Diaspora Malagasy Aktiv in Deutschland-DMAD e.V.

Diaspora Malagasy Aktiv in Deutschland-DMAD e.V. Ny DMAD e.V. (eingetragener Verein) dia fikambanana ara-panjakana mitsangana ho an'ny Malagasy monina aty Alemaina.

Mijoro ho an'ny firaisankina, ny fifanampiana, ary ny fampiroboroboana an'i Madagasikara avy aty Alemaina izahay. 🇩🇪🇲🇬

Inona indray no atao hoe «Förderungsgeld» na hoe vola hanampiana anao mba hiditra amin’ny sehatrin’ny asa? 💰1️⃣ Izy io m...
30/05/2026

Inona indray no atao hoe «Förderungsgeld» na hoe vola hanampiana anao mba hiditra amin’ny sehatrin’ny asa? 💰

1️⃣ Izy io matetika dia azonao rehefa ilay «Arbeitslos» na ilay tsy an’asa iny,na mbola anatin’ilay atao hoe «Arbeitsuchend» na mitady asa dia mety ihany koa,izany hoe alohan’ny hahataperan’ilay contrat na ilay fandroahana 📝

2️⃣ Inona avy ny afaka alohan’ny Agentur für Arbeit amin’izany?
✅ Bewerbungskosten => izay zavatra ilaina rehetra amin’ny asa io na traduction na taratasy atao copie.
✅ Fahrkosten => na aiza ianao manao entretien na aiza dia raisina an-tanana ny lasantsy na ticket anao.
✅ Unterkunt => raha alavitra ilay hanaovana Bewerbung ka mila maka «Hotel» dia alohan’izy ireo ihany koa.
✅ Umzugskosten => raha nahita asa ka tsy maintsy mifindra dia mahazo fanampiana.
✅ Umschulung sy Weiterbildung => formation atao akotran’ny diplôme anao mba hahatonga anao ahita asa indray
✅ Raha mila trano hafa amin‘ilay Weiterbildung dia afaka manampy ihany koa ry zareo amin‘ny hofantrano

Betsaka ny zavatra afaka hanampiana anao fa ny firesahana amin’ny «Ansprechpartner» ilay olona miandraikatra anao ao amin’ny «Agentur für Arbeit» anao ihany no ahazoanao valiny 100% 💯

3️⃣ Ny fepetra ahazoana ireo fanampiana ireo dia mila mampilaza mialoha ny «Ansprechpartner» anao ary ny porofo rehetra dia tazomina avokoa,ny facture sy izay ilaina rehetra ary alefa any amin‘ilay mpiandraikitra,matetika alohanao mialoha dia averina aminao ny vola avy eo 👩‍⚖️

Ity ny lien misy ny tsara ho fantatra rehetra => https://www.arbeitsagentur.de/unternehmen/finanziell/foerderung-arbeitsaufnahme

Ary inona indray ilay «Bürgergeld» na ilay «Arbeitslosengeld II» eh? Iza no afaka misitraka azy? 🤔

Araho ny pejintsika raha mahaliana anao ny fizarana sy ny fanampiana 🇲🇬🇩🇪

Ny DMAD e.V. dia maneho fankasitrahana ho an’ny Spass Gasy tamin’ny fanasana sy ny fiaraha-miasa nandritra ny hetsika ar...
26/05/2026

Ny DMAD e.V. dia maneho fankasitrahana ho an’ny Spass Gasy tamin’ny fanasana sy ny fiaraha-miasa nandritra ny hetsika ara-kolontsaina natao teto Bonn ary manantena fiaraha-miasa maro amin'ny ho avy.
Misaotra manokana an'i Heritiana Andriatsilavina ihany koa (responsable des nouveaux membres an'ny DMAD e.V.) izay nandray anjara sy nisolo tena ny fikambanana nandritra io hetsika io.
Mankasitraka amin'ny fandraisana andraikitra sy ny fahavononana asehonao ato amin'ny fikambanana ny ekipa manontolo 🙌

Raha tena voroaka indray tamin’ny asa nefa mbola tsy nahita asa vaovao dia inona no tokony atao? 👩🏻‍🏫1️⃣ Manana zo hisit...
11/05/2026

Raha tena voroaka indray tamin’ny asa nefa mbola tsy nahita asa vaovao dia inona no tokony atao? 👩🏻‍🏫

