21/09/2022
Vitan’ndroandro aby,
Tontosa ny Alakamisy 8 septambra 2022 ny fanolorana ny fanitso miisa 32 amin’ny 4 metatra, miaraka amin’ny fantsika fanitso 10kg ho an’ny EPP Ankeniheny. Nandray izany ny Ray aman-drenin’ny mpianatra, ny Talen’ny Sekoly sy mpampianatra sy ny mpianatra. Nanotrona izany lanonana tsotra nefa manan-danja eo @ ny tantaran’ny Sekoly ny Talen’ny Institut National de la Formation Pédagogique avy ao @ Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Ben’ny Tanana Commune Rurale Ilaka-Centre, ny Chef ZAP. Nisy noho izany ny teny nifamdimbiasana. Ny anjara fitenenana nataoko, dia nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ny Fanomezana t@ ny anaran’ny SOA FIHERIKA. Noho izany, dia nankasitraka sy nisaotra an’i SOAFIHERIKA ireo izay nandray fitenenana. Ary nanome toky koa mba hijery sy handray anjara @ izay mety ho zakany sy tandrify azy avy.
Eto izahay mivady dia mamerina sy manamafy ireo fisaorana anareo t@ ezaka nataonareo hanampiana ireo zandry zanaka. Ny ao Ambony no hamaly fitia anareo, ary ho ambinina @ izay atao any anie ianareo, tsy fidi-tsy avahana.
Tahirintsary izay azo tamin’izany fihaonana izany.
Fisaorana lehibe no atolotray any Ato Suzelin mivady izay nisolontenaSoa Fiherika sy nitondra fitenenana.
Indrindra Fisaorana lehibe koa no atolotray anareo rehetra tamin’ny fahatokisana sy finoana amin’ity asa ataon’ny Soa Fiherika Ity.
Misaotra Tompoko o!