨
πŸ“
🎀
??πŸ‡¬
πŸŽ‰πŸ”₯

πŸ“’ FANAZAVANA OFISIALYMikasika ireo valin'ny fifaninanana Miss Majestics Alaotra Mangoro 2026, dia ilaina ny manome fanaz...
22/06/2026

πŸ“’ FANAZAVANA OFISIALY

Mikasika ireo valin'ny fifaninanana Miss Majestics Alaotra Mangoro 2026, dia ilaina ny manome fanazavana mazava mba hisorohana ny fifandisoan-kevitra sy ny tsaho samihafa.

Voalohany indrindra, Tahiry sy Edena no isan'ireo mpifaninana nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fepetra rehetra napetraka nandritra ny fifaninanana. Tsy vitan'ny hoe nandray anjara izy ireo, fa tena nanaja sy nanatanteraka ireo fenitra rehetra notakiana.

βœ… Tsy nanapaka formation na nandika fandaharam-potoana mihitsy izy mirahavavy nandritra ny demi-finale sy ny finale, ary nanaja hatrany ny ora sy ny toromarika nomen'ny comitΓ©.

βœ… Anisan'ireo mpifaninana nahavita ny fanadinana sy ny fanombanana rehetra napetraka izy ireo, ka nahazo naoty araka izany. (Marihina fa ny solontenan'i Amparafaravola ihany koa dia nahazo naoty tamin'izany fanombanana izany.)

βœ… Nanaraka ny fepetra rehetra nandritra ny Vote Public izy ireo, tsy nisy olana na fandikan-dalΓ na voamarika.

βœ… Izy mirahavavy no nahazo naoty ambony indrindra tamin'ny Vote Public.

βœ… Tsy nanana olana tamin'ny comitΓ© mpikarakara izy ireo, ary tsy nandika ny fitsipika sy ny fandaminana napetraka.

βœ… Ny asa sy adidy rehetra nampanaovina ireo mpandray anjara dia vitan'izy ireo ara-potoana sy araka ny tokony ho izy, raha nisy kosa ireo mpifaninana sasany izay tsy nahavita izany.

Tsara marihina fa rehefa fifaninanana no resahina dia tsy azo atao ny miantehitra amin'ny fialan-tsiny. Misy fenitra sy fepetra mazava arahina, ary ireo no fototry ny fanombanana.

Maro ny lafin-javatra nodinihina nandritra ny fifaninanana. Noho izany, tsy ny halavana, ny hatsarana, na ny fahaizana miteny ihany no tsaraina, fa ny fanarahana fitsipika, ny fahavononana, ny fitondran-tena, ny fanatanterahana adidy ary ireo fepetra rehetra napetraka.

Noho izany, ho an'izay mahatsapa fa tokony ho izy no nandresy, dia manasa azy aloha izahay handinika hoe: nanaraka sy nanaja ny fenitra rehetra napetraka nandritra ny fifaninanana ve izy?

Averina hatrany fa na lava ianao, na manan-talenta, na mahay be aza, raha tsy manaraka ny fepetra sy ny fitsipika napetraka dia sarotra ny hahazo titre.

Raha azo natao aza ny nanome ny titre ho an'izy mirahavavy niaraka, dia azo antoka fa efa natao izany, satria tena niavaka ny ezaka, ny faharetana ary ny fanoloran-tena nasehon'izy ireo nandritra ny fifaninanana manontolo.

Ity fanazavana ity dia natao ho fampahafantarana ny rehetra. Tsy nikasa hiteny izahay tamin'ny voalohany, saingy noho ireo resabe miparitaka dia voatery manome fanazavana mazava.

πŸ™ Misaotra antsika rehetra nanohana, nanaja ny valim-pitsarana ary nitondra ny heviny tamim-panajana.

ComitΓ© Miss Majestics Alaotra Mangoro 2026

πŸ“Έ Sary indrana ( Ireo sary nandritrany fifaninanana tsy mbola vita )πŸ‘‘ RADRAISAMISOA Edena Ny Fitiavana, solontenan’ny Co...
21/06/2026

πŸ“Έ Sary indrana ( Ireo sary nandritrany fifaninanana tsy mbola vita )

πŸ‘‘ RADRAISAMISOA Edena Ny Fitiavana, solontenan’ny Commune Manakambahiny Ouest, no voahosotra ho Miss Majestics Alaotra Mangoro 2026 πŸ‡²πŸ‡¬.

Nandritra ny fifaninanana dia 3 mirahavavy izy ireo no hita fa naneho hatsarana, fahatokisan-tena, fahalalam-pomba ary fanajana ireo fepetra napetraka ka nahafahany nisongadina teo anatrehan’ny comitΓ© sy mpitsara ary mpijery.

🌟 Mirary fahombiazana ho azy amin’ny andraikitra vaovao izay hiandry azy, ary manantena izahay fa hitondra amim-pireharehana ny anaran’i Alaotra Mangoro sy ny Commune Manakambahiny Ouest.

πŸ‘ Arahabaina indrindra ry Edena, ary mirary lalana feno fahombiazana sy zava-bita maro ho anao!

πŸ‘‘πŸ‡²πŸ‡¬βœ¨ βœ¨πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‘‘

Address

Ambatondrazaka-Moramanga-Andilamena-Amparafaravola-Nosy Be Anala
Ambatondrazaka

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ComitΓ© Miss Majestics Alaotra Mangoro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share