1️⃣ Manana zo hisitraka tanteraka ny «Arbeitslosengeld» na hoe vola raisina mandritran‘ny tsy fiasana ny olona iray eto Allemagne raha toa ka:

✅ Voroaka (gekündigt worden) na tapitra ny contrat (Befristeter Vetrag) ka mbola tsy nahita asa vaovao,raha ianao no niala (selbst Kündigung) dia misy fotoana tsy andraisanao vola hatramin’ny 12 herinandro aorinan‘ilay tsy hiasana.
✅ Niasa nandritran‘ny 12 volana farafahakeliny tao anatin‘ny 30 volana (izany hoe tsy votery nisesy) ka nandoha ilay atao hoe «Arbeitslosenversicherung» na ilay «Assurance chômage».
✅ Ao anaty «Ausbildung» na formation professionnelle dia efa mandoha anio ary afaka misitraka an’io soamantsara.
✅ Mila manana «Aufenthaltstitel» na titre de séjour, na Fiktionsbescheinung,taratasy manamarina fa manana fahazoandalana hijanona eto.
✅ Raha nanao FSJ sy BFD dia afaka mahazo ihany koa fa saingy kely ny vola azo ary mety sarotra hoan‘ny mpihavy ny hijanona eto.
✅ Raha narary ela be ka tsy afaka niasa na niteraka dia jeren‘izy ireo ary mety mahazo ihany koa.

2️⃣ Inona ny zavatra tokony atao?

✅ Miditra ao amin’ny Site Bundesagentur für Arbeit => https://www.arbeitsagentur.de dia manao ny fanambarana an-tsoratra (en ligne) ho mpitady asa, izany hoe «Arbeitsuchend» ary mila manokatra kaonty ao, ity dia afaka atao 3 volana mialohan‘ny tsy hiasana raha ilay «Befristeter Vertrag» ary 3 andro aorinan‘ny hahazoana taratasy fandroahana raha ilay «gekündigt worden» raha vao tara dia misy andro tsy ahazoana vola hatramin’ny 12 herinandro aorinan’ny tsy hiasana intsony.
✅ Manao fanambarana an-tsoratra ho «Arbeitslos» na hoe tsy an‘asa,ity dia afaka atao 3 andro alohany tsy hiasana na 1 andro ao aorinan’ny tsy hiasa farany tara.
✅ Aza afangaro ny fanambarana an-tsoratra «Arbeitsuchend» sy ny «Arbeitlos» fa samihafa ireo.
✅ Mahazo taratasy ianao avy eo ary mampiditra ilay «Application BA-mobil» ary ao no mahazo ny vaovao rehetra.

3️⃣ Mety ohatrinona eo no azo?

✅ 60 % ny vola noraisina tao anatin‘ny 12 volana,raha mananjanaka dia mety mahatratra hatramin‘ny 67%.
✅ Ny faharetany hahafahanao misitraka izany dia araka ny fotoana niasanao fa ohatra fotsiny hoe raha niasa 12 volana dia mety afaka misitraka izany hatramin’ny 6 volana,raha 24 volana dia hatramin’ny 12 volana…sns

4️⃣ Inona avy ny taratasy mety ilaina?

✅ Passport/Aufenthaltstitel.
✅ Lebenslauf (CV).
✅ Kündigung (ilay taratasy fandroahana) na ilay Befristeter Vertrag (ilay contrat déterminé).
✅ Sozialversicherungnummer sy Steuer ID Nummer (izay hita ao amin’ny Fiche de paie matetika).
✅ Bescheinigung Krankenversicherung (taratasy manamarina fa mandoha assurance eto Allemagne).
✅ Arbeitsbecheinigung ao amin’ilay fiasana (manamarina fa niasa tokoa ianao).

Azonao atao ihany koa ny miantso an-taroby na mandefa Mail ny Agentur für Arbeit akaiky anao raha mila fanazavana manokana 🇩🇪

📛 Ny «Arbeitslosengeld» dia sitraka noho ilay ianao nando assurance fa tsy fanampiana velively,tsy misy fiatraikany amin’ny resaka taratasy na fangatahana «Zompirenena» raha hilainao izany ao aoriana ao.

