16/12/2024
💞TANA IN LOVE💞 14/12/24 à Toulouse
👏🏽Amin-kafaliana lehibe no hisaorana ireo artistes: Bodo, Mahery, Inah, Mirado, Manoa, Ken, Deejay Airnixx, ireo mpitendry zava-maneno, i Jean Marc tao amin'ny sono sy jiro, ny Mairie an'i Gardouch nahazoana ny salle, ny radio Gasik'Arts, izay anisan'ny nanaparitaka ny vaovao.
👏🏽Tsy adino ny mpikambana rehetra anaty association izay nanao ny ainy tsy ho zavatra niara-nisalahy andro sy alina izay nanomanana ny hetsika tao anaty fotoana vitsy dia vitsy sady nanao dons isan-karazany hanomezana fahafaham-po ny rehetra!
👏🏽Ireo niaraka taminay, bénévoles nanome tanana anay mpikambana tamin'ny fahatsoram-po, i Romi, Nicole, Nono sy Noah, Faniry sy Fehizoro, ireo zanak'i Misa sns...Niaraka taminay tao koa i Nanouh mivady, izay nivarotra c**a pigeons matsiro be ary tena ankafizin'ny olona.
👏🏽Teo koa ianareo public izay tonga nanotrona mivantana sy nanafana ny lanonana nandritran'ny 4ora tsy ankiato na dia somary miataka kely an'i Toulouse aza!
Mety nisy foana ny indro kely fa dia nahafinaritra sy nizotra antsakany sy andavany ny fanomezana fahafampo nomen'ireo artistes malaza antsika rehetra tamin'ny famoahany karazan-kira maro izay nandrotsirotsy sy nampandihy ny Malagasy nandritran'ny générations maro.
👏🏽Fa tsy misy tanteraka ireo raha tsy teo Andriamanitra, ka dia Azy irery ny laza sy ny voninahitra ary isaorana be dia be azy izany.🙏🏽
Mirary soa antsika rehetra.
Association Fahazavana
Indreto misy santionany vitsivitsy...