15/07/2026
📝📝📝"Hi-STORYn'tsika" 📝📝📝
🇲🇬Tanoranay mamango hein 💪💪
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY FAHAIZAMANAON'NY TANORA 2026
🇨🇵 Une force de la nature engagée 💪💪
JOURNEE MONDIALE DES COMPETENCES DES JEUNES 2026
-----
🇲🇬 Tanoranay mamango hein !
💡Miavaka amin’ny fahaiza-manaony sy ny fanohanana omeny ny mponina eny ifotony i Haingonirina Armandine ARISOA, na i Nirina ka mamiratra ary mivoatra eny anivon’ izy ireo. Anisan’ireo tanora mpiara-miasa eny ifotony izy, miara-miaina sy miara-dia isan’andro miaraka amin’ireo tantsaha monina any amin'ireo sahandriaka manodidina ny faritra arovana.
🔑Ny andraikiny? Manohana sy manoro ireo tantsaha amin’ny fampiharana ireo teknika maharitra eny amin’ny tanimboliny tsirairay avy izy. Nirina dia vehivavy feno herim-po sy fahavononana; tsy misy mahasakana azy na dia ny fahasarotan’ny lalana aza. Reharehany ny mahita ireo tantsaha tohanany mahatratra tanjona amin’ny alalan’ny fampiasana teknika fambolena maharitra, izay manatsara ny vokatra sy mampitombo ny fidiram-bolan’izy ireo.
🔑Toerana izay tsy nahavokatra taloha, feno fasika sy tany mena, no lasa iray amin’ireo Saha Sekolin’ny Tantsaha (Champs Écoles Paysans) ankehitriny. Tamin’ny fiaraha-miasan’i Nirina sy ny ekipany no nahafahana nanatsara ny famokarana teny an-toerana. Mihamaitso ny tany mena noho ny voly ampemba (sorgho) sy lojy ary tsaramaso, teknika iray amin’ny agroekolojia izay mamaly ny filàn’ny mponina eny an-toerana.
🔑Anisan’ireo teknisianina mpiantsoroka eny ifotony na Assistante de Proximité (AdP) i Nirina. Asa sy andraikitra azon’ny tanora sy ny vehivavy atao ihany koa izany fa tsy natokana ho an’ny lehilahy ihany. Afaka mitondra fiovana maharitra eny ifotony ihany koa ny vehivavy sy ny tanora.
Mirary fahombiazana ho an’ireo tanora rehetra amin’izao fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahaizamanaon’ny tanora izao. 🤸♀️🤸🤸♀️🤸
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY FAHAIZAMANAON'NY TANORA 2026
-----
🇨🇵 Une force de la nature engagée
💡Elle évolue et brille auprès des communautés locales en leur apportant son savoir-faire. Il s’agit de Haingonirina Armandine ARISOA ou Nirina. Elle fait partie des agents sur terrain, une jeune technicienne, et partage son quotidien avec les paysans qui vivent au niveau des micro-bassins versants situés en périphérie des aires protégées.
🔑Sa mission ? C’est de les accompagner dans la pratique des techniques durables au niveau de leur parcelles respectives. Nirina est une force vive, rien ne l’arrête, pas même l’état des routes. Sa fierté c’est de pouvoir laisser son emprunte auprès de ces communautés en les soutenant à atteindre leur objectif à travers l’application des techniques durables de cultures tout en augmentant leur revenu. Là où rien n’a poussé auparavant, entre sable et terre rouge, constitue actuellement un de nos Champs Ecoles Paysans, où Nirina a su apporter une plus-value avec son équipe pour augmenter les productions des paysans. Les terres rouges deviennent plus vertes avec les sorgos, le niébé et les haricots, une des techniques d’agroécologies répondant au besoin local.
🔑Nirina fait partie des Assistantes de Proximité (AdP), ces techniciennes de terrain qui accompagnent les communautés au quotidien. Cette fonction n'est pas réservée uniquement aux hommes : les jeunes et les femmes y ont toute leur place. Les jeunes et les femmes sont également capables d'impulser des changements durables et d'accompagner les communautés vers un développement plus résilient.
🔑Être « Assistante de Proximité » inclut aussi les femmes et les jeunes. Bonne célébration de la Journée mondiale des compétences des jeunes à tous et à toutes ! 🤸♀️🤸🤸♀️🤸
JOURNEE MONDIALE DES COMPETENCES DES JEUNES 2026
"Hi-STORYn'tsika"
fans
GIZ Madagaskar
Ambassade d'Allemagne Antananarivo
Délégation de l'Union européenne à Madagascar et en Union des Comores