Akotran‘ny «Arbeitslosengeld ALG I» dia misy koa ny atao hoe «Förderungsgeld» ilay vola natokana hanampiana an‘ireo tsy an‘asa amin‘ny resaka fitadiavana asa satria tsy maintsy miverina miasa ary takiana io anatin‘io fotoana io 💸

Araho ny pejy raha mahaliana anao fa hozaraina manaraka ny atao hoe «Förderungsgeld» ☺️

Ankehitriny dia efa maro dia maro tokoa ny Malagasy miasa aty Allemagne.⚠️ Tandremo: Mila fantatrao tsara ny lalàna mika...
30/04/2026

Ankehitriny dia efa maro dia maro tokoa ny Malagasy miasa aty Allemagne.

⚠️ Tandremo:
Mila fantatrao tsara ny lalàna mikasika ny fiasana aty (Arbeitsgesetz - ArbG) mba tsy ho ambakain'ny olona ianao.

✍️Adidinao:

📃Mila manana Aufenthaltstitel ( permis de séjour) + Arbeitserlaubnis ( permis de travail) mifanaraka amin’ny asa ataonao ianao!
☠️ Aza miova asa raha tsy misy an'ireo (na Fiktionsbescheinigung) raha tsy izany dia mety:
- hiteraka olana amin’ny fahazoan-dàlana hipetraka eto (visa)
- ho voasazy ny mpampiasa na hakatona mihitsy ny fiasany!

📃Raha manana:
- Niederlassungserlaubnis na nationalité allemande→ afaka miasa malalaka 😉
- “Erwerbstätigkeit erlaubt” → jereo tsara ny Zusatzblatt (ora sy fetra).

1.Allgemeines Gleichbehandlungsgesetz (AGG):

📍 Lalàna miady amin'ny fanavakavahana, manomboka eny amin'ny Bewerbung (entretien) (oh. fandroahana olona noho ny fiaviany, volokodiny, ny finoany sns).
- Raha misy mpampiasa manao izany dia azonao toriana ara-dalàna izy.

2. Probezeit+ Kündigungsfrist:

📍Max: 6 volana! Azo hafohezina fa tsy azo alavaina!
- Kündigungsfrist (fe potoana ialana): 2 herinandro.
- Mandritra ny Probezeit dia tsy voatery manome ny antony ialany ny mpiasa ary ny mpampiasa tsy voatery hanome ny antony tsy handraisany anao.

⚠️ Misy fiarovana manokana (oh: vehivavy bevohoka tsy azo roasina mandritra io fotoana io raha fantatra fa mitondra vohoka).

3. Abmahnung:

🚨 Fampitandremana an-tsoratra ny mpiasa (oh: tara lava, tsy manaraka fitsipika, tsy tonga miasa tampoka nefa tsy mampandre ny mpampiasa (Krankmeldung), sns).
- Tsy mbola midika fandroahana izy io: matetika 2–3 Abmahnung momba ny adisoana iray mitovy miverimberina vao mitarika fandroahana.

📌 Raha tsy feno ireto fepetra ireto dia tsy manan-kery ny avertissement (Abmahnung= nichtig):
- an-tsoratra (daty, toerana, antony).
- milaza mazava ny fahadisoana.
- misoratra mazava ao fa mety hitarika fandroahana raha tsy miova ny fitondran-tenanao.

📌 Raha mahazo Abmahnung @ tsy rariny:
Azo atao ny mamaly an-tsoratra (Gegendarstellung)
☠️ Raha tsy manao na inona na inona ianao→ midika fa ekenao iny. Ary tandremo fa ho ampiasan'ny mpampiasa iny raha sanatria misy ady ka hiakatra tribonaly any aoriana any.

4. Fandroahana (Kündigung):

Ireo 2 lehibe mpitranga matetika:
🚨 Ordentliche Kündigung (licenciement avec préavis):
Misy délai (Kündigungsfrist).

📌 Fepetra :

- Orinasa misy mpiasa >10 ,
- niasa > 6 volana tao.
- Mila antony ara-dalàna:
🔴Betriebsbedingt (olana ara-toekarena / fanesorana toerana),
🔴Verhaltensbedingt (fitondran-tena tsy mendrika),
🔴Personenbedingt (antony manokana oh: tsy fahasalamana).

📌 Fitsipika:

-Tsy maintsy an-tsoratra
- Misy fe-potoana mila ijanonanao miasa ao alohan'ny ialana/ analana anao (Kündigungsfrist) arakaraka ny ancienneté sy ny contrat anao.
- Mahazo karama mandritra ny fe-potoana mbola iasanao ao + chômage (raha mahafeno fepetra)

🚨 Außerordentliche Kündigung (licenciement sans préavis)
- Fandroahana avy hatrany = tsy misy fe-potoana
👉 Mila antony lehibe: halatra, herisetra, fanompana ny mpampiasa.

