TILY Faritany Matsiatra Iarindrano

TILY Faritany Matsiatra Iarindrano Resaka Tily sy fanabeazana Skoto eto anivon'ny Distrikan' Ambalavao Tsienimparihy no hitan'ise ato.

🎉🎉Faingàna ry zalahy fa.......... Faingàna🎉🎉Ndao ry LS ah, omano dieny izao ny sokajin'ise fa hilalao isika 📅 Ny 1 ka ha...
20/04/2026

🎉🎉Faingàna ry zalahy fa.......... Faingàna🎉🎉
Ndao ry LS ah, omano dieny izao ny sokajin'ise fa hilalao isika
📅 Ny 1 ka hatramin'ny 3 may izao ny fotoana, hanao LFTT isika faritany matsiatra iarindrano.
👉 Fahatongavana ny 30aprily 2026 eo amin'ny FLM Fanantenana Ambalavao.
😍😍 Aza hadino fa mahazo bonus : isa 10 sahady ny sokajy mahavita fandraharahana mialoha an'io fotoana io. Miampy isa 10 ihany koa raha misoratra anarana mialohan'ny 26 aprily 2026.
"Miroso tsy miverina..."
HILALAO SA TSY HILALAO OH!🥳🥳🥳

Loup loup loup.......Ndao ry sampana mavo oh. Hanao lasim-paritany indray isika eto amin'ny faritany matsiatra iarindran...
15/04/2026

Loup loup loup.......
Ndao ry sampana mavo oh. Hanao lasim-paritany indray isika eto amin'ny faritany matsiatra iarindrano.
Aza hadino ireo naman'ise ireo ah

24/03/2026
🌟🌟 Eh oh..., efa vonona daholo ve ny fitaovana, aza variana fa amin'ny sabotsy zao ilay fotoana ry taine ah.🌟🌟🌟.
11/03/2026

🌟🌟 Eh oh..., efa vonona daholo ve ny fitaovana, aza variana fa amin'ny sabotsy zao ilay fotoana ry taine ah.🌟🌟🌟.

⭐️ SAMY FILOHA 2026⭐️📅 20-21-22 Martsa 2026🚀Isany amin’ireo hetsika fampivondronana ireo Filoha Tily, mba hahafahana man...
10/03/2026

⭐️ SAMY FILOHA 2026⭐️
📅 20-21-22 Martsa 2026

🚀Isany amin’ireo hetsika fampivondronana ireo Filoha Tily, mba hahafahana manara-maso sy manao tomban’ezaka anelanelam-potoana ny fanatanterahan’ny isam-paritany ny tondrozotra napetraka, ary koa mba hahafahana manamafy izany tondrozotra izany sy mifampizara haizatra.

🚀 Ny faniriana dia ny hisian'ny fiaraha-miasa avy amin'ireo ratsa-mangaika rehetra eo anivon’ny faritany tsirairay mba hanao tanana miara-mandray sy soroka miara-milanja amin’ny fanatanterahana izany.

🎯 Ho an’ity fihaonana ity dia hitsinjara 6 ireo filoha Tily rehetra ary samy hamonjy sy hanantona izay toerana akaiky azy avokoa:
📍Mahajanga
📍Antananarivo
📍Toliara
📍Toamasina
📍Antsiranana
📍Fianarantsoa

💵Fandraharahana: 25.000Ar isan’olona
ℹ️ Asaina ise hisoratra anarana an-jotra ato: https://forms.gle/4ah3gQAKF8wAEFfX6 .Azon’ise atao no miantso ny laharana 034 14 760 52 raha misy fanamarihana na fanontaniana manitikitika an’ise.

‼️ Fara-fisoratana anarana: 18 Martsa 2026

Ry sefotenina oh. Ndao isika hiketrika teknika skoto.LASIN-JAZAVAVY indray no hataontsika ny 14-15 mars zao.  Eo amin'ny...
09/03/2026

Ry sefotenina oh. Ndao isika hiketrika teknika skoto.
LASIN-JAZAVAVY indray no hataontsika ny 14-15 mars zao. Eo amin'ny distrika ny fiaingana dia makanimakany.
Aza hadino ny tady sy ny morse sy ny kojakoja rehetra fa hilalao isika. Ilay naman'ise iny koa aza hadino ah.
Amin'ny 9ora ny fanombohana.

