TILY Faritany Matsiatra Iarindrano

Call Directions

TILY Faritany Matsiatra Iarindrano Resaka Tily sy fanabeazana Skoto eto anivon'ny Distrikan' Ambalavao Tsienimparihy no hitan'ise ato.

Efa vonona tsara daholo ve...Tapa-bolana anie sisa de hotonga ity fotoana ity eh.Ampitapitao amin'ny tapaka sy namana il...
20/10/2026

Efa vonona tsara daholo ve...
Tapa-bolana anie sisa de hotonga ity fotoana ity eh.
Ampitapitao amin'ny tapaka sy namana ilay daty ah.

Andao amin'izay ary eh.Taona faha-telo isika izao amin'ity taom-piasana 2024-2027. Hosokafana amin'ny 11 novambra 2026 h...
18/10/2026

Andao amin'izay ary eh.
Taona faha-telo isika izao amin'ity taom-piasana 2024-2027.
Hosokafana amin'ny 11 novambra 2026 ho avy izao ny taom-panabeazana 2026-2027 eto amin'ny faritany matsiatra iarindrano.
Toerana : FJKM Ambalalova lovasoa
Tapany maraina: FIVORIAMBE
Tolakandro: FANOKAFANA.
Tongava maro entano ny tapaka sy namana.

Ndao amin'izay r'ise ah.Efa vonona ny rehetra fa ise sisa no andrasana. Hetsiketseho  ny fivondronana misy an'ise. Amin'...
06/10/2026

Ndao amin'izay r'ise ah.
Efa vonona ny rehetra fa ise sisa no andrasana.
Hetsiketseho ny fivondronana misy an'ise.
Amin'ny 07 novambra 2026 mihaona.
Tontolo andro io ah

02/09/2026

πŸ‡²πŸ‡¬πƒπ’π§π πšπ§πš 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐒𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 !

Miroso ao amin'ny tontolon'ny niomerika ny Tily eto Madagasikara.
Taorian'ny 𝐳𝐚𝐭𝐨 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐨π₯𝐨𝐫𝐚𝐧-𝐭𝐞𝐧𝐚 ho amin'ny fanabeazana ny tanora Malagasy mba ho Vavolombelon'ny Jesoa Kristy, Olom-pirenena vanona ary Andrin'ny Fianakaviana, dia miditra amin'ny tontolo nomerika ny Tily eto Madagasikara.
πƒπ’π§π πšπ§πš 𝐠𝐨𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚, miroso sy manakaiky kokoa ireo tanora Malagasy ary 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐒𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…π’π€πšπ¦π›πšπ§πšπ§πš 𝐒𝐳𝐚𝐧𝐲.
Izao firosoana ao anatin'ny tontolo 𝐧𝐒𝐨𝐦𝐞𝐫𝐒𝐀𝐚 izao dia pejy vaovao, sady fitaovana azon'ny rehetra am-piasaina ary manaikaiky kokoa ireo tanora.

βœ…Ny tanora mandray andraikitra.
βœ…Azo refesina ny vokatra sy ny fiantraikany.
βœ…Mivoatra sy maoderina kokoa ny fitantanana.

π‘€π‘Žπ‘›π‘œπ‘šπ‘π‘œπ‘˜π‘Ž π‘Žπ‘›π‘˜π‘’β„Žπ‘–π‘‘π‘Ÿπ‘–π‘›π‘¦ 𝑛𝑦 π‘§π‘Žπ‘‘π‘œ π‘‘π‘Žπ‘œπ‘›π‘Ž π‘šπ‘Žπ‘›π‘Žπ‘Ÿπ‘Žπ‘˜π‘Ž.
πŸŒπ“π¬π’ππ’π‘π¨ 𝐧𝐲 : https://tily-digital.com/

https://www.facebook.com/share/19LBDg9QwB/
13/08/2026

https://www.facebook.com/share/19LBDg9QwB/

πŸš€Hirika fanararaotra‼️

πŸš€ Ny Tily eto Madagasikara (TEM), amin'ny alalan'ny LeadAho, dia manatanteraka fandaharan'asa mikendry hanamafisana ny fitarihana vehivavy, ny fahasalamana sy fahadiovana, ny fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy ary ny fampandrosoana ara-toekarena ho an'ny tanora eto Madagasikara.

βœ… Ao anatin'izany dia mikasa ny hisafidy tanora 120 mitondra tetikasa manerana an'i Madagasikara ny LeadAho, mba hahafahan'izy ireo mahazo fiofanana, fanohanana ara-teknika, fanoroana lalana ary fanatsarana ny tetikasany. Aorian’ny fiofanana dia tanora 25 amin’ireo 120 no hisitraka tohana ara-bola entina hanantanterahany ireo tetikasa.

