20/01/2026
‼️ ZAO VE DIA RARINY ?
Efa ela no niady sy mbola miady mafy ho an’ny zon’ny vehivavy malagasy ny hetsika feminista sy ny olom-pirenena maro. Betsaka ireo olona miezaka isan’andro, araka izay tratra, hiaro ny hasin’ny vehivavy sy ny maha-olona.
Kanefa ankehitriny, tonga amin’ny fotoana tsy maintsy miantso vonjy isika. Ny tsy fandriampahalemana sy ny fahantrana lalina dia mampitombo ny herisetra, indrindra fa mihatra mivantana amin’ny vehivavy sy ny ankizy ao anatin’ny fiarahamonina.
Tsy azo ekena intsony ny tsy firaharahiana. Ny governemanta nifandimby teo aloha dia tsy nanome lanja sahaza ny famatsiam-bola sy ny politika ho fiarovana sy fanohanana ny vehivavy, na dia adidy fototra aza izany.
Tsy hangina intsony izahay.
Tsy hanaiky intsony ny tsy rariny.
👉 Mitaky fiovana izahay.
👉 Mitaky politika mazava sy famatsiam-bola ho an’ny vehivavy izahay.
👉 Mitaky fiarovana, fahamendrehana ary ho avy mendrika ho an’ny vehivavy malagasy izahay.
KA ANKEHITRINY, MANAOVA ZAVATRA !
Source Nifin’Akanga
⸻
‼️ EST-CE QUE CELA DOIT ÊTRE CONSIDÉRÉ COMME NORMAL ?
Depuis longtemps, les mouvements féministes et de nombreux citoyens luttent avec détermination pour les droits des femmes malgaches. Chaque jour, beaucoup font tout ce qu’ils peuvent pour défendre la dignité et l’humanité des femmes.
Mais aujourd’hui, nous sommes arrivés à un point où nous devons lancer un cri d’alarme. L’insécurité et la pauvreté extrême alimentent la violence au sein de la société, touchant en premier lieu les femmes et les enfants.
Cette situation est inacceptable. Les gouvernements précédents n’ont pas accordé les financements nécessaires ni mis en place des politiques suffisantes pour la protection et l’autonomisation des femmes, alors qu’il s’agit d’une responsabilité fondamentale de l’État.
Nous ne nous tairons plus.
Nous n’accepterons plus l’injustice.
👉 Nous exigeons le changement.
👉 Nous exigeons des politiques claires et des financements dédiés aux femmes.
👉 Nous exigeons la sécurité, la dignité et un avenir juste pour les femmes malgaches.
ALORS MAINTENANT, AGISSEZ !