Akon'ny 22 febroary 2026, fanokafana ny fankalazana ny jobily faha90 taonan'ny lovitao teto anivon'ny faritany Tily Mats...
25/02/2026

Akon'ny 22 febroary 2026, fanokafana ny fankalazana ny jobily faha90 taonan'ny lovitao teto anivon'ny faritany Tily Matsiatra Iarindrano.
Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

🥳🥳 SPECTACLE GRATUIT🥳🥳👉 Tena tsy diso famaky ise fa tena spectale gratuit hiarahana amin'ny AMPIFANASINA avy ao amin'ny ...
25/02/2026

🥳🥳 SPECTACLE GRATUIT🥳🥳
👉 Tena tsy diso famaky ise fa tena spectale gratuit hiarahana amin'ny AMPIFANASINA avy ao amin'ny FJKM Betela Fanasina Ambalavao.
👉Ny alahady 1 marsa 2026 hoavy izao ao amin'ny FJKM Betela Fanasina manomboka amin'ny 3ora30min marina.
🤩 Averiko ihany tsy misy vidim-pidirana fa zay foin'ise ho fanohanana ny jobily faha90 taonan'ny sampana mavo no omen'ise amin'io.
👨‍👩‍👦‍👦 Tongava maro fa ny fanahy ho ravoravo, ny adidy hovita ary ny fafinaretana hoazo.

Ho fankalazana ny faha90 taona ny lovitao malagasy. Ny sampana mavo faritany Tily Matsiatra Iarindrano dia manasa an'ise...
19/02/2026

Ho fankalazana ny faha90 taona ny lovitao malagasy. Ny sampana mavo faritany Tily Matsiatra Iarindrano dia manasa an'ise hiara-hanome voninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FLM Fanantenana Ambalavao ny alahady 22 febroary 2026 amin'ny roa tolakandro.

Hifamotoana eny anjà parc indray ry zareo FSFLM (skoto) avy ao amin'ny FLM Famonjena ny sabotsy zao. Hetsika izay hifamp...
15/02/2026

Hifamotoana eny anjà parc indray ry zareo FSFLM (skoto) avy ao amin'ny FLM Famonjena ny sabotsy zao.
Hetsika izay hifampiarahabana nahatratra ny taona 2026.
Eny ndray zany mihaona ry mpanazava sy tily famonjena ambalavao, entano ny naman'ise rehetra aza atao misy tavela.
Ndao ary eh, mbola fety ihany ny ato amin'ny skoto hatramin'izao.

📍15 Febroary 2026 | Alahadin'ny FSFLM 🔸️Anio no natokan'ny Foibe FLM ho Alahadin'ny FSFLM rehetra manerana ny nosy🇲🇬🔸️Is...
15/02/2026

📍15 Febroary 2026 | Alahadin'ny FSFLM
🔸️Anio no natokan'ny Foibe FLM ho Alahadin'ny FSFLM rehetra manerana ny nosy🇲🇬

🔸️Isika Tily eto Madagasikara dia miara-miasa amin'ireo Synodam-piangonana iorenan'ny MTEM amin'ny famolavolana ny ankizy sy tanora beaziny mba ho Vavolombelon'i Jesoa Kristy, Olom-pirenena vanona ary ho andrin'ny fianakaviana.
Ho an'ny any amin'ny Fivondronana, sady Sampana ao anatin'ny Fiangonana isika no Sampana ato anatin'ny Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara (MTEM) .

🔸️Ny Alahady natokana ho an'ny Sampana, tahaka ny Alahadin'ny SAMPATI, FSFLM, SFTIMPA, SKOA, SATIMPA no fotoana iray hanehoana fa sady zanaky ny Fiangonana isika no zanaky ny MTEM, izay ao anatin'ny Fianakaviam-ben'ny Skotisma maneran-tany.

🔸️ Mifamatotra tanteraka tsy afa-misaraka ny maha-Tily sy ny maha-zanaky ny Fiangonana.

Mirary soa ho an'ny FSFLM rehetra 🙏

🎉🎊Tsy manaiky mihintsy ilay sampana mavo raha tsy manao hetsika hatrany.🎊🎉📅 Sabotsy 07 febroary ndray ny fotoana ry sefo...
02/02/2026

🎉🎊Tsy manaiky mihintsy ilay sampana mavo raha tsy manao hetsika hatrany.🎊🎉
📅 Sabotsy 07 febroary ndray ny fotoana ry sefotena. Hifampiarahaba nahazo taona vaovao.
👉 Aza hadino ah, eny amin'ny FJKM ebenezera kelisatrana ny fotoana.
😉 Oento amin'izay ilay naman'ise iny fa hifety isika.
💃👗 MISS MADA👗💃 io ilay thème eh

Address

Ambalavao
303

Telephone

+261344733822

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when TILY Faritany Matsiatra Iarindrano posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share