Association Soatiana Ambatolampy

Association Soatiana Ambatolampy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Association Soatiana Ambatolampy, Nonprofit Organization, Ambatolampy.

Feno tsiky sy hafaliana ny ankizy beazin'ny Association Soatiana Ambatolampy satria notoloran'i Zoky Laetitia sy ny fian...
07/09/2024

Feno tsiky sy hafaliana ny ankizy beazin'ny Association Soatiana Ambatolampy satria notoloran'i Zoky Laetitia sy ny fianakaviany fitaovampianarana.
Mankasitraka indrindra anao Laetitia tonga avy any dilambato nitondra soa ho an'ireto zandry zanantsika sahirana ireto. Hitohy hatrany hoy izy ny fifanomezan-tànana satria tena tsapany teto fa tena ilaina izany.
Tanteraka ara-bakiteny ny teny filamatra hoe " Miara-mifanampy".
Ireo mpianatra tsy tratra antso dia afaka mandalo aty amin'ny Centre maka ny fitaovana sy ny fanamiana anjarany.
Amin'ny 28 septembre no fihaonana lehibe voalohany, handaminana ny fandaharam-pianarana.
Mirary soa ho antsika rehetra.
Merci infiniment très chère Laetitia pour ta grande bonté et ton exceptionnelle gentillesse envers nos élèves nécessiteux.
Toute notre gratitude à ta magnifique famille.
🙏🙏🙏

Finaritra eh, Ilazana isika mpianatra ato amin'ny Association Soatiana ho tonga hamonjy ny fanomanana ny fidirana antsek...
03/09/2024

Finaritra eh,
Ilazana isika mpianatra ato amin'ny Association Soatiana ho tonga hamonjy ny fanomanana ny fidirana antsekoly amin'ity taompianarana 2024-2025 ity ny zoma 06 septembre ho avy izao amin'ny 10 ora maraina.
Hozaraina amin'io fotoana io ny fitaovampianarana ho an'ny rehetra sy ny fanamiana ho an'ny ankizy vaovao ary koa ireo nifindra sokoly.
Ilazana koa ianareo Ray amandreny fa amin'io no ho zaraina aminareo ny Reçu izay nandoavana ny Sarampidirana teny anivon'ny sekoly misy ireo zanantsika.
Hisy ny tafatafa hifampizarana sy ny lamina ho fandaminana ny taompianarana.
Mirary soa hatrany.

📆  14 Octobre 2023 📜 Fanolorana Attestation de Formation ireo mpianatra nahavita fihofanana miisa 17.  👉Tanteraka anio n...
14/10/2023

📆 14 Octobre 2023

📜 Fanolorana Attestation de Formation ireo mpianatra nahavita fihofanana miisa 17.

👉Tanteraka anio ny fanolorana Attestation aux Formations en Informatique Bureautique sy Langues ireo tanora nahavita fihofanana teto amin'ny Association Soatiana andiany 2023. Natrehin'ireo Ray aman-dReny sy ny mpikambana moa izany fotoana izany.
✊️Ny tanjona napetraka dia ny ahafahan'ireo tanora mpihofana hanovo fahalalana sy fahaizamanao mba ahaleo tena ary hiditra amin'ny sehatry ny asa ahafahany manampy ireo Ray amandreniny sy ireo iraitampo aminy.
✊️Ny Association moa no nitantana ary nanampy ireo mpiofana mandrapaha azahoan'izy ireo asa afafahany mahaleo tena.
👉 Mirary anareo mpihofana rehetra andiany 2023 ahazo fahombiazana hatrany amin'izay rehetra hatao.
🙌 " Miara-mifanampy ", Izany no teny filamatry ny Association Soatiana.

Mety ahasoa antsika tanora.
12/09/2023

Mety ahasoa antsika tanora.

👩‍💻🧑‍💻 Mandray mpianatra asa (stagiaire) ny Community Liaison Office eto amin'ny ambasady amerikana. Raha mahaliana anao izany dia vakio amin'ny alalan'ny rohy etsy ambany ny andinindininy momba izany sy ny antontan-taratasy ilaina rehetra.
https://mg.usembassy.gov/vacant-position-unpaid-internship-opportunity-with-the-community-liaison-office/
👉 Fe-potoana fandefasana antontan-taratasy: 26 Septambra 2023
👉 Faharetan'ny fianarana asa: Telo volana hatramin'ny herintaona
👉 Ora fiasana: 40 ora isan-kerinandro

Manomboka indray ity ny taompianarana vaovao 2023-2024, koa mirary ny mpianatra rehetra hahavita soa izany taompianarana...
10/09/2023

Manomboka indray ity ny taompianarana vaovao 2023-2024, koa mirary ny mpianatra rehetra hahavita soa izany taompianarana izany ary mankahery ihany koa ireo mpampiaratra isan'ambaratongany amin'ny adidy lehibe hiandreketan'izy ireo, satria tokoa, ny tanora ankehitriny no hoavin'ny firenena atsy ho atsy.

