Sakaizan'ny Akademia aty Ampielezana

  • Home
  • Sakaizan'ny Akademia aty Ampielezana

Sakaizan'ny Akademia aty Ampielezana "Fa ny Teny no harena mivoy fahendrena, mitory fahalalana, fanilom-pahazavana."

Ny “Sakaizan'ny Akademia Malagasy aty ampielezana” izay tarihan'i “Masoandrontsoa”, dia fikambanana nomen'ny Akademia Malagasy fahafahana mivoy ny kolontsaina amin’ny alalan’ny fanandratana ny teny malagasy miaraka amin'ireo fikambanana aty ampielezana isan-karazany. Raha ireo karazana hetsika nentina nanamarihana ny fotoam-pankalazana ny TENINTSIKA nanomboka tamin'ny taona 2022 no tsiahivina dia miendrika toy izao : antsa tononkalo ravahina rotsirotsim-baliha, tantara an-tsehatra, varotra fampirantiana ireo karazana boky Malagasy, vela-kevitra narahina adihevitra natrehin’ireo andrarezina toa an’Itompokolahy Abel ANDRIARIMALALA (Mpanoratra - mpampianatra – FTM), Andriamatoa Harilala RANJATOHERY (Akademisiana – mpampianatra – mpanoratra), Andriamatoa Denis ANDRIAMANDROSO (Diplaomaty - mpanoratra - mpampianatra - Sakaizan'ny Akademia Malagasy any Madagasikara), Andriamatoa Hery RABEARISOA (Kaosilin’i Madagasikara ao Marseille), Ramatoa Pr. ANDRIANARISOA Hasina Olga (Mpampianatra mpikaroka - Tale pedagôjika FTM - Talen’ny fikarohana Faritany FI.MPI.MA Suisse), sns.

21 febroary : Andro iraisam-pirenena ho an'ny Teny Ibeazana.🌍 Lohahevitra maneran-tany : "Teny miasa ho an'ny fampandros...
21/02/2025

21 febroary : Andro iraisam-pirenena ho an'ny Teny Ibeazana.

🌍 Lohahevitra maneran-tany : "Teny miasa ho an'ny fampandrosoana lovain-jafy."

🇲🇬 Lohahevitry ny fankalazana : "Harena ho an'ny teny malagasy ny fiteny samihafa eto Madagasikara."

✅ Ny Sakaizan'ny Akademia aty ampielezana dia mirary fiandohana feno fitoniana, hanjakan'ny fitiavana sy ho ampoka hafal...
31/12/2024

✅ Ny Sakaizan'ny Akademia aty ampielezana dia mirary fiandohana feno fitoniana, hanjakan'ny fitiavana sy ho ampoka hafaliana ho antsika tsirairay avy eo am-pandraisana ny taona vaovao.

✅ Sanatria tsy adinontsika fa ny fandroana no isan-taona fa ny fihavanana kosa isanandro. Ho arivo tratry ny taona, tsy hisara-mianakavy anie isika !

✅ Tsy mandika ny soan-Janahary ary samy ho ambinina avokoa mandritra ity taona 2025 hodiavintsika ity 🇲🇬

18/11/2024

𝗩𝗘𝗟𝗢𝗠𝗔 ry Zoky Denis ANDRIAMANDROSO 🇲🇬.

Raha ny "Vetso ho an'ny tanindrazana" noventesiny mazàna, dia nitondra tsilom-panantenana ho famelomana ny TENY sy ho fikoloana ny TANY anaty an-dalan-tsoratra sy fanehoana tsara rindra, hampitana hatrany hatrany fa masina ny Tanindrazana sy ny mponina ao aminy.

Very Olomanga ny tontolon'ny Diplaomasia sy ny Fampianarana, dify ilay Andrarezin'ny fikoloana ny TENY fototry ny TANY manamarika ny tena maha-MALAGASY.

Mankasitraka indrindra tamin'ny fahazavana sy ireo fizarana rehetra.