πŸ’‘ Noho izany dia asaina hirotsaka amin’izany ny tanora mahafeno ireto fepetra manaraka ireto :
βœ… Tanora 16 ka hatramin’ny 35 taona vonona hanatrika ireo tohana ara-piofanana rehetra ary manana fotoana hiatrehana izany;
βœ… Manana vinavina tetikasa na manana tetikasa eo an-dalam-panombohana misehatra amin’ireo manaraka ireto : Fambolena, fiompiana, Fanodinana vokatra, Asa tanana, Varotra, Tolotra ara-barotra, Teknolojia sy nomerika, Tontolo iainana, Fahasalamana, Fanabeazana, Fahadiovana sy rano fisotro madio, Fampandrosoana eny ifotony, Asa fivelomana;
βœ… Amporisihana manokana ny : Vehivavy tanora, Tanora avy any ambanivohitra, Tanora mavitrika amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina

βŒ›οΈFandraisana ny fisoratana anarana : 11 Aogositra2026 hatramin’ny 22 Aogositra 2026 (amin’ny 12 ora alina)
πŸ“© Fanombanana ireo antontan-taratasy : 22 Aogositra hatramin’ny 24 Aogositra 2026
πŸš€ Famoahana ny lisitry ny tanora 120 voafantina : 25 Aogositra 2026
πŸ“Atrikasa Lead’Aho Zone Nord (Ambilobe) : 27 Aogositra 2026 hatramin’ny 29 Aogositra 2026
πŸ“Atrikasa Lead’Aho Zone Central (Analamanga) : 4 septambre 2026 hatramin’ny 6 septambre 2026
πŸ“Fanombanana ireo tetikasa : 06 septambra 2026 hatramin'ny 08 septambra 2026
πŸ“Famoahana ny lisitr’ireo tetikasa 20 voafantina :10 septambra 2026

ℹ️ π€π³π¨π§β€™π’π¬πž 𝐣𝐞𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐒𝐧𝐒𝐧𝐝𝐒𝐧𝐒𝐧𝐲 𝐫𝐞𝐑𝐞𝐭𝐫𝐚: https://drive.google.com/drive/folders/1cgY0Gymqxc2KDXpqnLsUZI4i4fOux0Xf?usp=sharing

🌐 𝐀𝐭𝐨 𝐀𝐨𝐬𝐚 𝐧𝐨 𝐑𝐚𝐦𝐩𝐒𝐝𝐒𝐫𝐚𝐧'𝐒𝐬𝐞 𝐧𝐲 π“πžπ­π’π€'𝐚𝐬𝐚𝐧'𝐒𝐬𝐞 : https://forms.gle/42Mp8pnNCvFR9NfJ6

⏳ 15 Andro sisa r’ise an!🫡 Mino izahay fa ho tonga hiatrika ny lasy   kosa ise an, lasy tsy hiverina indroa io ka dia to...
17/07/2026

⏳ 15 Andro sisa r’ise an!

🫡 Mino izahay fa ho tonga hiatrika ny lasy kosa ise an, lasy tsy hiverina indroa io ka dia tongava ary alamino ny programan’ise!

πŸ“†01-05 Aogositra 2026
⛺️Moramanga

πŸš€ Hirika fanararaotra, antso ho an’ny mpirotsaka an-tsitrapo!πŸ“’Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny LASY 90 TAONA SAMPANA...
16/07/2026

πŸš€ Hirika fanararaotra, antso ho an’ny mpirotsaka an-tsitrapo!πŸ“’

Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny LASY 90 TAONA SAMPANA MENA sy LASY 90 TAONA SAMPANA MAVO isika amin’izao fotoana izao, koa antsoina ise Menafify, Mpiandraikitra sy Filoha eny fa na tsy fa manana fahaiza-manao manokana sy mazoto hifanome tanana amin’ny fiatrehana izany lasy izany.

‼️Raha vao mahita ity ranty ity ise dia misorata anarana ato: https://forms.gle/7XsvfUKH329ENjRb8
ℹ️ Ny Alahady 19 Jolay ny fivoriana an-jotra hiarahan’ny ekipan’ny lasy rehetra, izay handraisan’ny mpirotsaka an-tsitrapo anjara.

πŸš€Ny tombony azon’ise amin’ny fanaovana ekipan’ny lasy dia sady mahazo traikefa, no mitondra anjara biriky ho fanohanana ny Sampana Mena sy Sampana Mavo.

‼️Tsy mandoa fandraharahana ny Mpirotsaka an-tsitrapo rehetra, ary tsy afaka mirotsaka an-tsitrapo ny Mavo sy Mena fa milasy feno avokoa

Nitodika tany Ambatomalama indray ny mason'ny faritany tily matsiatra iarindrano ny alahady teo.Tontosa soa amantsara ta...
13/07/2026

Nitodika tany Ambatomalama indray ny mason'ny faritany tily matsiatra iarindrano ny alahady teo.
Tontosa soa amantsara tamin'io andro io tokoa ny fanekena ho mpiandraikitra an'i ANDREHY Miatrika sy ny fankalazana ny ivon'ny jobily faha folo taona ny fivondronana sampati ambatomalama.
Sationan-tsara nandritra izany fankalazana rehetra izany. Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra

Address

Ambalavao
303

Telephone

+261344733822

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when TILY Faritany Matsiatra Iarindrano posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share