09/08/2026
❤️✨ Mahatsiaro maivana sy faly izahay, miaraka amin’i EDENA sy ny Ray aman-dreniny. ✨❤️
Etsy ange ka vakio tsara… 🥰👇
EDENA dia ankizy tena mankatò sy mora arahina amin’ny fandaminana. 💯❤️ Hatramin’ny niarahana Tamin'ny dia tsy mbola tsy nisy fotoana nilazany hoe “tsy afaka aho”, “tsy hanao aho” na hoe tsy tonga amin’ny zavatra efa nifanarahana sy napetraky ny Comité.
Na dia mipetraka any Manakambahiny aza izy, dia vonona hatrany ny hamaly ny antso sy hanatanteraka izay andraikitra omena azy. 🙏
Ohatra iray : mety hahazo antso amin’ny 13h15 izy hoe mila tonga eto Ambatondrazaka amin’ny 14h00, kanefa amin’ny 13h55 dia efa tonga izy. 😮👏
Misy ihany koa ireo zavatra mila fiomanana sy fandaminana mialoha, nefa indraindray noho ny toe-javatra dia omena fotoana fohy izy. Na izany aza, vitany ara-dalàna sy ara-potoana foana ny zavatra ankinina aminy. 💪✨
Tsy mba olona tia mifanditra na mandà amin’ny fandaminana i Edena. Izay fandaminana sy toromarika omen’ny Comité azy dia raisiny am-pahatsorana, hajainy ary arahiny. 🤝❤️
Ary izany indrindra no anisan’ireo zavatra ankafizinay sy ankasitrahanay amin’i Edena :
🌟 Ny fahamatorany
🤍 Ny fanetren-tenany
🙏 Ny fanajany ny Comité sy ny olona miara-miasa aminy
💪 Ny fahavononany amin’ny andraikitra
⏰ Ny fahatongavany ara-potoana
❤️ Ny fahatokisany sy ny fiaraha-miasany aminay
Mankasitraka manokana ihany koa izahay Ray aman-drenin’i Edena 🙏❤️ noho ny fahatokisana napetrakareo taminay Comité, ary indrindra noho ny fiaraha-miasa tsy tapaka hatramin’izay.
Tsy mora ny manohana zanaka amin’ny sehatra tahaka izao. Mila fahatokisana, faharetana ary fiaraha-miasa eo amin’ny Ray aman-dreny sy ny Comité. 🤝❤️
Edena, tohizo hatrany izany toetra tsara anananao izany. 🌸
Aza ovaina ny fahatsoranao, ny fanetren-tenanao ary ny fahavononanao hianatra sy hivoatra. 💎
👑 Amin’izao dingana vaovao izao, mino izahay fa mbola lavitra no halehanao.
🇲🇬 Mino izahay fa hitondra avo ny anaran’ny Faritra Alaotra-Mangoro ianao