Fifampizarana ara-panahy

Cómo llegar

Fifampizarana ara-panahy "Mandehana ianareo amin'izao tontolo izao ka mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra”. ✝🛐🙏🏻
Marka 16, 15.

Mamiko ilay Reny Masina :⏩️ Ny antony telo tsara tokony  hanaovatsika vavaka ny Raozery Masina ary anisan’ny fanomezam- ...
08/10/2026

Mamiko ilay Reny Masina :

⏩️ Ny antony telo tsara tokony hanaovatsika vavaka ny Raozery Masina ary anisan’ny fanomezam- pahasoavana ny fanaovana izany.

1- Ny Raozery Masina dia fandihihana ny Misterin'i Jesoa Kristy manontolo momba ny famonjena antsika.

2- Ny Raozery Masina dia fitiavam- piadiana mahery vaika hanoherana ny ratsy.📿

3- Ny Raozery Masina dia fomba iray tena mandaitra hahazoana fiadanana ao am-pontsika. 📿

✅️ Mazotoa daholo manao RAOZERY Masina na toko Sapile, manomana ny ho avy miaraka amin'i Masina Maria, araka ny sitrapon'Andriamanitra 🙏

08/10/2026
Ry Tanora: mahaiza mampiasa ny fitaovan-tseratsera ho fitoriana ny Vaovao Mahafaly.
08/10/2026

Ry Tanora: mahaiza mampiasa ny fitaovan-tseratsera ho fitoriana ny Vaovao Mahafaly.

𝐀𝐋𝐀𝐊𝐀𝐌𝐈𝐒𝐘  08  𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀  2026 Evanjely Masina nosoratan’i Md. LiokaLk. 11, 5-13Mangataha dia hahazo ianareo.Tamin’izany a...
08/10/2026

𝐀𝐋𝐀𝐊𝐀𝐌𝐈𝐒𝐘 08 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 2026

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 5-13

Mangataha dia hahazo ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe: ‘Ry sakaiza, ampisambory m**o telo aho, fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko, nefa tsy manan-katolotra azy aho’, ary ilay tompon-trano kosa hamaly ka hanao hoe: ‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy; izaho sy ny zanako efa tafandry ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.’ Lazaiko aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy. Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohàna. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohàna. Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha m**o no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny, na hanome maingoka azy, raha atody no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy!

🙏🏻 FIVAVAHANA  MARAINA🙏Hisaorana anie ny Trinité Masina, tsy azo sarahina, ankehitriny sy mandrakizay. 🙏🏻Andriamanitra ô...
08/10/2026

🙏🏻 FIVAVAHANA MARAINA🙏

Hisaorana anie ny Trinité Masina, tsy azo sarahina, ankehitriny sy mandrakizay. 🙏🏻

Andriamanitra ô, mitsaoka anao aho ary tia anao amin'ny foko manontolo.
Misaotra anao aho tamin'ny naharianao ahy, tamin'ny nanaovanao ahy ho kristianina, ary tamin'ny niarovanao ahy nandritra ny alina. Atolotro anao izay rehetra hataoko anio; aoka izy ireo ho araka ny sitra-ponao masina sy hanome voninahitra anao. Arovy amin'ny fahotana sy aminny ratsy rehetra aho. Ny fahasoavanao anie homba anay lalandava .

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ,
Tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay ! 🙏🏻

Ry Fo masin'i Jesoa ô ,matoky Anao izahay !🙏🏻

Mirary alina hitondra fiainam-baovao ho anao miaraka amin’i Masimbavy Terezin’i Jesoa Zazakely❤❤🥰🙏🏻
07/10/2026

Mirary alina hitondra fiainam-baovao ho anao miaraka amin’i Masimbavy Terezin’i Jesoa Zazakely❤❤🥰🙏🏻

🙏🏻VAVAKA HARIVA 🙏🏻 Ry Andriamanitra Rainay ô! Misaotra Anao izahay tamin'ny  nahatanterahan'ny  sitraponao taminay , tam...
07/10/2026

🙏🏻VAVAKA HARIVA 🙏🏻

Ry Andriamanitra Rainay ô! Misaotra Anao izahay tamin'ny nahatanterahan'ny sitraponao taminay , tamin'ny ankohonay, tamin'ny havanay sy ny firenenay ary izao tontolo izao.
Mamelà , ry Tompo, izay zavatra vitanay tsy araky ny sitraponao tamin'ity andro anio ity.
Apetrakay ampelatananao ry Ray ny torimasonay amin'ity alina ity . Arovy izahay tsy ho voasompatry ny fahavalo ary ampio mba hanovo aina vao amin'ity alina ity mba hiatrehanay ny tontolo andro rahampitso ary aoka ny sitraponao no tanteraka aminay. AMEN 🙏❤️

Fo madion'i Maria ,mivavaha ho anay !🌹🙏🏻
Ry Fo masin'i Jesoa ô ,matoky Anao izahay !❤🙏🏻

07/10/2026

Mankasitra Mgr

https://www.facebook.com/profile.php?id=61558742314523. Natokana ho antsika ity Page ity izay natao hizarana ny tsara ho...
07/10/2026

https://www.facebook.com/profile.php?id=61558742314523. Natokana ho antsika ity Page ity izay natao hizarana ny tsara ho fantatra momba ny JMJ ka manasa antsika hihiditra sy hanaraka azy. Misaotra❤🙏🏻🙏🏻

Ensemble vers la JMJ 2027 ✝️🇰🇷🇲🇬

Foi • Partage • Rencontres • Événements🌍

Votre soutien compte 🫶

Ity no antsoina hoe Sapile Dizaine: sapile tsotra ary mitovy amin’ny fampiasana ny Sapile rehetra ny fampiasana azy. Maz...
07/10/2026

Ity no antsoina hoe Sapile Dizaine: sapile tsotra ary mitovy amin’ny fampiasana ny Sapile rehetra ny fampiasana azy. Mazotoa ary manao Raozery Masina.

Dirección

0114 H 580 Bis Villa Mahafaly, Antsimotsena (Telecel)
Madrid
110

Página web

Notificaciones

Sea el primero en enterarse: le enviaremos un correo electrónico cuando Fifampizarana ara-panahy publique novedades y promociones. Su dirección de correo electrónico no se utilizará para ningún otro fin y puede darse de baja en cualquier momento.

Atajos

Compartir