Tontosa tamin'ny asabotsy teo ny fizarana fitaovam-pianarana; tablier ary ténue ho an'ny mpianatra izay ahiana ato amin'ny Association Soatiana. Samia ary manaraka tsara ny lamina apetraka amin'ny fandaharam-pianarana.
Ho tazomintsika hatrany ny vokatra 100% amin'ny fanadinana rehetra.

Ny fianarana no lova tsara indrindra.
"Miara-mifanampy" izany no tarigetran'ny Fikambanana.

"Miara-mifanampy",  Teny filamatry ny Association SOATIANA. Maneho fankasitrahana feno ho an'Mr Didier de SIKA Madagasca...
12/07/2023

"Miara-mifanampy", Teny filamatry ny Association SOATIANA.
Maneho fankasitrahana feno ho an'Mr Didier de SIKA Madagascar sy Mme Mirella SG de la Compagnie Madecasse tamin'ny nanoloran'izy ireo Ordinateur miisa 9 ho an'ny mpiofana maimimpoana ara informtique sy langues ato am Association SOATIANA.
Hanampy ary hanafaingana ny fihofanan'ireo mpianatra ny fahazahoana izao fitaovana izao koa Mankasitraka indrindra amin'ny fiarahana mifanampy. 🙏🙏🙏.

"Miara-mifanampy", telle est la devise de l'Association "SOATIANA"
Toutes nos gratitudes à M. Didier de SIKA Madagascar et Mme Mirella RATONGA, Secrétaire Générale de la Compagnie MADECASSE, pour la precieuse dotation d'ordinateurs de bureau au profit des enfants nécessiteux qui suivent gratuitement les formations en informatique et langues étrangères au sein de l'Association "SOATIANA" - Ambatolampy.
Nos vifs et chaleureux remerciements chers partenaires.

Toy ny isantaona, rehefa fidiran'ny mpianatra, dia nanolotra sy nizara ireo fitaovam-pianarana rehetra ilaina mandritra ...
27/09/2022

Toy ny isantaona, rehefa fidiran'ny mpianatra, dia nanolotra sy nizara ireo fitaovam-pianarana rehetra ilaina mandritra ny taompianarana (kitapo; cahiers, stylos; sns.. ) ho an'ireo ankizy sahirana misitraka ny fanohanan'ny "Association Soatiana" ny Fikambanana. Nitarika izany Rtoa Tsanta Razafimahefa Filohan'ny fikambanana ary notronon'ireo mpikambana. Nandritra izany koa no nanolorana Marimpakasitrahana ho an'ireo ankizy niisa 18 nahavita soa amantsara ny " Formation en informatique" Word-Excel-PowerPoint-Dactylo-Internet". Vokatr'izany dia misy amin'izy ireo no efa nanomboka avy hatrany miditra eo amin'ny sehatrasa.
Anisan'ny tanjon'ny fikambanana moa ny fitantanana ny ankizy ahaleo tena.
Mankahery sy mirary fahombizana ho an'ny mpianatra rehetra ary mankasitraka indrindra ny mpikambana rehetra ato amin ny Association Soatiana amin'ny fanohanana sy fitantanana ireto zanantsika.
" Miara-mifanampy"

FANOLORANA BORNES FONTAINE MIISA 2Ankoatran'ny sehatra fampianarana sy fanampiana amin'ny fitaizana ireo ankizy sy tanor...
12/04/2022

FANOLORANA BORNES FONTAINE MIISA 2
Ankoatran'ny sehatra fampianarana sy fanampiana amin'ny fitaizana ireo ankizy sy tanora eto Ambatolampy dia mitohy hatrany ny fanampiana ny mpiara-belona izay efa fanaon'ny Association Soatiana Ambatolampy.

Tokatrano 119 eo ho eo no misitraka ireo Bornes Fontaines miisa 2 ireo izay natolotry ny Filohan'ny Fikambanana Mme Tsanta RAZAFIMAHEFA sy ny mpiara-miasa aminy, ary notronon'ny Ben'ny Tananan'Ambatolampy sy ireo mpiara-miombon'antoka rehetra izany.


12/04/2022
09 AVRIL 2022Fikambanana na “Association” miisa 64 eto Commune Urbaine Ambatolampy no nahazo ny Taratasy fanamarinana ar...
12/04/2022

09 AVRIL 2022
Fikambanana na “Association” miisa 64 eto Commune Urbaine Ambatolampy no nahazo ny Taratasy fanamarinana ara-panjakana,
tamin’ny alalan’ny fanampiana nataon’ny Association SOATIANA.



Address

Ambatolampy
104

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 12:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Association Soatiana Ambatolampy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Association Soatiana Ambatolampy:

Share