4. Zo hanohitra fandroahana / Kündigungsschutzklage:
Aty Allemagne dia azo toherina ny fandroahana tsy ara drariny rehetra.
- Fe-potoana: 3 herinandro

🥸 Zo aorian’ny fandroahana na fametram-pialana:
Arbeitszeugnis (taratasy fanamarinana asa misy note miteny hoe nanao ahoana ny fiasanao 😉).
Mety afaka mangataka Arbeitslosengeld (vola fanampiana omen'ny fanjakana ho an'ireo tsy an'asa) ianao raha mahafeno fepetra.

Ao amin'ny commentaire ny rohy misy ny Gewerkschaft na associations afaka manampy anao mamaimpoana.

Zarao fa mety hanampy namana 😉
Tratry ny fetin'ny asa daholo ho antsika rehetra! 🇲🇬🇩🇪

🇲🇬Bevohoka aty Deutschland? 🇲🇬 🇩🇪 Fantatrao ve ny zonao?🇩🇪Maro amin’ireo tovovavy malagasy no tsy mahalala izany. Ireto ...
18/04/2026

🇲🇬Bevohoka aty Deutschland? 🇲🇬 🇩🇪 Fantatrao ve ny zonao?🇩🇪
Maro amin’ireo tovovavy malagasy no tsy mahalala izany. Ireto no zonao tsy fantatry ny maro!

Aty ny fitondrana vohoka dia arovan’ny lalàna: Mutterschutzgesetz.

🚨 Mandritra ny fitondrana vohoka:

- voarara ny fandroahana anao amin’ny asa
- voarara ny miasa amin’ny alina (20h- 06h)
- tsy maintsy ampifanarahana amin’ny toe-pahasalamanao ny asa.
Oh: tsy mahazo mitondra enta-mavesatra, tsy mahazo mifandray amin’ny poizina, solvent, akora fanadiovana mahery vaika sns.

📍Adidinao:

Manambara ny vohoka amin’ny mpampiasa anao:
Manome taratasy avy amin’ny gyneco “Schwangerschaftsbescheinigung” (~ 8–12 semaines de grossesse)
⚠️ Manomboka amin’io fanambarana io no miaro anao ny lalàna!

N.B.
Mandritra ny entretien dia tsy voatery milaza amin’ny mpampiasa ianao fa mitondra vohoka. Manan-jo tsy hamaly ianao raha anontaniana izany!

📍Adidin'ny mpampiasa

TSY MAINTSY manao “Gefährdungsbeurteilung” izy,
- manitsy ny toerana fiasanao izy na
- manome asa hafa mitovy lenta aminao,
👉 Tsy mahazo manao rétrogradation izy ary tsy mahazo mampihena ny karamanao.

⚠️ Raha tsy misy asa mifandraika amin'izany na raha manao grossesse à risque ianao dia:
Mahazo “Beschäftigungsverbot” = tsy miasa fa mandray 100% ny karamanao.

👩‍🍼 Aorian’ny fiterahana:

Miditra Mutterschutz (fialan-tsasatra voaaro ho an’ny reny):
⏰6 herinandro alohan’ny ET
⏳mifarana: 8 herinandro aorian’izany
⚠️ Raha teraka aloha loatra na kambana: 12 herinandro aorian’ny fiterahana

💰 Karama:
Mutterschaftsgeld: aloan’ny Krankenkasse, ampian’ny mpampiasa ny ambiny.

⏰ Aorian’ny Mutterschutz:

Miditra Elternzeit ianao, tsy miasa fa mandray karama.
👶 Mandray Elterngeld (~65% ny karamanao mahazatra)
- raisinao mandritra ny 12-14 volana (Elternzeit)

N.B. Afaka mangataka ny hijanonana tsy miasa hatramin'ny 3 taona ianao fa kosa ny taona fahatelo dia tsy mandray Elterngeld!

Tsy irery ianao, ny DMAD dia mitsangana ho an'ny firaisankina sy fifanampiana eto Allemagne sy any Madagasikara 🤍
Raha toa ka mila fanampiana manokana ianao dia aza misalasala miantso na manoratra ireo toerana voatokana amin'izany. Ao amin'ny commentaires ny tranonkala rehetra!

