Fédération Miaramientagna

Fédération Miaramientagna Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fédération Miaramientagna, Nonprofit Organization, Antsakoamanondro, Ambanja.

Créée en 2016 dans le District d'Ambanja, la Fédération MIARAMIENTAGNA est une organisation de la société civile qui regroupe actuellement 13 associations communautaires gestionnaires de la pêche et des mangroves (Communautés Locales de Base).

➡️Notanterahina tao aminy kaominina ambanivohitra MAHERIVARATRA Distrika ny Ambanja faritra DIANA ny talata faha 22 jola...
30/07/2025

➡️Notanterahina tao aminy kaominina ambanivohitra MAHERIVARATRA Distrika ny Ambanja faritra DIANA ny talata faha 22 jolay 2025 lasa teo ny fakan-kevitra tamin'ireo mpanjono anatiny Fokontany Ankigny sy Ampampamena mikasika ny fomba famondronana laoko na DCP(Dispositif de Concentration des 🐟🐟 Poissons) ao andranomasina.
✅Misy ny fanolorana fitaovana : Gilet, Palme, Tuba, Masque, combinaison mba hoentina manao ny asa.
✨Niara nanatrika tamin'izany lefitra ny Distrika, CIRPEB Ambanja sy Nosy-Be ary ny ONG Blue Ventures.
✅Hisaorana 🙏🙏 manokanaMinistère de la Pêche et de l'Economie Bleueleue

🌱 Tsy mitsahatra mamerina amilaonina ny ala honko ato aminy helodranon'ny Tsimipaiky 🌱 ⏩Nisy fambolena honko izay nataon...
24/02/2025

🌱 Tsy mitsahatra mamerina amilaonina ny ala honko ato aminy helodranon'ny Tsimipaiky 🌱

⏩Nisy fambolena honko izay nataon'ireo Mpianatra Lycée Privé Catholique Saint-Joseph taminy 22 Febroary 2025 lasa teo tao aminy kaominina ambanivohitra Maherivaratra distrikan'i Ambanja faritra DIANA.

✅ Anisan'ny nahavelombolo ireo mpianatra ihany koa ny Fanentanana nataony Vondron'ny Tanora mahakasika ny maha zava-dehibe ny ala 🌱 honko.

✨Ny isan'ny honko voatsabo tamin'izany 1739 Ary nahitana mpandray anjara miisa 93.

⏩Ankasitrahana 🙏🙏 feno ireo mpianatra izay nanatanteraka ny fambolena honko.

✅Hisaorana 🙏🙏 manokana ny ONG BLUE VENTURES nandrindra ara-teknika sady nitondra teny fampaherezana taminireo mpianatra mba tsy ho very maina ny ezaka izay vitan'izy ireo momba ny tsabo honko sy ny fiarovana Tontolo iainana.

🌱🌱 ATIALA ANTOKY NY RANO SY ANGOVO 🌱🌱⏩Notanterahina taminy Zoma faha 14 febroary 2025 lasa teo ny fanokafana taminy fomb...
23/02/2025

🌱🌱 ATIALA ANTOKY NY RANO SY ANGOVO 🌱🌱

⏩Notanterahina taminy Zoma faha 14 febroary 2025 lasa teo ny fanokafana taminy fomba ofisialy taom-pambolen-kazo tao Ampitolova Fokontany Ankingabe kaominina ambanivohitra Antsakoamanondro distrikan'i Ambanja faritra DIANA.
✅Izay notarihany lehiben'ny Distrikan'i Ambanja sy ireo sampandraharaham-panjakana maro isan-tsokajiny sy ny fikambanana.
✅ Anisan'ny nandray anjara tamin'izany ny ONG BLUE VENTURES Ambanja sy ny Fédération Miaramientagna Zana-kazo a-kazo miisa 3500 no voatsabo tamin'izany.

⏩Notanterahina taminy 13 febroary 2025 tao aminy efi-trano EFTA kaominina ambanivohitra Antsakoamanondro distrikan'i Amb...
20/02/2025

⏩Notanterahina taminy 13 febroary 2025 tao aminy efi-trano EFTA kaominina ambanivohitra Antsakoamanondro distrikan'i Ambanja faritra DIANA ny fivoriambe ny Fédération Miaramientagna.
✨Niantomboka taminy fanaovany VOI tatitra ny asa vita nandritra ny telo(03) volana lasa.
⏩Nanao tatitra ny asa vita ihany koa ny ONG Blue Ventures tanatiny telo(03) lasa Ary fanaovana tatitra ny fiatrefana ny fivoriambe nasionaly ny tambazotra MIHARY na (Forum MIHARY) izay natao tany Mahajanga ary ny fifanakalozana trai-kefa izay natao tany Toliara.
✅ Anisan'ny nisongadiny tamin'izany koa ny fanaovana drafitr'asa izay ho tanterahina aminy telo (03) volana manaraka.
⏩ Hisaorana 🙏🙏 manokana ny ONG Blue Ventures nandrindra ara-teknika tamin'izany.

