Les Amis De La Russie à Madagascar - A.R.M

Les Amis De La Russie à Madagascar - A.R.M Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Les Amis De La Russie à Madagascar - A.R.M, Nonprofit Organization, Ambatomitsangana Antananarivo, Alasora.

L'objectif principal est de donner un nouvel élan aux relations entre la Russie et Madagascar, tout en continuant de consolider les liens amicaux entre ces deux pays.

09/06/2026
05/06/2026
05/06/2026
02/06/2026
29/05/2026

☝️Le Chargé d’affaires a.i. de la Fédération de Russie, M. Alexeï Buriak, a reçu le recteur de l’église de la Transfiguration du Seigneur à Port-Louis (Maurice), l’archiprêtre Dimitri Matienko.

❗️Au cours de l’entretien, les parties ont abordé les questions liées au développement de l’Église orthodoxe russe à Madagascar, ainsi que les perspectives de renforcement de sa présence spirituelle et humanitaire dans le pays.

Tontosa soamatsara ny fitsidiana nataon'ireo delegasiona solontenan'ny  zone économique  spécial Alabuga teto Madagasika...
29/05/2026

Tontosa soamatsara ny fitsidiana nataon'ireo delegasiona solontenan'ny zone économique spécial Alabuga teto Madagasikara.
Solontena roa no nandrafitra izany dia i Atoa Kostantin Trifonof sy i Rtoa Elizaveta Dudkin, izay samy tompon'andraikitra ambony ao amin'io tetik'asa io avokoa.
Tsiahivina fa ny alahady faha 17 mey 2026 izy ireo no nigadona teto Madagasikara. Ny alatsinainy 18 mey 2026 maraina dia niara nikaon-doha tamin'ny mpikambana biraon'ny ARM ireo teny Androibe - Analamahitsy. Voasongadina tamin'izany fa nahafa-po azy ireo ny fiaraha-miasa tamin'ny fikambanana ARM ka mitohy hatrany izany ary ny ARM irery ihany no mpiara-miasa mivantana " exclusivité " amin'izy ireo eto Madagasikara.
Ny harivan'io andro io ihany dia efa nisy sahady ny fihaonana tamin'ny tompon'andraki-panjakana ambony eto amin'ny firenena ka ny Tale jeneralin'ny Polisim-pirenena Jean Victor Tsaramonina no nandray azy ireo. Nahafam-po ny dinidinika satria nampiseho fahavononana hiara-hiasa io tompon'andraikitra ambony io.Ny 19 mey 2026 dia nihazo an'Antsirabe izy ireo ka ny ampitso 20 mey 2026 ihany dia efa tafaverina sahady teto Antananarivo. Tamin'izany no nihaonany tamin'ireo kandida maromaro, nohotronin'ny Ray aman-dReny maro ihany koa. Ny mpikambana ARM avy ao Vakinkaratra no nikarakara ny fihaonana izay izay nahitana fandraisan anjaran'ny Mpikambana ARM foibe avy aty Antananarivo ihany koa. Maro ireo tanora tao Vakinankaratra no liana tamin'ny tetik'asa. Nisy ny fitsidihana toerana manan-tantara tao Antsirabe toy ny lac Tritriva sns. Nisy ihany koa ny fitsidihana ny toeram-piasana misy ny ARM Vakinankaratra. Nihaona tamin'ireo tompon'Andraikitra ihany koa.
Ny alakamisy 21 mey 2026 dia anjaran'ny masoivohon'i Rosia eto Madagasikara no nandray azy ireo.
Tsy nisy nipika kosa ny loha-hevitra nifanaovan-dry zareo samy Rosiana tamin'izany.
Ny zoma 22 mey 2026 vao maraina dia ny Ministry ny asa sy ny Fampanan'asa , ny asam-panjakana ary lalana sosialy SEM Denis Franconio Mac no nandray azy ireo . Hisaorana manokana ny finiavana nasehon'io Minisitra io izay tonga maraina nandray ireo delegasiona Rosiana io mialoha ny fiaingany hamita iraka. Nisy moa ny hafatrafatra sy fahavononana napetraky ny ministra momba ny fiaraha-miasa.
Vao vita io fihaonana io dia nihazo ny ministeran'ny mponina indray ny delegasiona ka ny sekretera Jeneralin'ny Ministeran'ny Mponina Rtoa Miarisoa Patricia Rakotonirina no nandray azy ireo tamin'izany. Nahafa- po sy nampitsiry fanantenana eo amin'ny lafiny fiaraha-miasa izany fihaonana izany. Ny harivan'io zoma io ihany dia nihaona tamin'ny tanora maro teto Antananarivo indray ny delegasiona ka teny Androhibe - Analamahitsy no nanaovana izany. Maro ireo tanora liana no tonga tao ary notronin'ny Ray aman-dReny maro ihany koa. Nahafa-po ireo mpitarika fivoriana sy ireo mpihaino ny resaka ; voavaly avokoa ireo fanontaniana nanitikitika.
Rehefa izany dia mbola nisy fivoriana kely nifanaovan'izy ireo tamin'ny mpikambana vitsivitsy ao amin'ny birao foibe ARM.
Marihina fa tamin'ireo fihaonana tamin'ny tompon'andraikitra ambony eto amin'ny firenena voalaza ireo dia niara-nanotrona azy ireo hatrany ireto voalaza manaraka ireto:
-Dr Harison Razafindrakoto, filohan'ny fikambanana ARM
-Atoa Ralph Rolando Randriantavy, filoha lefitra
- Général Philibert Ratovonirina. Mpanolon-tsaina
-Atoa Tony Rabearivelo, tomponan'andraikitry ny tetik'asa Alabuga.
-Atoa Fossard Rafidison, Mpanolo-tsaina.
Ny harivan'ny Sabotsy 23 mey kosa dia nasain'ny biraon'ny ARM izy ireo hiara-nikorana aminy, tany an-tonkatranon'ny Mpanolo-tsaina iray., Atoa Hary Andriamananony.
Nahafinaritra sy nankamamy ny totorebika ny rehetra.
Nifandray tamin'olo manankaja hafa ihany koa ry zareo tamin'io lanonana io , Ny ambasadaorin'i Madagasikara voatendry hiasa any Rosia Atoa Ny Hasina Andriamanjato. Teo koa ireo Mpampianatra sy ny mpianatra teny Rosiana vitsivitsy eny amin'ny oniversiten'Antananarivo.
Nahaliana azy ireo tokoa ny nahita ireo mpianatra teny rosiana nanao hira sy dihy rosiana vitsivitsy.

Ny alahady 24 mey 2026 moa ry zareo no nitodi-doha niverina any Rosia.
Feno dia feno ny fotoan'irro delegasion'ny Alabuga teto Madagasikara.
Vita sy tontosa avokoa ny tokony ho izy ny iraka nataon'izy ireo.

Ny fikambanana ARM ihany koa dia nankasitraka tanteraka ny fandalovan'izy ireo teto Madagasikara.
Les Amis De La Russie à Madagascar - A.R.M

Address

Ambatomitsangana Antananarivo
Alasora
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Telephone

+261342352969

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Les Amis De La Russie à Madagascar - A.R.M posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Les Amis De La Russie à Madagascar - A.R.M:

Share