I Rasazy Fy - Hebamme  dia mpikambana ato amin'ny DMAD e.V. , ao amin'ny komity misahana ny serasera. Efa anisan'ireo na...
17/04/2026

I Rasazy Fy - Hebamme dia mpikambana ato amin'ny DMAD e.V. , ao amin'ny komity misahana ny serasera. Efa anisan'ireo nanao ny reconnaissance ny diplaomany izy ary nahazo valiny mahafapo.

Hallo zusammen 🤗 Inona avy no ilaina raha ilay hanao demande de reconnaissance SF na INF,Anesthésiste,Radiologue sy ny asa maro hafa momban’ny fahasalamana eto Alemaina? eny na hatramin‘ny médecin,dentistes, pharmacien sns…ary fa mila mikaroka kely fotsiny anatin‘ilay «Site» 👩‍⚕️

✅ CV «Lebenslauf»
✅ Formulaire de demande izay hitanao ao amin’ny site rehetra araka ny toerana misy anao => ao anatin’io avokoa ny dossier ilaina
✅ Diplôme SF/INF na hafa
✅ «Equivalence» avy any amin’ny FOP
✅ Taratasy na carte manamarina fa ao anatin’ny «Ordre»
✅ Ny «bulletin de note 1-3é» misy ny matière sy ny note stage pratique ary ny examen rehetra hatramin’ny examen final
✅ Ny «heures de stage sy théorie 1-3é»ny matière sy ny stage rehetra natao
✅ Ny «attestation/certificat» asa, bénévole sns…
✅ Copie Passport sy/na «titre de séjour»
✅ Certificat allemand B2
✅ Contrat asa (fianarana raha misy) => misy Bundesland/faritra eto manaiky hoe mbola tsisy contrat fa taratasy «Promesse d’embauche» dia ampy.
✅ Certificat de résidence eto (noho izany mila manana contrat trano izany)

➡️ Ireto matetika takiana aorinan’ny fangatahana arakarakan’ny faritra:
✅ Casier judiciaire avy any Mada
✅ Casier judiciaire aty Allemagne (Führungszeugnis)
✅ Certificat médical

⛔️ Ny dossier rehetra dia atao traduction en Allemand aty Allemagne ary ampiarahana amin’ny Copie légalisée satria betsaka ny Bundesland tsy manaiky ny traduction any Mada 💯

➡️ Aiza no alefa ny demande?
✅ Any amin’ny faritra misy anao dia ireto avy ireo site ahitana ilay formulaire sy ny adiresy andefasana,efa misy koa ny demande en ligne
✅ Ao anaty commentaire ny rohy misy ny fangatahana isam-paritra ka araho ny Pejy 👍

Viel erfolg 🫶

🇲🇬 🇩🇪 🇩🇪

🚨ANERKENNUNG : ZAVA-DEHIBE TOKONY HO FANTATRAO !Fantatrao ve fa eto Deutschland dia misy asa tsy azo atao mihitsy raha t...
15/04/2026

🚨ANERKENNUNG : ZAVA-DEHIBE TOKONY HO FANTATRAO !

Fantatrao ve fa eto Deutschland dia misy asa tsy azo atao mihitsy raha tsy manana Anerkennung ny diplaoma izay azonao tany Madagasikara?

🇩🇪 Misy karazany 2 ny asa :

1. Asa mila Anerkennung (réglementés)
➡️ Tsy afaka miasa raha tsy ekena ny diplaoma (infirmière, dokotera, pharmacien, mpampianatra, avocat, architecte, sns).

👉 Ny asa réglementés dia mila:
Fankatoavana ny diplaoma any amin'ny Schulbehörde, Bezirksregierung na Landesamt (arakaraka ny toerana misy anao).
Regierungspräsidium ohatra raha Baden-Württemberg.
https://rps.baden-wuerttemberg.de/abt7/zeugnisanerkennungsstelle/
💰 ~100€ |
⏳ 2–4 volana

2. Asa tsy voatery hananana Anerkennung:
➡️ Mila fanombanana diplaoma fotsiny.
Tsy voatery misy Anerkennung, afaka atao tsara nefa satria manampy amin'ny fidirana miasa sy ny lafin‘ny karama (asa birao / administration comptabilité, informatique, commerce, service client sns).