⏩ Fanentanana fambolena honko amin'ny taona 2024 sy 2025.✨Natomboka ny 13 Novambra 2024 tao amin'ny fokontany: Maropamba...
18/11/2024

⏩ Fanentanana fambolena honko amin'ny taona 2024 sy 2025.
✨Natomboka ny 13 Novambra 2024 tao amin'ny fokontany: Maropamba, Antetezambato, Andilamboay, Ambalahonko,Ampanakana,Andimakafito,Ambolikapiky kaominina ambanivohitra Maherivaratra sy Ambalahonko distrika Ambanja faritra DIANA.
✅Nisy ihany koa ny fanentanana nataony Kaomisiona fanentanana fanabeazana sy fahasalamana sy ny Vondron'ny tanora mahakasika ny tsy fampiasana Lay misy aody moka hatao ho fitaovam-panjonoana,tsy fihinanana hazan-drano manapoizina ary ny fanajana fikatonany jono Drakatra.
⏩Hisaorana🙏🙏 manokana ny ONG Blue Ventures Madagasikara fa nanohana sy nandrindra arateknika tamin'ny fanatanterahana izany

⏩Nanao fivoriam-be andiany voalohany tamin'ny taona 2024 ny Vondron'ny mpanjono "MITSINJO NY HO AVY"🌟Notanterahina ny 14...
18/11/2024

⏩Nanao fivoriam-be andiany voalohany tamin'ny taona 2024 ny Vondron'ny mpanjono "MITSINJO NY HO AVY"
🌟Notanterahina ny 14 Novambra 2024 lasa teo tao amin'ny efitr'ano EPP Maherivaratra kaominina ambanivohitra Maherivaratra distrika Ambanja faritra DIANA.
✨Nisongadina tamin'izany fanaovana drafitr'asa (PTA) izay hotanterahina anatiny telo volana manaraka sy fandrindrana ny fiaraha-miasa amin'ny Komity mpanaramaso Ifotony (CCS), Komity Mpampihatra Dina (KMD) ary Vondron'ny mpanjono.
✅Nisy ihany koa ny fanentanana izay nataon'ireo Vondron'ny Tanora mahakasika fikatonany jono drakatra🦀 sy ny tsy fihinanana ireo hazan-drano🐟🦈 manapoizina amin'ny vanininan-dro mafana (ICAM).
✅Hisaorana🙏🙏 manokana ny ONG Blue Ventures Madagasikara nandrindra ara-teknika tamin'ny fanatanterahana izany.

🙌Fampandraisana anjara ny Vondron'olona Ifotony hitantana ny loharanon-karena voajanahary misy eny aminy faritra misy az...
06/11/2024

🙌Fampandraisana anjara ny Vondron'olona Ifotony hitantana ny loharanon-karena voajanahary misy eny aminy faritra misy azy🌱.
⏭Notanterahina tamin'ny 31 oktobra sy 01 Novambra 2024 lasa teo ny Fanaovan-tsonia ny fifanekena vaovao famindram-pitantanana TGRN) ny VOI miisa 02 ao amin'ny Commune Rurale Maherivaratra District Ambanja faritra DIANA.
☑️VOI MIARADIA Antetezambato
☑️VOI TSY LAVONDRIVOTRA Antanambao Ankinaka
✨Nisy ihany koa ny fanentanana nataon'ireo mascotte mikasika ny asa fiarovana ny tontolo iainana.
👉Anisany nahavelombolo ireo olo manankaja sy ny olon-dehibe ny hafatra nataon'ny Mpianatra Club Mangrove ao Maropamba mahakasika ny fikatonany❌ jono drakatra🦀🦀sy fiarovana fano🐢🐢 ary tsy fampiasana lay misy aody moka havadika ho fitaovam-panjonoana.
⏭Hisaorana 🙏🙏 manokana ireo mpitondra fanjakana isan-tsokajiny, Direction Régionale de l'Environnement et du Développement Durable ,Direction Régionale de la pêche et l'économie Bleue, Chef District Ambanja, CEF,Ben'ny tanàna manodidina, mpitondra ara-drazana Son excellence Prince TSIARASO IV ary ny BBlue Ventures Madagasikara

⏭Notanterahina tao Antafiambotry Nosy Faly distrika Ambanja faritra DIANA ny 22 sy 23 Oktobra 2024 ny fampiofanana ireo ...
23/10/2024

⏭Notanterahina tao Antafiambotry Nosy Faly distrika Ambanja faritra DIANA ny 22 sy 23 Oktobra 2024 ny fampiofanana ireo mpiandraikitra ny pejy facebook ny Fédération Miaramientagna🌱🌱 sy Union des Pêcheurs Manongalaza Nosy Faly🐟🐟 ary Youth Group👥👥izay nahitana ny mpandray anjara miisa 07.
✨Nampiavaka ity fiofanana ity dia fanaovana pratika ny fizaram-baovao amin'ny tambazotran-tserasera facebook
✅Hisaorana ny ONG Blue Ventures tamin'ny fampiofanana.🙏