Mandria am-piadanana

"𝙈𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 𝙖𝙝𝙤, 𝙈𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 𝙞𝙖𝙣𝙖𝙤. 𝙈𝙞𝙖𝙣𝙙𝙧𝙮 𝙞𝙯𝙖𝙝𝙤 𝙨𝙮 𝙞𝙖𝙣𝙖𝙤"

Sakaizan'ny Akademia aty Ampielezana

𝔽𝕚𝕤𝕒𝕠𝕣𝕒𝕟𝕒 𝕤𝕪 𝕗𝕒𝕟𝕜𝕒𝕤𝕚𝕥𝕣𝕒𝕙𝕒𝕟𝕒 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨𝐤𝐨𝐥𝐚𝐡𝐲 𝐬𝐲 𝐭𝐨𝐦𝐩𝐨𝐤𝐨𝐯𝐚𝐯𝐲,✅ Tontosa soa aman-tsara ny sabotsy faha-29 jona lasa teo tokoa n...
01/07/2024

𝔽𝕚𝕤𝕒𝕠𝕣𝕒𝕟𝕒 𝕤𝕪 𝕗𝕒𝕟𝕜𝕒𝕤𝕚𝕥𝕣𝕒𝕙𝕒𝕟𝕒

𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨𝐤𝐨𝐥𝐚𝐡𝐲 𝐬𝐲 𝐭𝐨𝐦𝐩𝐨𝐤𝐨𝐯𝐚𝐯𝐲,

✅ Tontosa soa aman-tsara ny sabotsy faha-29 jona lasa teo tokoa ny hetsika famaranana ny fankalazana ny iray volan'ny teny malagasy izay notanterahina tany Bruxelles, teo ambany fiahian'Andriamatoa Masoivohon'i Madagasikara eto Benelux.

🙏 Amin-kafaliana tanteraka noho izany no hanehoanay Sakaizan'ny Akademia aty ampielezana ny fisaorana sy fankasitrahana feno antsika rehetra nitoto sy nahamasaka iny fotoana iny, ianareo nanotrona na tany an-toerana na avy lavitra sy izay misy antsika tsirairay avy.

🔗 Tsy mahalavi-tany tokoa ny fitiavana ny Tenintsika, ary mbola nasehontsika ihany koa ny herin'ny Teny nampivondrona antsika nandritra iny fotoana manokana iny.

🫶 Etoana no hanehoana fisaorana ampahibemaso ireo izay nanohana sy nanolo-tanana tamin'ny fanatontosana ny fankalazana, ary ihany koa ho rehareha sy voninahitry ny firaisan-kina sy firaisam-pon'ny malagasy aty ampielezana natambatry ny Teny Malagasy.

𝗠𝗜𝗦𝗔𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗜𝗡𝗗𝗥𝗜𝗡𝗗𝗥𝗔 𝗧𝗢𝗠𝗣𝗢𝗞𝗢.

| Ambassade de Madagascar à Bruxelles I Masoandrontsoa I CLUB 1808 I Doloïer poeta Betsimisaraka I Ambassade de Madagascar en France I Fimpima Maneran-tany I Fimpima sampana Marseille I Représentation Permanente de Madagascar auprès de l'UNESCO I Direction de la Diaspora I Ministère des Affaires étrangères de la République de Madagascar I I Fi.mpi.ma Benelux I Consulat Général de Madagascar I Cercle Voxmada I Fimpima Faritany Suisse I Fivmpama Paris I Comptines Kalo I Laterit Productions I Koba Mamy KM I I Harilala Ranjatohery I Hery Rasoamanana I Dina Mitia Rabearivelo I Jean Omer Beriziky Ofisialy I Fimpima Sampana Alemana I Havatsa Upem I HAVATSA UPEM SAMPANA FRANTSA I Manantsoa Andriamiarina I ...

FAMARANANA NY FANKALAZANA NY IRAY VOLAN'NY TENY MALAGASY ☘️ "Teny malagasy sompi-pahendrena"  Jean Omer BerizikyAmbassad...
29/06/2024

FAMARANANA NY FANKALAZANA NY IRAY VOLAN'NY TENY MALAGASY

☘️ "Teny malagasy sompi-pahendrena"
Jean Omer Beriziky
Ambassade de Madagascar à Bruxelles

🌾 "Ny kabary: sompitra mitahiry ny fahendrena malagasy"

Fampianarana Teny Malagasy Maneran-tany

🌱 "Ny raki-tsarobidin'ny teny malagasy"
Harilala Ranjatohery

🌿 "Ny fahendrena malagasy hita soritra anaty lahabolana Betsimisaraka avaratra"
Doloïer poeta Betsimisaraka

🍀 "Ny tantara an'onjam-peo sy ny tontolom- panabeazana ny fiarahamonina malagasy"

Masoandrontsoa
CLUB 1808
Sakaizan'ny Akademia aty Ampielezana

21/06/2024

🇲🇬🇧🇪 Indro efa tsinjo mandodona avy eny atsinanana ny tara-pahazavana hitondra antsika hianoka indray ny fotoam-pamaranana ny fankalazana ny « Iray volan'ny teny malagasy »
amin'ity taona 2024 ity.