👉 Ny ZAB (Zentralstelle für ausländisches Bildungswesen) no miandraikitra izany:
Zeugnisbewertung no ilainao raha toa ka asa tsy réglementé.
https://zab.kmk.org/de/zeugnisbewertung
💰 ~200€ |
⏳ 2–3 volana

🇩🇪✍️ Ny taratasy rehetra dia tsy maintsy adika amin’ny teny alemana (mpandika teny ara-panjakana). Ao amin'ny commentaires ny rohy rehetra ilainao misy ny taratasy rehetra ilaina arakaraka ny toerana misy anao.

⚠️ Ny diplaomanao die mety ho:
✔ Ekena tanteraka,
🤷‍♀️ Ekena ampahany (mila manao formation na stage/ examen kely).
❌ Tsy ekena (noho izany arao tsara ny taratasy ilaina amin'izany).

Ity no tranokala raha mila fanazavana fanampiny. Azo ampiasaina na mbola any Madagasikara aza:
https://www.anerkennung-in-deutschland.de/de/interest/finder/result?location=16037&profession=575&zipSearch=0&nationality=Drittstaat&qualification=Drittstaaten&arrangement=Nein&nationalityDrittstaat=Drittstaat&whereabouts=Deutschland

Ao amin'ny commentaire no misy ny rohy ahitanao ny zavatra rehetra ilainao amin'izany araka ny toerana misy anao eto Alemana

🚨 ANERKENNUNG: WICHTIGE INFORMATIONEN, DIE DU KENNEN SOLLTEST!

Wusstest du, dass es in Deutschland Berufe gibt, die du ohne Anerkennung deines Diploms nicht ausüben darfst?

🇩🇪 Es gibt 2 Arten von Berufen:
1. Berufe, die eine Anerkennung erfordern (reglementiert).
➡️ Du darfst nicht arbeiten, wenn dein Abschluss nicht anerkannt ist (Pflegefachkraft, Arzt, Apotheker, Lehrer, Anwalt, Architekt usw.).

👉 Für reglementierte Berufe brauchst du:
Die Anerkennung des Diploms bei der zuständigen Behörde (Schulbehörde, Bezirksregierung oder Landesamt, je nach Region)
z. B. Regierungspräsidium in Baden-Württemberg
https://rps.baden-wuerttemberg.de/abt7/zeugnisanerkennungsstelle/
💰 ca. 100 €
⏳ 2–4 Monate

2. Berufe, bei denen keine Anerkennung zwingend erforderlich ist (nicht reglementiert).
➡️ Hier reicht oft eine einfache Bewertung des Diploms. Sie ist nicht verpflichtend, kann aber sehr hilfreich sein für Job und Gehalt (Büro, Verwaltung, Buchhaltung, IT, Handel, Kundenservice usw.).

👉 Zuständig ist die ZAB (Zentralstelle für ausländisches Bildungswesen):
Zeugnisbewertung
https://zab.kmk.org/de/zeugnisbewertung
💰 ca. 200 €
⏳ 2–3 Monate

🇩🇪✍️ Alle Dokumente müssen ins Deutsche übersetzt werden (durch einen vereidigten Übersetzer).

⚠️ Dein Abschluss kann:
✔ vollständig anerkannt werden
✔ teilweise anerkannt werden (erst mit Weiterbildung oder Prüfung anerkannt)
❌ nicht anerkannt werden

Diese Website in Deutschland bietet dir Online- und telefonische Unterstützung. Du kannst dort Informationen zur Anerkennung deines Diploms erhalten, auch wenn du dich noch auf Madagaskar befindest.

https://www.anerkennung-in-deutschland.de/de/interest/finder/result?location=16037&profession=575&zipSearch=0&nationality=Drittstaat&qualification=Drittstaaten&arrangement=Nein&nationalityDrittstaat=Drittstaat&whereabouts=Deutschland

In den Kommentaren werden dir die links aufgelistet, die dir genau helfen bei deiner Anerkennung und zwar je nach Stadt/ Bundesland.

17/02/2026

Adresse

Allemagne
Karlsruhe

Webseite

Benachrichtigungen

Lassen Sie sich von uns eine E-Mail senden und seien Sie der erste der Neuigkeiten und Aktionen von Diaspora Malagasy Aktiv in Deutschland-DMAD e.V. erfährt. Ihre E-Mail-Adresse wird nicht für andere Zwecke verwendet und Sie können sich jederzeit abmelden.

Teilen