⏩Ny 04 Octobre 2024 lasa teo notanterahina tao amin'ny kaominina Antafiambotry Nosy faly distrika Ambanja faritra Diana ...
11/10/2024

⏩Ny 04 Octobre 2024 lasa teo notanterahina tao amin'ny kaominina Antafiambotry Nosy faly distrika Ambanja faritra Diana ny fankalazana ny Andro manerantany ny fanadiovana.
✨Nisy ihany koa ny fanentanana izay nataon'ireo kaomisiona fanentanana sy fampianarana ary fahasalamana mahakasika ny fanaparitahana ny fako plastika ao andranomasina.
👉Nandray anjara tamin'izany ireo mpikambana teo antoerana: Commission Communale de Développement de la Santé (CCDS),FMMA,Vondron'ny GEC,UPMA,YOUTH GROUP,ary ireo Mpampianatra sy ny Mpianatra ao amin'ny EPP,CEG Antafiambotry.
✅Hisaorana🙏🙏 manokana ny ONG Blue Ventures nandrindra ara-teknika tamin'ny fanatanterahana izany.

🌱 Fambolena honko izay nitaritiny Direction Régionale de la pêche et l’économie bleue DIANA sy ny ekipany🌊, ireo mpitond...
28/08/2024

🌱 Fambolena honko izay nitaritiny Direction Régionale de la pêche et l’économie bleue DIANA sy ny ekipany🌊, ireo mpitondra fanjakana sy fikambanana teo an-toerana (Ben'ny tanana, Sefo Fokontany, Vodron'olona Ifotony, Union des pêcheurs) tamin'ny 27 Aout 2024 tao amin'ny Fokontany Ampampamena kaominina Maherivaratra District Ambanja faritra DIANA.
✅Honko🌱 miisa 25 000 no voatsabo tao amin'ny velaran-tany mirefy 4,85 ha, nahitana mpandray anjara miisa 123.
⏩Nandrindra ny ara-teknika ny ONG Blue Ventures.

🌱 Natao tao amin'ny Fokontany Ankingabe kaominina Antsakoamanondro Disitrika ny Ambanja tamin'ny 17 Aout 2024 lasa teo n...
28/08/2024

🌱 Natao tao amin'ny Fokontany Ankingabe kaominina Antsakoamanondro Disitrika ny Ambanja tamin'ny 17 Aout 2024 lasa teo ny Fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny rohivoahary ny ala honko.
🌱Izay mitondra ny lohahevitra: "Ala honko vahaolana maharitra amin'ny fiatrehana ny fiovan'ny toetrandro"
👉Taminio fotoana io ihany no nanaovana ny fitokanana ny birao vaovao ny Vondron'olona Ifotony (VOI) MANDROSO Ankingabe izay vokatran'ny tomban'ezaka nataony DREDD DIANA ka nahazo voalohany tao anatiny Disitrika Ambanja ary avy tamin'izany no nahazoana loka avy tamin'ny tetik'asa KOBABY.
✨ Nandritra izany dia nisy ny fanentanana izay nataon'ireo vondron'ny tanora sy ireo ankizy mpiaro ny ala honko mikasika ny maha zava-dehibe ny ala honko.
🙏🙏 Fisaorana no atolotra ireo ireo mpitondra fanjakana isan-tsokajiny izay tonga nanotrona ny lanonana:lehiben'ny Disitrika ny Ambanja, Cantonnement de l'Environnement et des Forets Ambanja (CEF),Ben'ny tanana ny Antsakoamandro sy ireo mpitandro filaminana ary ireo mpiara-miombonantoka :CRADES,KOBABY,ONG BLUE VENTURES.

▶️Nanao fivoriam-be telo volana faha roa tamin'ny taona 2024 ny Fédération Miaramientagna.✅Ny 14 jona 2024 tao amin'ny e...
18/06/2024

▶️Nanao fivoriam-be telo volana faha roa tamin'ny taona 2024 ny Fédération Miaramientagna.
✅Ny 14 jona 2024 tao amin'ny efitr'ano (EFTA) kaominina ambanivohitra Antsakoamanondro distrika Ambanja no nanaovana izany.
✨Nisongadina tamin'izany fanaovana tatitra ara-bola ny Fédération Miaramientagna izay nampiasaina tamin'ny asa fambolena honko,ary ny fanaovan'ny VOI tatitra ny asa vita tao anatiny telo volana lasa (Fivoriana,fisafoana nataon'ny Polisin'ala,Fanentanana ary ny asa sosialy).
⏩Tsy diso anjara tamin'izany koa ny fanaovan'ny ONG Blue Ventures tatitra ny asa vitany nandritra ny telo volana lasa.
👉Anisan'ny nampiavaka ity fivoriana ity dia fanaovana Drafitr'asa(PTA) hoan'ny fitadiavana famatsiam-bola vaovao sy ny drafitr'asa amin'ny telo volana manaraka.

Address

Antsakoamanondro
Ambanja
203

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fédération Miaramientagna posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share