✅ Sabotsy faha-29 Jona 2024 - 10 ora

🚦Entanina hatrany isika izay ho avy hanatrika ny fotoana mba hisoratra anarana amin'ny rohy manaraka eto : https://my.weezevent.com/famaranana-ny-iray-volanny-teny-malagasy-beljika-29-jona-2024

Harilala Ranjatohery I Fampianarana Teny Malagasy Maneran-tany I Fampianarana Teny Malagasy I Fi.mpi.ma Benelux I Fimpima Maneran-tany I Fikambanan'ny Mpikabary Malagasy I Faritany Fimpima Frantsa I Fimpima Faritany Suisse I Fimpima sampana Marseille I Fimpima Sampana Alemana I Fimpima Norvezy I Havatsa Upem I HAVATSA UPEM SAMPANA FRANTSA I Kolo Malagasy I Ministère des Affaires Etrangères de Madagascar I Ambassade de Madagascar à Bruxelles I Ambassade de Madagascar en France I Consulat Général de Madagascar I CLUB 1808 I Fivmpama Paris I Cercle Voxmada I Direction de la Diaspora I Représentation Permanente de Madagascar auprès de l'UNESCOO I au Benelux I ETO BELGIQUE I Doloïer poeta Betsimisaraka I Mitia Rabearivelo I Masoandrontsoa I Laterit Productions I Comptines Kalo I Koba Mamy KM I ...

✨️ Iza moa ny Sakaizan'ny Akademia aty ampielezana?1️⃣ Tsy mialonjafy izy;2️⃣ Sakaiza mpiara-dia amin'ny Akademia Malaga...
08/06/2024

✨️ Iza moa ny Sakaizan'ny Akademia aty ampielezana?

1️⃣ Tsy mialonjafy izy;
2️⃣ Sakaiza mpiara-dia amin'ny Akademia Malagasy;
3️⃣ Ivondronan'ireo tia, mandala, misehatra, miaina, manaja, manome voninahitra ny Teny Malagasy amin’ny alalan’ny kanto sy amin’ny endriny rehetra;
4️⃣ Miara-mientana sy mifanome tanana ho amin'ny fanandratana sy fanomezan-danja ny Tenintsika.

Koa, ndao àry, manasa antsika rehetra mandritry ny fotoam-pamaranana ny fankalazana ny iray volan'ny teny malagasy, izay hiarahantsika malagasy aty ampielezana manatanteraka :
🕙 Fotoana : Sabotsy 29 jona 2024 hoavy izao.
▶️ Toerana : Abbaye de Bois Seigneur Isaac Rue Armand de Moor 2, 1421 Braine-l'Alleud, Belgique

02/06/2024

Ry namana sy mpiray tenin-drazana 🇲🇬,

Pejy vaovao no misokatra ho antsika, koa :

✅ Amin-kafaliana tokoa no hiarahanay eto anivon'ny S.A.A mifandray sy mifampizara aminareo ireo karazana hetsika ho fanomezan-danja ny tenin-drazantsika,

✅ Finaritra tokoa maneho firaisam-panahy sy fiaraha-mientana miaraka amin'ny Akademia Malagasy mandritra ity volana Jona izay natokana hankalazana ny "Iray Volan'ny Teny Malagasy" ity,

✅ Tretrika aok'izany fa hifanojo indray isika tia sy mpandala ny Tenintsika mandritry ny fotoam-pamaranana ny taom-pankalazana amin'ity taona ity, dia ny amin'ny sabotsy 29 jona 2024 izany, any Belzika 🇧🇪 indray.

🔓 Entanina isika hanoratra anarana fa voafetra ny toerana : https://my.weezevent.com/famaranana-ny-iray-volanny-teny-malagasy-beljika-29-jona-2024

Address


Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sakaizan'ny Akademia aty Ampielezana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

  • Want your organization to be the top-listed non profit organization?

Share